1 ULB Fito taona i Joasy rehefa nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny efapolo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Berisheba. BSB BSB: Joash was seven years old when he became king, and he reigned in Jerusalem forty years. His mother’s name was Zibiah; she was from Beersheba.
2 ULB Joasy dia nanao izay marina teo imason'i Yaveh tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada, mpisorona. BSB BSB: And Joash did what was right in the eyes of the LORD all the days of Jehoiada the priest.
3 ULB Naka vady roa ho azy i Joiada, ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. BSB BSB: Jehoiada took for him two wives, and he had sons and daughters.
4 ULB Taorian'izany, dia tapa-kevitra ny hamerina amin'ny laoniny ny tranon'i Yaveh i Joasy. BSB BSB: Some time later, Joash set his heart on repairing the house of the LORD.
5 ULB Nangoniny niaraka ireo mpisorona sy ireo Levita, ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana isan-taona any amin'ny tanànan'i Joda ary manangòna vola avy amin'Israely rehetra mba hanamboarana ny tranon'ny Andriamanitrareo. Ataovy azo antoka fa hanomboka avy hatrany ianareo." Tamin'ny voalohany dia tsy nanao na inona na inona ireo Levita. BSB BSB: So he gathered the priests and Levites and said, “Go out to the cities of Judah and collect the money due annually from all Israel, to repair the house of your God. Do it quickly.” The Levites, however, did not make haste.
6 ULB Ary ny mpanjaka nampiantso an'i Joiada, ilay mpisoronabe, ary niteny taminy hoe: "Nahoana no tsy nasainao nentin'ireo Levita avy tany Joda sy Jerosalema ny hetra izay nangonin'i Mosesy mpanompon'i Yaveh sy ireo fiangonan'Israely, ho amin'ny lain'ny lalàn'ny fanekena?" BSB BSB: So the king called Jehoiada the high priest and said, “Why have you not required the Levites to bring from Judah and Jerusalem the tax imposed by Moses the servant of the LORD and by the assembly of Israel for the Tent of the Testimony?”
7 ULB Fa ireo zanaka lahin'i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, namotika ny tranon'Andriamanitra ary nanome ireo zava-masina rehetra tao an-tranon'i Yaveh ho an'ireo Bala. BSB BSB: For the sons of that wicked woman Athaliah had broken into the house of God and had even used the sacred objects of the house of the LORD for the Baals.
8 ULB Ka dia nandidy ny mpanjaka, ary nanamboatra vata izy ireo ary nametraka izany teo ivelan'ny fidirana makao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: At the king’s command a chest was made and placed outside, at the gate of the house of the LORD.
9 ULB Rehefa izany dia nanao fanambarana nanerana an'i Joda sy Jerosalema izy ireo, ny mba hitondran'ny vahoaka ho an'i Yaveh ny hetra izay nangonin'i Mosesy mpanompon' Andriamanitra tamin'Israely tany an'efitra. BSB BSB: And a proclamation was issued in Judah and Jerusalem that they were to bring to the LORD the tax imposed by Moses the servant of God on Israel in the wilderness.
10 ULB Dia nifaly ireo mpitarika sy ny vahoaka rehetra ka nitondra vola ary nametraka izany tao amin'ireo vata mandra-pahafenon'izy ireo izany. BSB BSB: All the officers and all the people rejoiced and brought their contributions, and they dropped them in the chest until it was full.
11 ULB Isaky ny mitondra ny vata ho any amin'ny manam-boninahitry ny mpanjaka ireo Levita, ary isak'izay hitan'izy ireo fa misy vola betsaka ao anatin'izany, dia tonga ny mpanora-dalàn'ny mpanjaka sy ny manam-boninahitry ny mpisoronabe, ka nanafoana ny vata, sy naka izany ary nitondra izany hiverina ho eo amin'ny toerany. Nanao izany isan'andro isan'andro izy ireo, nanangona vola betsaka. BSB BSB: Whenever the chest was brought by the Levites to the king’s overseers and they saw that there was a large amount of money, the royal scribe and the officer of the high priest would come and empty the chest and carry it back to its place. They did this daily and gathered the money in abundance.
12 ULB Nomen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'ireo izay nanao ny asa fanompoana tao an-tranon'i Yaveh ny vola. Nanakarama mpanao trano sy mpandrafitra ireo lehilahy ireo mba hamerina amin'ny laoniny ny tranon'i Yaveh, ary niasa tao ihany koa ireo mpanefy vy sy varahana. BSB BSB: Then the king and Jehoiada would give the money to those who supervised the labor on the house of the LORD to hire stonecutters and carpenters to restore the house of the LORD, as well as workers in iron and bronze to repair the house of the LORD.
13 ULB Dia nisasatra ny mpiasa, ary ny asa fanamboarana dia nandroso teo an-tanan'izy ireo; naorin'izy ireo toy ny endriny tamin'ny voalohany ilay tranon'i Yaveh ary nohamafisiny izany. BSB BSB: So the workmen labored, and in their hands the repair work progressed. They restored the house of God according to its specifications, and they reinforced it.
14 ULB Rehefa vitan'izy ireo, dia nentiny tany amin'i Joiada sy ny mpanjaka ny ambim-bola. Izany vola izany dia nampiasaina hanaovana fanaka ho an'ny tranon'i Yaveh, ireo kojakoja enti-manompo sy hanaovana fanatitra—sotro sy kojakoja volamena sy volafotsy. Tsy nitsahatra nanolotra fanatitra dorana tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo tamin'ny andron'i Joiada rehetra. BSB BSB: When they were finished, they brought the rest of the money to the king and Jehoiada, and with it were made articles for the house of the LORD—utensils for the service and for the burnt offerings, dishes, and other objects of gold and silver. Throughout the days of Jehoiada, burnt offerings were presented regularly in the house of the LORD.
15 ULB Niha antitra sy ela andro niainana i Joiada, ary dia maty izy; 130 taona izy no maty. BSB BSB: When Jehoiada was old and full of years, he died at the age of 130.
16 ULB Nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida niaraka tamin'ireo mpanjaka izy, satria efa nanao ny tsara tany Israely, tamin'Andriamanitra, ary tamin'ny tranon'Andriamanitra izy. BSB BSB: And Jehoiada was buried with the kings in the City of David, because he had done what was good in Israel for God and His temple.
17 ULB Ary taorian'ny nahafatesan'i Joiada, dia tonga ireo mpitarik'i Joda ary nankatò ny mpanjaka. Dia nihaino azy ireo ny mpanjaka. BSB BSB: After the death of Jehoiada, however, the officials of Judah came and paid homage to the king, and he listened to them.
18 ULB Nahafoy ny tranon'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo, ary nanompo ireo andriamanitra Aseraha sy ireo sampy. Tonga tamin'i Joda sy Jerosalema ny hatezeran'Andriamanitra noho izany fanaovan-dratsin'izy ireo izany. BSB BSB: They abandoned the house of the LORD, the God of their fathers, and served the Asherah poles and idols. So wrath came upon Judah and Jerusalem for this guilt of theirs.
19 ULB Nefa naniraka mpaminany ho any amin'izy ireo Izy mba hitondra azy ireo hiverina any aminy, Yaveh indray; nijoro vavolombelona hanohitra ny vahoaka ireo mpaminany saingy nandà ny hihaino izy ireo. BSB BSB: Nevertheless, the LORD sent prophets to bring the people back to Him and to testify against them, but they would not listen.
20 ULB Tonga tamin'i Zakaria zanaka lahin'i Joiada, ilay mpisorona ny fanahin'Andriamanitra; nitsangana teo ambonin'ny vahoaka Zakaria ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'Andriamanitra: nahoana no mandika ireo didin'i Yaveh ianareo, ka tsy mahita fanambinana? Koa satria nahafoy an'i Yaveh ianareo, dia nahafoy anareo ihany koa Izy." BSB BSB: Then the Spirit of God came upon Zechariah son of Jehoiada the priest, who stood up before the people and said to them, “This is what God says: ‘Why do you transgress the commandments of the LORD so that you cannot prosper? Because you have forsaken the LORD, He has forsaken you.’”
21 ULB Kanefa izy ireo nitetika hanohitra azy; tamin'ireo didin'ny mpanjaka, dia nitora-bato azy teo an-kianjan'ny tranon'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: But they conspired against Zechariah, and by order of the king, they stoned him in the courtyard of the house of the LORD.
22 ULB Tamin'izany fomba izany, Joasy, mpanjaka, dia tsy niraharaha ny hatsaram-panahy nataon'i Joiada, rain'i Zakaria, taminy. Fa kosa, namono ny zanaka lahin'i Joiada izy. Rehefa maty i Zakaria, dia hoy izy hoe: "Yaveh anie hahita izao ary hamaly anao." BSB BSB: Thus King Joash failed to remember the kindness that Zechariah’s father Jehoiada had extended to him. Instead, Joash killed Jehoiada’s son. As he lay dying, Zechariah said, “May the LORD see this and call you to account.”
23 ULB Ary tamin'ny fiafaran'ny taona, dia niakatra hanohitra an'i Joasy ny tafik'i Syria. Tonga tao Joda sy Jerosalema izy ireo; novonoin'izy ireo ny mpitarikin'ny vahoaka rehetra ary nandefa ireo babo rehetra ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy izy ireo. BSB BSB: In the spring, the army of Aram went to war against Joash. They entered Judah and Jerusalem and destroyed all the leaders of the people, and they sent all the plunder to their king in Damascus.
24 ULB Ny tafik'ireo Syriana dia tonga niaraka tamin'ny tafika kely, fa Yaveh no nanome azy ireo fandresena teo amin'ireo tafika lehibe dia lehibe, satria nahafoy an'i Yaveh, ilay Andriamanintr'ireo razamben'izy ireo ny Joda. Tamin'izany no nitsaran'ny Syriana an'i Joasy. BSB BSB: Although the Aramean army had come with only a few men, the LORD delivered into their hand a very great army. Because Judah had forsaken the LORD, the God of their fathers, judgment was executed on Joash.
25 ULB Tamin'ny fotoana nandehanan'ireo Syriana, dia efa naratra mafy i Joasy. Ireo mpanompony ihany no nitetika hanohitra azy nohon'ny famonoana ireo zanaka lahin'i Joiada, mpisorona. Novonoin'izy ireo teo ambony fandriany izy, ary dia maty; nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida izy, fa tsy tao amin'ny fasan'ireo mpanjaka. BSB BSB: And when the Arameans had withdrawn, they left Joash severely wounded. His own servants conspired against him for shedding the blood of the son of Jehoiada the priest, and they killed him on his bed. So he died and was buried in the City of David, but not in the tombs of the kings.
26 ULB Ireto no olona izay nitetika hanohitra azy: dia Zabada zanaka lahin'i Simata, ilay Amonita; ary Jozabada zanaka lahin'i Simrita, ilay Moabita. BSB BSB: Those who conspired against Joash were Zabad son of Shimeath the Ammonitess and Jehozabad son of Shimrith the Moabitess.
27 ULB Ankehitriny ny mahakasika ny zanany lahy, ny faminaniana lehibe izay nitenenana ny mahakasika azy, sy ny fanorenana indray ny tranon'i Yaveh Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjaka izany. Amazia zanany lahy, no nanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: The accounts of the sons of Joash and the many pronouncements about him, and of the restoration of the house of God, are indeed written in the Treatise of the Book of the Kings. And his son Amaziah reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.