1 ULB Nanomboka nanjaka i Hezekia tamin'ny fahadimy amby roapolo taonany; nanjaka nandritry ny sivy amby roapolo taona tany Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Abia; zanaka vavin'i Zakaria. BSB BSB: Hezekiah was twenty-five years old when he became king, and he reigned in Jerusalem twenty-nine years. His mother’s name was Abijah, the daughter of Zechariah.
2 ULB Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny efa nataon'i Davida rainy. BSB BSB: And he did what was right in the eyes of the LORD, just as his father David had done.
3 ULB Tamin'ny taona voalohany nanjakany, tamin'ny volana voalohany, dia nanokatra ireo varavaran'ny tranon'i Yaveh i Hezekia ary namboatra ireo. BSB BSB: In the first month of the first year of his reign, Hezekiah opened and repaired the doors of the house of the LORD.
4 ULB Nampiditra ireo mpisorona sy ireo Levita izy, ary namory azy ireo niaraka tao amin'ny kianja tamin'ny ilany atsinanana. BSB BSB: Then he brought in the priests and Levites and gathered them in the square on the east side.
5 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mihainoa ahy, ianareo Levita! Amasino ny tenanareo, ary amasino ny tranon'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambenareo, ary esory hiala amin'ny fitoerana masina ny fahalotoana. BSB BSB: “Listen to me, O Levites,” he said. “Consecrate yourselves now and consecrate the house of the LORD, the God of your fathers. Remove from the Holy Place every impurity.
6 ULB Fa nanota ireo razambentsika ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamanintsika; nahafoy Azy izy ireo, nampihodina ny tavan'izy ireo niala tamin'ny toerana izay honenan'i Yaveh, ary nampitodika ny lamosin'izy ireo ho amin'izany. BSB BSB: For our fathers were unfaithful and did evil in the sight of the LORD our God. They abandoned Him, turned their faces away from the dwelling place of the LORD, and turned their backs on Him.
7 ULB Nohidian'izy ireo ihany koa ireo varavaran'ny lavarangana ary novonoiny ny jiro; tsy nandoro ditin-kazo manitra izy ireo na fanatitra dorana tao amin'ny toerana masina ho an'ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: They also shut the doors of the portico and extinguished the lamps. They did not burn incense or present burnt offerings in the Holy Place of the God of Israel.
8 ULB Noho izany dia nilatsaka teo amin'i Joda sy Jerosalema ny hatezeran'i Yaveh, ary nataony toy ny zavatra fampihorohoroana, fampitahorana, sy fanalam-baraka izy ireo, araka ny hitanareo amin'ny masonareo. BSB BSB: Therefore, the wrath of the LORD has fallen upon Judah and Jerusalem, and He has made them an object of terror, horror, and scorn, as you can see with your own eyes.
9 ULB Izany no antony nahalavo ireo raintsika tamin'ny sabatra, sy nahababo ireo zanantsika lahy, sy ireo zanantsika vavy, ary ireo vadintsika. BSB BSB: For behold, this is why our fathers have fallen by the sword, and our sons and daughters and wives are in captivity.
10 ULB Ankehitriny dia ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba hialan'ny fahatezerany mirehitra amintsika. BSB BSB: Now it is in my heart to make a covenant with the LORD, the God of Israel, so that His fierce anger will turn away from us.
11 ULB Ry zanako, aza malaina izao, satria Yaveh efa nifidy anareo mba hitsangana eo anoloany, mba hanompo Azy, ary mba ho mpanompony sy ho emboka manitra." BSB BSB: Now, my sons, do not be negligent, for the LORD has chosen you to stand before Him, to serve Him, to minister before Him, and to burn incense.”
12 ULB Avy eo dia nitsangana ireo Levita: dia Mahata zanaka lahin'i Amasay, sy Joela zanaka lahin'i Azaria, avy amin'ny olon'ireo Kohalita; ary ireo olon'i Merary, Kisy zanaka lahin'i Abdia, sy Azaria zanaka lahin'i Jehalalila; ary ireo Gersonita, Joa zanaka lahin'i Zima, ary Edena zanaka lahin'i Joa; BSB BSB: Then the Levites set to work: Mahath son of Amasai and Joel son of Azariah from the Kohathites; Kish son of Abdi and Azariah son of Jehallelel from the Merarites; Joah son of Zimmah and Eden son of Joah from the Gershonites;
13 ULB avy amin'ireo zanaka lahin'i Elizafana, Simry sy Jeiela; ary avy amin'ireo zanaka lahin'i Asafa, Zakaria ary Matania; BSB BSB: Shimri and Jeuel from the Elizaphanites; Zechariah and Mattaniah from the Asaphites;
14 ULB avy amin'ny zanaka lahin'i Hemana, Jehiela ary Simei; ary avy amin'ny zanaka lahin'i Jedotona, Semaia ary Oziela. BSB BSB: Jehiel and Shimei from the Hemanites; and Shemaiah and Uzziel from the Jeduthunites.
15 ULB Namory ireo rahalahiny izy ireo, ary nanamasina ny tenany, ka niditra, araka ny nandidian'ny mpanjaka, tamin'ny fanarahana ireo tenin'i Yaveh, mba hanadio ny tranon'i Yaveh. BSB BSB: When they had assembled their brothers and consecrated themselves, they went in to cleanse the house of the LORD, according to the command of the king by the words of the LORD.
16 ULB Niditra tao amin'ny efitra anatin'ny tranon'i Yaveh ireo mpisorona mba hanadio izany; nentin'izy ireo nivoaka ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Yaveh tao an-kianjan'ny trano. Nalain'ireo Levita izany mba hanalana izany ao an-dohasahan-driakan'i Kidrona. BSB BSB: So the priests went inside the house of the LORD to cleanse it, and they brought out to the courtyard all the unclean things that they found in the temple of the LORD. Then the Levites took these things and carried them out to the Kidron Valley.
17 ULB Ary natombok'izy ireo ny fanamasinana tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany. Ary tamin'ny andro fahavalon'ny volana dia nihazo teo amin'ny lavarangan'i Yaveh izy ireo. Ary nandritry ny valo andro hafa ihany koa dia nanamasina ny tranon'i Yaveh izy ireo. Tamin'ny andro fahenina ambin'ny folon'ny volana voalohany dia vitan'izy ireo izany. BSB BSB: They began the consecration on the first day of the first month, and on the eighth day of the month they reached the portico of the LORD. For eight more days they consecrated the house of the LORD itself, finishing on the sixteenth day of the first month.
18 ULB Avy eo izy ireo nandeha tany amin'i Hezekia, ilay mpanjaka, tao amin'ny lapa ary niteny hoe: "Efa nanadio ny tranon'i Yaveh manontolo izahay, ny alitara ho an'ireo fanatitra dorana miaraka amin'ny fampiharany rehetra, sy ny latabatry ny mofon'ny fanatrehana, miaraka amin'ny fampiharany rehetra. BSB BSB: Then they went in to King Hezekiah and reported, “We have cleansed the entire house of the LORD, the altar of burnt offering with all its utensils, and the table of the showbread with all its utensils.
19 ULB Koa efa niomana izahay ary efa nohamasininay ireo fitaovana rehetra izay nesorin'i Ahaza mpanjaka fony niasa tsy am-pahatokiana nandritry ny fanjakany izy. Indro, eo anatrehan'ny alitaran'i Yaveh ireo." BSB BSB: Moreover, we have prepared and consecrated all the articles that King Ahaz in his unfaithfulness cast aside during his reign. They are now in front of the altar of the LORD.”
20 ULB Avy eo Hezekia mpanjaka nifoha maraina ary namory ireo mpitariky ny tanàna; nandeha niakatra tany amin'ny tranon'i Yaveh izy. BSB BSB: Early the next morning King Hezekiah gathered the city officials and went up to the house of the LORD.
21 ULB Nitondra omby lahy fito, ondrilahy fito, zanak'ondry fito, ary osilahy fito ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ny fanjakana, ho an'ny fitoerana masina, ary ho an'i Joda izy ireo. Nandidy an'ireo mpisorona, ireo zanaka lahin'i Arona izy, mba hanatitra ireo eo amin'ny alitaran'i Yaveh. BSB BSB: They brought seven bulls, seven rams, seven lambs, and seven male goats as a sin offering for the kingdom, for the sanctuary, and for Judah. And the king commanded the priests, the descendants of Aaron, to offer them on the altar of the LORD.
22 ULB Koa dia novonoin'izy ireo ny omby, ary noraisin'ireo mpisorona ny rà ka nafafiny teo amin'ny alitara. Novonoin'izy ireo ny ondry lahy ary nafafiny teo amin'ny alitara ny rà; novonoin'izy ireo ihany koa ireo zanak'ondry ary nafafiny teo amin'ny alitara ny rà. BSB BSB: So they slaughtered the bulls, and the priests took the blood and splattered it on the altar. They slaughtered the rams and splattered the blood on the altar. And they slaughtered the lambs and splattered the blood on the altar.
23 ULB Nentin'izy ireo teo anoloan'ny mpanjaka sy ny fivondronana ireo osilahy ho fanatitra nohon'ny ota; napetrak'izy ireo teo amin'izany ny tanany. BSB BSB: Then they brought the goats for the sin offering before the king and the assembly, who laid their hands on them.
24 ULB Novonoin'ireo mpisorona izany, ary nanao fanatitra nohon'ny ota tamin'ny ràn'ireo teo amin'ny alitara mba hanaovana fanavotana ho an'Israely izy ireo, satria nandidy ny mpanjaka fa tokony hisy fanatitra dorana sy fanatitra nohon'ny ota hatao ho an'Israely manontolo. BSB BSB: And the priests slaughtered the goats and put their blood on the altar for a sin offering, to make atonement for all Israel, because the king had ordered the burnt offering and the sin offering for all Israel.
25 ULB Napetrak'i Hezekia tao amin'ny tranon'i Yaveh niaraka tamin'ny kipantsona, harpa, ary lokanga ireo Levita, nalahany araka ny baikon'i Davida, Gada, ilay mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana, ilay mpaminany, satria avy amin'i Yaveh tamin'ny alalan'ireo mpaminaniny ny baiko. BSB BSB: Hezekiah stationed the Levites in the house of the LORD with cymbals, harps, and lyres according to the command of David, of Gad the king’s seer, and of Nathan the prophet. For the command had come from the LORD through His prophets.
26 ULB Nijoro niaraka tamin'ireo zava-manenon'i Davida ireo Levita, ary ireo mpisorona niaraka tamin'ireo trompetra. BSB BSB: The Levites stood with the instruments of David, and the priests with the trumpets.
27 ULB Nandidy azy ireo mba hanolotra ilay fanatitra dorana ho eo amin'ny alitara i Hezekia. Rehefa nanomboka ny fanatitra dorana, dia nanomboka ihany koa ny hiran'i Yaveh, niaraka tamin'ireo trompetra, mbamin'ireo zava-manenon'i Davida, mpanjakan'Israely. BSB BSB: And Hezekiah ordered that the burnt offering be sacrificed on the altar. When the burnt offering began, the song of the LORD and the trumpets began as well, accompanied by the instruments of David king of Israel.
28 ULB Nihoby avokoa ny fiangonana rehetra, nihira ireo mpihira, ary nitsoka ireo mpampaneno trompetra; nitohy hatrany ireo rehetra ireo ambara-pahavitan'ny fanatitra dorana. BSB BSB: The whole assembly was worshiping, the singers were singing, and the trumpeters were playing. All this continued until the burnt offering was completed.
29 ULB Rehefa vitan'izy ireo ny fanatitra, dia niankohoka sy nitsaoka ny mpanjaka sy ireo rehetra izay nanatrika niaraka taminy. BSB BSB: When the offerings were completed, the king and all those present with him bowed down and worshiped.
30 ULB Ankoatra izany, Hezekia, ilay mpanjaka, sy ireo mpitarika dia nandidy an'ireo Levita mba hihira fiderana ho an'i Yaveh tamin'ny tenin'i Davida sy Asafa mpahita. Nihira fiderana tamim-pifaliana izy ireo, ary niankohoka sy nidera. BSB BSB: Then King Hezekiah and his officials ordered the Levites to sing praises to the LORD in the words of David and of Asaph the seer. So they sang praises with gladness and bowed down and worshiped.
31 ULB Dia hoy Hezekia hoe: "Ankehitriny dia nanamasina ny tenanareo ho an'i Yaveh ianareo. Avia eto ka ento ho ao an-tranon'i Yaveh ireo sorona sy ireo fanati-pisaorana." Nentin'ny fiangonana ireo sorona sy ireo fanati-pisaorana, ary ireo rehetra izay nanana fo feno finiavana dia nitondra fanatitra dorana. BSB BSB: Then Hezekiah said, “Now that you have consecrated yourselves to the LORD, come near and bring sacrifices and thank offerings to the house of the LORD.” So the assembly brought sacrifices and thank offerings, and all whose hearts were willing brought burnt offerings.
32 ULB Ombilahy fitopolo, ondrilahy zato, ary zanak'ondry lahy roanjato no isan'ireo fanatitra dorana nentin'ny fiangonana. Ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh avokoa ireo rehetra ireo. BSB BSB: The number of burnt offerings the assembly brought was seventy bulls, a hundred rams, and two hundred lambs; all these were for a burnt offering to the LORD.
33 ULB Omby eninjato sy ondry telo arivo ireo fanatitra voahasina. BSB BSB: And the consecrated offerings were six hundred bulls and three thousand sheep.
34 ULB Fa vitsy loatra ireo mpisorona raha hanendaka ny hoditr'ireo fanatitra dorana, ka dia nanampy azy ireo ny rahalahiny, ireo Levita, ambara-pahavitan'ny asa, ary ambara-pahafahan'ireo mpisorona nanamasina ny tenan'izy ireo, fa nitandrina ny hanamasina ny tenan'izy ireo kokoa noho ireo mpisorona ireo Levita. BSB BSB: However, since there were not enough priests to skin all the burnt offerings, their Levite brothers helped them until the work was finished and until the priests had consecrated themselves. For the Levites had been more diligent in consecrating themselves than the priests had been.
35 ULB Fanampin'izany, dia nisy fanatitra dorana maro be; nampiarahana tamin'ny saboran'ny fanati-pihombonana ireo, ary nisy fanatitra sotroina ho an'ny fanatitra dorana rehetra. Koa dia nilamina tsara ny fanompoana tao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: Furthermore, the burnt offerings were abundant, along with the fat of the peace offerings and the drink offerings for the burnt offerings. So the service of the house of the LORD was established.
36 ULB Niravoravo Hezekia, ary ny vahoaka rehetra ihany koa, noho izay efa nomanin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria vita vetivety ny asa. BSB BSB: Then Hezekiah and all the people rejoiced at what God had prepared for the people, because everything had been accomplished so quickly.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.