1 ULB Ary rehefa tonga tany Ziklaga i Davida sy ireo olony tamin'ny andro fahatelo, dia nanafika teo amin'ny Negeva sy teo amin'i Ziklaga ireo Amalekita. Nanafika an'i Ziklaga izy ireo, ary nandoro izany, BSB BSB: On the third day David and his men arrived in Ziklag, and the Amalekites had raided the Negev, attacked Ziklag, and burned it down.
2 ULB ary nisambotra ireo vehivavy sy ny olona rehetra izay tao amin'izany, na kely na lehibe. Tsy namono na iza na iza izy ireo, fa nitondra azy ireo raha nandeha tamin'ny lalany. BSB BSB: They had taken captive the women and all who were there, both young and old. They had not killed anyone, but had carried them off as they went on their way.
3 ULB Rehefa nankany amin'ilay tanàna i Davida sy ireo olony, dia efa may izany, ary ireo vadiny, ireo zanany lahy, sy ireo zanany vavy dia nalaina ho babo. BSB BSB: When David and his men came to the city, they found it burned down and their wives and sons and daughters taken captive.
4 ULB Avy eo dia nampiaka-peo i Davida sy ireo olona niaraka taminy ary nitomany mandra-paha-tsy nisian'ny hery hitomaniana intsony. BSB BSB: So David and the troops with him lifted up their voices and wept until they had no strength left to weep.
5 ULB Voababo ireo vadin'i Davida roa, Ahinoama Jezeralita, ary Abigaila vadin'i Nabala Karmelita. BSB BSB: David’s two wives, Ahinoam of Jezreel and Abigail the widow of Nabal of Carmel, had been taken captive.
6 ULB Ory tanteraka i Davida, satria niresaka momba ny hitoraham-bato azy ny vahoaka, satria mangidy ara-panahy ny vahoaka rehetra, ny olona tsirairay noho ny amin'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy; fa Davida nanatanjaka ny tenany tamin'i Yaveh, Andriamaniny. BSB BSB: And David was greatly distressed because the people spoke of stoning him, because the soul of every man grieved for his sons and daughters. But David found strength in the LORD his God.
7 ULB Hoy i Davida tamin'i Abiatara zanak'i Ahimeleka, ilay mpisorona: "Miangavy aminao aho, ento aty amiko ilay efoda." Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ilay efoda. BSB BSB: Then David said to Abiathar the priest, the son of Ahimelech, “Bring me the ephod.” So Abiathar brought it to him,
8 ULB Nangataka torolalana tamin'i Yaveh i Davida, nanao hoe: "Raha manenjika io antoko io aho, ho azoko ve izy ireo?" Ary Yaveh namaly azy: "Enjeho, fa azo antoka fa ho azonao tokoa izy ireo, ary azo antoka fa hamerina ny zavatra rehetra ianao." BSB BSB: and David inquired of the LORD: “Should I pursue these raiders? Will I overtake them?” “Pursue them,” the LORD replied, “for you will surely overtake them and rescue the captives.”
9 ULB Dia nandeha i Davida, izy sy ireo eninjato lahy izay niaraka taminy; ary tonga tany amin'ny reniranon'i Besora izy ireo, izay nijanon'ireo izay taraiky tany aoriana. BSB BSB: So David and his six hundred men went to the Brook of Besor, where some stayed behind
10 ULB Fa nanohy ny fanejehana i Davida, izy sy ireo efajato lahy; fa ny roanjato nijanona tao aoriana, izay tena osa ka tsy afaka ny handeha eo amin'ny lohasahan-driakan'i Besora. BSB BSB: because two hundred men were too exhausted to cross the brook. But David and four hundred men continued in pursuit.
11 ULB Nahita Egyptiana iray teny an-tsaha izy ireo ary nitondra azy tany amin'i Davida; nomen'izy ireo mofo izy, ary nihinana; nomen'izy ireo rano ho sotroina izy; BSB BSB: Now his men found an Egyptian in the field and brought him to David. They gave the man water to drink and food to eat—
12 ULB ary nomen'izy ireo ampahana mofomamin'aviavy sy sampam-boaloboka roa izy. Rehefa nihinana izy, dia nahazo hery indray, satria tsy nihinana mofo na nisotro rano nandritra ny telo andro sy telo alina izy. BSB BSB: a piece of a fig cake and two clusters of raisins. So he ate and was revived, for he had not had any food or water for three days and three nights.
13 ULB Hoy i Davida taminy: "An'iza moa ianao? Avy aiza ianao?" Dia hoy izy: "Tovolahin'i Egypta aho, mpanompona Amalekita iray; nandao ahy ny tompoko satria narary aho telo andro lasa izay. BSB BSB: Then David asked him, “To whom do you belong, and where are you from?” “I am an Egyptian,” he replied, “the slave of an Amalekite. My master abandoned me three days ago when I fell ill.
14 ULB Nanafika an'i Negevan'i Keretita izahay, sy izay an'i Joda, ary Negevan'i Kaleba, ary nodoranay i Ziklaga." BSB BSB: We raided the Negev of the Cherethites, the territory of Judah, and the Negev of Caleb, and we burned down Ziklag.”
15 ULB Hoy i Davida taminy: "Hitondra ahy hidina any amin'ny antoko mpanafika ve ianao?" Hoy ilay Egyptiana: "Mianiàna amiko amin'Andriamanitra mba tsy hamononao ahy na hamadihanao ahy eo am-pelatanan'ny tompoko, dia hitondra anao hidina amin'izany antoko mpanafika izany aho." BSB BSB: “Will you lead me to these raiders?” David asked. And the man replied, “Swear to me by God that you will not kill me or deliver me into the hand of my master, and I will lead you to them.”
16 ULB Rehefa nitondra an'i Davida nidina ilay Egyptiana, dia niparitaka teo amin'ny tany rehetra ireo mpanafika, nihinana sy nisotro ary nandihy noho ireo babo rehetra izay nalan'izy ireo tamin'ny tanin'ireo Filistina ary tamin'ny tanin'i Joda. BSB BSB: So he led David down, and there were the Amalekites spread out over all the land, eating, drinking, and celebrating the great amount of plunder they had taken from the land of the Philistines and the land of Judah.
17 ULB Nanafika azy ireo i Davida nanomboka ny hariva ka hatramin'ny harivan'ny andro manaraka. Tsy nisy na olona iray aza tafatsoaka afa-tsy ireo tovolahy efajato, izay nitaingina rameva ka nandositra. BSB BSB: And David struck them down from twilight until the evening of the next day. Not a man escaped, except four hundred young men who fled, riding off on camels.
18 ULB Dia tafaverin'i Davida izay nalain'ireo Amalekita rehetra; ary voavotr'i Davida ireo vadiny roa. BSB BSB: So David recovered everything the Amalekites had taken, including his two wives.
19 ULB Tsy nisy zavatra tsy ampy, na kely na lehibe, na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy, na ireo babo, na ny zavatra rehetra izay nobaboin'ireo mpanafika ho azy ireo. Naverin'i Davida ny zavatra rehetra. BSB BSB: Nothing was missing, young or old, son or daughter, or any of the plunder the Amalekites had taken. David brought everything back.
20 ULB Nalain'i Davida ireo ondry aman'osy rehetra sy ireo omby, izay nentin'ireo olona nialoha ny biby fiompy hafa. Hoy izy ireo hoe: "Ireo no babon'i Davida." BSB BSB: And he took all the flocks and herds, which his men drove ahead of the other livestock, calling out, “This is David’s plunder!”
21 ULB Tonga tany amin'ireo olona roanjato izay tena osa raha hanaraka azy i Davida, ireo izay nataon'ireo hafa nijanona tany amin'ny reniranon'i Besora. Ireo lehilahy ireo dia nandroso mba hihaona amin'i Davida sy ireo vahoaka niaraka taminy. Rehefa tonga teo amin'ireo olona ireo i Davida, dia niarahaba azy ireo izy. BSB BSB: When David came to the two hundred men who had been too exhausted to follow him and who were left behind at the Brook of Besor, they came out to meet him and the troops with him. As David approached the men, he greeted them,
22 ULB Ireo olona ratsy fanahy sy ireo namana tsy misy ilàna azy teo amin'ireo izay efa nandeha niaraka tamin'i Davida nilaza hoe: "Satria tsy nandeha niaraka tamintsika ireo lehilahy ireo, dia tsy hanome azy ireo babo izay efa azontsika isika. Raha tsy hoe afaka maka ny vadiny sy ireo zanany ireo lehilahy tsirairay, ka mitarika azy ireo, ary mandeha." BSB BSB: but all the wicked and worthless men among those who had gone with David said, “Because they did not go with us, we will not share with them the plunder we recovered, except for each man’s wife and children. They may take them and go.”
23 ULB Ary hoy i Davida: "Tsy tokony hanao izany, amin'izay efa nomen'i Yaveh antsika, ianareo ry rahalahiko. Efa narovany isika ary efa natolony teo an-tanàntsika ireo mpanafika izay tonga nanohitra antsika. BSB BSB: But David said, “My brothers, you must not do this with what the LORD has given us. He has protected us and delivered into our hands the raiders who came against us.
24 ULB Iza no hihaino anao amin'izany tranga izany? Fa ny fizarana dia ho an'izay mandeha amin'ny ady, sy ho an'ny olona izay miandry ny entana ihany koa; fa hizara mitovy izy ireo." BSB BSB: Who will listen to your proposal? The share of the one who went to battle will match the share of the one who stayed with the supplies. They will share alike.”
25 ULB Dia toy izany ny tamin'izany andro izany ka hatramin'izao, satria nataon'i Davida ho didy sy lalàna ho an'ny Israely izany. BSB BSB: And so it has been from that day forward. David established this statute and ordinance for Israel to this very day.
26 ULB Rehefa tonga tany Ziklaga i Davida, dia nandefa ny sasany tamin'ireo babo ho an'ireo loholon'i Joda, ho an'ireo namany izy, nanao hoe: "Indro, inty misy fanomezana ho anao avy amin'ilay babo avy amin'ireo fahavalon'i Yaveh." BSB BSB: When David arrived in Ziklag, he sent some of the plunder to his friends, the elders of Judah, saying, “Here is a gift for you from the plunder of the LORD’s enemies.”
27 ULB Nandefa ny sasany tany amin'ireo loholona izay any Betela ihany koa izy, ary ho an'ireo izay tany Ramotan'ny atsimo, sy ho an'ireo izay any Jatira, BSB BSB: He sent gifts to those in Bethel, Ramoth Negev, and Jattir;
28 ULB ary ho an'ireo izay any Aroera, sy ho an'ireo izay any Sifmota, ary ho an'ireo izay any Estemoa. BSB BSB: to those in Aroer, Siphmoth, and Eshtemoa;
29 ULB Nandefa ny sasany tany amin'ireo loholona izay any Rakala, sy ireo izay any amin'ny tanànan'i Jeramelita, ary ireo izay any amin'ny tanànan'ireo Kenita, BSB BSB: to those in Racal and in the cities of the Jerahmeelites and Kenites;
30 ULB ary ho an'ireo izay any Horma, sy ireo izay any Korsana, ary ho an'ireo izay any Ataka, BSB BSB: to those in Hormah, Bor-ashan, and Athach;
31 ULB sy ireo izay any Hebrona, ary amin'ireo toerana rehetra izay nandehanan'i Davida sy ireo olony matetika izy. BSB BSB: and to those in Hebron and in all the places where David and his men had roamed.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.