1 ULB Voalohany indindra noho izany, dia mampirisika aho fa ireo fangatahana, vavaka, fifonana, ary fisaorana dia natao ho an'ny olona rehetra, BSB BSB: First of all, then, I urge that petitions, prayers, intercessions, and thanksgiving be offered for everyone—
2 ULB ho an'ireo mpanjaka sy ireo rehetra eo amin'ny fahefana, mba ahafahantsika miaina am-piadanana sy miaina milamina amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy fahamendrehana rehetra. BSB BSB: for kings and all those in authority—so that we may lead tranquil and quiet lives in all godliness and dignity.
4 ULB Iriany mba hovonjena daholo ny olona rehetra ary ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. BSB BSB: who wants everyone to be saved and to come to the knowledge of the truth.
6 ULB Izy nanome ny tenany ho vidim-panavotana ho an'ny rehetra, tahaka ny fijoroana vavolombelona amin'ny fotoana tokony ho izy. BSB BSB: who gave Himself as a ransom for all—the testimony that was given at just the right time.
7 ULB Fa amin'izany tanjona izany, izaho, ny tenako, dia natao ho mpitory sy ho apostoly. Miteny ny marina aho. Tsy mandainga aho. Mpampianatra an'ireo Jentilisa amin'ny finoana sy fahamarinana aho. BSB BSB: For this reason I was appointed as a preacher, an apostle, and a faithful and true teacher of the Gentiles. I am telling the truth; I am not lying about anything.
8 ULB Noho izany, tiako ny lehilahy na aiza na aiza mba hivavaka sy hanandra-tanana masina tsy am-pahatezerana na amin'ny fifandirana. BSB BSB: Therefore I want the men everywhere to pray, lifting up holy hands, without anger or dissension.
9 ULB Toa izany koa, tiako ny vehivavy mba hiakanjo akanjo mendrika ny tenany, amin'ny fahamaotinana sy fahafehezan-tena. Tsy tokony hanao volo mirandrana, na volamena, na voahangy, na akanjo lafo vidy. BSB BSB: Likewise, I want the women to adorn themselves with respectable apparel, with modesty, and with self-control, not with braided hair or gold or pearls or expensive clothes,
10 ULB Tiako izy ireo hiakanjo amin'izay mety ho an'ireo vehivavy izay mampiseho toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo asa tsara. BSB BSB: but with good deeds, as is proper for women who profess to worship God.
12 ULB Tsy avelako hampianatra ny vehivavy na hampihatra fahefana amin'ny lehilahy, fa hijanona ao anaty fahanginana. BSB BSB: I do not permit a woman to teach or to exercise authority over a man; she is to remain quiet.
13 ULB Fa Adama no noforonina voalohany, avy eo i Eva. BSB BSB: For Adam was formed first, and then Eve.
14 ULB Adama dia tsy voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka tanteraka tamin'ny fandikan-dalàna. BSB BSB: And it was not Adam who was deceived, but the woman who was deceived and fell into transgression.
15 ULB Na izany aza, hovonjena izy amin'ny alalan'ny fiterahan-jaza, raha mitohy amin'ny finoana sy fitiavana ary fahamasinana miaraka amin'ny fahononan-tena. BSB BSB: Women, however, will be saved through childbearing, if they continue in faith, love, and holiness, with self-control.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.