1 ULB Roapolo taona i Ahaza no nanomboka nanjaka, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Tsy nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'i Davida razambeny. BSB BSB: Ahaz was twenty years old when he became king, and he reigned in Jerusalem sixteen years. And unlike David his father, he did not do what was right in the eyes of the LORD.
2 ULB Fa kosa, nandeha tamin'ny lalan'ireo mpanjakan'Israely izy; nanamboatra sarin-javatra araraka ho an'ireo Bala ihany koa izy. BSB BSB: Instead, he walked in the ways of the kings of Israel and even made cast images of the Baals.
3 ULB Fanampin'izany, nandoro emboka manitra tao amin'ny Lohasahan'i Bena-hinoma izy ary nandefa ireo zanany tao anaty afo, araka ireo asa fanompoan-tsampin'ny olona izay noteren'i Yaveh hiala tamin'ny taniny talohan'ny vahoakan'Israely. BSB BSB: Moreover, Ahaz burned incense in the Valley of Ben-hinnom and sacrificed his sons in the fire, according to the abominations of the nations that the LORD had driven out before the Israelites.
4 ULB Nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny fitoerana avo sy teny amin'ireo havoana ary tany ambanin'ny hazo maitso rehetra izy. BSB BSB: And he sacrificed and burned incense on the high places, on the hills, and under every green tree.
5 ULB Noho izany Yaveh Andriamanitr'i Ahaza, dia nanolotra azy teo an-tanan'ny mpanjakan'i Syria. Nandresy azy ny Syriana ary nitondra vahoaka gadra marobe niala teo aminy, nitondra azy ireo nankany Damaskosy. Natolotra teo an-tanan'ny mpanjakan'Israely izay nandresy azy tamin'ny famonoana lehibe ihany koa Ahaza. BSB BSB: So the LORD his God delivered Ahaz into the hand of the king of Aram, who attacked him and took many captives to Damascus. Ahaz was also delivered into the hand of the king of Israel, who struck him with great force.
6 ULB Fa Peka zanaka lahin'i Remalia, dia namono miaramila 120 000 tao Joda tao anatin'ny iray andro, lehilahy be herim-po avokoa izy rehetra, satria izy ireo dia nahafoy an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. BSB BSB: For in one day Pekah son of Remaliah killed 120,000 valiant men in Judah. This happened because they had forsaken the LORD, the God of their fathers.
7 ULB Zikry, lehilahy mahery iray avy any Efraima, namono an'i Mahaseia zanaka lahin'ny mpanjaka, Azrikama, manam-pahefana eo amin'ny lapa, ary i Elkana, izay akaiky ny mpanjaka. BSB BSB: Zichri, a mighty man of Ephraim, killed Maaseiah the son of the king, Azrikam the governor of the palace, and Elkanah the second to the king.
8 ULB Ny tafik'Israely dia naka babo 200 000 vady, zanaka lahy, ary zanaka vavy avy tamin'ireo havan'izy ireo. Naka babo maro be ihany koa izy ireo, izay nentiny niverina tany Samaria. BSB BSB: Then the Israelites took 200,000 captives from their kinsmen—women, sons, and daughters. They also carried off a great deal of plunder and brought it to Samaria.
9 ULB Fa nisy mpaminanin'i Yaveh iray tany, Obeda no anarany. Nivoaka mba hitsena ny tafika izay tonga avy any Samaria izy. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Satria Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambenareo, tezitra tamin'i Joda, dia nanolotra azy ireo teo an-tananareo Izy. Fa namono azy ireo tamin-katezerana izay mahatakatra ny lanitra ianareo. BSB BSB: But a prophet of the LORD named Oded was there, and he went out to meet the army that returned to Samaria. “Look,” he said to them, “because of His wrath against Judah, the LORD, the God of your fathers, has delivered them into your hand. But you have slaughtered them in a rage that reaches up to heaven.
10 ULB Ary mihevitra ny hihazona ireo lehilahy sy vehivavin'i Joda sy Jerosalema ho andevonareo ianareo. Fa moa ve ianareo tsy meloka tamin'ireo fahotanareo tamin'i Yaveh Andriamanitrareo? BSB BSB: And now you intend to reduce to slavery the men and women of Judah and Jerusalem. But are you not also guilty before the LORD your God?
11 ULB Koa ankehitriny, mihainoa ahy: Alefaso ireo gadra, izay nalainareo tamin'ireo rahalahinareo, fa mirehitra aminareo ny hatezeran'i Yaveh." BSB BSB: Now therefore, listen to me and return the captives you took from your kinsmen, for the fierce anger of the LORD is upon you.”
12 ULB Ary ireo mpitarika ny vahoakan'i Efraima sasany—Azaria zanaka lahin'i Johanana, Berekia zanaka lahin'i Mesilemota, Jehizkia zanaka lahin'i Saloma, ary i Amasa zanaka lahin'i Hadlay, nitsangana hanohitra ireo izay niverina avy tany amin'ny ady. BSB BSB: Then some of the leaders of the Ephraimites—Azariah son of Jehohanan, Berechiah son of Meshillemoth, Jehizkiah son of Shallum, and Amasa son of Hadlai—stood in opposition to those arriving from the war.
13 ULB Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Aoka tsy hitondra ireo gadra aty ianareo, satria mitady hitondra zavatra izay hampanota anay hanohitra an'i Yaveh ianareo, mba hanampy ireo otanay sy ireo fahadisoanay, fa lehibe ny fahadisoanay, ary misy firehetan-katezerana amin'Israely." BSB BSB: “You must not bring the captives here,” they said, “for you are proposing to bring guilt upon us from the LORD and to add to our sins and our guilt. For our guilt is great, and fierce anger is upon Israel.”
14 ULB Koa namela ireo gadra sy ireo babo teo anatrehan'ireo mpitarika sy fivondronana rehetra ireo lehilahy mitam-piadiana. BSB BSB: So the armed men left the captives and the plunder before the leaders and all the assembly.
15 ULB Niarina ireo lehilahy izay voatendry tamin'ny anarana ary naka ireo gadra, sy nampiakanjo ireo rehetra tsy nitafy teo amin'izy ireo niaraka tamin'ireo babo. Nampiakanjoan'izy ireo ireny ary nomeny kapa. Nomen'izy ireo sakafo hohanina sy zava-pisotro izy ireo. Nitsabo ny ratran'izy ireo ary nametraka ireo malemy teo ambony boriky izy ireo. Nentin'izy ireo niverina tany amin'ny fianakaviany tany Jeriko izy ireo, (antsoina hoe Tanànan'ny Palma). Avy eo dia niverina tany Samaria izy ireo. BSB BSB: Then the men who were designated by name arose, took charge of the captives, and provided from the plunder clothing for the naked. They clothed them, gave them sandals and food and drink, anointed their wounds, and put all the feeble on donkeys. So they brought them to Jericho, the City of Palms, to their brothers. Then they returned to Samaria.
16 ULB Tamin'izany fotoana izany Ahaza Mpanjaka dia nandefa mpitondra hafatra tany amin'ireo mpanjakan'i Asyria mba hangataka azy ireo hanampy azy. BSB BSB: At that time King Ahaz sent for help from the king of Assyria.
17 ULB Satria mbola tonga indray ireo Edomita ary nanafika an'i Joda, nitondra an'ireo gadra. BSB BSB: The Edomites had again come and attacked Judah and carried away captives.
18 ULB Ireo Filistina ihany koa dia nanafika ireo tanànan'ireo tany lemaka sy ny an'i Negeva ao Joda. Nalain'izy ireo i Beti-semesy, Aialona, Gederota, ary Soko sy ireo zana-bohiny, Timna sy ireo zana-bohiny, ary Gimzo sy ireo zana-bohiny ihany koa. Nandeha nipetraka tany amin'ireo toerana ireo izy ireo. BSB BSB: The Philistines had also raided the cities of the foothills and the Negev of Judah, capturing and occupying Beth-shemesh, Aijalon, and Gederoth, as well as Soco, Timnah, and Gimzo with their villages.
19 ULB Fa i Yaveh nampietry an'i Joda noho i Ahaza, mpanjakan'Israely, satria izy nanao ratsy tao Joda sy nanota mafy dia mafy tamin'i Yaveh tokoa. BSB BSB: For the LORD humbled Judah because Ahaz king of Israel had thrown off restraint in Judah and had been most unfaithful to the LORD.
20 ULB Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, dia tonga teo aminy ary nanakorontana azy raha tokony nankahery azy. BSB BSB: Then Tiglath-pileser king of Assyria came to Ahaz but afflicted him rather than strengthening him.
21 ULB Fa i Ahaza dia nambabo ny tranon'i Yaveh sy ireo ankohonan'ny mpanjaka ary ireo mpitarika, mba hanome zava-tsarobidy ho an'ireo mpanjakan'i Asyria. Saingy tsy nahazoany tombony ny fanaovana izany. BSB BSB: Although Ahaz had taken a portion from the house of the LORD, from the royal palace, and from the princes and had presented it to the king of Assyria, it did not help him.
22 ULB Io Ahaza Mpanjaka io ihany no nanohitra bebe kokoa an'i Yaveh tamin'ny fotoan'ny fahoriany. BSB BSB: In the time of his distress, King Ahaz became even more unfaithful to the LORD.
23 ULB Satria nanao sorona tamin'ireo andriamanitr'i Damaskosy izy, andriamanitra izay efa nandresy azy. Hoy izy hoe: "Satria nanampy azy ireo ny andriamanitr'ireo mpanjakan'i Syria, dia hisorona ho azy ireo aho, mba hanampy ahy izy ireo." Kanefa faharavana ho azy sy Israely rehetra izy ireo. BSB BSB: He sacrificed to the gods of Damascus, who had defeated him, and he said, “Because the gods of the kings of Aram have helped them, I will sacrifice to them that they may help me.” But these gods were the downfall of Ahaz and of all Israel.
24 ULB Nangonin'i Ahaza ireo fanaka tao amin'ny tranon'Andriamanitra ary nokapakapainy. Nakatony ireo varavaran'ny tranon'i Yaveh ary nanao alitara ho azy teo amin'ny zoron'i Jerosalema rehetra izy. BSB BSB: Then Ahaz gathered up the articles of the house of God, cut them into pieces, shut the doors of the house of the LORD, and set up altars of his own on every street corner in Jerusalem.
25 ULB Tany amin'ny tanànan'i Joda rehetra no nanaovany fitoerana avo mba handorana sorona ho an'ireo andriamani-kafa. Niantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny izy. BSB BSB: In every city of Judah he built high places to offer incense to other gods, and so he provoked the LORD, the God of his fathers.
26 ULB Ary ny sisa tamin'ireo asany, sy ireo lalany rehetra, voalohany ary farany, dia indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely. BSB BSB: As for the rest of the acts of Ahaz and all his ways, from beginning to end, they are indeed written in the Book of the Kings of Judah and Israel.
27 ULB Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Ahaza, ary nalevin'izy ireo tao amin'ny tanàna, tao Jerosalema izy, fa tsy nentin'izy ireo tany amin'ny fasan'ireo mpanjakan'Israely. Hezekia, ilay zanany lahy, no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: And Ahaz rested with his fathers and was buried in the city of Jerusalem, but he was not placed in the tombs of the kings of Israel. And his son Hezekiah reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.