1 ULB Rehefa tonga tany Jerosalema i Rehoboama, dia nangoniny ny taranak'i Joda sy Benjamina, lehilahy miaramila voafidy 180 000, mba hiady amin'Israely, mba hamerina amin'ny laoniny ny fanjakana ho an'i Rehoboama. BSB BSB: When Rehoboam arrived in Jerusalem, he mobilized the house of Judah and Benjamin—180,000 chosen warriors—to fight against Israel and restore the kingdom to Rehoboam.
2 ULB Kanefa tonga tamin'i Semaia ilay lehilahin'Andriamanitra ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: But the word of the LORD came to Shemaiah the man of God:
3 ULB "Lazao i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona, mpanjakan'i Joda, sy ny Israely rehetra any Joda sy Benjamina hoe: BSB BSB: “Tell Rehoboam son of Solomon king of Judah and all the Israelites in Judah and Benjamin
4 ULB 'Izao no lazain'i Yaveh: "Aza manafika na manangana ady amin'ireo rahalahinareo ianareo. Ny olona rehetra dia tsy maintsy miverina any amin'ny fonenany avy, fa Izaho no efa nampitranga izany.'" Koa dia nankatò ny tenin'i Yaveh izy ireo ka niverina tsy ho amin'ny fanafihana an'i Jeroboama. BSB BSB: that this is what the LORD says: ‘You are not to go up and fight against your brothers. Each of you must return home, for this is My doing.’” So they listened to the words of the LORD and turned back from going against Jeroboam.
6 ULB Nanangana an'i Betlehema, Etama, Tekoa, BSB BSB: He built up Bethlehem, Etam, Tekoa,
7 ULB Beti-zoro, Soko, Adolama, BSB BSB: Beth-zur, Soco, Adullam,
8 ULB Gata, Maresaha, Zifa, BSB BSB: Gath, Mareshah, Ziph,
9 ULB Adoraima, Lakisy, Azeka, BSB BSB: Adoraim, Lachish, Azekah,
10 ULB Zora, Aialona, ary Hebrona izy. Ireo no tanàna mimanda tany Joda sy Benjamina. BSB BSB: Zorah, Aijalon, and Hebron, the fortified cities in Judah and Benjamin.
11 ULB Nanamafy ireo manda izy ka nametraka mpifehy tao amin'ireo, niaraka tamin'ny fitoeran-tsakafo, diloilo, ary divay. BSB BSB: He strengthened their fortifications and put officers in them, with supplies of food, oil, and wine.
12 ULB Nametraka apinga sy lefona tany amin'ny tanàna rehetra izy ka nanamafy ireo tokoa. Ka dia lasany i Joda sy Benjamina. BSB BSB: He also put shields and spears in all the cities and strengthened them greatly. So Judah and Benjamin belonged to him.
13 ULB Ireo mpisorona sy ireo Levita izay tao amin'Israely rehetra dia nanatona azy avy tao amin'ireo fari-taniny. BSB BSB: Moreover, the priests and Levites from all their districts throughout Israel stood with Rehoboam.
14 ULB Fa ireo Levita niala tamin'ireo tany fihinanam-bilony sy ny trano sy tanin'izy ireo mba hankanesana any Joda sy Jerosalema, satria efa noroahin'i Jeroboama sy ireo zanaka lahiny izy ireo, mba tsy hahafahan'izy ireo manao ireo adidy amin'ny maha- mpisorona ho an'i Yaveh intsony. BSB BSB: For the Levites left their pasturelands and their possessions and went to Judah and Jerusalem, because Jeroboam and his sons had rejected them as priests of the LORD.
15 ULB Jeroboama dia nanendry mpisorona ho azy ho amin'ireo fitoerana avo sy osy ary sarin-janak'omby izay efa namboariny. BSB BSB: And Jeroboam appointed his own priests for the high places and for the goat demons and calf idols he had made.
16 ULB Ny vahoaka avy tamin'ireo fokon'Israely rehetra dia tonga taorian'izy ireo, ireo izay nanefy ny fony hitady an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely; tonga tao Jerosalema izy ireo mba hanao sorona ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. BSB BSB: Those from every tribe of Israel who had set their hearts to seek the LORD their God followed the Levites to Jerusalem to sacrifice to the LORD, the God of their fathers.
17 ULB Koa dia nohamafisin'izy ireo ny fanjakan'i Joda ary nanamafy an'i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona nandritry ny telo taona, ka nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona nandritry ny telo taona izy ire. BSB BSB: So they strengthened the kingdom of Judah and supported Rehoboam son of Solomon for three years, because they walked for three years in the way of David and Solomon.
18 ULB Naka vady ho azy Rehoboama: dia i Mahalota, ilay zanaka vavin'i Jerimota, zanaka lahin'i Davida, sy Abihaila, ilay zanaka vavin'i Eliaba, zanaka lahin'i Jese. BSB BSB: And Rehoboam married Mahalath, who was the daughter of David’s son Jerimoth and of Abihail, the daughter of Jesse’s son Eliab.
19 ULB Niteraka zanaka lahy taminy izy: dia i Jeosy, Semaria, ary Zahama. BSB BSB: She bore sons to him: Jeush, Shemariah, and Zaham.
20 ULB Taorian'i Mahalota, dia naka an'i Maka, zanaka vavin'i Absaloma, i Rehoboama; niteraka an'i Abia, Atahy, Ziza, ary Selomita taminy izy. BSB BSB: After her, he married Maacah daughter of Absalom, and she bore to him Abijah, Attai, Ziza, and Shelomith.
21 ULB Rehoboama nitia an'i Maka, zanaka vavin'i Absaloma, nihoatra ireo vadiny hafa sy ireo vaditsindranony rehetra (naka vady vehivavy valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy, ka lasa rain'ny zanaka lahy valo amby roapolo sy zanaka vavy enim-polo). BSB BSB: Rehoboam loved Maacah daughter of Absalom more than all his wives and concubines. In all, he had eighteen wives and sixty concubines, and he was the father of twenty-eight sons and sixty daughters.
22 ULB Rehoboama nanendry an'i Abia zanaka lahin'i Maka ho lehibe, mpitarika eo amin'ireo rahalahiny; efa nanan-kevitra ny hanao azy ho mpanjaka izy. BSB BSB: Rehoboam appointed Abijah son of Maacah as chief prince among his brothers, intending to make him king.
23 ULB Nanapaka tamim-pahendrena i Rehoboama; nampiely ireo zanany lahy rehetra nanerana ny tanin'i Joda sy Benjamina rehetra ho any amin'ny tanàna mimanda rehetra izy. Nanome sakafo be ho azy ireo ihany koa izy ary nitady vady maro be ho azy ireo. BSB BSB: Rehoboam also acted wisely by dispersing some of his sons throughout the districts of Judah and Benjamin, and to all the fortified cities. He gave them abundant provisions and sought many wives for them.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.