1 ULB Niverina soa aman-tsara tany an-tranony tany Jerosalema i Josafata mpanjakan'i Joda. BSB BSB: When Jehoshaphat king of Judah had returned safely to his home in Jerusalem,
2 ULB Avy eo Jeho zanaka lahin'i Hanana, ilay mpahita, nivoaka hitsena azy ka niteny tamin'i Josafata Mpanjaka hoe: "Tokony hanampy ny ratsy fanahy ve ianao? Tokony hitia ireo izay mankahala an'i Yaveh ve ianao? Noho izany asa izany, dia ao aminao ny hatezerana avy amin'i Yaveh. BSB BSB: Jehu son of Hanani the seer went out to confront him and said to King Jehoshaphat, “Should you help the wicked and love those who hate the LORD? Because of this, the wrath of the LORD is upon you.
3 ULB Na izany aza, dia mbola misy tsara hita ao anatinao, fa nesorinao hiala ny tany ireo baon'Aseraha, ary efa nanefy ny fonao hitady an'Andriamanitra ianao." BSB BSB: However, some good is found in you, for you have removed the Asherah poles from the land and have set your heart on seeking God.”
4 ULB Nonina tao Jerosalema i Josafata; ary nivoaka hitety ny vahoaka indray izy hatrany Beriseba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ka nitondra azy ireo niverina tany amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. BSB BSB: Jehoshaphat lived in Jerusalem, and once again he went out among the people from Beersheba to the hill country of Ephraim and turned them back to the LORD, the God of their fathers.
5 ULB Nametraka mpitsara tany amin'ny tany nanerana ireo tanàna mimanda rehetra tany Joda izy, isaky ny tanàna. BSB BSB: He appointed judges in the land, in each of the fortified cities of Judah.
6 ULB Hoy izy tamin'ireo mpitsara hoe: "Hevero izay tokony hataonareo, satria tsy mitsara ho an'olona ianareo, fa ho an'i Yaveh; momba anareo Izy amin'ny asam-pitsarana. BSB BSB: Then he said to the judges, “Consider carefully what you do, for you are not judging for man, but for the LORD, who is with you when you render judgment.
7 ULB Koa ankehitriny, aoka ho aminareo ny tahotra an'i Yaveh. Mitandrema rehefa mitsara ianareo, fa tsy mba misy heloka amin'i Yaveh Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona na fandraisana kolikoly." BSB BSB: And now, may the fear of the LORD be upon you. Be careful what you do, for with the LORD our God there is no injustice or partiality or bribery.”
8 ULB Koa, nanendry ny sasany tamin'ireo Levita sy ireo mpisorona, ary ny sasany tamin'ireo mpitarika ny tranon-drazan'Israely tao Jerosalema i Josafata, ho amin'ny fanatanterahana ny fitsarana ho an'i Yaveh, ary ho amin'ireo fifandirana. Nitoetra tao Jerosalema izy ireo. BSB BSB: Moreover, Jehoshaphat appointed in Jerusalem some of the Levites, priests, and heads of the Israelite families to judge on behalf of the LORD and to settle disputes. And they lived in Jerusalem.
9 ULB Nampianatra azy ireo izy, nanao hoe: "Tokony hanompo an'i Yaveh am-panajana, am-pahatokiana, ary amin'ny fonareo manontolo ianareo. BSB BSB: He commanded them, saying, “You must serve faithfully and wholeheartedly in the fear of the LORD.
10 ULB Na oviana na oviana tonga aminareo ny fifandirana amin'ireo rahalahinareo izay monina any amin'ny tanànan'izy ireo, na mahakasika ny fandatsahan-drà, na momban'ireo didy aman-dalàna, dia ampitandremo izy ireo, mba tsy ho tonga meloka eo anatrehan'i Yaveh izy ireo, raha tsy izany dia ho tonga aminareo sy amin'ireo rahalahinareo ny hatezerana. Izany no tokony hataonareo mba tsy ho meloka ianareo. BSB BSB: For every dispute that comes before you from your brothers who dwell in their cities—whether it regards bloodshed or some other violation of law, commandments, statutes, or ordinances—you are to warn them, so that they will not incur guilt before the LORD and wrath will not come upon you and your brothers. Do this, and you will not incur guilt.
11 ULB Indro, Amaria mpisoronabe no eo aminareo amin'ny raharahan'i Yaveh rehetra. Zebadia zanaka lahin'Ismaela, mpitarika ny taranak'i Joda, no miandraikitra ny raharahan'ny mpanjaka rehetra. Ireo Levita ihany koa dia ho manam-pahefana hanompo anareo. Mahereza ka araho ireo torolalanareo ireo, ary Yaveh anie homba an'ireo izay tsara." BSB BSB: Note that Amariah, the chief priest, will be over you in all that pertains to the LORD, and Zebadiah son of Ishmael, the ruler of the house of Judah, in all that pertains to the king. And the Levites will serve as officers before you. Act resolutely; may the LORD be with the upright!”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.