1 ULB Ny vahoakan'i Joda rehetra naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ary nanao azy ho mpanjaka eo amin'ny toeran'i Amazia rainy. BSB BSB: All the people of Judah took Uzziah, who was sixteen years old, and made him king in place of his father Amaziah.
2 ULB Izy no nanorina indray an'i Elota ary namerina nanorina izany ho an'i Joda. Taorian'izay dia nodimandry tany amin'ireo razambeny ny mpanjaka. BSB BSB: Uzziah was the one who rebuilt Eloth and restored it to Judah after King Amaziah rested with his fathers.
3 ULB Enina ambin'ny folo taona i Ozia no nanomboka nanjaka. Nanjaka nandritry ny roa amby dimam-polo taona tao Jerosalema izy. Jekolia no anaran-dreniny; avy any Jerosalema izy. BSB BSB: Uzziah was sixteen years old when he became king, and he reigned in Jerusalem fifty-two years. His mother’s name was Jecoliah; she was from Jerusalem.
4 ULB Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, nanaraka ny ohatra nomen'i Amazia, rainy, tamin'ny zava-drehetra. BSB BSB: And he did what was right in the eyes of the LORD, just as his father Amaziah had done.
5 ULB Nanolotra ny tenany mba hitady an'Andriamanitra tamin'ny andron'i Zakaria, izay nanome azy ireo torolalana tamin'ny fankatoavana an'Andriamanitra izy. Raha mbola nitady an'i Yaveh izy, dia nanambina azy Andriamanitra. BSB BSB: He sought God throughout the days of Zechariah, who instructed him in the fear of God. And as long as he sought the LORD, God gave him success.
6 ULB Nivoaka i Ozia ary niady tamin'ny Filistina. Noravainy ny mandan'ny tanàna tao Gata, Jabne ary Asdoda; nanorina tanàn-dehibe tao amin'ny tanànan'i Asdoda sy teo amin'ireo Filistina izy. BSB BSB: Uzziah went out to wage war against the Philistines, and he tore down the walls of Gath, Jabneh, and Ashdod. Then he built cities near Ashdod and among the Philistines.
7 ULB Nampin' Andriamanitra nanohitra an'ireo Filistina izy, nanohitra ny Arabo izay nonina tao Gorabala, ary nanohitra ireo Meonita. BSB BSB: God helped him against the Philistines, against the Arabs living in Gur-baal, and against the Meunites.
8 ULB Nandoa fanomezam-boninahitra ho an'i Ozia ny Amonita, ary niely ny lazany, na dia hatrany amin'ny fidiran'i Egypta aza, satria nihanatanjaka izy. BSB BSB: The Ammonites brought tribute to Uzziah, and his fame spread as far as the border of Egypt, for he had become exceedingly powerful.
9 ULB Fanampin'izany, nanorina tilikambo tao Jerosalema i Ozia izay teo amin'ny Vavahady an-jorony, teo amin'ny Vavahadin-Dohasaha, sy teo amin'ny fiodinan'ny manda, ary nanamafy orina ireo. BSB BSB: Uzziah built towers in Jerusalem at the Corner Gate, the Valley Gate, and the angle in the wall, and he fortified them.
10 ULB Nanorina tilikambo fiambenana tany an'efitra izy ary nangady fitoeran-drano maro, satria nanana biby fiompy maro izy, tany amin'ny tany lemaka sy tany amin'ny iva. Nanana mpiompy sy mpamboly voaloboka tany amin'ny firenena sy tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny saha mamokatra izy, satria tiany ny fiompiana sy fambolena. BSB BSB: Since he had much livestock in the foothills and in the plain, he built towers in the desert and dug many cisterns. And since he was a lover of the soil, he had farmers and vinedressers in the hill country and in the fertile fields.
11 ULB Fanampin'izany, nanana tafika lehilahy mpiady i Ozia izay nivoaka isam-bondrona mba hiady izay voalamina araka ny isany izay nisain'i Jeiela, mpanora-dalàna, sy Mahaseia, manam-pahefana, teo ambany fahefan'i Hanania, iray tamin'ireo mpifehin'ny mpanjaka. BSB BSB: Uzziah had an army ready for battle that went out to war by assigned divisions, as recorded by Jeiel the scribe and Maaseiah the officer under the direction of Hananiah, one of the royal officers.
12 ULB Ny fitambaran'ny isan'ireo lohan'ny fianakavian-drazana, lehilahy mpiady, dia 2 600. BSB BSB: The total number of family leaders of the mighty men of valor was 2,600.
13 ULB Teo ambany fahefan'izy ireo dia nisy tafika 307 500 lehilahy izay niady tamin-kery lehibe mba hanampy ny mpanjaka hanohitra ny fahavalo. BSB BSB: Under their authority was an army of 307,500 trained for war, a powerful force to support the king against his enemies.
14 ULB Nomanin'i Ozia ho an'izy ireo—ho an'ny tafika rehetra—ireo apinga, lefona, fiarovan-doha, fiarovan-tratra vy, tsipìka, sy vato ampiasaina amin'ny antsamotady. BSB BSB: Uzziah supplied the entire army with shields, spears, helmets, armor, bows, and slingstones.
15 ULB Nanamboarany milina maro tao Jerosalema, izay noforonin'ireo lehilahy manam-pahaizana, natao teny amin'ny tilikambo sy teny an-dohan'ny manda, izay andefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Niely hatrany amin'ny tany lavitra ny lazany, satria nahazo fanampiana goavana izy mandra-pahatongany ho tena mahery. BSB BSB: And in Jerusalem he made skillfully designed devices to shoot arrows and catapult large stones from the towers and corners. So his fame spread far and wide, for he was helped tremendously until he became powerful.
16 ULB Fa rehefa niha-natanjaka i Ozia, dia nieboebo ny fony ka nanao ny tsy marina izy; nivadika tamin'i Yaveh, Andriamaniny izy, satria nankao an-tranon'i Yaveh mba handoro ditin-kazo manitra teo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra. BSB BSB: But when Uzziah became powerful, his arrogance led to his own destruction. He was unfaithful to the LORD his God, for he entered the temple of the LORD to burn incense on the altar of incense.
17 ULB Azaria, mpisorona, dia niditra nanaraka azy, mbamin'ny mpisoron'i Yaveh valo-polo, izay lehilahy be herim-po. BSB BSB: Then Azariah the priest, along with eighty brave priests of the LORD, went in after him.
18 ULB Nanohitra an'i Ozia, mpanjaka izy ireo, ary niteny taminy hoe: "Tsy anjaranao, ry Ozia, no mandoro ny ditin-kazo manitra ho an'i Yaveh, fa an'ireo mpisorona, ireo zanaka lahin' i Arona, izay voamasina no mandoro ny ditin-kazo manitra. Mivoaha tao amin'ny fitoerana masina, fa tsy nahatoky ianao ary tsy homen'i Yaveh Andriamanitra voninahitra. BSB BSB: They took their stand against King Uzziah and said, “Uzziah, you have no right to offer incense to the LORD. Only the priests, the descendants of Aaron, are consecrated to burn incense. Leave the sanctuary, for you have acted unfaithfully; you will not receive honor from the LORD God.”
19 ULB Dia tezitra i Ozia. Nihazona lovia teny an-tanany izy mba handorana ny ditin-kazo manitra. Ary raha mbola tezitra tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra teo amin'ny handriny nanoloana ireo mpisorona tao an-tranon' i Yaveh, teo anilan'ilay alitara ho an'ny ditin-kazo manitra. BSB BSB: Uzziah, with a censer in his hand to offer incense, was enraged. But while he raged against the priests in their presence in the house of the LORD before the altar of incense, leprosy broke out on his forehead.
20 ULB Azaria mpisoronabe sy ireo mpisorona rehetra dia nijery azy, ary, indro, tonga boka teo amin'ny handriny izy. Noroahin'izy ireo faingana teo izy. Ka dia nivoaka faingana tokoa izy, satria namely azy Yaveh. BSB BSB: When Azariah the chief priest and all the priests turned to him and saw his leprous forehead, they rushed him out. Indeed, he himself hurried to get out, because the LORD had afflicted him.
21 ULB Ozia, mpanjaka, dia boka mandra-pahafatiny ka nipetraka tao amin'ny fonenana mitokana hatramin'ny nahaboka azy, satria nesorina tao amin'ny tranon'i Yaveh izy. Jotama, zanany lahy, no tao an-dapan'ny mpanjaka ary nanapaka ny vahoakan'ny tany. BSB BSB: So King Uzziah was a leper until the day of his death. He lived in isolation, leprous and cut off from the house of the LORD, while his son Jotham had charge of the royal palace and governed the people of the land.
22 ULB Ary raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Ozia, voalohany ary farany, dia ao amin'izay nosoratan'Isaia zanak'i Amosa, mpaminany. BSB BSB: As for the rest of the acts of Uzziah, from beginning to end, they are recorded by the prophet Isaiah son of Amoz.
23 ULB Ary nodimandry tany amin'ny razambeny i Ozia; nalevin'izy ireo niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tany fandevenana izay an'ireo mpanjaka izy, fa hoy izy ireo hoe: "Boka izy." Jotama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: And Uzziah rested with his fathers and was buried near them in a field of burial that belonged to the kings, for the people said, “He was a leper.” And his son Jotham reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.