1 ULB Tamin'ny taona faha-fito, dia nampiseho ny heriny i Joiada ary nanao fifanekena tamin'ireo mpifehy ny an-jatony, dia Azaria zanaka lahin'i Jerohama, Isimaela zanaka lahin'i Johanana, Azaria zanaka lahin'i Obeda, Mahaseia zanaka lahin'i Adaia, ary Elisafata zanaka lahin'i Zikri. BSB BSB: Then in the seventh year, Jehoiada strengthened himself and made a covenant with the commanders of hundreds—with Azariah son of Jeroham, Ishmael son of Jehohanan, Azariah son of Obed, Maaseiah son of Adaiah, and Elishaphat son of Zichri.
2 ULB Nankany Joda izy ireo ary nanangona ireo Levita avy amin'ireo tanànan'i Joda rehetra, sy ireo loham-pianakavian'Israely, ary tonga tao Jerosalema izy ireo. BSB BSB: So they went throughout Judah and gathered the Levites from all the cities of Judah and the heads of the families of Israel. And when they came to Jerusalem,
3 ULB Nanao fifanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra ny fiangonana rehetra. Hoy Joiada tamin'izy ireo hoe: "Indro, hanjaka ny zanaka lahin'ny mpanjaka, araka ny nolazain'i Yaveh mahakasika ireo taranak'i Davida. BSB BSB: the whole assembly made a covenant with the king in the house of God. “Behold, the king’s son!” said Jehoiada. “He must reign, just as the LORD promised concerning the descendants of David.
4 ULB Izao no tsy maintsy ataonareo: ny iray ampahatelonareo mpisorona sy Levita izay tonga hanompo amin'ny Sabata, dia ho mpiambina eo amin'ireo varavarana. BSB BSB: This is what you are to do: A third of you priests and Levites who come on duty on the Sabbath shall keep watch at the doors,
5 ULB Ny ampahatelony hafa any amin'ny tranon'ny mpanjaka, ary ampahatelony hafa any amin'ny Vavahadin'ny Fototra. Ny olona rehetra dia ho any an-kianjan'ny tranon'i Yaveh. BSB BSB: a third shall be at the royal palace, and a third at the Foundation Gate, while all the others are to be in the courtyards of the house of the LORD.
6 ULB Aza misy olona avela mankao an-tranon'i Yaveh, afa-tsy ireo mpisorona sy Levita izay manompo. Mahazo miditra izy ireo satria voatokana. Fa ny olona hafa rehetra dia tsy maintsy mankatoa ireo didin'i Yaveh. BSB BSB: No one is to enter the house of the LORD except the priests and those Levites who serve; they may enter because they are consecrated, but all the people are to obey the requirement of the LORD.
7 ULB Tsy maintsy mihodidina ny mpanjaka amin'ny lafiny rehetra ireo Levita, ny olona rehetra miaraka amin'ny fitaovam-piadiany eny an-tanany. Na iza na iza miditra ao amin'ilay trano, dia aoka izy ho vonoina. Miaraha amin'ny mpanjaka rehefa miditra sy mivoaka izy." BSB BSB: The Levites must surround the king with weapons in hand, and anyone who enters the temple must be put to death. You must stay close to the king wherever he goes.”
8 ULB Noho izany ireo Levita sy Joda rehetra dia nanompo tamin'ny fomba rehetra izay nandidian'i Joiada mpisorona. Samy naka ireo lehilahiny ny tsirairay, ireo izay ho avy hanompo amin'ny Sabata, sy ireo izay handao ny fanompoana amin'ny Sabata, satria Joiada, mpisorona, dia tsy mba nandroaka na iza na iza tamin'ny fizaran'izy ireo. BSB BSB: So the Levites and all Judah did everything that Jehoiada the priest had ordered. Each of them took his men—those coming on duty on the Sabbath and those going off duty—for Jehoiada the priest had not released any of the divisions.
9 ULB Avy eo Joiada, mpisorona, nitondra lefona ho an'ireo mpifehy sy zanak'apinga kely sy lehibe izay an'i Davida Mpanjaka izay tao an-tranon'Andriamanitra. BSB BSB: Then Jehoiada the priest gave to the commanders of hundreds the spears and the large and small shields of King David that were in the house of God.
10 ULB Nalahatr'i Joiada ireo miaramila rehetra, ny lehilahy tsirairay samy niaraka tamin'ny fitaovam-piadiany teny an-tanany, avy eo amin'ny ilany havanan'ny tempoly hatrany amin'ny ilany havian'ny tempoly, nanaraka ny alitara sy ny tempoly, nanodidina ny mpanjaka. BSB BSB: He stationed all the troops, with their weapons in hand, surrounding the king by the altar and the temple, from the south side to the north side of the temple.
11 ULB Dia nentin'izy ireo nivoaka ny zanaka lahin'ny mpanjaka, napetaka teo aminy ny satro-boninahitra, ary nomena azy ny lalàn'ny fanekena. Dia nataon'izy ireo ho mpanjaka izy, ary nanosotra azy i Joiada sy ireo zanany lahy. Dia hoy izy ireo hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka." BSB BSB: Then Jehoiada and his sons brought out the king’s son, put the crown on him, presented him with the Testimony, and proclaimed him king. They anointed him and shouted, “Long live the king!”
12 ULB Rehefa ren'i Atalia ny tabataban'ny vahoaka nihazakazaka sy nidera ny mpanjaka, dia nanatona ny vahoaka tao an-tranon'i Yaveh izy. BSB BSB: When Athaliah heard the noise of the people running and cheering the king, she went out to them in the house of the LORD.
13 ULB Ary nijery izy, ka indro, nijoro teo akaikin'ny andry teo amin'ny fidirana ny mpanjaka, ary teo anilan'ny mpanjaka ireo mpifehy sy ireo mpitsoka trompetra. Nifaly sy nitsoka trompetra ny olon'ny tany rehetra, ary nitendry zava-maneno sy nitarika ny hira fiderana ireo mpihira. Avy eo Atalia nandrovitra ny akanjony ary nihiaka hoe: "Mpamadika! Mpamadika!" BSB BSB: And she looked and saw the king standing by his pillar at the entrance. The officers and trumpeters were beside the king, and all the people of the land were rejoicing and blowing trumpets, while the singers with musical instruments were leading the praises. Then Athaliah tore her clothes and screamed, “Treason, treason!”
14 ULB Avy eo Joiada, mpisorona, nitondra nivoaka ireo mpifehy ny an-jatony izay teo amin'ny tafika ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Avoahy eo anelanelan'ny filaharana izy; izay olona manaraka azy, aoka izy ho vonoina amin'ny sabatra." Fa hoy ny mpisorona hoe: "Aza vonoina ao an-tranon'i Yaveh izy." BSB BSB: And Jehoiada the priest sent out the commanders of hundreds in charge of the army, saying, “Bring her out between the ranks, and put to the sword anyone who follows her.” For the priest had said, “She must not be put to death in the house of the LORD.”
15 ULB Noho izany dia nanao lalana ho azy izy ireo, ary nandeha tamin'ny lalan'ny Vavahadin-tsoavaly nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy, ary tany no namonoan'izy ireo azy. BSB BSB: So they seized Athaliah as she reached the entrance of the Horse Gate on the palace grounds, and there they put her to death.
16 ULB Avy eo Joiada nanao fanekena tamin'ny tenany, sy ny olona rehetra, sy ny mpanjaka, fa tokony ho olon'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: Then Jehoiada made a covenant between himself and the king and the people that they would be the LORD’s people.
17 ULB Noho izany dia niditra tao an-tranon'i Bala ny olona rehetra ary nandrava izany. Nopotipotehin'izy ireo ny alitaran'i Bala sy ireo sariny, ary novonoin'izy ireo teo anoloan'ireo alitara ireo i Matana, mpisoron'i Bala. BSB BSB: So all the people went to the temple of Baal and tore it down. They smashed the altars and idols to pieces and killed Mattan the priest of Baal in front of the altars.
18 ULB Ary Joiada nanendry manam-boninahitra ho an'ny tranon'i Yaveh teo ambany fehin'ireo mpisorona, izay Levita, izay notendren'i Davida ho an'ny tranon'i Yaveh, mba hanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, niara-nifaly sy nihira, araka ny torolalana nomen'i Davida. BSB BSB: Moreover, Jehoiada put the oversight of the house of the LORD into the hands of the Levitical priests, whom David had appointed over the house of the LORD, to offer burnt offerings to the LORD as written in the Law of Moses, with rejoicing and song, as ordained by David.
19 ULB Nametraka mpiambina teo am-bavahadin'ny tranon'i Yaveh i Joiada, mba tsy hisy na iray izay naloto tamin'ny fomba maro tokony hiditra. BSB BSB: He stationed gatekeepers at the gates of the house of the LORD, so that no one who was in any way unclean could enter.
20 ULB Nentin'i Joiada niaraka taminy ireo mpifehy ny an-jatony, ireo lehilahy manan-kaja, ireo governoran'ny vahoaka, sy ireo olon'ny tany rehetra. Nentiny nidina avy tao amin'ny tranon'i Yaveh ny mpanjaka; nanatona avy eny amin'ny Vavahady Ambony nakany amin'ny tranon'ny mpanjaka ny olona ary nametraka ny mpanjaka ho eo amin'ny seza fiandrianam-panjakana. BSB BSB: And he took with him the commanders of hundreds, the nobles, the rulers of the people, and all the people of the land, and they brought the king down from the house of the LORD and entered the royal palace through the Upper Gate. They seated King Joash on the royal throne,
21 ULB Koa dia niravoravo ny olona rehetra tao amin'ilay tany, ary nilamina ny tanàna. Raha ny amin'i Atalia, dia novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra izy. BSB BSB: and all the people of the land rejoiced. And the city was quiet, because Athaliah had been put to the sword.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.