1 ULB Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; izy dia nihavana tamin'i Ahaba tamin'ny nanambadian'ny iray tao amin'ny fianakaviany ny zanany vavy. BSB BSB: Now Jehoshaphat had an abundance of riches and honor, and he allied himself with Ahab by marriage.
2 ULB Taona maromaro taty aoriana, dia nidina tany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Namono ondry aman'osy maro ho azy sy ireo olona niaraka taminy i Ahaba. Nandresy lahatra azy mba hanafika an'i Ramota Gileada hiaraka aminy koa Ahaba. BSB BSB: And some years later he went down to visit Ahab in Samaria, where Ahab sacrificed many sheep and cattle for him and the people with him and urged him to march up to Ramoth-gilead.
3 ULB Hoy Ahaba, mpanjakan'Israely, tamin'i Josafata, mpanjakan'i Joda hoe: "Handeha hiaraka amiko ho any Ramota Gileada ve ianao?" Namaly azy Josafata hoe: "Toa anao ihany aho, ary ny vahoakako dia toy ny vahoakanao; hiaraka aminareo any amin'ny ady izahay." BSB BSB: Ahab king of Israel asked Jehoshaphat king of Judah, “Will you go with me against Ramoth-gilead?” And Jehoshaphat replied, “I am as you are, and my people are your people; we will join you in the war.”
4 ULB Hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Mba tadiavo aloha ny tenin'i Yaveh ho amin'ny valin-teninao." BSB BSB: But Jehoshaphat also said to the king of Israel, “Please inquire first for the word of the LORD.”
5 ULB Avy eo ny mpanjakan'Israely nampivory ireo mpaminany, lehilahy efa-jato, ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Tokony handeha hiady any Ramota Gileada ve isika, sa tsia? Hoy izy ireo hoe: "Tafiho, fa Andriamanitra hanome izany eo an-tanan'ny mpanjaka." BSB BSB: So the king of Israel assembled the prophets, four hundred men, and asked them, “Should we go to war against Ramoth-gilead, or should we refrain?” “Go up,” they replied, “and God will deliver it into the hand of the king.”
6 ULB Saingy hoy Josafata hoe: "Tsy mbola misy mpaminan'i Yaveh hafa izay afaka hangalantsika hevitra ve eto?" BSB BSB: But Jehoshaphat asked, “Is there not still a prophet of the LORD here of whom we can inquire?”
7 ULB Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Mbola misy lehilahy iray izay afaka hangalantsika ny hevitr'i Yaveh, dia Mikaia zanaka lahin'i Jimla, saingy halako izy satria tsy naminany tsara nahakasika ahy mihintsy izy, fa ratsy foana." Fa hoy Josafata hoe: "Tsy tokony hiteny izany ny mpanjaka." BSB BSB: The king of Israel answered, “There is still one man through whom we can inquire of the LORD, but I hate him because he never prophesies anything good for me, but only bad. He is Micaiah son of Imlah.” “The king should not say that!” Jehoshaphat replied.
8 ULB Avy eo niantso manam-pahefana ny mpanjakan'Israely ary niteny hoe: "Ento faingana i Mikaia zanaka lahin'i Jimla." BSB BSB: So the king of Israel called one of his officials and said, “Bring Micaiah son of Imlah at once.”
9 ULB Ary samy nipetraka tamin'ny seza fiandrianana avy i Ahaba mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Joda, nitafy ny akanjo lavan'izy ireo, teo amin'ny toerana malalaka anoloan'ny fidirana ny vavahadin'i Samaria, ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehan'izy ireo. BSB BSB: Dressed in royal attire, the king of Israel and Jehoshaphat king of Judah were sitting on their thrones at the threshing floor by the entrance of the gate of Samaria, with all the prophets prophesying before them.
10 ULB Zedekia zanaka lahin'i Kenana dia nanamboatra tandroka vy ho an'ny tenany ary niteny hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Amin'ireo no hanotoanao ireo Syriana mandra-pahalevon'izy ireo." BSB BSB: Now Zedekiah son of Chenaanah had made for himself iron horns and declared, “This is what the LORD says: ‘With these you shall gore the Arameans until they are finished off.’”
11 ULB Nitovy faminaniana ireo mpaminany rehetra, nanao hoe: "Tafiho Ramota Gileada ary reseo, fa efa nomen'i Yaveh teo an-tanan'ny mpanjaka izany." BSB BSB: And all the prophets were prophesying the same, saying, “Go up to Ramoth-gilead and triumph, for the LORD will deliver it into the hand of the king.”
12 ULB Ilay iraka izay nandeha niantso an'i Mikaia niteny taminy, nanao hoe: "Indro izao, ny tenin'ireo mpaminany dia manambara zavatra tsara amin'ny mpanjaka amin'ny feo tokana. Aoka ny teninao ho toy ny tenin'ny iray amin'izy ireo ary hiteny zavatra tsara." BSB BSB: Then the messenger who had gone to call Micaiah instructed him, “Behold, with one accord the words of the prophets are favorable to the king. So please let your words be like theirs, and speak favorably.”
13 ULB Namaly Mikaia hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia izay zavatra lazain'Andriamanitra no hambarako." BSB BSB: But Micaiah said, “As surely as the LORD lives, I will speak whatever my God tells me.”
14 ULB Rehefa tonga tany amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ilay mpanjaka taminy hoe: "Ry Mikaia, tokony andeha hiady any Ramota Gileada ve isika, sa tsia?" Namaly azy Mikaia hoe: "Tafiho ary mandrese! Fa ho fandresena lehibe izany." BSB BSB: When Micaiah arrived, the king asked him, “Micaiah, should we go to war against Ramoth-gilead, or should we refrain?” “Go up and triumph,” Micaiah replied, “for they will be delivered into your hand.”
15 ULB Avy eo ny mpanjaka niteny taminy hoe: "Impiry no hampianianako anao tsy hilaza afa-tsy ny marina amiko amin'ny anaran'i Yaveh?" BSB BSB: But the king said to him, “How many times must I make you swear not to tell me anything but the truth in the name of the LORD?”
16 ULB Ka dia hoy Mikaia hoe: "Nahita ny Israely rehetra niparitaka teny amin'ireo tendrombohitra aho, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Yaveh hoe: 'Tsy manana mpiandry ondry ireo. Aoka ny lehilahy rehetra hiverina am-pahatoniana any an-tranony.'" BSB BSB: So Micaiah declared: “I saw all Israel scattered on the hills like sheep without a shepherd. And the LORD said, ‘These people have no master; let each one return home in peace.’”
17 ULB Noho izany dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Tsy efa niteny anao ve aho fa izy dia tsy haminany soa mahakasika ahy, fa loza ihany?" BSB BSB: Then the king of Israel said to Jehoshaphat, “Did I not tell you that he never prophesies good for me, but only bad?”
18 ULB Avy eo dia hoy Mikaia hoe: "Noho izany ianareo rehetra dia tokony hihaino ny tenin'i Yaveh: Nahita an'i Yaveh nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ny miaramilan'ny lanitra rehetra nijoro teo an-kavanany sy teo an-kaviany. BSB BSB: Micaiah continued, “Therefore hear the word of the LORD: I saw the LORD sitting on His throne, and all the host of heaven standing on His right and on His left.
19 ULB Hoy Yaveh hoe: 'Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'Israely, mba hahafahany hiakatra any Ramota Gileada ary ho lavo any?' Ny iray niteny izao ary ny hafa niteny izany. BSB BSB: And the LORD said, ‘Who will entice Ahab king of Israel to march up and fall at Ramoth-gilead?’ And one suggested this, and another that.
20 ULB Taorian'izay dia nisy fanahy nandroso ary nijoro teo anoloan'i Yaveh sy niteny hoe: 'Hitaona azy aho' Hoy Yaveh taminy hoe: 'Amin'ny fomba ahoana?' BSB BSB: Then a spirit came forward, stood before the LORD, and said, ‘I will entice him.’ ‘By what means?’ asked the LORD.
21 ULB Dia namaly ilay fanahy hoe: 'Hivoaka aho ary ho tonga fanahy mpandainga ao am-bavan'ireo mpaminaniny rehetra.' Namaly Yaveh hoe: 'Hitaona Azy ianao, ary hahomby koa ianareo. Koa ankehitriny mandehana ary ataovy izany.' BSB BSB: And he replied, ‘I will go out and be a lying spirit in the mouths of all his prophets.’ ‘You will surely entice him and prevail,’ said the LORD. ‘Go and do it.’
22 ULB Indro ary ankehitriny, Yaveh nametraka fanahy mpandainga tao am-bavan'ireo mpaminaninao ireo, ary Yaveh nandidy loza ho anareo." BSB BSB: So you see, the LORD has put a lying spirit in the mouths of these prophets of yours, and the LORD has pronounced disaster against you.”
23 ULB Dia tonga i Zekedia zanaka lahin'i Kenana, namelaka ny takolak'i Mikaia, ary niteny hoe: "Taiza ny lalana nialan'ny Fanahin'i Yaveh tamiko mba hiresaka aminao?" BSB BSB: Then Zedekiah son of Chenaanah went up, struck Micaiah in the face, and demanded, “Which way did the Spirit of the LORD go when He departed from me to speak with you?”
24 ULB Hoy Mikaia hoe: "Indro, ho fantatrao izany amin'izany andro izany, rehefa mihazakazaka hiafina any amin'ny efitrano anatiny sasany ianao." BSB BSB: Micaiah replied, “You will soon see, on that day when you go and hide in an inner room.”
25 ULB Niteny tamin'ny mpanompo sasany ny mpanjakan'Israely hoe: "Samborinareo vahoaka i Mikaia ary ento ho any Amona, ilay governoran'ny tanàna izy, sy any amin'i Joasy, zanako lahy. BSB BSB: And the king of Israel declared, “Take Micaiah and return him to Amon the governor of the city and to Joash the king’s son,
26 ULB Ianareo vahoaka hiteny aminy hoe: 'Hoy ny mpanjaka hoe: ampidiro any am-ponja io lehilahy io ary fahano mofo sy rano kely izy, mandra-piveriko soa aman-tsara."' BSB BSB: and tell them that this is what the king says: ‘Put this man in prison and feed him only bread and water until I return safely.’”
27 ULB Avy eo Mikaia niteny hoe: "Raha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy niteny tamin'ny alalako Yaveh." Dia mbola nampiany hoe: "Henoy izany, ianareo ry vahoaka rehetra." BSB BSB: But Micaiah replied, “If you ever return safely, the LORD has not spoken through me.” Then he added, “Take heed, all you people!”
28 ULB Koa dia niakatra hanohitra an'i Ramota Gileada i Ahaba, mpanjakan'Israely, sy Josafata, mpanjakan'i Joda. BSB BSB: So the king of Israel and Jehoshaphat king of Judah went up to Ramoth-gilead.
29 ULB Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Hiova tava aho ary handeha ho amin'ny ady, fa hanaovy ny akanjo lavan'ny mpanjaka." Koa dia niova nanao olon-kafa ny mpanjakan'Israely, ary nandeha tany amin'ny ady izy ireo. BSB BSB: And the king of Israel said to Jehoshaphat, “I will disguise myself and go into battle, but you wear your royal robes.” So the king of Israel disguised himself and went into battle.
30 ULB Ary ny mpanjakan'i Syria dia nandidy ireo kapitenin'ireo kalesiny, nanao hoe: "Aza manafika ireo miaramila manan-kaja na tsy manan-kaja. Fa kosa, ny mpanjakan'Israely ihany no tafiho." BSB BSB: Now the king of Aram had ordered his chariot commanders, “Do not fight with anyone, small or great, except the king of Israel.”
31 ULB Ary rehefa nahita an'i Josafata ireo kapitenin'ny kalesy dia hoy izy ireo hoe: "Iny ny mpanjakan'Israely." Niverina mba hanafika azy izy ireo, saingy nihiaka mafy Josafata, ary namonjy azy Yaveh. Navadik'Andriamanitra niala taminy izy ireo. BSB BSB: When the chariot commanders saw Jehoshaphat, they said, “This is the king of Israel!” So they turned to fight against him, but Jehoshaphat cried out, and the LORD helped him. God drew them away from him.
32 ULB Ary rehefa hitan'ireo mpifehy ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'Israely ilay izy, dia niverina tamin'ny fanenjehana azy izy ireo. BSB BSB: And when the chariot commanders saw that he was not the king of Israel, they turned back from pursuing him.
33 ULB Saingy nisy lehilahy iray nisintona ny zana-tsipìkany ary nitifitra ny mpanjakan'Israely teo anelanelan'ny fifandraisan'ny fiarovany. Avy eo Ahaba niteny tamin'ny mpitondra kalesiny hoe: "Mitodiha ary ento mivoakan'ny ady aho, fa maratra mafy." BSB BSB: However, a certain man drew his bow without taking special aim, and he struck the king of Israel between the joints of his armor. So the king said to his charioteer, “Turn around and take me out of the battle, for I am badly wounded!”
34 ULB Niharatsy ny ady tamin'io andro io, ary ny mpanjakan'Israely dia niandry tao amin'ny kalesiny nifanandrify tamin'ireo Syriana mandra-paharivan'ny andro. Mandra-pilentiky ny masoandro, dia maty izy. BSB BSB: The battle raged throughout that day, and the king of Israel propped himself up in his chariot facing the Arameans until evening. And at sunset he died.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.