1 ULB Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Josafata ary nalevina niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida; Jehorama, zanany lahy, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: And Jehoshaphat rested with his fathers and was buried with them in the City of David. And his son Jehoram reigned in his place.
2 ULB Nanana rahalahy i Jehorama, zanak'i Josafata: dia Azaria, Jehiela, Zakaria, Azaria, Mikaela, ary Sefatia. Zanaka lahin'i Josafata, mpanjakan'Israely avokoa ireo. BSB BSB: Jehoram’s brothers, the sons of Jehoshaphat, were Azariah, Jehiel, Zechariah, Azariah, Michael, and Shephatiah; these were all sons of Jehoshaphat king of Israel.
3 ULB Nanolotra fanomezana volafotsy, volamena, ary zava-tsarobidy hafa maro dia maro, ary tanàna mimanda tany Joda ho azy ireo ihany koa ny rainy, saingy nomeny an'i Jehorama ny seza fiandrianana, satria izy no lahimatoany. BSB BSB: Their father had given them many gifts of silver and gold and precious things, as well as the fortified cities in Judah; but he gave the kingdom to Jehoram because he was the firstborn.
4 ULB Ary rehefa nitsangana teo amin'ny fanjakan-drainy i Jehorama ka nametraka mafy ny tenany ho mpanjaka, dia novonoiny tamin'ny sabatra ireo rahalahiny rehetra, sy ireo mpitarik'Israely samihafa ihany koa. BSB BSB: When Jehoram had established himself over his father’s kingdom, he strengthened himself by putting to the sword all his brothers along with some of the princes of Israel.
5 ULB Roa amby telopolo taona i Jehorama raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritry ny valo taona tao Jerosalema izy. BSB BSB: Jehoram was thirty-two years old when he became king, and he reigned in Jerusalem eight years.
6 ULB Nandeha tamin'ny lalan'ireo mpanjakan'Israely izy, tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanaka vavin'i Ahaba no vadiny, ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. BSB BSB: And Jehoram walked in the ways of the kings of Israel, just as the house of Ahab had done. For he married a daughter of Ahab and did evil in the sight of the LORD.
7 ULB Kanefa, tsy naniry ny handringana ny taranak'i Davida i Yaveh, nohon'ny amin'ilay fanekena izay nataony tamin'i Davida; efa nampanantena ny hanome fiainana ho azy sy ireo taranany lalandava Izy. BSB BSB: Yet the LORD was unwilling to destroy the house of David, because of the covenant He had made with David, and since He had promised to maintain a lamp for David and his descendants forever.
8 ULB Tamin'ny andron'i Jehorama, dia nikomy hiala tamin'ny fifehezan'i Joda i Edoma, ka nametraka mpanjaka ho eo amin'izy ireo. BSB BSB: In the days of Jehoram, Edom rebelled against the hand of Judah and appointed their own king.
9 ULB Dia niampita niaraka tamin'ireo mpifehiny sy ireo kalesiny rehetra i Jehorama. Andro alina no niaingany sy niadiany tamin'ireo Edomita izay nanodidina azy sy mpifehy ny kalesiny. BSB BSB: So Jehoram crossed into Edom with his officers and all his chariots. When the Edomites surrounded him and his chariot commanders, he rose up and attacked by night.
10 ULB Koa efa nikomy tamin'ny fifehezan'i Joda mandrak'ankehitriny i Edoma. Nikomy hiala tamin'ny fifehezany niaraka tamin'izany ihany koa i Libna, satria Jehorama efa nahafoy an'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambeny. BSB BSB: So to this day Edom has been in rebellion against the hand of Judah. Likewise, Libnah rebelled against his hand at the same time, because Jehoram had forsaken the LORD, the God of his fathers.
11 ULB Fanampin'izany, dia nanorina fitoerana avo tany amin'ireo tendrombohitr'i Joda ihany koa i Jehorama, ka nampiaina ny mponin'i Jerosalema tahaka ny mpivaro-tena, ary nitondra an'i Joda hania. BSB BSB: Jehoram had also built high places on the hills of Judah; he had caused the people of Jerusalem to prostitute themselves and had led Judah astray.
12 ULB Nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tany amin'i Jehorama. Izao no nambaran'izany: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Davida, razambenao: Satria tsy nandeha tamin'ny lalan'i Josafata, rainao ianao, na tamin'ireo lalan'i Asa, mpanjakan'i Joda, BSB BSB: Then a letter came to Jehoram from Elijah the prophet, which stated: “This is what the LORD, the God of your father David, says: ‘You have not walked in the ways of your father Jehoshaphat or of Asa king of Judah,
13 ULB fa efa nandeha tamin'ny lalan'ireo mpanjakan'Israely kosa, ary nahatonga an'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema hiseho toy ny mpivaro-tena, tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba—ary satria efa novonoinao tamin'ny sabatra ihany koa ireo rahalahinao tao amin'ny fianakavian-drainao, dia ireo lehilahy tsara noho ny tenanao BSB BSB: but you have walked in the ways of the kings of Israel and have caused Judah and the people of Jerusalem to prostitute themselves, just as the house of Ahab prostituted itself. You have also killed your brothers, your father’s family, who were better than you.
14 ULB indro, Yaveh hamely anao, ireo zanakao, sy ireo vadinao, ary ny harenao rehetra amin'ny areti-mandringana lehibe. BSB BSB: So behold, the LORD is about to strike your people, your sons, your wives, and all your possessions with a serious blow.
15 ULB Ianao mihitsy no harary mafy nohon'ny aretina ao amin'ny tsinainao, ambaram-pahavoa ny tsinainao noho ilay aretina, isan'andro isan'andro." BSB BSB: And day after day you yourself will suffer from a severe illness, a disease of your bowels, until it causes your bowels to come out.’”
16 ULB Dia nampientana ny fanahin'ireo Filistina sy ireo Arabo izay nanakaiky an'ireo Etiopiana hanohitra an'i Jehorama i Yaveh. BSB BSB: Then the LORD stirred against Jehoram the spirit of the Philistines and Arabs who lived near the Cushites.
17 ULB Namely an'i Joda izy ireo, nanafika izany, ary naka ireo harena rehetra izay hita tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalain'izy ireo ihany koa ireo zanany lahy sy ireo vadiny. Tsy nisy zanaka lahy tavela ho azy afa-tsy i Jehoaza, zanany faralahy. BSB BSB: So they went to war against Judah, invaded it, and carried off all the possessions found in the king’s palace, along with his sons and wives; not a son was left to him except Jehoahaz, his youngest.
18 ULB Taorian'izany rehetra izany, dia namely azy tao amin'ny tsinainy tamin'ny aretina tsy hay sitranina i Yaveh. BSB BSB: After all this, the LORD afflicted Jehoram with an incurable disease of the bowels.
19 ULB Ary tamin'ny fotoana voatondro, afaka roa taona, dia lavon'ny aretiny ny tsinainy, ary maty nohon'ny aretina namaivay izy. Tsy nandrehitra afo ho voninahiny araka ny nataon'izy ireo ho an'ny razambeny ny vahoakany. BSB BSB: This continued day after day until two full years had passed. Finally, his intestines came out because of his disease, and he died in severe pain. And his people did not make a fire in his honor as they had done for his fathers.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.