1 ULB Tonga tamin'ny Israely rehetra ny tenin'i Samoela. Ary nivoaka hiady tamin'ireo Filistina ny Israely. Nametraka toby teo Ebenezera izy ireo, ary nametraka toby teo Afeka kosa ireo Filistina. BSB BSB: Thus the word of Samuel came to all Israel. Now the Israelites went out to meet the Philistines in battle and camped at Ebenezer, while the Philistines camped at Aphek.
2 ULB Nilahatra hiady tamin'ny Israely ireo Filistina. Rehefa niely ny ady, dia resin'ireo Filistina izay nahafaty teo ho eo amin'ny efatra arivo lahy teo amin'ny sahan'ady ny Israely. BSB BSB: The Philistines arrayed themselves against Israel, and as the battle spread, Israel was defeated by the Philistines, who struck down about four thousand men on the battlefield.
3 ULB Rehefa niditra tao an-toby ny vahoaka, dia hoy ireo loholon'Israely hoe: "Nahoana Yaveh no naharesy antsika teo anatrehan'ireo Filistina androany? Andeha ho entintsika avy any Siloha hankaty ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, mba hiaraka amintsika aty izany, ka hiaro antsika amin'ny tanan'ireo fahavalontsika." BSB BSB: When the troops returned to the camp, the elders of Israel asked, “Why has the LORD brought defeat on us before the Philistines today? Let us bring the ark of the covenant of the LORD from Shiloh, so that it may go with us to save us from the hand of our enemies.”
4 ULB Koa dia naniraka lehilahy nankany Siloha ny vahoaka; avy any no nitondran'izy ireo ny fiaran'ny faneken'i Yaveh tompon'ny maro, izay mipetraka ambonin'ny kerobima. Teo niaraka tamin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra ireo zanak'i Ely roa lahy, dia i Hofinia sy Finehasa. BSB BSB: So the people sent men to Shiloh, and they brought back the ark of the covenant of the LORD of Hosts, who sits enthroned between the cherubim. And the two sons of Eli, Hophni and Phinehas, were there with the ark of the covenant of God.
5 ULB Rehefa niditra tao an-toby ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, dia niara-namoaka hiaka mafy ny vahoakan'Israely rehetra, ary nanakoako ny tany. BSB BSB: When the ark of the covenant of the LORD entered the camp, all the Israelites raised such a great shout that the ground shook.
6 ULB Rehefa ren'ireo Filistina ny kotaban'ny hiakiaka, dia hoy izy ireo hoe: "Fa inona no dikan'izay tabataba mafy ao an-tobin'ny Hebreo izany?" Avy eo dia azon'izy ireo an-tsaina fa tonga tao an-toby ny fiaran'i Yaveh. BSB BSB: On hearing the noise of the shout, the Philistines asked, “What is this loud shouting in the camp of the Hebrews?” And when they realized that the ark of the LORD had entered the camp,
7 ULB Natahotra ireo Filistina; hoy izy ireo hoe: "Misy andriamanitra tonga ao an-toby." Hoy izy ireo hoe: BSB BSB: the Philistines were afraid. “The gods have entered their camp!” they said. “Woe to us, for nothing like this has happened before.
8 ULB "Loza ho antsika! Tsy mbola nisy zavatra nitranga toy izao taloha! Loza ho antsika! Iza no hiaro antsika amin'ny herin'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny loza maro isan-karazany tany an'efitra. BSB BSB: Woe to us! Who will deliver us from the hand of these mighty gods? These are the gods who struck the Egyptians with all kinds of plagues in the wilderness.
9 ULB Alao hery, ary mbà lehilahy, ianareo ry Filistina, sao ho tonga andevon'ny Hebreo ianareo, tahaka ny naha-andevonareo azy ireo. Mbà lehilahy, ka miadia." BSB BSB: Take courage and be men, O Philistines! Otherwise, you will serve the Hebrews just as they served you. Now be men and fight!”
10 ULB Dia niady ireo Filistina, ary resy ny Israely. Nandositra tany an-tranony avokoa ny lehilahy rehetra, ary henjana tokoa ny famonoana; fa miaramila mijoro telo alina avy amin'ny Israely no lavo. BSB BSB: So the Philistines fought, and Israel was defeated, and each man fled to his tent. The slaughter was very great—thirty thousand foot soldiers of Israel fell.
11 ULB Lasa ny fiaran'i Yaveh, ary maty i Hofinia sy Finehasa, zanak'i Ely roa lahy. BSB BSB: The ark of God was captured, and Eli’s two sons, Hophni and Phinehas, died.
12 ULB Nisy lehilahin'i Benjamina iray nihazakazaka avy tany amin'ny filaharan'ady ka nankany Siloha tamin'io andro io ihany, tonga niaraka tamin'ny akanjony rovitra sy vovo-tany teo an-dohany. BSB BSB: That same day a Benjamite ran from the battle line all the way to Shiloh, with his clothes torn and dirt on his head.
13 ULB Rehefa tonga izy, dia nipetraka teo amin'ny sezany teo amoron-dalana nitazana i Ely satria nangorohoro ny amin'ny fiaran'Andriamanitra ny fony. Rehefa niditra ny tanàna ilay lehilahy ary nilaza ny vaovao, dia nihiaka mafy ny tanàna iray manontolo. BSB BSB: When he arrived, there was Eli, sitting on his chair beside the road and watching, because his heart trembled for the ark of God. When the man entered the city to give a report, the whole city cried out.
14 ULB Rehefa ren'i Ely ny kotaban'ny hiakiaka, dia hoy izy hoe: "Inona no dikan'izao korontana izao?" Tonga faingana ilay lehilahy ary nitantara tamin'i Ely. BSB BSB: Eli heard the outcry and asked, “Why this commotion?” So the man hurried over and reported to Eli.
15 ULB Ary valo amby sivifolo taona i Ely; pahina ny masony, ary tsy nahita izy. BSB BSB: Now Eli was ninety-eight years old, and his gaze was fixed because he could not see.
16 ULB Hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: "Izaho ilay iray izay avy any amin'ny laharan'ady. Nandositra ny ady aho androany." BSB BSB: “I have just come from the battle,” the man said to Eli. “I fled from there today.” “What happened, my son?” Eli asked.
17 ULB Hoy Ely hoe: "Nanahoana ny fizotrany, anaka?" Namaly ilay lehilahy nitondra ny vaovao ka nanao hoe: "Nandositra an'ireo Filistina ny Israely. Ary koa, nisy faharesena goavana teo amin'ny vahoaka. Ary koa, maty Hofinia sy Finehasa, zanakao roa lahy, ary lasa ny fiaran'Andriamanitra." BSB BSB: The messenger answered, “Israel has fled before the Philistines, and there has been a great slaughter among the people. Your two sons, Hophni and Phinehas, are both dead, and the ark of God has been captured.”
18 ULB Rehefa nanonona ny fiaran'Andriamanitra izy, dia nidoboka nitsimbadika avy teo an-tsezany teo akaikin'ny vavahady i Ely. Tapaka ny vozony, ka maty izy, satria efa antitra sady reraka. Nitsara ny Israely nandritra ny efa-polo taona izy. BSB BSB: As soon as the ark of God was mentioned, Eli fell backward from his chair by the city gate, and being old and heavy, he broke his neck and died. And Eli had judged Israel forty years.
19 ULB Ary ny vinantovaviny, vadin'i Finehasa, dia nitoe-jaza ary efa ho teraka. Rehefa nandre ny vaovao izy fa lasa ny fiaran'Andriamanitra ary maty ny rafozan-dahiny sy ny vadiny, dia nandohalika izy ary teraka, saingy nandavo azy ny fanaintainan'ny fiterahany. BSB BSB: Now Eli’s daughter-in-law, the wife of Phinehas, was pregnant and about to give birth. When she heard the news of the capture of God’s ark and the deaths of her father-in-law and her husband, she collapsed and gave birth, for her labor pains overtook her.
20 ULB Tokony ho tamin'ny fotoana nahafatesany dia niteny taminy ireo vehivavy niatrika azy hoe: "Aza matahotra, fa niteraka zazalahy ianao." Saingy tsy namaly izy na nandray am-po izay nolazain'izy ireo. BSB BSB: As she was dying, the women attending to her said, “Do not be afraid, for you have given birth to a son!” But she did not respond or pay any heed.
21 ULB Nantsoiny hoe Ikaboda ny anaran'ilay zaza, fa hoy izy hoe: "Afa-boninahitra Israely!" fa lasa ny fiaran'Andriamanitra, ary nohon'ny rafozan-dahiny sy ny vadiny koa. BSB BSB: And she named the boy Ichabod, saying, “The glory has departed from Israel,” because the ark of God had been captured and her father-in-law and her husband had been killed.
22 ULB Hoy izy hoe: "Afa-boninahitra Israely, satria lasa ny fiaran'Andriamanitra." BSB BSB: “The glory has departed from Israel,” she said, “for the ark of God has been captured.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.