2 ULB Fa ianareo tenanareo mahafantatra tsara fa ny andron'ny Tompo dia ho avy tahaka ny mpangalatra amin'ny alina. BSB BSB: For you are fully aware that the Day of the Lord will come like a thief in the night.
3 ULB Rehefa miteny izy ireo, "Miadana sy milamina," dia fahapotehana tampoka no ho avy amin'izy ireo. Ho tahaka ny fahararian'ny vehivavy bevohoka rehefa miteraka izany. Tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo. BSB BSB: While people are saying, “Peace and security,” destruction will come upon them suddenly, like labor pains on a pregnant woman, and they will not escape.
4 ULB Fa ianareo, ry rahalahy, dia tsy ao anatin'ny haizina ka hahatratra anareo tampoka tahaka ny mpangalatra ny andro. BSB BSB: But you, brothers, are not in the darkness so that this day should overtake you like a thief.
5 ULB Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro. Tsy zanaky ny alina isika na ny haizina. BSB BSB: For you are all sons of the light and sons of the day; we do not belong to the night or to the darkness.
6 ULB Noho izany, ndeha isika tsy hatory tahaka ny fataon'ny ambiny. Fa kosa, aoka isika hiambina sy hahonon-tena. BSB BSB: So then, let us not sleep as the others do, but let us remain awake and sober.
7 ULB Fa ireo izay matory dia manao izany amin'ny alina, ary ireo izay mamo dia manao izany ihany koa amin'ny alina. BSB BSB: For those who sleep, sleep at night, and those who get drunk, get drunk at night.
8 ULB Fa raha mbola an'ny andro isika, dia tsy maintsy mahonon-tena isika ary mitafy finoana sy fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny antoky ny famonjena amin'ny ho avy ho fiarovan-dohantsika. BSB BSB: But since we belong to the day, let us be sober, putting on the breastplate of faith and love, and the helmet of our hope of salvation.
9 ULB Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa hahazoana ny famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. BSB BSB: For God has not appointed us to suffer wrath, but to obtain salvation through our Lord Jesus Christ.
10 ULB Izy ilay maty ho antsika, na mifoha isika na matory, dia afaka miara-miaina aminy. BSB BSB: He died for us so that, whether we are awake or asleep, we may live together with Him.
11 ULB Ka noho izany mifampionona ary mifampahereza ianareo, tahaka ny efa nataonareo. BSB BSB: Therefore encourage and build one another up, just as you are already doing.
12 ULB Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hanekenareo izay mikely aina aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary izay mananatra anareo. BSB BSB: But we ask you, brothers, to acknowledge those who work diligently among you, who care for you in the Lord and who admonish you.
13 ULB Mangataka anareo ihany koa izahay mba hanaja azy ireo am-pitiavana noho ny asan'izy ireo. Mihavàna amin'ny tenanareo. BSB BSB: In love, hold them in highest regard because of their work. Live in peace with one another.
14 ULB Mananatra anareo izahay, ry rahalahy: mampitandrema ny fikorontanana, hampaherezo ireo kivy, ampio ireo malemy, mahareta amin'ny rehetra. BSB BSB: And we urge you, brothers, to admonish the unruly, encourage the fainthearted, help the weak, and be patient with everyone.
15 ULB Indro tsy misy olona mamaly ratsy ny ratsy na amin'iza na iza. Fa kosa, mitadiava izay tsara ho an'ny tsirairay sy ho an'ny rehetra. BSB BSB: Make sure that no one repays evil for evil. Always pursue what is good for one another and for all people.
16 ULB Mifalia mandrakariva. BSB BSB: Rejoice at all times.
17 ULB Aza mitsahatra mivavaka. BSB BSB: Pray without ceasing.
18 ULB Misaora amin'ny zavatra rehetra. Fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo. BSB BSB: Give thanks in every circumstance, for this is God’s will for you in Christ Jesus.
19 ULB Aza mamono ny Fanahy. BSB BSB: Do not extinguish the Spirit.
20 ULB Aza manao tsinontsinona ireo faminaniana. BSB BSB: Do not treat prophecies with contempt,
22 ULB Esory ireo fisehoan'ny ratsy rehetra. BSB BSB: Abstain from every form of evil.
23 ULB Andriamanitry ny fiadanana anie hampamasina anao tanteraka. Aoka ny fanahinareo manontolo, ny aina, ary ny vatana dia hotehirizina tsy hanan-tsiny ho amin'ny fahatongavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. BSB BSB: Now may the God of peace Himself sanctify you completely, and may your entire spirit, soul, and body be kept blameless at the coming of our Lord Jesus Christ.
24 ULB Mahatoky izy ilay miantso anao, ilay iray izay hanao izany ihany koa. BSB BSB: The One who calls you is faithful, and He will do it.
25 ULB Ry rahalahy, mivavaha ihany koa ho anay. BSB BSB: Brothers, pray for us as well.
26 ULB Arahabao amin'ny fanorohana masina ny rahalahy rehetra. BSB BSB: Greet all the brothers with a holy kiss.
27 ULB Mangataka aminareo amin'ny Tompo aho mba ho vakiana amin'ny rahalahy rehetra ity taratasy ity. BSB BSB: I charge you before the Lord to have this letter read to all the brothers.
28 ULB Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. BSB BSB: The grace of our Lord Jesus Christ be with you.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.