1 ULB Nivavaka Hana ka nanao hoe: "Ny foko mifaly ao amin'i Yaveh. Ny tandroko misandratra amin'i Yaveh. Ny molotro mirehareha manoloana ireo fahavaloko, satria mifaly amin'ny famonjenao aho. BSB BSB: At that time Hannah prayed: “My heart rejoices in the LORD; my horn is exalted in the LORD. My mouth speaks boldly against my enemies, for I rejoice in Your salvation.
2 ULB Tsy misy masina tahaka an'i Yaveh, fa tsy misy hafa ankoatra Anao; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika. BSB BSB: There is no one holy like the LORD. Indeed, there is no one besides You! And there is no Rock like our God.
3 ULB Aza mirehareha loatra intsony; aoka tsy ho aloaky ny vavanao ny fiavonavonana. Fa Yaveh no Andriamanitry ny fahalalana; amin'ny alalany no handanjana ny asa. BSB BSB: Do not boast so proudly, or let arrogance come from your mouth, for the LORD is a God who knows, and by Him actions are weighed.
4 ULB Ny tsipìkan'ireo lehilahy mahery dia tapaka, fa ireo tafintohina kosa dia misikin-kery tahaka ny fehikibo. BSB BSB: The bows of the mighty are broken, but the feeble are equipped with strength.
5 ULB Ireo izay voky dia nikarama mofo; ireo izay noana dia nitsahatra tamin'ny hanoanana. Na ny momba aza miteraka fito, fa ny vehivavy manan-janaka maro kosa dia mivalaketraka. BSB BSB: The well-fed hire themselves out for food, but the starving hunger no more. The barren woman gives birth to seven, but she who has many sons pines away.
6 ULB Yaveh no mahafaty sy mitondra ho amin'ny fiainana. Izy no mampidina any amin'ny fianan-tsy hita ary manangana. BSB BSB: The LORD brings death and gives life; He brings down to Sheol and raises up.
7 ULB Yaveh no mampahantra ny olona sasany ary mampanan-karena ny sasany. Mampietry Izy, nefa mampisandratra ihany koa. BSB BSB: The LORD sends poverty and wealth; He humbles and He exalts.
8 ULB Mampitraka ny mahantra hiala amin'ny vovoka Izy. Mampisandratra ny ory hiala amin'ny lavenona mba hametraka azy ireo miaraka amin'ny andrian-dahy ka handova ny sezam-boninahitra. Ny andrin'ny tany rehetra dia an'i Yaveh ary teo amin'ireo no nametrahany an'izao tontolo izao. BSB BSB: He raises the poor from the dust and lifts the needy from the ash heap. He seats them among princes and bestows on them a throne of honor. For the foundations of the earth are the LORD’s, and upon them He has set the world.
9 ULB Ho ambenany ny tongotry ny olony mahatoky, fa ny ratsy fanahy kosa dia hampanginina any amin'ny aizim-pito, satria tsy misy handresy amin'ny hery. BSB BSB: He guards the steps of His faithful ones, but the wicked perish in darkness; for by his own strength shall no man prevail.
10 ULB Ireo izay manohitra an'i Yaveh dia ho potipotika; hampikotrok'orana avy any an-danitra hanohitra azy ireo Izy. Yaveh no hitsara ny ny faran'ny tany rehetra; hanome hery ny mpanjakany Izy ary hanandratra ny tandrok'ilay voahosony." BSB BSB: Those who oppose the LORD will be shattered. He will thunder from heaven against them. The LORD will judge the ends of the earth and will give power to His king. He will exalt the horn of His anointed.”
11 ULB Avy eo i Elkana dia nankany Rama, tany an-tranony. Nanompo an'Andriamanitra teo amin'ny fanatrehan'i Ely mpisorona ny zaza. BSB BSB: Then Elkanah went home to Ramah, but the boy began ministering to the LORD before Eli the priest.
12 ULB Ary lehilahy ratsy fanahy ireo zanaka lahin'i Ely. Tsy nahalala an'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: Now the sons of Eli were wicked men; they had no regard for the LORD
13 ULB Ny fanaon'ny mpisorona miaraka amin'ireo vahoaka rehefa nisy lehilahy nanolotra sorona, dia manatona ny mpanompon'ny mpisorona ka mitondra fitrebika telo rantsana eny an-tanany, raha mbola mangotraka ny hena. BSB BSB: or for the custom of the priests with the people. When any man offered a sacrifice, the servant of the priest would come with a three-pronged meat fork while the meat was boiling
14 ULB Hatsindrony ao anaty lasitra izany, na fandrahoana hena, na vilany, na vilanibe. Ireo rehetra azon'ny fitrebika ao dia alain'ny mpisorona ho azy. Nataon'izy ireo tao Silo niaraka tamin'ireo Israelita rehetra izay tonga tao izany. BSB BSB: and plunge it into the pan or kettle or cauldron or cooking pot. And the priest would claim for himself whatever the meat fork brought up. This is how they treated all the Israelites who came to Shiloh.
15 ULB Ratsy lavitra aza, mialohan'ny nandoran'izy ireo ny jabora, dia tamy ny mpanompon'ny mpisorona, ary niteny tamin'ilay lehilahy izay nanao ny sorona hoe: "Omeo hena ho atsatsika ny mpisorona, fa tsy hanaiky hena nandrahoina avy aminao izy, fa ny manta ihany." BSB BSB: Even before the fat was burned, the servant of the priest would come and say to the man who was sacrificing, “Give the priest some meat to roast, because he will not accept boiled meat from you, but only raw.”
16 ULB Raha miteny aminy ilay lehilahy hoe, "Tsy maintsy doran'izy ireo aloha ny jabora, ary avy eo dia afaka maka betsaka araka izay tinao ianao." Dia valiany hoe: "Tsia, fa omenao izao ankehitriny izao ihany izany; fa raha tsy izany, dia ho alaiko an-keriny izany." BSB BSB: And if any man said to him, “The fat must be burned first; then you may take whatever you want,” the servant would reply, “No, you must give it to me right now. If you refuse, I will take it by force!”
17 ULB Lehibe dia lehibe tokoa ny helok'ireo zatovo lahy manoloana an'i Yaveh, satria nataon'izy ireo tsinontsinona ny fanatitra an'i Yaveh. BSB BSB: Thus the sin of these young men was severe in the sight of the LORD, for they were treating the LORD’s offering with contempt.
18 ULB Fa i Samoela dia nanompo an'i Yaveh raha mbola zaza niakanjo efoda rongony fotsy. BSB BSB: Now Samuel was ministering before the LORD—a boy wearing a linen ephod.
19 ULB Nanamboaran-dreniny akanjo lava kely izy ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, rehefa niakatra niaraka tamin'ny vadiny mba hanolotra ny fanatitra fanao isan-taona izy. BSB BSB: Each year his mother would make him a little robe and bring it to him when she went with her husband to offer the annual sacrifice.
20 ULB Ary Ely nitso-drano an'i Elkana sy ny vadiny ka niteny hoe: "Hanome anao zaza maro amin'ity vehivavy ity anie Andriamanitra nohon'ny fangatahana izay nataony tamin'i Yaveh." Avy eo dia niverina tany an-tranony izy ireo. BSB BSB: And Eli would bless Elkanah and his wife, saying, “May the LORD give you children by this woman in place of the one she dedicated to the LORD.” Then they would go home.
21 ULB Nanampy an'i Hana indray i Yaveh, ka nitoe-jaza indray izy. Niteraka telo lahy sy roa vavy izy. Nandritra izany fotoana izany, dia nitombo teo anatrehan'i Yaveh i Samoela zaza. BSB BSB: So the LORD attended to Hannah, and she conceived and gave birth to three sons and two daughters. Meanwhile, the boy Samuel grew up in the presence of the LORD.
22 ULB Ary efa ntitra tokoa i Ely; reny avokoa izay rehetra nataon'ireo zanany lahy tamin'ny Israely rehetra, sy ny nandrian'izy ireo niaraka tamin'ny vehivavy izay nanompo eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana. BSB BSB: Now Eli was very old, and he heard about everything his sons were doing to all Israel and how they were sleeping with the women who served at the entrance to the Tent of Meeting.
23 ULB Hoy izy tamin'izy ireo: "Fa maninona ianareo no manao zavatra tahaka izany? Efa reko tamin'ny olon-drehetra avokoa ny zava-dratsy nataonareo. BSB BSB: “Why are you doing these things?” Eli said to his sons. “I hear about your wicked deeds from all these people.
24 ULB "Tsia, ry zanako; tsy tatitra tsara no reko. Mahatonga ny vahoakan' i Yaveh tsy hankatoa ianareo. BSB BSB: No, my sons; it is not a good report I hear circulating among the LORD’s people.
25 ULB "Raha misy olona iray manota amin'ny iray hafa, dia hotsarain'Andriamanitra izy; fa raha misy lehilahy iray manota amin'i Yaveh, iza no hisolo vava azy?" Fa tsy hihaino ny feon'ny rainy izy ireo, satria Yaveh efa nikasa ny hahafaty azy ireo. BSB BSB: If a man sins against another man, God can intercede for him; but if a man sins against the LORD, who can intercede for him?” But they would not listen to their father, since the LORD intended to put them to death.
26 ULB Niha-lehibe i Samoela zaza, ary nitombo fitia tamin'i Yaveh sy tamin'ny olona ihany koa. BSB BSB: And the boy Samuel continued to grow in stature and in favor with the LORD and with man.
27 ULB Ary nisy lehilahin'Andriamanitra iray nanatona an'i Ely ka nanao taminy hoe: "Izao no nolazain'i Yaveh, 'Tsy efa nampiseho ny tenako taminao tamin'ny ankohonan'ireo razambenao ve Aho, raha mbola tany Egypta tamin'ny fanandevozan'ny ankohonan'i Farao izy ireo? BSB BSB: Then a man of God came to Eli and told him, “This is what the LORD says: ‘Did I not clearly reveal Myself to your father’s house when they were in Egypt under Pharaoh’s house?
28 ULB Nofidiko tanatin'ireo fokon'Israely rehetra izy mba ho mpisoroko, mba hiakatra eny amin'ny alitarako, ary mba handoro ny ditin-kazo manitra, mba hiakanjo efoda manoloana Ahy. Nomeko ho an'ny taranaky ny razambenao ireo fanatitra rehetra nataon'ny vahoakan'ny Israely tamin'ny afo. BSB BSB: And out of all the tribes of Israel I selected your father to be My priest, to offer sacrifices on My altar, to burn incense, and to wear an ephod in My presence. I also gave to the house of your father all the food offerings of the Israelites.
29 ULB Nahoana ary, ianao no maniratsira ireo sorona sy fanatitro izay notakiako ho eo amin'ny toerana fonenako? Nahoana no omenao voninahitra mihoatra ahy amin'ny fanatavezana ny tenanareo amin'ny tsara indrindra avy amin'ny fanatitra rehetran'ny Israely vahoakako ny zanakao?' BSB BSB: Why then do you kick at My sacrifice and offering that I have prescribed for My dwelling place? You have honored your sons more than Me by fattening yourselves with the best of all the offerings of My people Israel.’
30 ULB Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, miteny hoe: 'Nampanantena Aho fa ny taranakao, sy ny ankohonan'ny razambenao, dia handeha eo anatrehako mandrakizay.' Nefa ankehitriny kosa dia hoy Yaveh: 'Sanatria Amiko ny hanao izany, izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, fa izay manao tsinontsinona Ahy kosa no ho tsinontsinoaviko. BSB BSB: Therefore, the LORD, the God of Israel, declares: ‘I did indeed say that your house and the house of your father would walk before Me forever. But now the LORD declares: Far be it from Me! For I will honor those who honor Me, but those who despise Me will be disdained.
31 ULB Indro, ho avy ny andro izay hanapahako ny herinao sy ny herin'ny ankohonan'ny razambenao, ka tsy hisy lehilahy ho tratra antitra intsony amin'ny taranakao. BSB BSB: Behold, the days are coming when I will cut off your strength and the strength of your father’s house, so that no one in it will reach old age.
32 ULB Hahita fahoriana eny amin'izay toerana honenako ianao. Na dia omena soa aza ny Israely, dia tsy hisy lehilahy ho tratra antitra intsony amin'ny taranakao. BSB BSB: You will see distress in My dwelling place. Despite all that is good in Israel, no one in your house will ever again reach old age.
33 ULB Ny sasany aminareo izay tsy ho esoriko amin'ny alitarako, dia ho ataoko pahina ny masonareo, ary ahatonga alahelo ny amin'ny fiainanareo Aho. Ireo lehilahy rehetra izay teraka ao amin'ny fianakavianareo dia ho faty. BSB BSB: And every one of you that I do not cut off from My altar, I will cause your eyes to fail and your heart to grieve. All your descendants will die by the sword of men.
34 ULB Izao no famantarana ho anao izay hanjo ireo zanakao roa lahy, amin'i Hofinia sy Finehasa: Samy ho faty amin'ny andro iray izy miralahy ireo. BSB BSB: And this sign shall come to you concerning your two sons Hophni and Phinehas: They will both die on the same day.
35 ULB Hanangana mpisorona mahatoky ho an'ny tenako izay hanatanteraka ny ao am-poko sy ny ao amin'ny fanahiko Aho. Hanorina trano azo antoka ho azy Aho; ary handeha eo anoloan'ny mpanjaka izay voahosotro mandrakizay izy. BSB BSB: Then I will raise up for Myself a faithful priest. He will do whatever is in My heart and mind. And I will build for him an enduring house, and he will walk before My anointed one for all time.
36 ULB Izay rehetra sisa tavela amin'ny taranakao dia ho avy ary hiankohoka eo aminy, hangataka sombim-bolafotsy sy mofo, ary hiteny hoe: "Mba tendreo ho isan'ny iray amin'ireo mpisoronao re aho mba hahafahako mihinana sombi-mofo iray.""' BSB BSB: And everyone left in your house will come and bow down to him for a piece of silver or a morsel of bread, pleading, “Please appoint me to some priestly office so that I can eat a piece of bread.”’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.