1 ULB Ary nodimandry i Samoela. Niara-niangona ny Israely rehetra ary nisaona azy, dia nalevin'izy ireo tany an-tranony tany Rama izy. Dia niainga i Davida ary nidina nankany an'efitr'i Parana. BSB BSB: When Samuel died, all Israel gathered to mourn for him; and they buried him at his home in Ramah. Then David set out and went down to the Wilderness of Paran.
2 ULB Nisy lehilahy iray tany Maona, izay tany Karmela ny fananany. Tena nanan-karena ilay lehilahy. Nanana ondry telo arivo sy osy arivo izy. BSB BSB: Now there was a man in Maon whose business was in Carmel. He was a very wealthy man with a thousand goats and three thousand sheep, which he was shearing in Carmel.
3 ULB Nanety ny ondriny tany Karmela izy. Nabala no anaran'ilay lehilahy, ary ny anaran'ny vadiny dia Abigaila. Naranin-tsaina ilay vehivavy ary tsara endrika. Fa ilay lehilahy kosa masiaka sady ratsy tamin'ny fitondrany. Taranaky ny ankohonan'i Kaleba izy. BSB BSB: His name was Nabal, and his wife’s name was Abigail. She was an intelligent and beautiful woman, but her husband, a Calebite, was harsh and evil in his dealings.
4 ULB Ren'i Davida tany an'efitra fa nanety ny ondriny i Nabala. BSB BSB: While David was in the wilderness, he heard that Nabal was shearing sheep.
5 ULB Koa dia nandefa tovolahy folo izy. Dia hoy Davida tamin'ireo lehilahy: "Miakara any Karmela, mandehana any amin'i Nabala, ary miarahabà azy amin'ny anarako. BSB BSB: So David sent ten young men and instructed them, “Go up to Nabal at Carmel. Greet him in my name
6 ULB Lazaonareo aminy hoe: 'Miveloma anaty fanambinana. Fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an'ny ankohonanao, ary fiadanana anie ho an'izay rehetra hanananao. BSB BSB: and say to him, ‘Long life to you, and peace to you and to your house and to all that belongs to you.
7 ULB Reko fa manana mpanety maro ianao. Efa niaraka taminay ireo mpiandry ondrinao, ary tsy mba nanisy ratsy azy ireo izahay, ary tsy nisy na inona na inona tsy ampy tamin'izy ireo fony tany Karmela. BSB BSB: Now I hear that it is time for shearing. When your shepherds were with us, we did not harass them, and nothing of theirs was missing the whole time they were in Carmel.
8 ULB Anontanio ny zatovo lahinao, dia ho lazain'izy ireo aminao. Ary avelao ireo zatovo lahiko hahita sitraka eo imasonao, fa tsy maintsy tonga izahay amin'ny andro fety. Mba omeo re na inona na inona hanananao eo an-tananao ho an'ireo mpanomponao ary ho an'i Davida zanaka lahinao."' BSB BSB: Ask your young men, and they will tell you. So let my young men find favor with you, for we have come on the day of a feast. Please give whatever you can spare to your servants and to your son David.’”
9 ULB Rehefa tonga ny zatovolahin'i Davida, dia nolazain'izy ireo tamin'i Nabala ho an'i Davida avokoa izany rehetra izany, avy eo dia niandry izy ireo. BSB BSB: When David’s young men arrived, they relayed all these words to Nabal on behalf of David. Then they waited.
10 ULB Namaly ireo mpanompon'i Davida i Nabala nanao hoe: "Iza moa izany Davida, ary iza izany zanaka lahin'i Jese? Nisy mpanompo maro izay nisara-dàlana tamin'ny tompon'izy ireo tamin'izany andro izany. BSB BSB: But Nabal asked them, “Who is David? Who is this son of Jesse? Many servants these days are breaking away from their masters.
11 ULB Tokony haka ny mofoko sy ny ranoko ary ny henako izay efa novonoiko ho an'ny mpanetiko ve aho, ary hanome izany ho an'ny olona izay tsy fantatro akory hoe avy aiza?" BSB BSB: Why should I take my bread and water and the meat I have slaughtered for my shearers, and give them to these men whose origin I do not know?”
12 ULB Ka dia niverina ary nandeha nody ny zatovolahin'i Davida, ary niteny izay rehetra voalaza taminy. BSB BSB: So David’s men turned around and went back, and they relayed to him all these words.
13 ULB Dia hoy Davida tamin'ireo olony: "Apetaho ny sabatry ny olona tsirairay." Ka dia nametaka ny sabany ny olona tsirairay. Dia nametaka ny sabany ihany koa i Davida. Lehilahy teo amin'ny efajato teo no nanaraka an'i Davida, ary roanjato no nijanona teo akaikin'ny entana. BSB BSB: And David said to his men, “Strap on your swords!” So David and all his men strapped on their swords, and about four hundred men followed David, while two hundred stayed with the supplies.
14 ULB Fa niresaka tamin'i Abigaila, vadin'i Nabala, ny iray tamin'ireo olona, nanao hoe: "Nandefa iraka maro avy any an'efitra mba hiarahaba ny tomponay i Davida, ary notsiratsirainy izy ireo. BSB BSB: Meanwhile, one of Nabal’s young men informed Nabal’s wife Abigail, “Look, David sent messengers from the wilderness to greet our master, but he screamed at them.
15 ULB Kanefa tena tsara taminay tokoa ny olona. Fa tsy nisy ratsy nanjo anay ary tsy nisy tsy ampy taminay raha mbola nandeha niaraka tamin'izy ireo koa izahay fony tany amin'ireo saha. BSB BSB: Yet these men were very good to us. When we were in the field, we were not harassed, and nothing of ours went missing the whole time we lived among them.
16 ULB Manda ho anay izy ireo na andro na alina, nandritra izay niarahanay tamin'izy ireo niandry ny ondry. BSB BSB: They were a wall around us, both day and night, the whole time we were herding our sheep near them.
17 ULB Noho izany fantaro izany ary hevero izay ho ataonareo, fa misy ratsy kasaina hatao amin'ny tomponay, sy ny ankohonany. Dia ny ratsy fanahy tokoa izy hany ka tsy misy iray afaka miteny azy." BSB BSB: Now consider carefully what you must do, because disaster looms over our master and all his household. For he is such a scoundrel that nobody can speak to him!”
18 ULB Avy eo Abigaila naka mofo roanjato faingana, divay roa tavoahangy, ondry voavoatra dimy, fatran-dango maina dimy, mofo voaloboka zato, sy ampempan'aviavy roanjato, ary napetrany teo ambon'ireo boriky ireo. BSB BSB: Then Abigail hurried and took two hundred loaves of bread, two skins of wine, five butchered sheep, five seahs of roasted grain, a hundred clusters of raisins, and two hundred cakes of figs. She loaded them on donkeys
19 ULB Dia hoy izy tamin'ny zatovolahiny: "Mandehana eo alohako, dia hanaraka anao aho avy eo." Saingy tsy niteny tamin'i Nabala vadiny izy. BSB BSB: and said to her young men, “Go ahead of me. I will be right behind you.” But she did not tell her husband Nabal.
20 ULB Rehefa nitaingina ny borikiny izy dia nidina akaikin'ny havoana, Davida sy ireo olony nidina nankeny aminy, ary nifankahita tamin'izy ireo izy. BSB BSB: As Abigail came riding her donkey into a mountain ravine, she saw David and his men coming down toward her, and she met them.
21 ULB Ary niteny Davida hoe: "Tena zava-poana no niambenako izay rehetra nananan'io lehilahy io tany an'efitra, fa tsy nisy na inona na inona very izay rehetra azy, dia novaliany ratsy ny soa nataoko azy. BSB BSB: Now David had just said, “In vain I have protected all that belonged to this man in the wilderness. Nothing that belongs to him has gone missing, yet he has paid me back evil for good.
22 ULB Hanao toy izany amiko anie Andriamanitra, ry Davida, ary mihoatra aza, raha mamela na dia lehilahy iray amin'ireo izay azy aho mandra-maraina." BSB BSB: May God punish David, and ever so severely, if I let one male belonging to Nabal survive until morning.”
23 ULB Rehefa nahita an'i Abigaila i Davida, dia nidina faingana avy eo amin'ny borikiny ary nandohalika sady niondrika ary nampiankohoka ny tenany teo amin'ny tany teo anatrehan'i Davida. BSB BSB: When Abigail saw David, she quickly got off the donkey, fell facedown, and bowed before him.
24 ULB Nandohalika teo amin'ny tongony izy ary nanao hoe: "Ho amiko irery ihany, ry tompoko, ny fahamelohana. Avelao re ny mpanomponao mba hiresaka aminao, ary mihainoa ireo tenin'ny mpanomponao. BSB BSB: She fell at his feet and said, “My lord, may the blame be on me alone, but please let your servant speak to you; hear the words of your servant.
25 ULB Aoka tsy hijery an'io Nabala, lehilahy ratsy fanahy io ny tompoko, fa araka ny anarany, dia toy izany ihany izy. Nabala no anarany, ary miaraka aminy ny hadalana. Fa izaho mpanomponao dia tsy nahita ireo zatovolahin'ny tompoko, izay nalefanao. BSB BSB: My lord should pay no attention to this scoundrel Nabal, for he lives up to his name: His name means Fool, and folly accompanies him. I, your servant, did not see my lord’s young men whom you sent.
26 ULB Ankehitriny ary, ry tompoko, raha mbola velona koa i Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, satria narovan'i Yaveh tamin'ny fandatsahan-drà, sy tamin'ny famalian'ny tenanao tamin'ny tananao ihany ianao, dia aoka ireo fahavalonao, sy ireo izay mitady hanao ratsy amin'ny tompoko, ho tahaka an'i Nabala. BSB BSB: Now, my lord, as surely as the LORD lives and you yourself live, since the LORD has held you back from bloodshed and from avenging yourself with your own hand, may your enemies and those who seek harm for my lord be like Nabal.
27 ULB Ary aoka ity fanomezana izay efa nentin'ny mpanomponao tamin'ny tompoko ity mba hatolotra ho an'ireo zatovolahy izay manaraka ny tompoko. BSB BSB: Now let this gift your servant has brought to my lord be given to the young men who follow you.
28 ULB Mba avelao re ny fahadisoan'ny mpanomponao, fa hanangana fonenana azo antoka ho an'ny tompoko tokoa i Yaveh, satria miady ny adin'i Yaveh ny tompoko; ary ny ratsy dia tsy ho hita eny aminao raha mbola velona koa ianao. BSB BSB: Please forgive your servant’s offense, for the LORD will surely make a lasting dynasty for my lord, because he fights the LORD’s battles. May no evil be found in you as long as you live.
29 ULB Na dia mitsangana hanenjika mba hanaisotra ny ainao aza ireo lehilahy, dia efa ho fehezin'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fatoran'ny velona ny ain'ny tompoko; ary ho atsipiny ny ain'ireo fahavalonao, eo amin'ny foitran'ny antsamotady. BSB BSB: And should someone pursue you and seek your life, then the life of my lord will be bound securely by the LORD your God in the bundle of the living. But He shall fling away the lives of your enemies like stones from a sling.
30 ULB Dia ho ataon'i Yaveh amin'ny tompoko ireo rehetra nampanantenainy anao, araka ny nanendreny anao ho mpitondra eo amin'ny Israely. BSB BSB: When the LORD has done for my lord all the good He promised, and when He has appointed you ruler over Israel,
31 ULB Tsy ho enta-mavesatra ho anao—ny nandatsahanao rà tsy manan-tsiny, na nohon'ny nanandraman'ny tompoko hanavotra ny tenany. Fa rehefa hanao soa ho an'ny tompoko i Yaveh, dia tsarovy ny mpanomponao." BSB BSB: then my lord will have no remorse or guilt of conscience over needless bloodshed and revenge. And when the LORD has dealt well with my lord, may you remember your servant.”
32 ULB Dia hoy i Davida tamin'i Abigaila: "Isaorana anie Yaveh, Andriamanitr'Israely, Izy ilay nandefa anao hihaona amiko anio. BSB BSB: Then David said to Abigail, “Blessed be the LORD, the God of Israel, who sent you to meet me this day!
33 ULB Ho tahiana ny fahendrenao, ary ho tahiana ianao, satria efa narovanao tamin'ny fandatsahan-drà sy famaliana faty ny tenako tamin'ny tanako ihany aho! BSB BSB: Blessed is your discernment, and blessed are you, because today you kept me from bloodshed and from avenging myself by my own hand.
34 ULB Fa raha ny marina, raha mbola velona koa i Yaveh, Andriamanitr'Israely, Izy ilay niaro ahy tsy handratra anao, raha tsy nandeha faingana hihaona amiko ianao, dia tsy ho nisy niangana ho an'i Nabala afa-tsy zaza lahy kely iray ny maraina." BSB BSB: Otherwise, as surely as the LORD, the God of Israel, lives, who has restrained me from harming you, if you had not come quickly to meet me, then surely no male belonging to Nabal would have been left alive by morning light.”
35 ULB Koa dia nandray izay nentiny ho azy avy amin'ny tanany i Davida; hoy izy taminy: "Mandehana am-piadanana any amin'ny ankohonanao; indro, efa nihaino ny feonao aho, ary efa nanaiky anao." BSB BSB: Then David accepted from her hand what she had brought him, and he said to her, “Go home in peace. See, I have heeded your voice and granted your request.”
36 ULB Dia niverina tany amin'i Nabala i Abigaila; indro, nanao fanasana tao an-tranony izy, toy ny fanasan'ny mpanjaka; ary ny fon'ny mpanjaka faly tao anatiny, satria mamo tanteraka izy. Ka tsy niteny na inona na inona izy mandra-parain'ny andro. BSB BSB: When Abigail returned to Nabal, there he was in the house, holding a feast fit for a king, in high spirits and very drunk. So she told him nothing until morning light.
37 ULB Nony maraina, rehefa nisava ny divain'i Nabala, dia nolazain'ny vadiny taminy ireo zavatra ireo; dia nilofika tao anatiny ny fony, ary nanjary toy ny vato izy. BSB BSB: In the morning when Nabal was sober, his wife told him about these events, and his heart failed within him, and he became like a stone.
38 ULB Ary folo andro taty aoriana dia namely an'i Nabala i Yaveh ka maty izy. BSB BSB: About ten days later, the LORD struck Nabal dead.
39 ULB Rehefa ren'i Davida fa nodimandry i Nabala, dia hoy izy: "Isaorana anie Yaveh, ilay nanala ny faniratsirana ahy avy amin'ny tanan'i Nabala, sy niaro ny mpanompony tamin'ny ratsy. Nampody ny ratsy nataon'i Nabala teo amin'ny lohany ihany izy." Avy eo Davida naniraka ary niresaka tamin'i Abigaila, mba haka azy ho vady. BSB BSB: On hearing that Nabal was dead, David said, “Blessed be the LORD, who has upheld my cause against the reproach of Nabal and has restrained His servant from evil. For the LORD has brought the wickedness of Nabal down upon his own head.” Then David sent word to Abigail, asking her to become his wife.
40 ULB Rehefa tonga tany amin'i Abigaila tany Karmela ireo mpanompon'i Davida, dia niresaka taminy izy ireo ary nanao hoe: "Nandefa anay ho aty aminao i Davida mba haka anao ho vadiny." BSB BSB: When his servants came to Abigail at Carmel, they said, “David has sent us to take you as his wife.”
41 ULB Dia nitsangana izy, nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany, ary nanao hoe: "Indro, ny mpanompo vavinao dia mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'ny tompoko." BSB BSB: She arose, bowed facedown, and said, “Here is your servant, ready to serve and to wash the feet of my lord’s servants.”
42 ULB Dia nitsangana faingana i Abigaila, ary nitaingina ny boriky niaraka tamin'ireo mpanompo vaviny dimy izay nanaraka azy; ary nanaraka ireo irak'i Davida izy ka lasa vadiny. BSB BSB: So Abigail hurried and got on a donkey, and attended by five of her maidens, she followed David’s messengers and became his wife.
43 ULB Dia nalain'i Davida ho vadiny ihany koa Ahinoama Jezirela; dia samy lasa vadiny izy roa. BSB BSB: David had also married Ahinoam of Jezreel. So she and Abigail were both his wives.
44 ULB Ary koa, Saoly nanolotra an'i Mikala zanany vavy, vadin'i Davida, ho an'i Palty zanaka lahin'i Laisa, izay avy any Galima. BSB BSB: But Saul had given his daughter Michal, David’s wife, to Palti son of Laish, who was from Gallim.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.