1 ULB Nanompo an'i Yaveh teo amin'ny fanatrehan'i Ely i Samoela zaza. Vitsy ireo tenin'i Yaveh tamin'ireo andro ireo; tsy dia nisy fahitana ara-paminaniana matetika. BSB BSB: And the boy Samuel ministered to the LORD before Eli. Now in those days the word of the LORD was rare, and visions were scarce.
2 ULB Tamin'izany fotoana izany, Ely, izay efa nanomboka pahina masony ka tsy mahita tsara, dia nandry teo am-pandriany. BSB BSB: And at that time Eli, whose eyesight had grown so dim that he could not see, was lying in his room.
3 ULB Mbola tsy maty ny fanilon'Andriamanitra, ary nandry mba hatory tao amin'ny tempolin'i Yaveh i Samoela, tao amin'izay nisy ny fiaran'Andriamanitra. BSB BSB: Before the lamp of God had gone out, Samuel was lying down in the temple of the LORD, where the ark of God was located.
4 ULB Yaveh niantso an'i Samoela, izay nanao hoe: "Inty aho." BSB BSB: Then the LORD called to Samuel, and he answered, “Here I am.”
5 ULB Nihazakazaka nankany amin'i Ely i Samoela niteny hoe: "Inty aho, fa niantso ahy ianao." Hoy i Ely: "Tsy niantso anao aho, miverena mandry." Ka nandeha i Samoela ary nandry. BSB BSB: He ran to Eli and said, “Here I am, for you have called me.” “I did not call,” Eli replied. “Go back and lie down.” So he went and lay down.
6 ULB Niantso indray i Yaveh hoe: "Ry Samoela." Dia nitsangana indray i Samoela ary nankany amin'i Ely, nanao hoe: "Inty aho, fa niantso ahy ianao." Dia namaly i Ely hoe: "Tsy niantso anao aho, ry zanako, miverena mandry." BSB BSB: Once again the LORD called, “Samuel!” So Samuel got up, went to Eli, and said, “Here I am, for you have called me.” “My son, I did not call,” Eli replied. “Go back and lie down.”
7 ULB Ary Samoela dia mbola tsy dia nahafantatra loatra an'i Yaveh, na nisy hafatra avy amin'i Yaveh mbola nambara taminy. BSB BSB: Now Samuel did not yet know the LORD, because the word of the LORD had not yet been revealed to him.
8 ULB Niantso an'i Samoela fanintelony indray i Yaveh. Nitsangana indray i Samoela ary nankany amin'i Ely sy niteny hoe: "Inty aho, fa niantso ahy ianao." Dia fantatr'i Ely fa i Yaveh no niantso ilay zazalahy. BSB BSB: Once again, for the third time, the LORD called to Samuel. He got up, went to Eli, and said, “Here I am, for you have called me.” Then Eli realized that it was the LORD who was calling the boy.
9 ULB Dia hoy i Ely tamin'i Samoela: "Mandehana ary miverena mandry; raha mbola miantso anao indray Izy, dia tsy maintsy milaza ianao hoe: "Mitenena, ry Yaveh, fa mihaino ny mpanomponao."' Ka nandeha i Samoela ary nandry tamin'ny toerany indray. BSB BSB: “Go and lie down,” he said to Samuel, “and if He calls you, say, ‘Speak, LORD, for Your servant is listening.’” So Samuel went and lay down in his place.
10 ULB Tonga i Yaveh ka nitsangana; niantso tahaka ny tamin'ireo fotoana hafa hoe: "Samoela, Samoela." Dia hoy i Samoela hoe: "Mitenena, ry Yaveh, fa mihaino ny mpanomponao." BSB BSB: Then the LORD came and stood there, calling as before, “Samuel! Samuel!” And Samuel answered, “Speak, for Your servant is listening.”
11 ULB Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Indro, hanao zavatra amin'Israely Aho ka ny sofin'izay rehetra mandre izany dia hangorintsina. BSB BSB: Then the LORD said to Samuel, “I am about to do something in Israel at which the ears of all who hear it will tingle.
12 ULB Amin'izany andro izany dia hanatanteraka ny zavatra rehetra efa nolazaiko tamin'i Ely momba ny ankohonany, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany Aho. BSB BSB: On that day I will carry out against Eli everything I have spoken about his house, from beginning to end.
13 ULB Nilaza taminy Aho fa hitsara ny ankohonany indray mandeha tsy miverina ny amin'ireo fahotana izay fantany, satria ireo zanany dia nitondra ozona tamin'ny tenan'izy ireo ary tsy nanakana azy ireo izy. BSB BSB: I told him that I would judge his house forever for the iniquity of which he knows, because his sons blasphemed God and he did not restrain them.
14 ULB Noho izany dia nianiana tamin'ny ankohonan'i Ely Aho fa ireo fahotan'io ankohonana io dia tsy ho voahonitra amin'ny sorona na fanatitra mihitsy." BSB BSB: Therefore I have sworn to the house of Eli, ‘The iniquity of Eli’s house shall never be atoned for by sacrifice or offering.’”
15 ULB Nandry mandra-maraina i Samoela; dia nanokatra ny varavaran'ny tranon'i Yaveh izy. Fa natahotra ny hilaza tamin'i Ely momba ny fahitana i Samoela. BSB BSB: Samuel lay down until the morning; then he opened the doors of the house of the LORD. He was afraid to tell Eli the vision,
16 ULB Avy eo dia niantso an'i Samoela i Ely ka nanao taminy hoe: "Ry Samoela, zanako." Dia hoy i Samoela hoe: "Inty aho." BSB BSB: but Eli called to him and said, “Samuel, my son.” “Here I am,” answered Samuel.
17 ULB Hoy izy: "Inona no teny nolazainy taminao? Aza afenina ahy re izany. Hanao izany aminao anie Andriamanitra, ary mihoatra noho izany aza, raha manafin-javatra amiko ny amin'ireo teny rehetra izay nolazainy anao ianao." BSB BSB: “What was the message He gave you?” Eli asked. “Do not hide it from me. May God punish you, and ever so severely, if you hide from me anything He said to you.”
18 ULB Dia nolazain'i Samoela taminy ny zava-drehetra; tsy nanafina na inona na inona taminy izy. Hoy i Ely: "Izy no Yaveh. Avelao Izy hanao izay mety hoe tsara Aminy." BSB BSB: So Samuel told him everything and did not hide a thing from him. “He is the LORD,” replied Eli. “Let Him do what is good in His eyes.”
19 ULB Niha-lehibe i Samoela, ary i Yaveh dia niaraka taminy, ary tsy navelany hisy tamin'ireo teny faminaniany tsy ho tanteraka. BSB BSB: And Samuel grew, and the LORD was with him, and He let none of Samuel’s words fall to the ground.
20 ULB Ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba dia nahafantatra fa i Samoela dia voatendry ho mpaminanin'i Yaveh. BSB BSB: So all Israel from Dan to Beersheba knew that Samuel was confirmed as a prophet of the LORD.
21 ULB Niseho tao Silo indray i Yaveh, satria nanambara ny tenany tamin'ny teniny tamin'i Samoela tao Silo Izy. BSB BSB: And the LORD continued to appear at Shiloh, because there He revealed Himself to Samuel by His word.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.