1 ULB Tonga ny olon'ny Kiriata Jearima, naka ny fiaran'i Yaveh, ary nitondra izany tao an-tranon'i Abinadaba tany amin'ny havoana. Nanokana an'i Eleazara zanany lahy izy ireo mba hitandrina ny fiaran'i Yaveh. BSB BSB: Then the men of Kiriath-jearim came for the ark of the LORD and took it into Abinadab’s house on the hill. And they consecrated his son Eleazar to guard the ark of the LORD.
2 ULB Nanomboka tamin'ny andro izay nitoeran'ny fiara tao Kiriata Jearima, dia taona maro no lasa, roapolo taona. Ny ankohonan'Israely rehetra dia nalahelo an'i Yaveh ka naniry hiverina amin'i Yaveh. BSB BSB: And from that day a long time passed, twenty years in all, as the ark remained at Kiriath-jearim. And all the house of Israel mournfully sought the LORD.
3 ULB Hoy i Samoela tamin'ny ankohonan'ny Israely manontolo hoe: "Raha miverina amin'i Yaveh amin'ny fonareo rehetra ianareo, dia esory eo aminareo ireo andriamanin-kafa sy ireo Astarta, atodiho amin'i Yaveh ny fonareo, ary Izy irery ihany tompoina, dia hamonjy anareo eo an-tanan'ireo Filistina izy." BSB BSB: Then Samuel said to all the house of Israel, “If you are returning to the LORD with all your hearts, then put away the foreign gods and Ashtoreths among you, prepare your hearts for the LORD, and serve Him only. And He will deliver you from the hand of the Philistines.”
4 ULB Dia nanala ireo Bala sy ny Astarta ny vahoakan'ny Israely, ary nanompo an'i Yaveh irery ihany. BSB BSB: So the Israelites put away the Baals and Ashtoreths and served only the LORD.
5 ULB Ary hoy Samoela hoe: "Ento ho any Mizpa ny Israely rehetra, dia hivavaka amin'i Yaveh ho anareo aho." BSB BSB: Then Samuel said, “Gather all Israel to Mizpah, and I will pray to the LORD on your behalf.”
6 ULB Niangona tao Mizpa izy ireo, ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Yaveh. Nifady hanina izy ireo tamin'ny izany andro izany ka nanao hoe: "Efa nanota tamin'i Yaveh isika." Tany no nanapahan'i Samoela hevitra hitsara ny fifandiran'ny vahoakan'ny Israely sy nitondrany azy. BSB BSB: When they had gathered at Mizpah, they drew water and poured it out before the LORD. On that day they fasted, and there they confessed, “We have sinned against the LORD.” And Samuel judged the Israelites at Mizpah.
7 ULB Ary rehefa ren'ireo Filistina fa niangona tao Mizpa ny vahoakan'Israely, dia nanafika ny Israely ireo mpanapaky ny Filistina. Raha nahare izany ny vahoakan'Israely, dia natahotra ireo Filistina izy ireo. BSB BSB: When the Philistines heard that the Israelites had gathered at Mizpah, their rulers marched up toward Israel. And when the Israelites learned of this, they feared the Philistines
8 ULB Ary hoy ireo vahoakan'Israely tamin'i Samoela: "Aza mitsahatra miantso an'i Yaveh Andriamanintsika ho antsika, fa hanavotra antsika eo an-tanan'ireo Filistina Izy." BSB BSB: and said to Samuel, “Do not stop crying out to the LORD our God for us, that He may save us from the hand of the Philistines.”
9 ULB Dia naka zanak'ondry mbola minono i Samoela ary nanome izany manontolo mba ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh. Ary niantso mafy an'i Yaveh ho an'ny Israely Samoela, ka namaly azy Yaveh. BSB BSB: Then Samuel took a suckling lamb and offered it as a whole burnt offering to the LORD. He cried out to the LORD on behalf of Israel, and the LORD answered him.
10 ULB Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona hanafika ny Israely ireo Filistina. Fa Yaveh nampikotrok'orana tamin'ny feo mafy tamin'izany andro izany hanohitra ireo Filistina ka nampifanjevo azy ireo, ary resy teo anoloan'ny Israely izy ireo. BSB BSB: As the Philistines drew near to fight against Israel, Samuel was offering up the burnt offering. But that day the LORD thundered loudly against the Philistines and threw them into such confusion that they fled before Israel.
11 ULB Ary ny lehilahin'ny Israely niala avy any Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namono azy ireo mandra-pahatongany teo ambanin'i Betikara. BSB BSB: Then the men of Israel charged out of Mizpah and pursued the Philistines, striking them down all the way to an area below Beth-car.
12 ULB Avy eo dia naka vato i Samoela ary nametraka izany teo anelanelan'i Mizpa sy Sena. Nataony hoe Ebenezera ny anaran'izany, manao hoe: "Hatramin'izao no namonjen'i Yaveh antsika." BSB BSB: Afterward, Samuel took a stone and set it up between Mizpah and Shen. He named it Ebenezer, saying, “Thus far the LORD has helped us.”
13 ULB Dia resy ireo Filistina ka tsy niditra teo amin'ny fari-tanin'ny Israely. Ny tanan'i Yaveh nanohitra ireo Filistina tamin'ny andron'i Samoela rehetra. BSB BSB: So the Philistines were subdued, and they stopped invading the territory of Israel. And the hand of the LORD was against the Philistines all the days of Samuel.
14 ULB Ireo tanàna izay nalain'ireo Filistina tamin'ny Israely dia voaverina tamin'ny Israely, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; niverina tamin'ny Israely koa ny faritaniny tany amin'ireo Filistina. Dia nisy fihavanana teo amin'ny Israely sy ny Amorita. BSB BSB: The cities from Ekron to Gath, which the Philistines had taken, were restored to Israel, who also delivered the surrounding territory from the hand of the Philistines. And there was peace between the Israelites and the Amorites.
15 ULB Nitsara ny Israely nandritra ny androm-piainany rehetra i Samoela. BSB BSB: So Samuel judged Israel all the days of his life.
16 ULB Isan-taona dia nandeha nivezivezy tany Betela, Gilgala, ary Mizpa izy. Nanapa-kevitra tamin'ny ady ho an'Israely teo amin'ireo toerana rehetra ireo izy. BSB BSB: Every year he would go on a circuit from Bethel to Gilgal to Mizpah, judging Israel in all these places.
17 ULB Ary niverina tany Rama indray izy. satria tany ny tranony; ary tany ihany koa no nanapahany hevitra tami'ny ady ho an'ny Israely. Nanorina alitara ho an'i Yaveh tany ihany koa izy. BSB BSB: Then he would return to Ramah because his home was there, and there he judged Israel and built an altar to the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.