1 ULB Josafata zanaka lahin'i Asa dia tonga mpanjaka nandimby azy. Nampatanjaka ny tenany hanohitra an'Israely i Josafata. BSB BSB: Asa’s son Jehoshaphat reigned in his place, and he strengthened himself against Israel.
2 ULB Nametraka tafika tamin'ireo tanàna mimandan'i Joda rehetra izy, ary nametraka miaramila tany amin'ireo tanin'i Joda sy tany amin'ireo tanànan'i Efraima, izay nobaboin'i Asa rainy. BSB BSB: He stationed troops in every fortified city of Judah and put garrisons in the land of Judah and in the cities of Ephraim that his father Asa had captured.
3 ULB Nomba an'i Josafata i Yaveh satria nandeha tamin'ireo lalan'i Davida rainy voalohany izy, ary tsy nitady ireo Bala. BSB BSB: Now the LORD was with Jehoshaphat because he walked in the earlier ways of his father David. He did not seek the Baals,
4 ULB Fa kosa, nahatoky an'ilay Andriamanitry ny rainy izy, ary nandeha tamin'ireo didiny, fa tsy mba tamin'ny fitondran-tenan' Israely. BSB BSB: but he sought the God of his father and walked by His commandments rather than the practices of Israel.
5 ULB Koa napetrak'i Yaveh teo an-tanany ny fanapahana; nanome voninahitra an'i Josafata ny Joda rehetra. Nanana harena sy voninahitra be izy. BSB BSB: So the LORD established the kingdom in his hand, and all Judah brought him tribute, so that he had an abundance of riches and honor.
6 ULB Ny fony dia natao ho an'ireo lalan'i Yaveh. Nanala ireo fitoerana avo sy ny baon'Aseraha tany Joda ihany koa izy. BSB BSB: And his heart took delight in the ways of the LORD; furthermore, he removed the high places and Asherah poles from Judah.
7 ULB Tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka an'i Benaila, Obadia, Zakaria, Netanela ary i Mikaia manam-pahefany izy, mba hampianatra any amin'ireo tanànan'i Joda. BSB BSB: In the third year of his reign, Jehoshaphat sent his officials Ben-hail, Obadiah, Zechariah, Nethanel, and Micaiah to teach in the cities of Judah,
8 ULB Niaraka tamin'izy ireo koa ireo Levita: dia i Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adonia, Tobia, ary Tob-adonia; ary niaraka tamin'izy ireo i Elisama sy Jorama mpisorona. BSB BSB: accompanied by certain Levites—Shemaiah, Nethaniah, Zebadiah, Asahel, Shemiramoth, Jehonathan, Adonijah, Tobijah, and Tob-adonijah—along with the priests Elishama and Jehoram.
9 ULB Nampianatra tany Joda izy ireo, ary nanana ny bokin'ny lalàn'i Yaveh niaraka taminy. Nandeha nanerana ny tanànan'i Joda rehetra izy ireo ary nampianatra teo amin'ny vahoaka. BSB BSB: They taught throughout Judah, taking with them the Book of the Law of the LORD. They went throughout the towns of Judah and taught the people.
10 ULB Nirotsaka tamin'ireo fanjakan'ny tany rehetra izay nanodidina an'i Joda ny horohoro an'i Yaveh, mba tsy hiantsian'izy ireo ady amin'i Josafata. BSB BSB: And the dread of the LORD fell upon all the kingdoms of the lands that surrounded Judah, so that they did not make war against Jehoshaphat.
11 ULB Ny Filistina sasany nitondra fanomezana ho an'i Josafata, sy volafotsy ho fanomezam-boninahitra. Ireo Arabo koa dia nitondra ondry aman'osy ho azy, ondrilahy 7 700 ary osilahy 7 700. BSB BSB: Some Philistines also brought gifts and silver as tribute to Jehoshaphat, and the Arabs brought him 7,700 rams and 7,700 goats from their flocks.
12 ULB Tonga tena nahery i Josafata. Nanorina fiarovana mafy sy tanàna fitehirizana tao Joda izy. BSB BSB: Jehoshaphat grew stronger and stronger, and he built fortresses and store cities in Judah
13 ULB Izy dia nanana fitaovana maro tao an-tanànan'i Joda, sy miaramila—matanjaka, lehilahy mahery fo—tany Jerosalema. BSB BSB: and kept vast supplies in the cities of Judah. He also had warriors in Jerusalem who were mighty men of valor.
14 ULB Ireto ny lisitr'izy ireo, milahatra araka ireo anaran'ny ankohon-drain'izy ireo: avy any Joda, ireo mpifehy ny an'arivony; Adna mpifehy, ary niaraka taminy ny lehilahy mpiady 300 000; BSB BSB: These are their numbers according to the houses of their fathers: From Judah, the commanders of thousands: Adnah the commander, and with him 300,000 mighty men of valor;
15 ULB tao aoriany i Johanana mpifehy, ary niaraka taminy ny lehilahy 280 000; BSB BSB: next to him, Jehohanan the commander, and with him 280,000;
16 ULB tao aoriany i Amasia zanaka lahin'i Zikry, izay nanolo-tena hanompo an'i Yaveh; ary niaraka taminy ny lehilahy mpiady 200 000. BSB BSB: and next to him, Amasiah son of Zichri, the volunteer for the LORD, and with him 200,000 mighty men of valor.
17 ULB Avy amin'i Benjamina: dia i Eliada lehilahy natanjaka tamin'ny herim-po, ary niaraka taminy ny mitam-piadiana 200 000 niaraka tamin'ireo tsipìka sy ireo ampinga; BSB BSB: From Benjamin: Eliada, a mighty man of valor, and with him 200,000 armed with bows and shields;
18 ULB manaraka azy i Jozabada, ary niaraka taminy ireo 180 000 vonona ho amin'ny ady. BSB BSB: and next to him, Jehozabad, and with him 180,000 armed for battle.
19 ULB Ireo no nanompo ny mpanjaka, ankoatra ireo izay napetraky ny mpanjaka tamin'ireo tanàna mimanda nanerana an'i Joda rehetra. BSB BSB: These were the men who served the king, besides those he stationed in the fortified cities throughout Judah.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.