1 ULB Dimy amby roapolo taona i Amazia raha nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taona tao Jerosalema izy. Joadana no anaran-dreniny, avy ao Jerosalema. BSB BSB: Amaziah was twenty-five years old when he became king, and he reigned in Jerusalem twenty-nine years. His mother’s name was Jehoaddan; she was from Jerusalem.
2 ULB Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, saingy tsy tamin'ny fony manontolo. BSB BSB: And he did what was right in the eyes of the LORD, but not wholeheartedly.
3 ULB Ary nony tafapetraka tsara ny fanjakany, dia namono ireo mpanompo izay namono ny rainy, mpanjaka izy. BSB BSB: As soon as the kingdom was firmly in his grasp, Amaziah executed the servants who had murdered his father the king.
4 ULB Kanefa tsy namono ireo zanak'ireo mpamono izy, fa nanao araka izay voasoratra tao amin'ny lalàna, tao amin'ny bokin'i Mosesy, araka ny nandidian'i Yaveh hoe: "Aoka ny ray tsy ho faty nohon'ny zanaka, na ny zanaka maty nohon'ny ray. Fa kosa, tokony ho faty nohon'ny otany ihany ny olona tsirairay." BSB BSB: Yet he did not put their sons to death, but acted according to what is written in the Law, in the Book of Moses, where the LORD commanded: “Fathers must not be put to death for their children, and children must not be put to death for their fathers; each is to die for his own sin.”
5 ULB Koa dia, novorian'i Amazia niaraka ny Joda, ary nandray an-tsoratra ny anaran'izy ireo araka ny taranaky ny razambeny avy, teo ambanin'ireo mpifehy ny arivo sy mpifehy ny zato—Joda sy Benjamina rehetra. Nisainy nanomboka tamin'ny roapolo taona no miakatra izy ireo, ary 300 000 ireo lehilahy voafantina, afaka mandeha an'ady, izay afaka mitàna lefona sy ampinga. BSB BSB: Then Amaziah gathered the people of Judah and assigned them according to their families to commanders of thousands and of hundreds. And he numbered those twenty years of age or older throughout Judah and Benjamin and found 300,000 chosen men able to serve in the army, bearing the spear and shield.
6 ULB Nanakarama lehilahy mpiady 100 000 avy tamin' Israely ihany koa izy tamin'ny talenta volafotsy zato. BSB BSB: He also hired 100,000 mighty men of valor from Israel for a hundred talents of silver.
7 ULB Fa nisy lehilahin'Andriamanitra iray tonga teo aminy ary nanao hoe: "Ry mpanjaka, aza avela hiaraka aminao ny tafik'Israely, satria Yaveh tsy momba ny Israely—na ny vahoakan'i Efraima. BSB BSB: But a man of God came to him and said, “O king, do not let the army of Israel go with you, for the LORD is not with Israel—not with any of the Ephraimites.
8 ULB Kanefa na dia mandeha sy mahery fo ary mahery an'ady aza ianao, dia handavo anao eo anatrehan'ny fahavalonao Andriamanitra, satria Andriamanitra dia manana fahefana hanampy, sy fahefana handavo." BSB BSB: Even if you go and fight bravely in battle, God will overthrow you before the enemy, for God has power to help and power to overthrow.”
9 ULB Dia hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Koa inona izany no ataonay momba ireo talenta zato izay efa nomeko ho an'ny tafik'Israely?" Ilay lehilahin'Andriamanitra namaly hoe: "Yaveh dia afaka manome anao maro mihoatra noho izany." BSB BSB: Amaziah asked the man of God, “What should I do about the hundred talents I have given to the troops of Israel?” And the man of God replied, “The LORD is able to give you much more than this.”
10 ULB Ka dia nosarahan'i Amazia ny tafika avy taminy sy ny avy tamin'i Efraima; ary nasainy nody indray izy ireo. Koa nirehitra mafy tamin'i Joda ny hatezeran'izy ireo, ary dia nody tamin-katezerana mafy izy ireo. BSB BSB: So Amaziah dismissed the troops who had come to him from Ephraim and sent them home. And they were furious with Judah and returned home in great anger.
11 ULB Ary Amazia nanana herim-po ary nitarika ny vahoakany nivoaka ny Lohasahan-tsira; tao no nandreseny ireo lehilahy iray alina avy any Seira. BSB BSB: Amaziah, however, summoned his strength and led his troops to the Valley of Salt, where he struck down 10,000 men of Seir,
12 ULB Nisambo-belona ireo iray alina hafa ny tafik'i Joda. Nentin'izy ireo tany an-tampon'ny haram-bato izy ireo ary navariny avy teny, mba hamotipotehana azy ireo rehetra. BSB BSB: and the army of Judah also captured 10,000 men alive. They took them to the top of a cliff and threw them down so that all were dashed to pieces.
13 ULB Fa ireo lehilahin'ny tafika izay naverin'i Amazia, mba tsy handehanan'izy ireo miaraka aminy any an'ady, dia nanafika ireo tanànan'i Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona. Nandavo vahoaka telo arivo sy naka babo maro izy ireo. BSB BSB: Meanwhile the troops that Amaziah had dismissed from battle raided the cities of Judah, from Samaria to Beth-horon. They struck down 3,000 people and carried off a great deal of plunder.
14 ULB Ary rehefa tafaverina avy tamin'ny famonoana ny Edomita i Amazia, dia nitondra ireo andriamanitry ny vahoakan'i Seira, sy nametraka azy ireo mba ho andriamaniny manokana izy. Niankohoka teo anoloan'ireo izy ary nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo. BSB BSB: When Amaziah returned from the slaughter of the Edomites, he brought back the gods of the Seirites, set them up as his own gods, bowed before them, and burned sacrifices to them.
15 ULB Noho izany dia nirehitra tamin'i Amazia ny hatezeran'i Yaveh. Nandefa mpaminany ho any aminy Izy, izay nanao hoe: "Nahoana ianao no nitady ireo andriamanitry ny vahoaka izay tsy nahavonjy ireo vahoakany teo an-tananao akory?" BSB BSB: Therefore the anger of the LORD burned against Amaziah, and He sent him a prophet, who said, “Why have you sought this people’s gods, which could not deliver them from your hand?”
16 ULB Ary raha mbola niresaka taminy ny mpaminany, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Moa ve izahay efa nanao anao ho mpanolo-tsain'ny mpanjaka? Aoka izay! Nahoana ianao no tokony ho vonoina?" Ary dia nijanona ilay mpaminany ary nanao hoe: "Fantatro fa efa nanapa-kevitra ny handrava anao Andriamanitra satria nanao izany asa izany ianao ary tsy nihaino ny torohevitro." BSB BSB: While he was still speaking, the king asked, “Have we made you the counselor to the king? Stop! Why be struck down?” So the prophet stopped, but he said, “I know that God has determined to destroy you, because you have done this and have not heeded my advice.”
17 ULB Ary dia nila hevitra tamin'ireo mpanolo-tsaina i Amazia, mpanjakan'i Joda ary naniraka mpitondra hafatra tany amin'i Joasy zanaka lahin'i Johaza zanaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely, nanao hoe: "Avia, aoka isika hifanatri-tava amin'ny ady." BSB BSB: Then Amaziah king of Judah took counsel and sent word to the king of Israel Jehoash son of Jehoahaz, the son of Jehu. “Come, let us meet face to face,” he said.
18 ULB Kanefa i Joasy mpanjakan'Israely namerina ireo mpitondra hafatra ho any amin'i Amazia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: "Tsilo iray tany Libanona nandefa hafatra tamina sedera iray tany Libanona, nanao hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy,' kanefa nisy bibidia iray avy tany Libanona nandeha teo ary nanosihosy ilay tsilo. BSB BSB: But Jehoash king of Israel replied to Amaziah king of Judah: “A thistle in Lebanon sent a message to a cedar in Lebanon, saying, ‘Give your daughter to my son in marriage.’ Then a wild beast in Lebanon came along and trampled the thistle.
19 ULB Ianao efa nanao hoe: 'Indro, efa nandavo an'i Edoma aho,' ary ny fonao no nampirehareha anao. Mireharehava amin'ny fandresenao, nefa mitoera ihany any an-trano, fa nahoana ianao no tokony hiteraka korontana sy fahalavoana, ho an'ny tenanao sy Joda miaraka aminao?" BSB BSB: You have said, ‘Look, I have defeated Edom,’ and your heart has become proud and boastful. Now stay at home. Why should you stir up trouble so that you fall—you and Judah with you?”
20 ULB Saingy tsy nihaino Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany tranga izany, mba hahafahany manolotra ny vahoakan'i Joda ho eo an-tanan'ireo fahavalony, satria efa nitady hevitra avy tamin'ireo andriamanitr'i Edoma izy ireo. BSB BSB: But Amaziah would not listen, for this had come from God in order to deliver them into the hand of Jehoash, because they had sought the gods of Edom.
21 ULB Ka dia nanafika i Joasy, mpanjakan'i Israely; izy sy Amazia, mpanjakan'i Joda, dia nifanatri-tava tao Beti-semesy, izay an'i Joda. BSB BSB: So Jehoash king of Israel advanced, and he and Amaziah king of Judah faced each other at Beth-shemesh in Judah.
22 ULB Lavo teo anatrehan'Israely ny Joda, ary nitsoaka nody ny lehilahy rehetra. BSB BSB: And Judah was routed before Israel, and every man fled to his own home.
23 ULB Joasy, mpanjakan'Israely, dia nisambotra an'i Amazia zanaka lahin'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia, mpanjakan'i Joda, tao Beti-semesy. Nentiny tany Jerosalema izy ary nandrotika ny mandan'i Jerosalema hatrany amin'ny Vavahady Efraima ka hatrany amin'ny Vavahady an-Jorony, izay nielanelana efajato hakiho. BSB BSB: There at Beth-shemesh, Jehoash king of Israel captured Amaziah king of Judah, the son of Joash, the son of Jehoahaz. Then Jehoash brought him to Jerusalem and broke down the wall of Jerusalem from the Ephraim Gate to the Corner Gate—a section of four hundred cubits.
24 ULB Nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra, ny zavatra rehetra izay hita tao an-tranon'Andriamanitra niaraka tamin'i Obed-edoma, ary ireo zavatra nanan-danja tao an-tranon'ny mpanjaka, niaraka tamin'ireo takalon'aina ihany koa, ary dia niverina tany Samaria. BSB BSB: He took all the gold and silver and all the articles found in the house of God with Obed-edom and in the treasuries of the royal palace, as well as some hostages. Then he returned to Samaria.
25 ULB Amazia zanaka lahin'i Joasy, mpanjakan'i Joda, dia niaina dimy ambin'ny folo taona taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanaka lahin'i Joahaza, mpanjakan'Israely. BSB BSB: Amaziah son of Joash king of Judah lived for fifteen years after the death of Jehoash son of Jehoahaz king of Israel.
26 ULB Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Amazia, ny voalohany sy ny farany, indro, moa ve izy ireo tsy efa voasoratra tao anatin'ny bokin'ireo mpajakan'i Joda sy Israely? BSB BSB: As for the rest of the acts of Amaziah, from beginning to end, are they not written in the Book of the Kings of Judah and Israel?
27 ULB Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay nivilian'i Amazia tamin'ny fanarahana an'i Yaveh, dia nanomboka nanao tetika hanoherana azy tany Jerosalema izy ireo. Nandositra tany Lakisy izy, kanefa izy ireo naniraka lehilahy nanaraka azy tany Lakisy ary namono azy tany. BSB BSB: From the time that Amaziah turned from following the LORD, a conspiracy was formed against him in Jerusalem, and he fled to Lachish. But men were sent after him to Lachish, and they killed him there.
28 ULB Nentin'izy ireo niverina tamin'ny soavaly izy ary nandevina azy niaraka tamin'ireo razambeny tao an-Tanànan'i Joda. BSB BSB: They carried him back on horses and buried him with his fathers in the City of Judah.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.