1 ULB Ary hoy izy ireo tamin'i Davida: "Indro, miady amin'i Keila ny Filistina ary mandroba ireo famoloana." BSB BSB: Now it was reported to David, “Look, the Philistines are fighting against Keilah and looting the threshing floors.”
2 ULB Koa nivavaka tamin'i Yaveh Davida mba hanampy azy ka nanontany Azy hoe: "Tokony handeha hanafika an'ireo Filistina ireo ve aho?" Ary hoy Yaveh tamin'i Davida: "Mandehana ary tafiho ireo Filistina ka vonjeo i Keila." BSB BSB: So David inquired of the LORD, “Should I go and attack these Philistines?” And the LORD said to David, “Go and attack the Philistines and save Keilah.”
3 ULB Ary hoy ireo lehilahin'i Davida taminy: "Indro, matahotra isika eto Joda. Koa mainka fa handeha ho any Keila ka hiady amin'ireo tafiky ny Filistina?" BSB BSB: But David’s men said to him, “Look, we are afraid here in Judah; how much more if we go to Keilah against the armies of the Philistines?”
4 ULB Dia mbola nivavaka tamin'i Yaveh indray Davida mba hanampy azy. Namaly azy Yaveh hoe: "Mitsangàna, midìna mankany Keila. Fa homeko anao ny fandresena ireo Filistina." BSB BSB: Once again, David inquired of the LORD, and the LORD answered him: “Go at once to Keilah, for I will deliver the Philistines into your hand.”
5 ULB Dia nankany Keila i Davida sy ireo lehilahiny ary niady tamin'ireo filistina. Nentiny lavitra ireo biby fiompy ary namely azy ireo tamin'ny famonoana lehibe izy. Ka voavonjin'i Davida ny mponin'ny Keila. BSB BSB: Then David and his men went to Keilah, fought against the Philistines, and carried off their livestock, striking them with a mighty blow. So David saved the people of Keilah.
6 ULB Rehefa nandositra tany amin'i Davida tao Keila i Abiatara zanaka lahin'i Ahimeleka, dia nidina niaraka amin'ny efoda teny an-tanany izy. BSB BSB: (Now Abiathar son of Ahimelech had brought the ephod with him when he fled to David at Keilah.)
7 ULB Ary nambara tamin'i Saoly fa nankany Keila i Davida. Hoy i Saoly: "Efa nomen'Andriamanitra ahy ho eo am-pelatanako izy. Ka voahidy ao izy satria niditra tao amin'ny tanàna misy vavahady sy fefy." BSB BSB: When Saul was told that David had gone to Keilah, he said, “God has delivered him into my hand, for he has trapped himself by entering a town with gates and bars.”
8 ULB Nampiantso ny tafiny rehetra i Saoly mba hiady, hidina ho any Keila, ary hanao fahirano an'i Davida sy ireo lehilahiny. BSB BSB: Then Saul summoned all his troops to go to war at Keilah and besiege David and his men.
9 ULB Ary fantatr'i Davida fa manao teti-dratsy hanoherana azy i Saoly. Ary hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona hoe: "Ento aty ny efoda." BSB BSB: When David learned that Saul was plotting evil against him, he said to Abiathar the priest, “Bring the ephod.”
10 ULB Dia hoy i Davida: "Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa i Saoly dia mitady hankany Keila, mba handringana ny tanàna nohon'ny amiko. BSB BSB: And David said, “O LORD, God of Israel, Your servant has heard that Saul intends to come to Keilah and destroy the city on my account.
11 ULB Hanolotra ahy ho eo an-tanany ve ny olon'ny Keila? Hidina ve i Saoly, araka ny ren'ny mpanomponao? Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, mitalaho aminao aho, miangavy re mba teneno ny mpanomponao." Ary hoy Yaveh hoe: "Hidina izy." BSB BSB: Will the citizens of Keilah surrender me into his hand? Will Saul come down, as Your servant has heard? O LORD, God of Israel, please tell Your servant.” “He will,” said the LORD.
12 ULB Dia hoy i Davida hoe: "Ho atolotry ny olon'i Keila ho eo an-tanan'i Saoly ve izaho sy ireo lehilahiko? Dia hoy Yaveh hoe: "Hanolotra anao izy ireo." BSB BSB: So David asked, “Will the citizens of Keilah surrender me and my men into the hand of Saul?” “They will,” said the LORD.
13 ULB Dia niainga i Davida sy ireo lehilahiny, izay tokony ho teo amin'ny eninjato, ka niala avy tao Keila, ary nandeha nifindrafindra toerana. Nambara tamin'i Saoly fa nandositra avy ao Keila izy, ary najanony ny fanenjehana. BSB BSB: Then David and his men, about six hundred strong, set out and departed from Keilah, moving from place to place. When Saul was told that David had escaped from Keilah, he declined to go forth.
14 ULB Nijanona tao anaty fiarovana mafy tany an'efitra i Davida, teny amin'ny tany havoana tany an'efitr'i Zifa. Nikaroka azy isan'andro i Saoly, nefa Andriamanitra tsy nanolotra azy teo an-tanany. BSB BSB: And David stayed in the wilderness strongholds and in the hill country of the Wilderness of Ziph. Day after day Saul searched for him, but God would not deliver David into his hand.
15 ULB Ary hitan'i Davida fa nifofo ny ainy i Saoly; ary efa tany an'efitry ny Zifa any Horesa i Davida. BSB BSB: While David was in Horesh in the Wilderness of Ziph, he saw that Saul had come out to take his life.
16 ULB Ary Jonatana, zanaka lahin'i Saoly, niainga ka nankany amin'i Davida tany Horesa, ary nankahery ny tanany tao amin'Andriamanitra. BSB BSB: And Saul’s son Jonathan came to David in Horesh and strengthened his hand in God,
17 ULB Hoy izy taminy hoe: "Aza matahotra. Fa tsy ho hitan'ny tanan'i Saoly raiko ianao. Ianao no ho mpanjaka eo amin'ny Israely, ary izaho dia ho eo anilanao. Fantatr'i Saoly raiko izany." BSB BSB: saying, “Do not be afraid, for my father Saul will never lay a hand on you. And you will be king over Israel, and I will be your second-in-command. Even my father Saul knows this is true.”
18 ULB Nanao fanekena teo anoloan'i Yaveh izy ireo. Dia nijanona tao Horesa i Davida, ary Jonatana nody tany amin'ny fonenany. BSB BSB: So the two of them made a covenant before the LORD. And David remained in Horesh, while Jonathan went home.
19 ULB Ary nanatona an'i Saoly tao Gibea ireo Zifita ka niteny hoe: "Tsy i Davida ve no miafina any aminay ao anatin'ny batery fiarovana mafy any Horesa, any amin'ny havoana Hakila, izay any atsimon'i Jesimona? BSB BSB: Then the Ziphites came up to Saul at Gibeah and said, “Is not David hiding among us in the strongholds at Horesh, on the hill of Hachilah south of Jeshimon?
20 ULB Ankehitriny midìna, ry mpanjaka! Araka ny sitrakao, midìna! Hanolotra azy ho eo am-pelatananan'ny mpanjaka no anjaranay." BSB BSB: Now, O king, come down whenever your soul desires, and we will be responsible for delivering him into your hand.”
21 ULB Ary hoy i Saoly: "Yaveh anie hitahy anareo. Fa nangoraka ahy ianareo. BSB BSB: “May you be blessed by the LORD,” replied Saul, “for you have had compassion on me.
22 ULB Mandehana, ataovy azo antoka kokoa. Fantaro sy tadiavo ny toerana izay hiafenany sy izay nahita azy tany. Nambara tamiko fa fetsy tokoa izy. BSB BSB: Please go and prepare further. Investigate and watch carefully where he goes and who has seen him there, for I am told that he is extremely cunning.
23 ULB Ka jereo, ary fantaro ireo toerana rehetra izay hanafenany ny tenany. Dia miverena indray aty amiko hilaza marimarina kokoa, dia hiaraka aminareo hiverina aho. Raha any amin'ny tany izy, dia hokarohiko amin'ireo Joda an'arivony rehetra." BSB BSB: Observe and find out all the places where he hides. Then come back to me with certainty, and I will go with you. If he is in the land, I will search him out among all the clans of Judah.”
24 ULB Avy eo nitsangana izy ireo ka nankany Zifa mialohan'i Saoly. Ary tany amin'ny efitry ny Maona i Davida sy ireo lehilahiny, tany Araba atsimon'i Jesimona. BSB BSB: So they set out and went to Ziph ahead of Saul. Now David and his men were in the Wilderness of Maon in the Arabah south of Jeshimon,
25 ULB Nandeha nitady azy Saoly sy ny lehilahiny. Fa nambara tamin'i Davida izany, ka nidina tany amin'ny tany havoana be vato izy ary nonina tany an'efitry Maona. Rehefa nandre izany i Saoly, dia nanenjika an'i Davida tany an-tany efitr'i Maona izy. BSB BSB: and Saul and his men went to seek him. When David was told about it, he went down to the rock and stayed in the Wilderness of Maon. And when Saul heard of this, he pursued David there.
26 ULB Ary i Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, Davida sy ireo lehilahiny kosa tamin'ny ilany iray hafa. Nandeha faingana i Davida mba hanalavitra an'i Saoly. Raha efa nanodidina an'i Davida sy ny lehilahiny i Saoly sy ny lehilahiny mba haka azy ireo, BSB BSB: Saul was proceeding along one side of the mountain, and David and his men along the other side. Even though David was hurrying to get away, Saul and his men were closing in on David and his men to capture them.
27 ULB dia nisy mpitondra teny nanatona an'i Saoly ka hoy izy taminy hoe: "Faingàna ka avia, fa manao fanafihana hanohitra ny tany ireo Filistina." BSB BSB: Then a messenger came to Saul, saying, “Come quickly, for the Philistines have raided the land!”
28 ULB Dia niverina avy tamin'ny fanenjehana an'i Davida i Saoly ary nandeha nifanandrina tamin'ireo Filistina. Noho izany no niantsoana io toerana io hoe: Vatolampin'ny Fandosirana. BSB BSB: So Saul broke off his pursuit of David and went to meet the Philistines. That is why that place is called Sela-hammahlekoth.
29 ULB Niakatra avy tany Davida ka nonina tao amin'ireo fiarovana mafin'i En-jedy. BSB BSB: And David went up from there and lived in the strongholds of En-gedi.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.