1 ULB Aoka ireo rehetra izay ao ambanin'ny zioga toy ireo andevo mba hanao ny tompony ho mendrika ny haja rehetra. Izy ireo dia tokony hanao izany mba tsy hitenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana. BSB BSB: All who are under the yoke of slavery should regard their masters as fully worthy of honor, so that God’s name and our teaching will not be discredited.
2 ULB Ireo andevo izay manana tompo mino dia tsy tokony hanao tsinontsinona azy ireo satria mpirahalahy aminy. Fa kosa, izy ireo dia tokony hanompo ireo hatrany hatrany. Fa ireo tompo izay nampiana tamin'ny asan'izy ireo dia mpino sady tiavina. Ampianaro ary ambarao ireo zavatra ireo. BSB BSB: Those who have believing masters should not show disrespect because they are brothers, but should serve them all the more, since those receiving their good service are beloved believers. Teach and encourage these principles.
3 ULB Hevero fa ny olona dia mampianatra amin'ny fomba hafa ary tsy manaiky ny fanoroantsika ara-pinoana, izay, tenin'i Jesosy Kristy Tompontsika. Hevero fa izy ireo dia tsy manaiky ny fampianarana izay mitondra any amin'ny toetra araka an'Andriamanitra. BSB BSB: If anyone teaches another doctrine and disagrees with the sound words of our Lord Jesus Christ and with godly teaching,
4 ULB Izany olona izany dia mirehareha ary tsy mahalala na inona na inona. Fa kosa, izy dia adalan'ireo adihevitra sy ireo fandresen-dahatra momba ireo teny. Ireny teny ireny dia miteraka fialonana, fanevatevana, ahiahy ratsy, BSB BSB: he is conceited and understands nothing. Instead, he has an unhealthy interest in controversies and disputes about words, out of which come envy, strife, abusive talk, evil suspicions,
5 ULB ary ny fifandonana eo amin'ireo olona maloto fisainana. Miala amin'ny marina izy ireo. Mihevitra izy fa ny toetra araka an'Andriamanitra no fomba ahatongavana ho mpanan-karena. BSB BSB: and constant friction between men of depraved mind who are devoid of the truth. These men regard godliness as a means of gain.
6 ULB Ary ny toetra araka an'Andriamanitra miaraka amin'ny fahafaham-po dia tombony lehibe. BSB BSB: Of course, godliness with contentment is great gain.
7 ULB Satria isika dia tsy nitondra na inona na inona amin'izao tontolo izao. Tsy hahavita hitondra na inona na inona isika. BSB BSB: For we brought nothing into the world, so we cannot carry anything out of it.
8 ULB Fa kosa, aoka isika ho afa-po amin'ny hanina sy ny fitafiana. BSB BSB: But if we have food and clothing, we will be content with these.
9 ULB Ary ireo izay te ho lasa mpanan-karena dia latsaka ao anatin'ny fakam-panahy, ao anatin'ny fandrika. Latsaka tao anatin'ny hadalana sy ireo filàna mampidi-doza maro izy ireo, ary ihany koa ireo hafa mandetika ireo olona ao amin'ny faharavana sy ny fandriganana. BSB BSB: Those who want to be rich, however, fall into temptation and become ensnared by many foolish and harmful desires that plunge them into ruin and destruction.
10 ULB Satria fototr'ireo karazan-dratsy rehetra ny fitiavam-bola. Ny olona sasany izay maniry izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ary nanindrona ny tenan'izy ireo tamin'ny fahoriana lehibe. BSB BSB: For the love of money is the root of all kinds of evil. By craving it, some have wandered away from the faith and pierced themselves with many sorrows.
11 ULB Fa ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, mandosira ireo zavatra ireo. Miezaha mitady ny fahamarinana, ny toetra araka an'Andriamanitra, ny fahatokisana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny hatsaram-panahy. BSB BSB: But you, O man of God, flee from these things and pursue righteousness, godliness, faith, love, perseverance, and gentleness.
12 ULB Miadia ny ady tsaran'ny finoana. Hazony ny fiainana mandrakizay fa ho amin'izany no niantsoana anao. Izany dia momba ny nijoronao vavolombelona ny amin'izay inoanao teo anatrehan'ireo vavolombelona maro tamin'izay tsara. BSB BSB: Fight the good fight of the faith. Take hold of the eternal life to which you were called when you made the good confession before many witnesses.
13 ULB Izaho dia manome anao izany didy izany eto anoloan'Andriamanitra, izay nahatonga ny zavatra rehetra ho velona, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, izay nilaza ny marina teo anatrehan'i Pontio Pilato: BSB BSB: I charge you in the presence of God, who gives life to all things, and of Christ Jesus, who made the good confession in His testimony before Pontius Pilate:
14 ULB Tehirizo tsara ny didy, tsy manan-tsiny, mandra-pisehon'ny Tompontsika Jesosy Kristy. BSB BSB: Keep this commandment without stain or reproach until the appearance of our Lord Jesus Christ,
15 ULB Andriamanitra dia maneho ny fisehoany amin'ny fotoana tokony ho izy_ Andriamanitra, ilay iray izay notahiana, ilay hery tokana, ilay Mpanjaka izay manjaka, ary ilay Tompo izay manapaka. BSB BSB: which the blessed and only Sovereign One—the King of kings and Lord of lords—will bring about in His own time.
16 ULB Izy irery ihany no manana ny tsy fahafatesana ary mitoetra eo amin'ny hazavana tsy azo hanatonana. Tsy misy olombelona mahita azy na afaka mijery Azy. Ho azy anie ny voninahitra sy ny hery mandrakizay. Amena. BSB BSB: He alone is immortal and dwells in unapproachable light. No one has ever seen Him, nor can anyone see Him. To Him be honor and eternal dominion! Amen.
17 ULB Lazao ny mpanan-karena amin'izao tontolo izao mba tsy hirehareha, sy manantena ny harena, izay tsy azo antoka. Fa kosa, tokony hanantena an'Andriamanitra izy ireo. Manome antsika ny harena marina rehetra Izy mba hifaliantsika. BSB BSB: Instruct those who are rich in the present age not to be conceited and not to put their hope in the uncertainty of wealth, but in God, who richly provides all things for us to enjoy.
18 ULB Lazao izy ireo mba hanao ny tsara, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, mba alala-tanana, ary vonona hizara. BSB BSB: Instruct them to do good, to be rich in good works, and to be generous and ready to share,
19 ULB Amin'izany fomba izany, dia ho tehirizin'izy ireo ny fototra tsara ho an'ny tenany amin'izay ho avy, ka hihazonany ny tena fiainana. BSB BSB: treasuring up for themselves a firm foundation for the future, so that they may take hold of that which is truly life.
20 ULB Ry Timoty, arovy izay natolotra anao. Hialao ny resaka adala sy ny fandresen-dahatra mifanohitra momba ny fiantsoana diso ny amin'izay atao hoe fahalalana. BSB BSB: O Timothy, guard what has been entrusted to you. Avoid irreverent, empty chatter and the opposing arguments of so-called “knowledge,”
21 ULB Ny olona sasany dia manambara izany zavatra izany ka dia tsy nahatsiaro ny finoany izy ireo. Ho aminareo anie ny fahasoavana. BSB BSB: which some have professed and thus swerved away from the faith. Grace be with you all.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.