1 ULB Ary taorian'izany, dia tonga nanohitra an'i Josafata ireo vahoakan'i Moaba sy Amona, ary niaraka tamin'izy ireo ny Monita sasany. BSB BSB: After this, the Moabites and Ammonites, together with some of the Meunites, came to make war against Jehoshaphat.
2 ULB Dia tonga ny sasany niteny tamin'i Josafata, nanao hoe: "Maro be ireo ho tonga hanohitra anao avy any an-dafin'ny Ranomasina Maty, avy any Edoma. Indro, ao Hazezon-tamara izy ireo," izay Enjedy. BSB BSB: Then some men came and told Jehoshaphat, “A vast army is coming against you from Edom, from beyond the Sea; they are already in Hazazon-tamar” (that is, En-gedi).
3 ULB Lasa natahotra sy nampizaha ny tenany mba hizaha an'i Yaveh i Josafata. Nanambara fifadian-kanina eran'i Joda rehetra izy. BSB BSB: Jehoshaphat was alarmed and set his face to seek the LORD. And he proclaimed a fast throughout Judah.
4 ULB Niara-niangona hitady an'i Yaveh ny Joda rehetra; tonga hitady an'i Yaveh tany amin'ireo tanànan'i Joda rehetra izy ireo. BSB BSB: So the people of Judah gathered to seek the LORD, and indeed, they came from all the cities of Judah to seek Him.
5 ULB Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'i Joda sy Jerosalema, tao an-tranon'i Yaveh, teo anoloan'ny kianja vaovao. BSB BSB: Then Jehoshaphat stood in the assembly of Judah and Jerusalem in the house of the LORD in front of the new courtyard
6 ULB Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenay, tsy ianao ve no Andriamanitry ny lanitra? Tsy Ianao ve no mpanapaka eo amin'ireo fanjakan'ny firenena rehetra? Ny hery sy ny fahefana dia eo an-tananao, koa tsy misy afaka hahatohitra anao. BSB BSB: and said, “O LORD, God of our fathers, are You not the God who is in heaven, and do You not rule over all the kingdoms of the nations? Power and might are in Your hand, and no one can stand against You.
7 ULB Ry Andriamanitray, tsy ianao ve no nandroaka ny mponina teto amin'ity tany ity nanoloana an'Israely olonao, sy nanome izany mandrakizay ho an'ireo taranak'i Abrahama? BSB BSB: Our God, did You not drive out the inhabitants of this land before Your people Israel and give it forever to the descendants of Abraham Your friend?
8 ULB Nonina tao amin'izany sy nanorina fitoerana masina tao ho an'ny anaranao izy ireo, nanao hoe: BSB BSB: They have lived in the land and have built in it a sanctuary for Your Name, saying,
9 ULB 'Raha tonga eto aminay ny loza—ny sabatra, ny fitsaràna, na aretina, na mosary—dia hitsangana eo anoloan'ity tranony ity, sy eo anoloanao izahay (fa ato amin'ny ity trano ity ny anaranao), ary hitomany Anao izahay amin'ny fahorianay, ka handre sy hamonjy anay Ianao.' BSB BSB: ‘If disaster comes upon us—whether sword or judgment, plague or famine—we will stand before this temple and before You, for Your Name is in this temple. We will cry out to You in our distress, and You will hear us and save us.’
10 ULB Ary indro, indreo ary ireo vahoakan'i Amona, Moaba, ary ny tendrombohitra Seira izay tsy navelanao ho tafihan'Israely rehefa nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ireo; fa kosa, niala tamin'izy ireo ny Israely ary tsy nandrava azy ireo. BSB BSB: And now, here are the men of Ammon, Moab, and Mount Seir, whom You did not let Israel invade when they came out of the land of Egypt. So Israel turned away from them and did not destroy them.
11 ULB Indro ny fomba hanonerany antsika; tonga handroaka antsika hiala ao amin'ny taninao izay nomenao ho lovanay izy ireo. BSB BSB: See how they are repaying us by coming to drive us out of the possession that You gave us as an inheritance.
12 ULB Ry Andriamanitray o, tsy hitsara azy ireo ve Ianao? Fa tsy manana hery hanoherana izany tafika lehibe tonga hanohitra anay izany izahay. Tsy fantatray izay tokony hatao, fa ny masonay dia any aminao." BSB BSB: Our God, will You not judge them? For we are powerless before this vast army that comes against us. We do not know what to do, but our eyes are upon You.”
13 ULB Nitsangana teo anoloan'i Yaveh ny Joda rehetra, niaraka tamin'ireo madinik'izy ireo, ireo vadiny, sy ireo zanany. BSB BSB: Meanwhile all the men of Judah, with their wives and children and little ones, were standing before the LORD.
14 ULB Dia teo afovoan'ny fiangonana, no tonga tamin'i Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, ilay Levita, iray tamin'ireo zanak'i Asafa ny fanahin'i Yaveh. BSB BSB: Then the Spirit of the LORD came upon Jahaziel son of Zechariah, the son of Benaiah, the son of Jeiel, the son of Mattaniah, a Levite from Asaph’s descendants, as he stood in the midst of the assembly.
15 ULB Hoy Jahaziela hoe: "Henoy, ry Joda rehetra sy ny mponin'i Jerosalema, ary ry Josafata mpanjaka. Izao no lazain'i Yaveh aminareo hoe: 'Aza matahotra; aza kivy noho izany tafika lehibe izany, fa tsy ho anareo ny ady, fa ho an'Andriamanitra. BSB BSB: And he said, “Listen, all you people of Judah and Jerusalem! Listen, King Jehoshaphat! This is what the LORD says: ‘Do not be afraid or discouraged because of this vast army, for the battle does not belong to you, but to God.
16 ULB Tsy maintsy hidina hanohitra azy ireo ianareo rahampitso. Indro, hiakatra amin'ny lalàna mandalo any Ziza izy ireo. Hahita azy ireo eo amin'ny faran'ny lohasaha ianareo, eo alohan'ny efitr'i Jeroela. BSB BSB: Tomorrow you are to march down against them. You will see them coming up the Ascent of Ziz, and you will find them at the end of the valley facing the Wilderness of Jeruel.
17 ULB Tsy mila miady amin'izany ady izany ianareo. Mijoroa eo amin'ny fitoeranareo, mijanona, ka jereo ny famonjen'i Yaveh anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na kivy. Mivoaha hanohitra azy ireo rahampitso, fa Yaveh homba anareo.'" BSB BSB: You need not fight this battle. Take up your positions, stand firm, and see the salvation of the LORD on your behalf, O Judah and Jerusalem. Do not be afraid or discouraged. Go out and face them tomorrow, for the LORD is with you.’”
18 ULB Nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany i Josafata. Ny Joda rehetra sy ny mponin'i Jerosalema dia niondrika teo anoloan'i Yaveh, nihoby azy. BSB BSB: Then Jehoshaphat bowed facedown, and all the people of Judah and Jerusalem fell down before the LORD to worship Him.
19 ULB Ireo Levita, sy ireo taranaky ny Kehatita sy Koraita, nitsangana mba hidera an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, tamin'ny feo mahery. BSB BSB: And the Levites from the Kohathites and Korahites stood up to praise the LORD, the God of Israel, shouting in a very loud voice.
20 ULB Vao maraina be dia nitsangana izy ireo ka nivoaka nankany amin'ny efitr'i Tekoa. Raha nivoaka iny izy ireo, dia nitsangana Josafata ary niteny hoe: "Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo mponin'i Jerosalema! Minoa an'i Yaveh Andriamanitrareo, dia ho tohanana ianareo. Matokia an'ireo mpaminaniny, dia hahomby hianareo." BSB BSB: Early in the morning they got up and left for the Wilderness of Tekoa. As they set out, Jehoshaphat stood up and said, “Hear me, O people of Judah and Jerusalem. Believe in the LORD your God, and you will be upheld; believe in His prophets, and you will succeed.”
21 ULB Rehefa nanontany ny olona Izy, dia nanendry ireo tokony hihira ho an'i Yaveh sy hidera Azy nohon'ny voninahiny masina Izy, raha nivoaka nialoha ny tafika izy ireo, ary nanao hoe: "Misaora an'i Yaveh, fa maharitra mandrakizay ny famin-dram-pony." BSB BSB: Then Jehoshaphat consulted with the people and appointed those who would sing to the LORD and praise the splendor of His holiness. As they went out before the army, they were singing: “Give thanks to the LORD, for His loving devotion endures forever.”
22 ULB Rehefa nanomboka nihira sy nanompo izy ireo, dia nametraka lehilahy hamely tampoka ny vahoakan'i Amona, sy Moaba, ary ny tendrombohitra Seira, izay avy hanohitra an'i Joda i Yaveh. Ary dia resy izy ireo. BSB BSB: The moment they began their shouts and praises, the LORD set ambushes against the men of Ammon, Moab, and Mount Seir who had come against Judah, and they were defeated.
23 ULB Dia nitsangana hiady hanohitra ny mponina avy ao an-tendrombohitra Seira ny vahoakan'i Amona sy Moaba, mba hamono tanteraka sy handringana azy ireo. Rehefa vitan'izy ireo ny amin'ny mponina ao an-tendrombohitra Seira, dia hifandringana izy ireo. BSB BSB: The Ammonites and Moabites rose up against the inhabitants of Mount Seir, devoting them to destruction. And when they had finished off the inhabitants of Seir, they helped to destroy one another.
24 ULB Raha tonga teo amin'ny toerana fitazanana ny efitra ny Joda, dia nijery ny tafika izy ireo. Indro, efa maty izy ireo, lavo tamin'ny tany; tsy nisy afa-nandositra. BSB BSB: When the men of Judah came to a place overlooking the wilderness, they looked for the vast army, but there were only corpses lying on the ground; no one had escaped.
25 ULB Raha tonga handroba teo amin'izy ireo Josafata sy ny vahoakany, dia nahita zavatra maro be, akanjo, sy fitaovana sarobidy, izay nalainy ho azy ireo, mihoatra noho izay azon'izy ireo nentina. Naharitra hateloana ny fandroban'izy ireo, fa be loatra izany no teo. BSB BSB: Then Jehoshaphat and his people went to carry off the plunder, and they found on the bodies an abundance of goods and valuables—more than they could carry away. They were gathering the plunder for three days because there was so much.
26 ULB Tamin'ny andro fahefatra dia nivory teo amin'ny Lohasahan'i Bereka izy ireo. Tany no nideran'izy ireo an'i Yaveh, ka natao hoe "Lohasahan'i Bereka" ny anaran'izany toerana izany mandrak'androany. BSB BSB: On the fourth day they assembled in the Valley of Beracah, where they blessed the LORD. Therefore that place is called the Valley of Beracah to this day.
27 ULB Dia niverina izy ireo, ny olona rehetra tao Joda sy Jerosalema, ary tao amin'ny fitarihan'izy ireo i Josafat, mba handeha hankany Jerosalema am-pifaliana indray, fa Yaveh efa nampifaly azy ireo teo amin'ireo fahavalony. BSB BSB: Then all the men of Judah and Jerusalem, with Jehoshaphat at their head, returned joyfully to Jerusalem, for the LORD had made them rejoice over their enemies.
28 ULB Tonga tany Jerosalema sy tao an-tranon'i Yaveh niaraka tamin'ireo lokanga, valiha, ary trompetra izy ireo. BSB BSB: So they entered Jerusalem and went into the house of the LORD with harps, lyres, and trumpets.
29 ULB Ny horohoron'Andriamanitra dia teo amin'ireo fanjakan'ny firenena rehetra raha nandre izy ireo fa Yaveh dia niady hanohitra ireo fahavalon'Israely. BSB BSB: And the fear of God came upon all the kingdoms of the lands when they heard that the LORD had fought against the enemies of Israel.
30 ULB Ka dia nangina ny fanjakana'i Josafata, satria nanome fiadanana azy nanodidina azy rehetra ny Andriamaniny. BSB BSB: Then Jehoshaphat’s kingdom was at peace, for his God had given him rest on every side.
31 ULB Nanjaka teo amin'ny Joda i Josafata: dimy amby telo-polo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka dimy amby roa-polo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Azoba, zanaka vavin'i Sily. BSB BSB: So Jehoshaphat reigned over Judah. He was thirty-five years old when he became king, and he reigned in Jerusalem twenty-five years. His mother’s name was Azubah daughter of Shilhi.
32 ULB Nandeha tamin'ireo lalan'i Asa rainy izy; ary tsy niala tamin'ireny; nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy. BSB BSB: And Jehoshaphat walked in the way of his father Asa and did not turn away from it; he did what was right in the eyes of the LORD.
33 ULB Na izany aza, tsy noravana ireo fitoerana avo. Ny vahoaka dia tsy mbola nitarika ny fon'izy ireo ho amin'ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. BSB BSB: The high places, however, were not removed; the people had not yet set their hearts on the God of their fathers.
34 ULB Ary raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Josafata, voalohany sady farany, indro, izy ireo dia efa voasoratra ao amin'ny tantaran'i Jeho zanak'i Hanany, izay voarakitra an-tsoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'Israely. BSB BSB: As for the rest of the acts of Jehoshaphat, from beginning to end, they are indeed written in the Chronicles of Jehu son of Hanani, which are recorded in the Book of the Kings of Israel.
35 ULB Ary taorian'izany Josafata, mpanjakan'i Joda dia niray hina tamin'i Ahazia, mpanjakan'Israely, izay nanao faharatsiana maro. BSB BSB: Later, Jehoshaphat king of Judah made an alliance with Ahaziah king of Israel, who acted wickedly.
36 ULB Niray hina taminy izy mba hanamboatra sambo handehanana any Tarsisy. Tao Ezion-gabera no nanamboaran'izy ireo ny sambo. BSB BSB: They agreed to make ships to go to Tarshish, and these were built in Ezion-geber.
37 ULB Ary Eliezera zanak'i Dodavaho avy any Maresa, dia naminany hamely an'i Josafata; hoy izy hoe: "Satria efa niray hina tamin'i Ahazia ianao, dia noravain'i Yaveh ireo tetikasanao." Nirendrika ilay sambo ka tsy afaka niondrana an-tsambo izy ireo. BSB BSB: Then Eliezer son of Dodavahu of Mareshah prophesied against Jehoshaphat, saying, “Because you have allied yourself with Ahaziah, the LORD has destroyed your works.” So the ships were wrecked and were unable to sail to Tarshish.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.