1 ULB Ary ny fiaran'i Yaveh dia tao amin'ny tanànan'ireo Filistina nandritra ny fito volana. BSB BSB: When the ark of the LORD had been in the land of the Philistines seven months,
2 ULB Avy eo ny vahoaka Filistina niantso an'ireo mpisorona sy ireo mpimasy; hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no tokony hataonay amin'ny fiaran'i Yaveh?" Lazao anay ny fomba hamerenanay izany any amin'ny firenen'izany manokana." BSB BSB: the Philistines summoned the priests and diviners, saying, “What shall we do with the ark of the LORD? Tell us how to send it back to its place.”
3 ULB Hoy ireo mpisorona sy ireo mpimasy hoe: "Raha averinareo ny fiaran'ilay Andriamanitr'Israely, dia aza averina tsy miaraka amin'ny fanomezana izany; andefaso fanatitra nohon'ny heloka amin'ny fomba rehetra Izy. Dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo ny antony tsy nanalany ny tanany taminareo mandrak'ankehitriny." BSB BSB: They replied, “If you return the ark of the God of Israel, do not send it away empty, but by all means return it to Him with a guilt offering. Then you will be healed, and you will understand why His hand has not been lifted from you.”
4 ULB Dia hoy izy ireo hoe: "Tokony ho inona ilay fanatitra nohon'ny heloka izay averinay aminy?" Namaly izy ireo hoe: "Fivontosana volamena dimy sy totozy volamena dimy, ny dimy dia isa mitovy amin'ny isan'ireo mpanapaky ny Filistina. Fa loza mitovy no mampahory anareo sy ireo mpanapakareo. BSB BSB: “What guilt offering should we send back to Him?” asked the Philistines. “Five gold tumors and five gold rats,” they said, “according to the number of rulers of the Philistines, since the same plague has struck both you and your rulers.
5 ULB Noho izany dia tsy maintsy manao sarin'ny fivontosanareo ianareo, ary sarin'ny totozinareo izay mandringana ny tany, ary manome voninahitra an'ilay Andriamanitr'Israely. Angamba mety hanala ny tanany aminareo Izy, amin'ireo andriamanitrareo, ary amin'ny taninareo. BSB BSB: Make images of your tumors and of the rats that are ravaging the land. Give glory to the God of Israel, and perhaps He will lift His hand from you and your gods and your land.
6 ULB Nahoana no tokony hanamafy ny fonareo ianareo, tahaka ny nanamafisan'ireo Egyptiana sy Farao ny fon'izy ireo? Izany dia tamin'ny namelezan'ilay Andriamanitr'Israely mafy azy ireo; moa tsy nalefan'ireo Egyptiana ve ny vahoaka, ary lasa izy ireo? BSB BSB: Why harden your hearts as the Egyptians and Pharaoh hardened theirs? When He afflicted them, did they not send the people out so they could go on their way?
8 ULB Avy eo raiso ny fiaran'i Yaveh ary ataovy ao anatin'ilay sarety izany. Apetraho anaty vata eo anilan'izany ny sarin-javatra volamena izay averinareo aminy mba ho fanatitra nohon'ny heloka. Dia alefaso izany ary avelao handeha amin'ny lalany. BSB BSB: Take the ark of the LORD, set it on the cart, and in a chest beside it put the gold objects you are sending back to Him as a guilt offering. Then send the ark on its way,
9 ULB Avy eo jereo; raha miakatra any amin'ny lalana mankany amin'ny taniny manokana any Beti-semesy izany, dia Yaveh no nanao izany loza lehibe izany. Fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no nampahory antsika; fa kosa, ho fantatsika fa nitranga tsy nahy tamintsika izany." BSB BSB: but keep watching it. If it goes up the road to its homeland, toward Beth-shemesh, it is the LORD who has brought on us this great disaster. But if it does not, then we will know that it was not His hand that punished us and that it happened by chance.”
10 ULB Ireo lehilahy dia nanao araka izay nolazaina tamin'izy ireo; naka omby vavy mampinono roa izy ireo, namatotra ireo teo amin'ny sarety, ary nitondra ny zanak'ombin'ireo tany an-trano. BSB BSB: So the men did as instructed. They took two milk cows, hitched them to the cart, and penned up their calves.
11 ULB Napetrak'izy ireo teo amin'ilay sarety ilay fiaran'i Yaveh, niaraka tamin'ny vata misy ilay totozy volamena sy ny sarin'ny fivontosan'izy ireo. BSB BSB: Then they put the ark of the LORD on the cart, along with the chest containing the gold rats and the images of the tumors.
12 ULB Nandeha nahitsy tany amin'ny lalana mizotra any Beti-semesy ireo omby vavy. Nandeha tamin'ny lalam-be iray ireo, nimàma teny am-pandehanana, ary tsy nivilivily na tany ankavanana na tany ankavia. Nanaraka azy ireo tany amin'ny sisin'i Beti-semesy ireo mpanapak'ireo Filistina. BSB BSB: And the cows headed straight up the road toward Beth-shemesh, staying on that one highway and lowing as they went, never straying to the right or to the left. The rulers of the Philistines followed behind them to the border of Beth-shemesh.
13 ULB Ary nijinja ny varin'izy ireo teny an-dohasaha ny vahoakan'i Beti-semesy. Rehefa nanandratra ny masony izy ireo ka nahita ilay fiara, dia niravoravo. BSB BSB: Now the people of Beth-shemesh were harvesting wheat in the valley, and when they looked up and saw the ark, they were overjoyed at the sight.
14 ULB Tonga tany amin'ny sahan'i Josoa avy any amin'ny tanànan'i Beti-semesy ilay sarety ary nijanona tao. Nisy vato lehibe teo, ka namaky ny hazo tamin'ilay sarety izy ireo, ary nanolotra ireo omby vavy mba ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh. BSB BSB: The cart came to the field of Joshua of Beth-shemesh and stopped there near a large rock. The people chopped up the cart and offered the cows as a burnt offering to the LORD.
15 ULB Nampidinin'ireo Levita ny fiaran'i Yaveh sy ilay vata izay niaraka tamin'izany, izay nisy ireo sary volamena, ary napetrany teo amin'ilay vato lehibe ireo. Nanolotra fanatitra dorana sy nanao sorona ho an'i Yaveh ny androtr'io ihany ireo mponin'i Beti-semesy. BSB BSB: And the Levites took down the ark of the LORD and the chest containing the gold objects, and they placed them on the large rock. That day the men of Beth-shemesh offered burnt offerings and made sacrifices to the LORD.
16 ULB Rehefa hitan'ireo mpanapaka dimin'ireo Filistina izany, dia niverina tany Ekrona ny androtr'io ihany izy ireo. BSB BSB: And when the five rulers of the Philistines saw this, they returned to Ekron that same day.
17 ULB Ireto avy ireo fivontosana volamena izay naverin'ireo Filistina ho fanatitra nohon'ny heloka ho an'i Yaveh: iray ho an'i Asdoda, iray ho an'i Gaza, iray ho an'i Askelona, iray ho an'i Gata, ary iray ho an'i Ekrona. BSB BSB: As a guilt offering to the LORD, the Philistines had sent back one gold tumor for each city: Ashdod, Gaza, Ashkelon, Gath, and Ekron.
18 ULB Ireo totozy volamena dia nitovy isa tamin'ny isan'ireo tanànan'ireo Filistina rehetra izay an'ireo mpanapaka dimy, dia ireo tanàna mimanda sy ireo zana-bohitry ny tanàna. Ilay vato lehibe, teo anilan'ilay nametrahan'izy ireo ny fiaran'i Yaveh, dia mitoetra ho vavolombelona iray ao amin'ny sahan'i Josoa ilay Beti-semesita mandrak'androany. BSB BSB: The number of gold rats also corresponded to the number of Philistine cities belonging to the five rulers—the fortified cities and their outlying villages. And the large rock on which they placed the ark of the LORD stands to this day in the field of Joshua of Beth-shemesh.
19 ULB Namely ny sasany tamin'ireo mponin'i Beti-Semesy i Yaveh satria nijery tao anatin'ilay fiaran'i Yaveh izy ireo. Namono lehilahy 50. 070 Izy. Nisaona ny vahoaka, satria namely mafy ny vahoaka Yaveh. BSB BSB: But God struck down some of the people of Beth-shemesh because they looked inside the ark of the LORD. He struck down seventy men, and the people mourned because the LORD had struck them with a great slaughter.
20 ULB Hoy ireo mponin'i Beti-semesy hoe: "Iza no afaka hijoro manoloana an'i Yaveh, ity Andriamanitra masina ity? Ho amin'iza no iakaran'ilay fiara avy aty amintsika?" BSB BSB: The men of Beth-shemesh asked, “Who can stand in the presence of the LORD, this holy God? To whom should the ark go up from here?”
21 ULB Naniraka mpitondra hafatra tany amin'ireo mponin'i Kiriata-Jearima izy ireo, nanao hoe: "Nentin'ireo Filistina niverina ilay fiaran'i Yaveh; midìna ary ento miverina miaraka aminareo izany." BSB BSB: So they sent messengers to the people of Kiriath-jearim, saying, “The Philistines have returned the ark of the LORD. Come down and take it up with you.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.