1 ULB Ary tamin'izany, rehefa tafapetraka ny fanjakan'i Rehoboama ary natanjaka izy, dia nahafoy ny lalàn'i Yaveh—sy ny Israely rehetra niaraka taminy izy. BSB BSB: After Rehoboam had established his sovereignty and royal power, he and all Israel with him forsook the Law of the LORD.
3 ULB Tonga niaraka tamin'ny kalesy roan-jato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy. Miaramila tsy hita isa no tonga niaraka taminy avy tany Egypta: ireo Lobita, Sokita, ary ireo Etiopiana. BSB BSB: with 1,200 chariots, 60,000 horsemen, and countless troops who came with him out of Egypt—Libyans, Sukkites, and Cushites.
4 ULB Nalainy ireo tanàna voaaro mafy izay an'i Joda ary nankany Jerosalema. BSB BSB: He captured the fortified cities of Judah and came as far as Jerusalem.
5 ULB Ary Semaia mpaminany tonga tany amin'i Rehoboama sy ireo mpitarika an'i Joda izay niara-nivondrona tao Jerosalema noho i Sisaka. Hoy Semaia tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Ianareo efa nahafoy ahy, ka dia efa natolotro ho eo an-tanan'i Sisaka ihany koa ianareo." BSB BSB: Then Shemaiah the prophet came to Rehoboam and the leaders of Judah who had gathered at Jerusalem because of Shishak, and he said to them, “This is what the LORD says: ‘You have forsaken Me; therefore, I have forsaken you into the hand of Shishak.’”
6 ULB Dia nanetry tena ireo andriandahin'Israely sy ny mpanjaka ary nanao hoe: "Marina i Yaveh." BSB BSB: So the leaders of Israel and the king humbled themselves and said, “The LORD is righteous.”
7 ULB Ary rehefa hitan'i Yaveh fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin'i Semaia ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Efa nanetry tena izy ireo. Tsy handringana azy ireo Aho; fa hamonjy azy ireo amin'ny fandringanana, ary tsy hilatsaka eo amin'i Jerosalema amin'ny alalan'ny tanan'i Sisaka ny hatezerako. BSB BSB: When the LORD saw that they had humbled themselves, the word of the LORD came to Shemaiah, saying, “They have humbled themselves; I will not destroy them, but will soon grant them deliverance. My wrath will not be poured out on Jerusalem through Shishak.
8 ULB Na izany aza, dia ho mpanompony izy ireo, mba hahatakaran'izy ireo hoe ahoana izany manompo Ahy sy manompo ireo mpitondra ireo firenen-kafa izany." BSB BSB: Nevertheless, they will become his servants, so that they may learn the difference between serving Me and serving the kings of other lands.”
9 ULB Ary Sisaka, mpanjakan'i Egypta niakatra hanohitra an'i Jerosalema ka naka ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo harena tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalainy avokoa ny zavatra rehetra; nentiny ihany koa ireo apinga volamena izay nataon'i Solomona. BSB BSB: So King Shishak of Egypt attacked Jerusalem and seized the treasures of the house of the LORD and of the royal palace. He took everything, including the gold shields that Solomon had made.
10 ULB Nanao apinga varahina teo an-toeran'ireo i Rehoboama Mpanjaka ary nanankina ireo teo an-tanan'ireo mpifehy ny mpiambina, izay niambina ireo varavaran'ny tranon'ny mpanjaka. BSB BSB: Then King Rehoboam made bronze shields in their place and committed them to the care of the captains of the guard on duty at the entrance to the royal palace.
11 ULB Nitranga izany isaky ny niditra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, ka nitondra izany ireo mpiambina; avy eo izy ireo nitondra izany niverina tany amin'ny trano fiambenana. BSB BSB: And whenever the king entered the house of the LORD, the guards would go with him, bearing the shields, and later they would return them to the guardroom.
12 ULB Rehefa nanetry tena i Rehoboama, dia niala taminy ny hatezeran'i Yaveh, mba tsy handringanana azy tanteraka; ankoatran'izany, mbola nisy fahatsarana hita ihany tao amin'i Joda. BSB BSB: Because Rehoboam humbled himself, the anger of the LORD turned away from him, and He did not destroy him completely. Indeed, conditions were good in Judah.
13 ULB Ary Rehoboama Mpanjaka nitondra hery ho an'ny fanjakany tao jerosalema, dia toy izany no nanjakany. Iraika amby efa-polo taona Rehoboama raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritry ny fito ambin'ny folo taona tao Jerosalema, ilay tanàna izay nofidian'i Yaveh tamin'ny fokon'Israely rehetra izy mba hahafahany mametraka ny anarany ao. Ny anaran-dreniny dia Nama, ilay Amonita. BSB BSB: Thus King Rehoboam established himself in Jerusalem and reigned. He was forty-one years old when he became king, and he reigned seventeen years in Jerusalem, the city the LORD had chosen from all the tribes of Israel in which to put His Name. His mother’s name was Naamah the Ammonite.
14 ULB Nanao izay ratsy izy, satria tsy nanefy ny fony mba hitady an'i Yaveh. BSB BSB: And Rehoboam did evil because he did not set his heart to seek the LORD.
15 ULB Ary ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Rehoboama, voalohany sady farany, moa ve ireny tsy efa voasoratra ao amin'ny asa soratr'i Semaia mpaminany sy Ido ilay mpahita, izay manana ny firaketana an-tsoratra ireo tetiharana ihany koa ary ireo ady lava teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama? BSB BSB: Now the acts of Rehoboam, from first to last, are they not written in the records of Shemaiah the Prophet and of Iddo the Seer concerning the genealogies? There was war between Rehoboam and Jeroboam throughout their days.
16 ULB Nodi-mandry tany amin'ireo razambeny i Rehoboama ary nalevina tao an-tanànan'i Davida; Abia zanany lahy no tonga mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: And Rehoboam rested with his fathers and was buried in the City of David. And his son Abijah reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.