1 ULB Ary tamin'ireo andro ireo ny Filistina dia nampivondrona ireo tafiny hiady amin'ny Israely. Hoy i Akisy tamin'i Davida: "Fantaro tsara fa hivoaka hiaraka amiko ho any an-toby, ianao sy ireo lehilahinao." BSB BSB: Now in those days the Philistines gathered their forces for warfare against Israel. So Achish said to David, “You must understand that you and your men are to go out to battle with me.”
2 ULB Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Ho fantatrao izay afaka hataon'ny mpanomponao." Hoy Akisy tamin'i Davida hoe: "Koa hataoko mpiambina ahy raikitra ianao." BSB BSB: David replied, “Then you will come to know what your servant can do.” “Very well,” said Achish. “I will make you my bodyguard for life.”
3 ULB Ary maty i Samoela, ary ny Israely rehetra nisaona azy ka nandevina azy tao Rama, tao amin'ny tanàny. Nofongoran'i Saoly tsy ho eo amin'ny tany ihany koa ireo izay niresaka tamin'ny maty na tamin'ireo fanahy. BSB BSB: Now by this time Samuel had died, and all Israel had mourned for him and buried him in Ramah, his own city. And Saul had removed the mediums and spiritists from the land.
4 ULB Ary nivondrona niaraka ireo Filistina ary tonga sy nitoby tao Sonema; ary Saoly nampivondrona ireo Israely rehetra, ka nitoby tao Gilboa izy ireo. BSB BSB: The Philistines gathered together and camped at Shunem, while Saul gathered all Israel and camped at Gilboa.
5 ULB Rehefa nahita ny tafik'ireo Filistina i Saoly, dia natahotra izy, ary nihorohoro mafy ny fony. BSB BSB: When Saul saw the Philistine army, he was afraid and trembled violently.
6 ULB Nitalaho fanampiana tamin'i Yaveh i Saoly, kanefa tsy namaly azy i Yaveh—na tamin'ny nofy, na tamin'i Orima, na tamin'ireo mpaminany. BSB BSB: He inquired of the LORD, but the LORD did not answer him by dreams or Urim or prophets.
7 ULB Ary hoy i Saoly tamin'ireo mpanompony: "Hitadiavo vehivavy miresaka amin'ny maty aho, mba hahafahako mankany aminy ary mitady hevitra aminy." Hoy ireo mpanompony taminy: "Indro, misy vehivavy any Andora izay milaza fa miresaka amin'ny maty." BSB BSB: Then Saul said to his servants, “Find me a woman who is a medium, so I can go and consult her.” “There is a medium at Endor,” his servants replied.
8 ULB Nanova endrika i Saoly, nanao akanjo hafa, ary nandeha, izy sy ireo lehilahy roa niaraka taminy; nankany amin'ilay vehivavy izy ireo ny alina. Hoy izy: "Mitalaho aminao aho, manaova fiantsoana ny maty ho ahy, miaraka amin'ny fanahy, ary ento miakatra izay anarana lazaiko anao." BSB BSB: So Saul disguised himself by putting on different clothes, and he set out with two of his men. They came to the woman at night, and Saul said, “Consult a spirit for me. Bring up for me the one I name.”
9 ULB Hoy ilay vehivavy taminy: "Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, izay namongorany izay miresaka amin'ny maty na amin'ireo fanahy tsy ho eo amin'ny tany. Koa nahoana ianao no mametraka fandrika ho an'ny aiko, mba hahafaty ahy?" BSB BSB: But the woman replied, “Surely you know what Saul has done, how he has killed the mediums and spiritists in the land. Why have you set a trap to get me killed?”
10 ULB Nianiana taminy tamin'ny alalan'i Yaveh i Saoly ka nanao hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hisy fanasaziana hiatra aminao noho izao zavatra izao." BSB BSB: Then Saul swore to her by the LORD: “As surely as the LORD lives, no punishment shall come upon you for this.”
11 ULB Ary hoy ilay vehivavy: "Iza no tokony ho entiko miakatra eto aminao?" Hoy i Saoly: "Ento miakatra ho ahy i Samoela." BSB BSB: “Whom shall I bring up for you?” the woman asked. “Bring up Samuel,” he replied.
12 ULB Raha nahita an'i Samoela ilay vehivavy, dia nihiaka mafy izy ary niresaka tamin'i Saoly nanao hoe: "Nahoana ianao no namitaka ahy? Fa Saoly ianao." BSB BSB: But when the woman saw Samuel, she cried out in a loud voice and said to Saul, “Why have you deceived me? You are Saul!”
13 ULB Hoy ny mpanjaka taminy: "Aza matahotra. Inona no hitanao?" Hoy ilay vehivavy tamin'i Saoly: "Mahita andriamanitra miakatra avy ao amin'ny tany aho." BSB BSB: “Do not be afraid,” the king replied. “What do you see?” “I see a god coming up out of the earth,” the woman answered.
14 ULB Hoy izy taminy: "Tahaka ny ahoana ny endriny?" Hoy izy: "Lehilahy antitra no avy miakatra; manao akanjo lava izy." Fantatr'i Saoly fa i Samoela izany, ka nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany izy ary naneho fanajana. BSB BSB: “What does he look like?” asked Saul. “An old man is coming up,” she replied. “And he is wearing a robe.” So Saul knew that it was Samuel, and he bowed facedown in reverence.
15 ULB Hoy Samoela tamin'i Saoly: "Nahoana ianao no nanakorontana ahy ka nitondra ahy niakatra?" Saoly namaly hoe: "Ory loatra aho, satria ireo Filistina dia miantsy ady hanohitra ahy, ary Andriamanitra nandao ahy ary tsy namaly ahy intsony, na tamin'ireo mpaminany, na tamin'ireo nofy. Noho izany dia niantso anao aho, mba hahafahanao mampahafantatra ahy izay tokony ataoko." BSB BSB: Then Samuel said to Saul, “Why have you disturbed me by bringing me up?” “I am deeply distressed,” replied Saul. “The Philistines are fighting against me, and God has turned away from me. He no longer answers me, either by prophets or by dreams. So I have called on you to tell me what to do.”
16 ULB Hoy i Samoela: "Inona ary no anontanianao ahy, satria nandao anao Yaveh, ary tonga fahavalonao Izy? BSB BSB: “Why do you consult me,” asked Samuel, “since the LORD has turned away from you and become your enemy?
17 ULB Nataon'i Yaveh taminao izay efa nolazainy hataony. Efa nanatsoaka ny fanjakana tsy ho eo an-tananao izy ary nanome izany ho an'olon-kafa—ho an'i Davida. BSB BSB: He has done exactly what He spoke through me: The LORD has torn the kingdom out of your hand and given it to your neighbor David.
18 ULB Satria ianao tsy nankatoa ny feon'i Yaveh ary tsy nitondra ny firehetan'ny fahatezerany tamin'ny Amalekita, dia nataony taminao izany androany. BSB BSB: Because you did not obey the LORD or carry out His burning anger against Amalek, the LORD has done this to you today.
19 ULB Ankoatra izany, i Yaveh dia hanolotra anao sy ny Israely ho eo an-tanan'ireo Filistina. Rahampitso ianao sy ireo zanakao lahy dia hiaraka amiko. Hatolotr'i Yaveh ho eo an-tanan'ireo Filistina ihany koa ny tafik'Israely." BSB BSB: Moreover, the LORD will deliver Israel with you into the hand of the Philistines, and tomorrow you and your sons will be with me. And the LORD will deliver the army of Israel into the hand of the Philistines.”
20 ULB Avy hatrany dia lavo niampatra tamin'ny tany i Saoly ary tena natahotra izy noho ireo tenin'i Samoela. Tsy nisy hery tao anatiny, satria tsy nihinan-kanina izy nandritra ny andro tontolo, na tamin'ny alina tontolo. BSB BSB: Immediately Saul fell flat on the ground, terrified by the words of Samuel. And his strength was gone, because he had not eaten anything all that day and night.
21 ULB Nankeo amin'i Saoly ilay vehivavy ary nahita fa tena nikorontan-tsaina izy, hoy izy taminy: "Indro, ny mpanompovavinao efa nihaino ny feonao; efa napetrako teo am-pelatanako ny aiko ary efa nihaino ireo teninao izay nambaranao tamiko. BSB BSB: When the woman came to Saul and saw how distraught he was, she said to him, “Look, your maidservant has obeyed your voice. I took my life in my hands and did as you told me.
22 ULB Koa ankehitriny, mitalaho aminao aho, henoy ihany koa ny feon'ny mpanompovavinao, ary avelao aho hametraka sakafo kely eo anoloanao. Mihinàna mba hahazoanao hery rehefa handeha amin'ny lalanao ianao." BSB BSB: Now please listen to your servant and let me set a morsel of bread before you so you may eat and have the strength to go on your way.”
23 ULB Fa i Saoly nandà ary niteny hoe: "Tsy hihinana aho." Fa ireo mpanompony, niaraka tamin'ilay vehivavy, nanery azy, ka dia nihaino ny feon'izy ireo izy. Koa nitsangana avy eo amin'ny tany izy ary nipetraka teo am-pandriana. BSB BSB: Saul refused, saying, “I will not eat.” But his servants joined the woman in urging him, and he heeded their voice. He got up from the ground and sat on the bed.
24 ULB Nanana zanak'omby nifahy tao an-tranony ilay vehivavy; nandeha haingana izy ary namono izany; naka koba izy, nanafangaro izany, ary nanendy ny mofo tsy misy lalivay niaraka tamin'izany. BSB BSB: The woman had a fattened calf at her house, and she quickly slaughtered it. She also took flour, kneaded it, and baked unleavened bread.
25 ULB Nentiny teo anoloan'i Saoly sy ireo mpanompony izany, ary nihinana izy ireo. Ary nitsangana izy ireo ka lasa ny alin'iny. BSB BSB: She served it to Saul and his servants, and they ate. And that night they got up and left.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.