1 ULB Tonga tany amin'i Saoly tany Gibea ireo Zifita ary niteny hoe: "Tsy miafina any amin'ny lohasahan'i Hakila, izay mifanatrika amin'i Jesimona ve i Davida?" BSB BSB: Then the Ziphites came to Saul at Gibeah and said, “Is not David hiding on the hill of Hachilah, opposite Jeshimon?”
2 ULB Dia niainga i Saoly ka nidina nankany amin'ny efitr'i Zifa, nitondra lehilahin'Israely voafantina telo arivo niaraka taminy, mba hitady an'i Davida any an-tany efitr'i Zifa. BSB BSB: So Saul, accompanied by three thousand chosen men of Israel, went down to the Wilderness of Ziph to search for David there.
3 ULB Nitoby teo amin'ny havoan'i Hakila i Saoly, izay nanatrika an'i Jesimona, teo amoron-dalana. Fa nitoetra tany an'efitra i Davida, ary hitany fa tamy hitady azy tany an'efitra i Saoly. BSB BSB: Saul camped beside the road at the hill of Hachilah opposite Jeshimon, but David was living in the wilderness. When he realized that Saul had followed him there,
4 ULB Koa naniraka mpitsikilo i Davida ka nahafantatra fa tena tonga tokoa i Saoly. BSB BSB: David sent out spies to verify that Saul had arrived.
5 ULB Nitsangana i Davida ary nandeha tany amin'ny toerana izay nitobian'i Saoly; hitany ilay toerana nandrian'i Saoly, sy Abnera zanak'i Nera, ilay jeneralin'ny tafiny; nandry tao an-toby i Saoly, ary nitoby nanodidina azy ireo olona, samy sondrian-tory avokoa. BSB BSB: Then David set out and went to the place where Saul had camped. He saw the place where Saul and Abner son of Ner, the general of his army, had lain down. Saul was lying inside the inner circle of the camp, with the troops camped around him.
6 ULB Dia hoy i Davida tamin'i Ahimeleka Hitita, sy tamin'i Abisay zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba hoe: "Iza no handeha hidina ho any amin'i Saoly ao an-toby miaraka amiko?" Hoy Abisay hoe: "Izaho! Hidina miaraka aminao aho." BSB BSB: And David asked Ahimelech the Hittite and Abishai son of Zeruiah, Joab’s brother, “Who will go down with me to Saul in the camp?” “I will go with you,” answered Abishai.
7 ULB Koa nankany amin'ny tafika i Davida sy Abisay ny alina. Natory tao an-toby niaraka tamin'ny lefony nitsatoka tamin'ny tany teo akaikin'ny lohany i Saoly. Nandry nanodidina azy i Abnera sy ireo miaramilany. BSB BSB: That night David and Abishai came to the troops, and Saul was lying there asleep in the inner circle of the camp, with his spear stuck in the ground by his head. And Abner and the troops were lying around him.
8 ULB Dia hoy Abisay tamin'i Davida hoe: "Napetrak'Andriamanitra ho eo an-tananao ny fahavalonao anio. Avelao re aho izao hanindrona azy ho amin'ny tany indray mamely monja amin'ny lefona. Tsy hamely azy fanindroany akory aho." BSB BSB: Abishai said to David, “Today God has delivered your enemy into your hand. Now, therefore, please let me thrust the spear through him into the ground with one stroke. I will not need to strike him twice!”
9 ULB Hoy Davida tamin'i Abisay hoe: "Aza mamono azy; fa iza no afaka maninjitra ny tanany hamely ilay voahosotr'i Yaveh ka tsy ho meloka?" BSB BSB: But David said to Abishai, “Do not destroy him, for who can extend a hand against the LORD’s anointed and be guiltless?”
10 ULB Hoy i Davida hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia Yaveh no hamono azy, na ho tonga ny andro hahafatesany, na handeha hiady izy ka ho faty. BSB BSB: David added, “As surely as the LORD lives, the LORD Himself will strike him down; either his day will come and he will die, or he will go into battle and perish.
11 ULB Ho raràn'i Yaveh anie ny haninjirako ny tanako hamely ilay voahosony; fa ankehitriny, miangavy aminao aho, raiso ny lefona izay eo an-dohany sy ny sinin-drano, ary andao andeha." BSB BSB: But the LORD forbid that I should extend my hand against the LORD’s anointed. Instead, take the spear and water jug by his head, and let us go.”
12 ULB Koa dia nalain'i Davida avy teo an-dohan'i Saoly ilay lefona sy ilay sinin-drano, dia niala izy ireo. Tsy nisy nahita azy ireo na nahalala momba izany, na nisy olona nifoha, fa resin-tory avokoa izy ireo, satria nilatsaka tamin'izy ireo ny torimaso lalina avy amin'i Yaveh. BSB BSB: So David took the spear and water jug by Saul’s head, and they departed. No one saw them or knew about it, nor did anyone wake up; they all remained asleep, because a deep sleep from the LORD had fallen on them.
13 ULB Dia nandeha teny ampita i Davida ary nijoro teo an-tampon'ny tendrombohitra lavitra teny; nisy halavirana lehibe nanelanelana azy ireo. BSB BSB: Then David crossed to the other side and stood atop the mountain at a distance; there was a wide gulf between them.
14 ULB Nitabataba mafy tamin'ireo vahoaka sy Abnera zanak'i Nera i Davida; hoy izy hoe: "Tsy mamaly ve ianao, ry Abnera?" Dia namaly Abnera ka nanao hoe: "Iza ianao izao miantsoantso ny mpanjaka izao?" BSB BSB: And David shouted to the troops and to Abner son of Ner, “Will you not answer me, Abner?” “Who are you who calls to the king?” Abner replied.
15 ULB Hoy Davida tamin'i Abnera hoe: "Tsy enao ve ilay lehilahy be herim-po? Iza no tahaka anao eto Israely? Nahoana ary ianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy olona niditra hamono ny mpanjaka tomponao. BSB BSB: So David said to Abner, “You are a man, aren’t you? And who in Israel is your equal? Why then did you not protect your lord the king when one of the people came to destroy him?
16 ULB Tsy tsara izao zavatra nataonao izao. Raha mbola velona koa Yaveh, dia mendrika ny ho faty ianao satria tsy niambina ny tomponao, dia ilay voahosotr'i Yaveh. Ankehitriny dia jereo izay misy ny lefon'ny mpanjaka sy ny sinin-drano teo akaikin'ny lohany!" BSB BSB: This thing you have done is not good. As surely as the LORD lives, all of you deserve to die, since you did not protect your lord, the LORD’s anointed. Now look around. Where are the king’s spear and water jug that were by his head?”
17 ULB Nahatsiaro ny feon'i Davida i Saoly ka nanao hoe: "Feonao ve izany, ry Davida zanako lahy?" Hoy Davida hoe: "Feoko izany, ry mpanjaka, tompoko." BSB BSB: Then Saul recognized David’s voice and asked, “Is that your voice, David my son?” “It is my voice, my lord and king,” David said.
18 ULB Hoy izy hoe: "Nahoana no manenjika ny mpanompony ny tompoko? Inona re no nataoko? Inona no ratsy eo an-tanako? BSB BSB: And he continued, “Why is my lord pursuing his servant? What have I done? What evil is in my hand?
19 ULB Ankehitriny ary, miangavy aminao aho, aoka ny tompoko mpanjaka hihaino ny tenin'ny manompony. Raha Yaveh no nampientana anao hanohitra ahy, aoka Izy hanaiky fanatitra iray; fa raha olombelona izany, dia ho voaozona eo imason'i Yaveh anie izy, fa nandroaka ahy izy ireo androany, mba tsy hifikirako amin'ny lovan'i Yaveh; hoy izy ireo tamiko hoe: 'Mandehana manompo andriamani-kafa.' BSB BSB: Now please, may my lord the king hear the words of his servant: If the LORD has stirred you up against me, then may He accept an offering. But if men have done it, may they be cursed in the presence of the LORD! For today they have driven me away from sharing in the inheritance of the LORD, saying, ‘Go, serve other gods.’
20 ULB Ankehitriny ary, aza avela ho very eo amin'ny tany lavitry ny fanatrehan'i Yaveh ny ràko; fa efa nivoaka hitady ilay parasy kely iray tahaka ny hihazan'ny olona tsipoy iray any amin'ireo tendrombohitra ny mpanjakan'Israely." BSB BSB: So do not let my blood fall to the ground far from the presence of the LORD. For the king of Israel has come out to look for a flea, like one who hunts a partridge in the mountains.”
21 ULB Dia hoy i Saoly hoe: "Nanota aho. Miverena, ry Davida, zanako lahy; fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Indro, niadaladala aho ary nanao fahadisoana ratsy indrindra." BSB BSB: Then Saul replied, “I have sinned. Come back, David my son. I will never harm you again, because today you considered my life precious. I have played the fool and have committed a grave error!”
22 ULB Namaly i Davida ka nanao hoe: "Indro, ity ny lefonao, ry mpanjaka! Aoka hisy iray amin'ireo tovolahy hiampita ary haka izany ka hitondra izany any aminao. BSB BSB: “Here is the king’s spear,” David answered. “Let one of the young men come over and get it.
23 ULB Yaveh anie hamaly ny olona tsirairay nohon'ny fahamarinany sy ny fahatokiany avy; satria nametraka anao teo an-tanako Yaveh androany, saingy tsy namely ny voahosony aho. BSB BSB: May the LORD repay every man for his righteousness and faithfulness. For the LORD delivered you into my hand today, but I would not extend my hand against the LORD’s anointed.
24 ULB Indro, toy ny naha-sarobidy ny ainao teo imasoko androany, dia enga anie ka homen-danja eo imason'i Yaveh tahaka izany ny aiko, ary hanavotra ahy amin'ny fahoriana rehetra anie Izy." BSB BSB: As surely as I valued your life today, so may the LORD value my life and rescue me from all trouble.”
25 ULB Dia hoy i Saoly tamin'i Davida: "Ho tahiana anie ianao, ry Davida zanako! Hanao zavatra lehibe tokoa ianao ary ho ambinina amin'izany." Koa nizotra tamin'ny lalany i Davida, ary niverina tany amin'ny toerany i Saoly. BSB BSB: Saul said to him, “May you be blessed, David my son. You will accomplish great things and will surely prevail.” So David went on his way, and Saul returned home.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.