1 ULB Rehefa antitra i Samoela, dia nataony ho mpitsara eo amin'ny Israely ireo zanany lahy. BSB BSB: When Samuel grew old, he appointed his sons as judges over Israel.
2 ULB Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny zanany lahy faharoa. Mpitsara tao Beri-sheba izy ireo. BSB BSB: The name of his firstborn son was Joel, and the name of his second was Abijah. They were judges in Beersheba.
3 ULB Tsy nandeha tamin'ny lalany ireo zanany lahy, fa nitady fihariana tsy marina. Nandray kolikoly izy ireo ary namadika ny rariny. BSB BSB: But his sons did not walk in his ways; they turned aside toward dishonest gain, accepting bribes and perverting justice.
4 ULB Dia niara-nivory ireo loholon'ny Israely rehetra ary tonga teo amin'i Samoela tao Rama. BSB BSB: So all the elders of Israel gathered together and came to Samuel at Ramah.
5 ULB Hoy izy ireo taminy: "Indro, antitra ianao, ary tsy mandeha amin'ny lalanao ireo zanakao. Manendre mpanjaka ho anay mba hitsara anay tahaka ireo firenena rehetra." BSB BSB: “Look,” they said, “you are old, and your sons do not walk in your ways. Now appoint a king to judge us like all the other nations.”
6 ULB Nefa tsy nankasitrahan'i Samoela izany raha niteny izy ireo hoe: "Omeo mpanjaka izahay mba hitsara anay." Ka nivavaka tamin'i Yaveh i Samoela. BSB BSB: But when they said, “Give us a king to judge us,” their demand was displeasing in the sight of Samuel; so he prayed to the LORD.
7 ULB Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Ankatoavy ny feon'ny vahoaka amin'ny zavatra rehetra lazain'izy ireo aminao; fa tsy ianao no nolavin'izy ireo, fa Izaho no nolaviny tsy ho mpanjakan'izy ireo. BSB BSB: And the LORD said to Samuel, “Listen to the voice of the people in all that they say to you. For it is not you they have rejected, but they have rejected Me as their king.
8 ULB Ankehitriny izy ireo dia manao toy izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy ireo nivoaka avy tao Egypta, nahafoy Ahy, ary nanompo ireo andriamani-kafa, ary toy izany koa no ataon'izy ireo aminao. BSB BSB: Just as they have done from the day I brought them up out of Egypt until this day, forsaking Me and serving other gods, so they are doing to you.
9 ULB Ankehitriny henoy izy ireo; nefa ampitandremo mafy ka ampahafantaro ny fomba hanapahan'ny mpanjaka eo amin'izy ireo." BSB BSB: Now listen to their voice; but you must solemnly warn them and show them the manner of the king who will reign over them.”
10 ULB Koa dia nolazain'i Samoela tamin'ny vahoaka izay nangataka mpanjaka ireo tenin'i Yaveh rehetra. BSB BSB: So Samuel spoke all the words of the LORD to the people who were asking him for a king.
11 ULB Hoy izy: "Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka eo aminareo. Haka ireo zanakareo lahy izy ka hanendry azy ireo ho an'ny kalesiny sy ho lasa mpitaingin-tsoavaliny, ary hiazakazaka eo alohan'ireo kalesiny. BSB BSB: He said, “This will be the manner of the king who will reign over you: He will take your sons and appoint them to serve his own chariots and horses, and to run in front of his chariots.
12 ULB Hanendry kapitenin'ny miaramila an'arivony, ary kapitenin'ny miaramila dimampolo ho azy izy. Hataony miasa ny taniny ny sasany, mijinja ny vokany ny sasany, ary hanao ny fitaovam-piadiany sy ny fitaovana ho an'ireo kalesiny ny sasany. BSB BSB: He will appoint some for himself as commanders of thousands and of fifties, and others to plow his ground, to reap his harvest, and to make his weapons of war and equipment for his chariots.
13 ULB Ireo zanakareo vavy ihany koa dia hataony mpangaroharo zava-manitra, mpahandro, ary mpanao mofo. BSB BSB: And he will take your daughters to be perfumers, cooks, and bakers.
14 ULB Halainy ny tsara indrindra avy amin'ny sahanareo, ireo tanim-boalobokareo, ary ireo tanin'olivanareo, ka homeny an'ireo mpanompony. BSB BSB: He will take the best of your fields and vineyards and olive groves and give them to his servants.
15 ULB Halainy ny ampahafolon'ny varinareo sy ny avy amin'ireo tanim-boalobokareo ka homeny an'ireo manam-pahefany sy ireo mpanompony. BSB BSB: He will take a tenth of your grain and grape harvest and give it to his officials and servants.
16 ULB Halainy ireo mpanomponareo lahy sy ireo mpanomponareo vavy ary ny tsara indrindra amin'ireo tovolahinareo sy ireo borikinareo; hataony hiasa ho azy izy rehetra. BSB BSB: And he will take your menservants and maidservants and your best cattle and donkeys and put them to his own use.
17 ULB Halainy ny ampahafolon'ireo ondry aman'osinareo, ka ho lasa andevony ianareo. BSB BSB: He will take a tenth of your flocks, and you yourselves will become his slaves.
18 ULB Koa amin'izany andro izany dia hitaraina nohon'ny mpanjakanareo izay nofidianareo ho an'ny tenanareo ianareo; saingy tsy hamaly anareo i Yaveh amin'izany andro izany." BSB BSB: When that day comes, you will beg for relief from the king you have chosen, but the LORD will not answer you on that day.”
19 ULB Kanefa nandà ny hihaino an'i Samoela ny vahoaka; hoy izy ireo: "Tsia! Tokony hisy mpanjaka eto aminay BSB BSB: Nevertheless, the people refused to listen to Samuel. “No!” they said. “We must have a king over us.
20 ULB mba hitovianay amin'ireo firenena hafa rehetra, ary mba hitsaran'ny mpanjakanay anay sy hivoahany eo anoloanay ka hiady ny adinay." BSB BSB: Then we will be like all the other nations, with a king to judge us, to go out before us, and to fight our battles.”
21 ULB Rehefa ren'i Samoela ireo tenin'ny vahoaka rehetra dia naveriny teo an-tsofin'i Yaveh izany. BSB BSB: Samuel listened to all the words of the people and repeated them in the hearing of the LORD.
22 ULB Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Ankatoavy ny feon'izy ireo ary ataovy tonga mpanjakan'izy ireo ny olona iray." Ka hoy Samoela tamin'ireo olon'ny Israely: "Tsy maintsy mandeha any amin'ny tanànany avy ny lehilahy tsirairay." BSB BSB: “Listen to their voice,” the LORD said to Samuel. “Appoint a king for them.” Then Samuel told the men of Israel, “Everyone must go back to his city.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.