1 ULB Fa ny tenanareo dia mahalala, ry rahalahy, fa ny fahatongavanay teto aminareo dia tsy foana. BSB BSB: You yourselves know, brothers, that our visit to you was not in vain.
2 ULB Fantatrareo fa teo aloha dia nijaly ary nalaim-baraka tany Filipy izahay. Izahay dia sahy tao amin'Andriamanitray hilaza taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra tao anatin'ny fanoherana lehibe. BSB BSB: As you are aware, we had already endured suffering and shameful treatment in Philippi. But in the face of strong opposition, we were bold in our God to speak to you the gospel of God.
3 ULB Satria ny fananaranay dia tsy avy tamin'ny fahadisoana, na avy tamin'ny fahalotoana, na avy tamin'ny fitaka. BSB BSB: For our appeal does not arise from deceit or ulterior motives or trickery.
4 ULB Fa kosa, araka ny nankatoavan'Andriamanitra anay mba hatokisana amin'ny filazantsara, noho izany dia miteny izahay. Miteny izahay, tsy hampifaly ny olona, fa hampifaly an'Andriamanitra. Izy ilay mahalala ny fonay. BSB BSB: Instead, we speak as those approved by God to be entrusted with the gospel, not in order to please men but God, who examines our hearts.
5 ULB Satria tsy dia nampiasa na oviana na oviana ireo teny fandokafana izahay, araka ny fantatrareo, na koa ho fialan-tsiny amin'ny fitsiriritana, satria Andriamanitra no vavolombelonay. BSB BSB: As you know, we never used words of flattery or any pretext for greed. God is our witness!
6 ULB Na koa nitady ny voninahitra avy amin'ny olona izahay, na koa avy aminareo na avy amin'ireo hafa. Izahay dia afaka nitaky ireo tombotsoa tahaka ireo apostolin'i Kristy. BSB BSB: Nor did we seek praise from you or from anyone else, although as apostles of Christ we had authority to demand it.
7 ULB Fa kosa, izahay dia tsotra teo aminareo toy ny reny mankahery ny zanany naterany. BSB BSB: On the contrary, we were gentle among you, like a nursing mother caring for her children.
8 ULB Dia toy izany no nanananay fitiavana ho anareo. Faly izahay mizara aminareo, tsy ny filazantsara an'Andriamanitra ihany, fa ny fiainanay manokana ihany koa. Satria ianareo dia lasa malalanay tokoa. BSB BSB: We cared so deeply that we were delighted to share with you not only the gospel of God, but our own lives as well. That is how beloved you have become to us.
9 ULB Satria tsaroanareo, ry rahalahy, ny asanay sy ny fisasaranay. Andro aman'alina no niasanay mba tsy ahafahanay mampitondra mavesatra ny iray aminareo. Nandritra izany fotoana izany, dia nitory ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo izahay. BSB BSB: Surely you recall, brothers, our labor and toil. We worked night and day so that we would not be a burden to anyone while we proclaimed to you the gospel of God.
10 ULB Ianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra ihany koa, fa masina, sy marina, ary tsy manan-tsiny ny fitondran-tenanay teo aminareo izay mino. BSB BSB: You are witnesses, and so is God, of how holy, righteous, and blameless our conduct was among you who believed.
11 ULB Toy izany ihany koa dia fantatrareo hoe toy ny ahoana no nataonay taminareo tsirairay toy ny ataon'ny ray amin'ny zanany naterany, BSB BSB: For you know that we treated each of you as a father treats his own children—
12 ULB niangavy sy nankahery ary nandrisika anareo izahay mba handeha amin'ny fomba izay mendrika an'Andriamanitra, izay miantso anareo ho ao amin'ny fanjakany sy ny voninahiny manokana. BSB BSB: encouraging you, comforting you, and urging you to walk in a manner worthy of God, who calls you into His own kingdom and glory.
13 ULB Fa izany antony izany no isaoranay ihany koa an'Andriamanitra mandrakariva. Fa ianareo rehefa nandray avy taminay ny hafatr'Andriamanitra izay renareo, dia noraisinareo izany tsy ho toy ny tenin'olona. Fa kosa, noraisinareo izany araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra. Izany teny izany ihany koa no miasa eo aminareo izay mino. BSB BSB: And we continually thank God because, when you received the word of God that you heard from us, you accepted it not as the word of men, but as it truly is, the word of God, which is also now at work in you who believe.
14 ULB Satria ianareo, ry rahalahy, dia lasa tahaka ireo fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Jesosy Kristy. Fa ianareo ihany koa dia nijaly tamin'ireo zavatra ireo ihany noho ny nataon'ireo mpiray tanindrazana aminareo, sahala ny nanjo azy ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy. BSB BSB: For you, brothers, became imitators of the churches of God in Judea that are in Christ Jesus. You suffered from your own countrymen the very things they suffered from the Jews,
15 ULB Ireo Jiosy no namono na an'i Jesosy Kristy na ireo mpaminany. Ireo Jiosy no nandroaka anay. Tsy nankasitraka an'Andriamanitra izy ireo. Fa kosa, izy ireo dia fahavalon'ny olona rehetra. BSB BSB: who killed both the Lord Jesus and their own prophets and drove us out as well. They are displeasing to God and hostile to all men,
16 ULB Izy ireo dia nandrara anay tsy hiteny amin'ireo Jentilisa mba tsy hamonjena azy ireny. Vokatr'izany dia mameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva izy ireo. Ny fahatezerana dia tsy maintsy tonga eo amin'izy ireo amin'ny farany. BSB BSB: hindering us from telling the Gentiles how they may be saved. As a result, they continue to heap up their sins to full capacity; the utmost wrath has come upon them.
17 ULB Tafasaraka taminareo izahay, ry rahalahy, nandritry ny fotoana fohy, tamin'ny fanatrehana fa tsy tamin'ny fo. Tena nazoto fatratra izahay, naniry mafy, ny hahita ny tavanareo. BSB BSB: Brothers, although we were torn away from you for a short time (in person, not in heart), our desire to see you face to face was even more intense.
18 ULB Satria naniry ny ho any aminareo izahay, izaho, Paoly, matetitetika, nefa nanakana anay i Satana. BSB BSB: For we wanted to come to you—indeed I, Paul, tried again and again—but Satan obstructed us.
19 ULB Fa inona moa ny fanantenanay ny ho avy, na fifaliana, na satro-boninahitry ny fandresena eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany? Moa tsy ianareo toy ireo sasany hafa koa ve? BSB BSB: After all, who is our hope, our joy, our crown of boasting, if it is not you yourselves in the presence of our Lord Jesus at His coming?
20 ULB Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay. BSB BSB: You are indeed our glory and our joy.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.