1 ULB Ankehitriny miteny mazava tsara ny Fanahy fa amin'ny fotoana any aoriana any dia hiala amin'ny finoana ny olona sasany ary mitandrema tsara ny amin'ireo fanahy mpamitaka sy ireo fampianaran'ireo demonia BSB BSB: Now the Spirit expressly states that in later times some will abandon the faith to follow deceitful spirits and the teachings of demons,
2 ULB amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpandainga. Fa voamarika amin'ny vy mamay ny feon'ny fieritreretan'izy ireo. BSB BSB: influenced by the hypocrisy of liars, whose consciences are seared with a hot iron.
3 ULB Ho raràn'izy ireo ny manambady sy ny mandray ireo sakafo izay noforonin'Andriamanitra ho zaraina miaraka amin'ny fisaorana eo amin'ireo izay mino sy izay mahafantatra ny marina. BSB BSB: They will prohibit marriage and require abstinence from certain foods that God has created to be received with thanksgiving by those who believe and know the truth.
4 ULB Fa ny zavatra rehetra izay noforonin'Andriamanitra dia tsara. Tsisy holavina ny zavatra noraisintsika tamim-pisaorana. BSB BSB: For every creation of God is good, and nothing that is received with thanksgiving should be rejected,
5 ULB Fa nohamasinina tamin'ny tenin'Andriamanitra sy ny vavaka izany. BSB BSB: because it is sanctified by the word of God and prayer.
6 ULB Raha apetrakareo eo anoloan'ireo rahalahy ireo zavatra ireo, dia ho mpanompo tsaran'i Jesosy Kristy ianareo. Fa notaizana tamin'ireo tenin'ny finoana sy tamin'ny fampianarana tsara izay narahinareo ianareo. BSB BSB: By pointing out these things to the brothers, you will be a good servant of Christ Jesus, nourished by the words of faith and sound instruction that you have followed.
7 ULB Fa lavo ny angano tantarain'ny vavy antitra. Fa kosa, tariho hanome voninahitra an'Andriamanitra ny tenanareo. BSB BSB: But reject irreverent, silly myths. Instead, train yourself for godliness.
8 ULB Fa ny vatana hofanina dia kely ihany no azo ampiasana azy, nefa fampiasa amin'ny zavatra rehetra ny toetra araka an'Andriamanitra. Mihazona ny fampanantenana amin'ity fiainana ankehitriny ity sy ny fiainan-ko avy. BSB BSB: For physical exercise is of limited value, but godliness is valuable in every way, holding promise for the present life and for the one to come.
9 ULB Ity hafatra ity dia mendri-pitokisana sy mendrika ny fahafenoan'ny fanekena. BSB BSB: This is a trustworthy saying, worthy of full acceptance.
10 ULB Fa noho izany dia hitolona sy hiasa mafy isika. Fa mahatoky ao amin'Andriamanitra velona isika, izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra ireo izay mino. BSB BSB: To this end we labor and strive, because we have set our hope on the living God, who is the Savior of everyone, and especially of those who believe.
11 ULB Ambarao sy ampianaro ireo zavatra ireo. BSB BSB: Command and teach these things.
12 ULB Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona ny fahatanoranao. Fa kosa, aoka ho ohatra ho an'ireo izay mino, amin'ny fiteny, fitondran-tena, fitiavana, finoana, ary fahadiovana. BSB BSB: Let no one despise your youth, but set an example for the believers in speech, in conduct, in love, in faith, in purity.
13 ULB Mandra-pihaviko, tohizo ny famakiana, ny fananarana, sy ny fampianarana. BSB BSB: Until I come, devote yourself to the public reading of Scripture, to exhortation, and to teaching.
14 ULB Aza atao tsinontsinona ny fanomezam-pahasoavana izay ao aminao, izay nomena anao tamin'ny alalan'ny faminaniana, niaraka tamin'ny fametrahan-tanan'ireo loholona. BSB BSB: Do not neglect the gift that is in you, which was given you through the prophecy spoken over you at the laying on of the hands of the elders.
15 ULB Tandrovy ireny zavatra ireny. Meteza ho ao amin'izy ireo, mba hiharihary amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. BSB BSB: Be diligent in these matters and absorbed in them, so that your progress will be evident to all.
16 ULB Tandremo tsara ny tenanao sy ny fampianarana. Tohizo ireny zavatra ireny. Fa raha manao toy izany, dia ho vonjenao ny tenanao sy ireo izay mihaino anao. BSB BSB: Pay close attention to your life and to your teaching. Persevere in these things, for by so doing you will save both yourself and those who hear you.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.