1 ULB Matokia izao teny izao: Raha misy olona iray maniry ny ho mpiandraikitra, dia maniry asa tsara izy. BSB BSB: This is a trustworthy saying: If anyone aspires to be an overseer, he desires a noble task.
2 ULB Noho izany dia ny mpiandraikitra dia tsy maintsy tsy manan-tsiny. Tsy maintsy manambady vehivavy tokana izy. Izy dia tokony hahay handajalanja, hendry, tia filaminana, tia mandray olona. Tsy maintsy mahay mampianatra izy. BSB BSB: An overseer, then, must be above reproach, the husband of but one wife, temperate, self-controlled, respectable, hospitable, able to teach,
3 ULB Tsy tokony za-dratsy amin'ny divay izy, tsy mpila ady, fa kosa, malemy fanahy, feno fiadanam-po. Izy dia tsy tokony ho tia vola. BSB BSB: not dependent on wine, not violent but gentle, peaceable, and free of the love of money.
4 ULB Tokony hitantana tsara ny tokantranony izy, ary ireo zanany dia tokony hanaiky azy am-panajana tanteraka. BSB BSB: An overseer must manage his own household well and keep his children under control, with complete dignity.
5 ULB Fa raha tsy mahay mitantana ny tokantranony izy, ahoana no hikarakarany ny fiangonan'Andriamanitra? BSB BSB: For if someone does not know how to manage his own household, how can he care for the church of God?
6 ULB Tsy tokony ho olona vao niova fo izy, mba tsy hieboeboany ka ho lavo amin'ny fanamelohana tahaka ny devoly. BSB BSB: He must not be a recent convert, or he may become conceited and fall under the same condemnation as the devil.
7 ULB Izy ihany koa dia tsy maintsy tsara laza amin'ireo olona eny ivelany, mba tsy ho lavo anaty fahafaham-baraka sy ny fandriky ny devoly. BSB BSB: Furthermore, he must have a good reputation with outsiders, so that he will not fall into disgrace and into the snare of the devil.
8 ULB Ireo Diakona, toy izany ihany koa, dia tokony ho mendrika. Izy ireo dia tsy tokony hisotro divay be loatra na tsy mahalala onona ara-tsakafo. BSB BSB: Deacons likewise must be dignified, not double-tongued or given to much wine or greedy for money.
9 ULB Tokony hitazona ny fahamarinan'ny finoana nambara miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio. BSB BSB: They must hold to the mystery of the faith with a clear conscience.
10 ULB Izy ireo ihany koa dia tokony ho sedraina mialoha, avy eo dia tokony hanompo satria tsy manan-tsiny izy ireo. BSB BSB: Additionally, they must first be tested. Then, if they are above reproach, let them serve as deacons.
11 ULB Ireo vehivavy ihany koa dia tokony ho mendrika tahaka izany. Tsy tokony ho mpanendrikendrika izy ireo. Tokony hahay handanjalanja ary mahatoky amin'ny zavatra rehetra. BSB BSB: In the same way, the women must be dignified, not slanderers, but temperate and faithful in all things.
12 ULB Ireo Diakona dia tokony hanambady vehivavy tokana. Tsy maintsy mitantana tsara ireo zanany sy ny tokantranony izy ireo. BSB BSB: A deacon must be the husband of but one wife, a good manager of his children and of his own household.
13 ULB Fa ireo izay nanompo tsara dia handray ny laza tsara sy fahatokisana lehibe amin'ny finoana ho an'ny tenan'izy ireo izay ao amin'i Jesosy Kristy. BSB BSB: For those who have served well as deacons acquire for themselves a high standing and great confidence in the faith that is in Christ Jesus.
14 ULB Manoratra ireto zavatra ireto aminao aho, ary manantena ny ho avy tsy ho ela any aminao aho. BSB BSB: Although I hope to come to you soon, I am writing you these things
15 ULB Fa raha tara aho, dia manoratra mba hahafantaranareo ny fitondran-tena ao amin'ny tokantranon'Andriamanitra, izay fiangonan'Andriamanitra velona, ilay vato fehizoro sy fiorenan'ny fahamarinana. BSB BSB: in case I am delayed, so that you will know how each one must conduct himself in God’s household, which is the church of the living God, the pillar and foundation of the truth.
16 ULB Tsy azo lavina fa ny fahamarinana nambara izay araka an'Andriamanitra dia lehibe: "Izy dia niseho tamin'ny nofo, nohamarinin'ny Fanahy, hitan'ny anjely, nambara teo anivon'ireo firenena, ninoan'izao tontolo izao, ary nasandratra tamim-boninahitra." BSB BSB: By common confession, the mystery of godliness is great: He appeared in the flesh, was vindicated by the Spirit, was seen by angels, was proclaimed among the nations, was believed in throughout the world, was taken up in glory.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.