1 ULB Rehefa niverina avy nanenjika an'ireo Filistina i Saoly, dia nolazaina taminy hoe: "Any an'efitr'i En-jedy i Davida." BSB BSB: After Saul had returned from pursuing the Philistines, he was told, “David is in the wilderness of En-gedi.”
2 ULB Avy eo i Saoly dia naka lehilahy telo arivo voafantina avy amin'Israely rehetra ary nandeha nitady an'i Davida sy ireo lehilahy teny amin'ny Vatolampin'ireo Osi-Dia. BSB BSB: So Saul took three thousand chosen men from all Israel and went to look for David and his men in the region of the Rocks of the Wild Goats.
3 ULB Nankeo amin'ny valan'ondry teny an-dalana izy, izay nisy zohy iray. Niditra tao mba hanao maloto i Saoly. Ary Davida sy ireo lehilahiny dia nipetraka lavitra tao aoriany tao amin'ny zohy. BSB BSB: Soon Saul came to the sheepfolds along the road, where there was a cave, and he went in to relieve himself. And David and his men were hiding in the recesses of the cave.
4 ULB Hoy ireo lehilahin'i Davida taminy hoe: "Ity no andro izay niresahan'i Yaveh rehefa niteny taminao Izy hoe: 'Hatolotro eo am-pelatananao ireo fahavalonao, mba hanaovanao izay tianao hatao aminy.'" Avy eo Davida nitsangana ary nandady moramora nandroso ka nanapaka ny moron'ny akanjo lavan'i Saoly. BSB BSB: So David’s men said to him, “This is the day about which the LORD said to you, ‘Behold, I will deliver your enemy into your hand, that you may do with him as you wish.’” Then David crept up and stealthily cut off a corner of Saul’s robe.
5 ULB Rehefa afaka izany dia nampahory azy ny fon'i Davida satria nanapaka ny moron'ny akanjo lavan'i Saoly izy. BSB BSB: Afterward, David’s conscience was stricken because he had cut off the corner of Saul’s robe.
6 ULB Hoy izy tamin'ireo lehilahiny hoe: "Yaveh anie handrara ny hanaovako izao zavatra izao amin'ny tompoko, ilay voahosotr'i Yaveh, dia ny haninjirako ny tanako aminy, raha mahita fa voahosotr'i Yaveh izy." BSB BSB: So he said to his men, “The LORD forbid that I should do such a thing to my master, the LORD’s anointed. May I never lift my hand against him, since he is the LORD’s anointed.”
7 ULB Dia niteny mafy an'ireo lehilahiny tamin'ireo teny ireo Davida, ary tsy namela azy ireo hamely an'i Saoly. Nitsangana i Saoly, nandao ny zohy, ary nandeha tamin'ny lalany. BSB BSB: With these words David restrained his men, and he did not let them rise up against Saul. Then Saul left the cave and went on his way.
8 ULB Rehefa afaka izany, dia nitsangana ihany koa Davida, nandao ilay zohy, ary niantso an'i Saoly hoe: "Ry mpanjaka tompoko." Rehefa nijery azy avy ao aoriany i Saoly, dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany i Davida ary naneho fanajana azy. BSB BSB: After that, David got up, went out of the cave, and called out to Saul, “My lord the king!” When Saul looked behind him, David bowed facedown in reverence
9 ULB Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe: "Nahoana ianao no mihaino ireo lehilahy izay manao hoe: 'Indro, mitady hanao ratsy anao Davida?' BSB BSB: and said to Saul, “Why do you listen to the words of men who say, ‘Look, David intends to harm you’?
10 ULB Ankehitriny hitan'ny masonao ny fomba nametrahan'i Yaveh anao teo am-pelatanako tamintsika tao an-johy. Ny sasany nilaza tamiko mba hamono anao, fa namindra fo taminao aho. Hoy aho hoe: 'Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho; satria voahosotr'i Yaveh izy.' BSB BSB: Behold, this day you have seen with your own eyes that the LORD delivered you into my hand in the cave. I was told to kill you, but I spared you and said, ‘I will not lift my hand against my lord, since he is the LORD’s anointed.’
11 ULB Indro, ry raiko, jereo ny moron-tongotr'akanjo lavanao eo am-pelatanako. Fa ny antony nanapahako ny moron-tongotr'akanjo lavanao sy tsy namonoako anao, dia mba ho fantatrao sy hitanao fa tsy misy ratsy na fivadihana eto am-pelatanako, ary tsy nanota taminao aho, na dia mihaza ny aiko mba hahafaty ahy aza ianao. BSB BSB: See, my father, look at the corner of your robe in my hand. For I cut it off, but I did not kill you. Know and see that there is no evil or rebellion in my hands. I have not sinned against you, even though you are hunting me down to take my life.
12 ULB Yaveh anie hitsara ahy sy ianao, ary Yaveh anie hamaly faty ahy aminao, fa ny tanako dia tsy tokony hanohitra anao. BSB BSB: May the LORD judge between you and me, and may the LORD take vengeance on you, but my hand will never be against you.
13 ULB Araka ny lazain'ny ohabolan'ny ntaolo hoe: 'Avy amin'ny ratsy fanahy no hiavian'ny faharatsiana.' Fa tsy hanohitra anao ny tanako. BSB BSB: As the old proverb says, ‘Wickedness proceeds from the wicked.’ But my hand will never be against you.
14 ULB Ho an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'Israely? Iza no enjehinao? Alika maty! Parasy! BSB BSB: Against whom has the king of Israel come out? Whom are you pursuing? A dead dog? A flea?
15 ULB Yaveh anie ho mpitsara sy hanome fitsaràna ahy sy ianao, ary hijery amin'izany, ary hisolo vava ahy sy hamela ahy handositra amin'ny tananao." BSB BSB: May the LORD be our judge and decide between you and me. May He take notice and plead my case and deliver me from your hand.”
16 ULB Rehefa avy niresaka ireo teny ireo tamin'i Saoly i Davida, dia hoy i Saoly hoe: "Feonao ve izany, ry Davida zanako?" Nanandratra ny feony i Saoly ary nitomany. BSB BSB: When David had finished saying these things, Saul called back, “Is that your voice, David my son?” Then Saul wept aloud
17 ULB Hoy izy tamin'i Davida hoe: "Marina kokoa ianao mihoatra ahy. Satria namaly soa ahy ianao, rehefa namaly ratsy anao aho. BSB BSB: and said to David, “You are more righteous than I, for you have rewarded me with good, though I have rewarded you with evil.
18 ULB Nambaranao ankehitriny ny fomba nanaovanao soa tamiko, satria tsy namono ahy ianao raha nataon'i Yaveh teo an-tananao ny aiko. BSB BSB: And you have declared this day how you have treated me well, for when the LORD delivered me into your hand, you did not kill me.
19 ULB Fa raha misy lehilahy mahita ny fahavalony, dia handefa azy am-piadanana ve izy? Yaveh anie hamaly soa anao amin'izay vitanao tamiko anio. BSB BSB: When a man finds his enemy, does he let him go away unharmed? May the LORD reward you with good for what you have done for me this day.
20 ULB Ankehitriny, fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao ary ho apetraka eo am-pelatananao ny fanjakan'Israely. BSB BSB: Now I know for sure that you will be king and that the kingdom of Israel will be established in your hands.
21 ULB Mianiana amiko amin'i Yaveh fa tsy hamongotra ireo taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hamotika ny anarako hiala amin'ny tranon-draiko." BSB BSB: So now, swear to me by the LORD that you will not cut off my descendants or wipe out my name from my father’s house.”
22 ULB Noho izany dia nanao fianianana tamin'i Saoly i Davida. Avy eo dia nandeha nody i Saoly, fa i Davida sy ireo lehilahiny kosa nandeha niakatra tany amin'ny fiarovana mafy. BSB BSB: So David gave his oath to Saul. Then Saul returned home, but David and his men went up to the stronghold.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.