1 ULB Tamin'ny fahenina amby telopolo taona nanjakan'i Asa, i Basa, mpanjakan'Israely, dia naneho herisetra nanohitra an'i Joda ary nanangana an'i Rama, mba tsy hamelany an'iza na iza hiala na hiditra ao amin'ny tanin'i Asa, mpanjakan'i Joda. BSB BSB: In the thirty-sixth year of Asa’s reign, Baasha king of Israel went up against Judah and fortified Ramah to prevent anyone from leaving or entering the territory of Asa king of Judah.
2 ULB Dia nitondra ny volafotsy sy volamena nivoaka ny efitrano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh sy ny tranon'ny mpanjaka i Asa, ary nandefa izany tany amin'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria, izay nipetraka tany Damaskosy. Hoy izy hoe: BSB BSB: So Asa withdrew the silver and gold from the treasuries of the house of the LORD and the royal palace, and he sent it with this message to Ben-hadad king of Aram, who was ruling in Damascus:
3 ULB "Aoka hisy fifanekena eo amiko sy aminao, toy ny nisian'izany teo amin'ny raiko sy ny rainao. Indro, nandefa volafotsy sy volamena taminao aho. Ravao ny fifanekenao amin'i Basa, mpanjakan'Israely, mba hahafahany mamela ahy irery." BSB BSB: “Let there be a treaty between me and you as there was between my father and your father. See, I have sent you silver and gold. Now go and break your treaty with Baasha king of Israel, so that he will withdraw from me.”
4 ULB Nihaino an'i Asa Mpanjaka i Beni-adada ka nandefa ireo mpifehy ny tafiny hanohitra ireo tanànan'Israely. Nanafika an'i Iona, Dana, Abela-maima, ary ireo tanàna fitehirizan'i Naftaly rehetra izy ireo. BSB BSB: And Ben-hadad listened to King Asa and sent the commanders of his armies against the cities of Israel, conquering Ijon, Dan, Abel-maim, and all the store cities of Naphtali.
5 ULB Ary rehefa nandre izany i Basa, dia najanony ny fananganana an'i Rama, ary nampitsahatra ny asany. BSB BSB: When Baasha learned of this, he stopped fortifying Ramah and abandoned his work.
6 ULB Ary nalain'i Asa Mpanjaka niaraka taminy ny Joda rehetra. Nentin'izy ireo ny vato sy ireo hazon'i Rama izay nananganan'i Basa ny tanàna. Dia nampiasain'i Asa nanorenana an'i Geba sy Mizpa izany fitaovana fananganana izany. BSB BSB: Then King Asa brought all the men of Judah, and they carried away the stones of Ramah and the timbers Baasha had used for building. And with these materials he built up Geba and Mizpah.
7 ULB Tamin'izany fotoana izany i Hanany mpahita nankany amin'i Asa, mpanjakan'i Joda, ka nanao taminy hoe: "Satria ianao niantehitra tamin'ny mpanjakan'i Syria, fa tsy niantehitra tamin'i Yaveh Andriamanitrao, dia nitsoaka avy eo an-tananao ny tafiky ny mpanjakan'i Syria. BSB BSB: At that time Hanani the seer came to King Asa of Judah and told him, “Because you have relied on the king of Aram and not on the LORD your God, the army of the king of Aram has escaped from your hand.
8 ULB Moa ve ireo Etiopiana sy ireo Lobita tsy tafika lehibe, miaraka amin'ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly tena maro? Kanefa, satria ianao niantehitra tamin'i Yaveh, dia nanome anao ny fandresena teo amin'izy ireo Izy. BSB BSB: Were not the Cushites and Libyans a vast army with many chariots and horsemen? Yet because you relied on the LORD, He delivered them into your hand.
9 ULB Fa ny mason'i Yaveh dia mandeha eny rehetra eny manerana ny tany manontolo, mba hahafahany maneho ny tenany ho mahery ho an'ireo izay manana fo tonga lafatra manoloana Azy. Fa nanao adalana tamin'izany zavatra izany ianao. Koa manomboka eto, dia hanana ady ianao." BSB BSB: For the eyes of the LORD roam to and fro over all the earth, to show Himself strong on behalf of those whose hearts are fully devoted to Him. You have acted foolishly in this matter. From now on, therefore, you will be at war.”
10 ULB Ary dia tezitra tamin'ilay mpahita i Asa; nogadrainy izy, satria tezitra taminy noho izany zavatra izany izy. Tamin'izany fotoana izany ihany, dia nampahory ny sasany tamin'ireo vahoaka i Asa. BSB BSB: Asa was angry with the seer and became so enraged over this matter that he put the man in prison. And at the same time Asa oppressed some of the people.
11 ULB Indro, ireo asan'i Asa, hatramin'ny voalohany hatramin'ny farany, dia indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely ireo. BSB BSB: Now the acts of Asa, from beginning to end, are indeed written in the Book of the Kings of Judah and Israel.
12 ULB Tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakany, dia narary ny tongotr'i Asa; nahery vaika tokoa ny aretiny. Na izany aza anefa, dia tsy nitady fanampiana avy tamin'i Yaveh izy, fa tamin'ireo mpitsabo ihany. BSB BSB: In the thirty-ninth year of his reign, Asa became diseased in his feet, and his disease became increasingly severe. Yet even in his illness he did not seek the LORD, but only the physicians.
13 ULB Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Asa; maty tamin'ny fahiraika amby efapolo taona nanjakany izy. BSB BSB: So in the forty-first year of his reign, Asa died and rested with his fathers.
14 ULB Nalevin'izy ireo tao amin'ny fasany ihany izy, izay nohadiany ho azy tao amin'ny tanànan'i Davida. Nampandrian'izy ireo teo ambony fandriana feno fofona manitra sy karazana zava-manitra nomanin'ireo mpahay zava-manitra izy. Ary nanao afo lehibe izy ireo mba ho voninahitra ho azy. BSB BSB: And he was buried in the tomb that he had cut out for himself in the City of David. They laid him on a bier that was full of spices and various blended perfumes; then they made a great fire in his honor.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.