1 ULB Nandefa iraka tamin'Israely sy Joda rehetra i Hezekia, ary koa nanoratra taratasy ho an'i Efraima sy Manase, fa tokony ho tonga ao an-tranon'i Yaveh any Jerosalema izy ireo, mba hankalaza ny Paska ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: Then Hezekiah sent word throughout all Israel and Judah, and he also wrote letters to Ephraim and Manasseh inviting them to come to the house of the LORD in Jerusalem to keep the Passover of the LORD, the God of Israel.
2 ULB Fa ny mpanjaka, ireo mpitariny, sy ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra, nanapa-kevitra ny hankalaza ny Paska amin'ny volana faharoa. BSB BSB: For the king and his officials and the whole assembly in Jerusalem had decided to keep the Passover in the second month,
3 ULB Tsy afaka nankalaza izany teo no ho eo anefa izy ireo, satria tsy ampy ireo mpisorona izay nanamasina ny tenan'izy ireo, na ny olona izay niara nivory tany Jerosalema. BSB BSB: since they had been unable to keep it at the regular time, because not enough priests had consecrated themselves and the people had not been gathered in Jerusalem.
4 ULB Toa marina teo imason'ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany tolo-kevitra izany. BSB BSB: This plan pleased the king and the whole assembly.
5 ULB Ka nanaiky ny hanao fanambarana manerana an'Israely manontolo izy ireo, hatrany Beriseba ka hatrany Dana, fa ny vahoaka dia tokony ho tonga hankalaza ny Paska ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tao Jerosalema. Fa izy ireo dia tsy nitandrina izany niaraka tamin'ny vahoaka maro an'isa, araka izay voasoratra. BSB BSB: So they established a decree to circulate a proclamation throughout Israel, from Beersheba to Dan, that the people should come to keep the Passover of the LORD, the God of Israel, in Jerusalem. For they had not observed it in great numbers as prescribed.
6 ULB Noho izany ireo iraka dia nandeha nitondra ny taratasy avy amin'ny mpanjaka sy ireo mpitariny nanerana an'Israely sy Joda rehetra, araka ny baikon'ny mpanjaka. Hoy izy ireo hoe: "Ianareo vahoakan'Israely, miverena amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Israely, mba hiverenany amin'ny sisa tavela aminareo izay tafatsoaka avy teo an-tanan'ireo mpanjakan'i Asyria. BSB BSB: At the command of the king, the couriers went throughout Israel and Judah with letters from the king and his officials, which read: “Children of Israel, return to the LORD, the God of Abraham, Isaac, and Israel, so that He may return to those of you who remain, who have escaped the grasp of the kings of Assyria.
7 ULB Aoka ianareo tsy hitovy amin'ny razambenareo na ny rahalahinareo, izay nanota tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, ka nandringanany azy ireo, araka ny hitanareo. BSB BSB: Do not be like your fathers and brothers who were unfaithful to the LORD, the God of their fathers, so that He made them an object of horror, as you can see.
8 ULB Ary aza mafy loha, tahaka ireo razambenareo; fa kosa, manolora tena ho an'i Yaveh ianareo ary midira ao amin'ny fitoerany masina, izay efa nohamasininy mandrakizay, ary manompoa an'i Yaveh Andriamanitrareo mba hiala aminareo ny firehetan'ny hatezerany. BSB BSB: Now do not stiffen your necks as your fathers did. Submit to the LORD and come to His sanctuary, which He has consecrated forever. Serve the LORD your God, so that His fierce anger will turn away from you.
9 ULB Fa raha miverina amin'i Yaveh ianareo, dia hahita fangoraham-po manoloana an'ireo izay nitondra azy ireo ho gadra ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka hiverina amin'ity tany ity izy ireo. Fa Yaveh Andriamanitrareo, dia mahari-po sy mpamindra fo, ary tsy hanafina ny tavany aminareo, raha miverina Aminy ianareo." BSB BSB: For if you return to the LORD, your brothers and sons will receive mercy in the presence of their captors and will return to this land. For the LORD your God is gracious and merciful; He will not turn His face away from you if you return to Him.”
10 ULB Ka dia lasa ireo iraka nandeha isan-tanàna nanerana ny faritr'i Efraima sy Manase, ny lalana rehetra nankany Zebolona, fa nihomehy sy naneso azy ireo ny olona. BSB BSB: And the couriers traveled from city to city through the land of Ephraim and Manasseh as far as Zebulun, but the people scorned and mocked them.
11 ULB Na izany aza, ny sasany tamin'ny lehilahin'i Aseraha sy Manase ary Zebolona dia nanetry tena ka tonga tany Jerosalema. BSB BSB: Nevertheless, some from Asher, Manasseh, and Zebulun humbled themselves and came to Jerusalem.
12 ULB Tonga tamin'i Joda ihany koa ny tanan'Andriamanitra, mba hanome fo iray azy ireo, mba hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka sy ireo mpitarika tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh. BSB BSB: Moreover, the power of God was on the people in Judah to give them one heart to obey the command of the king and his officials according to the word of the LORD.
13 ULB Vahoaka maro, fiangonana lehibe tokoa, no tafangona tany Jerosalema mba hankalaza ny firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira tamin'ny volana faharoa. BSB BSB: In the second month, a very great assembly gathered in Jerusalem to celebrate the Feast of Unleavened Bread.
14 ULB Dia nitsangana izy ireo ary naka ireo alitara izay tany Jerosalema, sy ireo alitara rehetra ho an'ny ditin-kazo manitra; natsipin'izy ireo tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona izany. BSB BSB: They proceeded to remove the altars in Jerusalem and to take away the incense altars and throw them into the Kidron Valley.
15 ULB Avy eo dia namono ny zanak'ondrin'ny Paska izy ireo tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana faharoa. Menatra ireo mpisorona sy ireo Levita, ka nanamasina ny tenany sy nitondra fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: And on the fourteenth day of the second month they slaughtered the Passover lamb. The priests and Levites were ashamed, and they consecrated themselves and brought burnt offerings to the house of the LORD.
16 ULB Nijoro teny amin'ny toerany avy araka ny fizaràny izy ireo, manaraka ireo torolalana nomena tao amin'ny lalàn'i Mosesy, ilay lehilahin'Andriamanitra. Nafafin'ireo mpisorona ny rà izay noraisiny avy tamin'ny tanan'ireo Levita. BSB BSB: They stood at their prescribed posts, according to the Law of Moses the man of God. The priests splattered the blood, which they received from the hand of the Levites.
17 ULB Satria nisy maro tamin'ny fiangonana no tsy nanamasina ny tenany. Noho izany dia namono ny zanak'ondrin'ny Paska ho an'ny olona rehetra tsy voadio sy tsy afaka nanamasina ny soron'izy ireo ho an'i Yaveh ireo Levita. BSB BSB: Since there were many in the assembly who had not consecrated themselves, the Levites were in charge of slaughtering the Passover lambs for every unclean person to consecrate the lambs to the LORD.
18 ULB Fa vahoaka marobe, maro tamin'izy ireo avy any Efraima sy Manase, Isakara sy Zebolona, no tsy nanadio ny tenan'izy, nefa nihinana ny sakafon'ny Paska ihany izy ireo, tsy araka izay fampianarana voasoratra. Dia nivavaka ho azy ireo i Hezekia, nanao hoe: "Enga anie Yaveh tsara hamindra fo ny olona rehetra BSB BSB: A large number of the people—many from Ephraim, Manasseh, Issachar, and Zebulun—had not purified themselves, yet they ate the Passover, contrary to what was written. But Hezekiah interceded for them, saying, “May the LORD, who is good, provide atonement for everyone
19 ULB izay manefy ny fony hitady an'Andriamanitra, Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny, na dia tsy voadio tamin'ny fahadiovana araka ny fenitry ny fitoerana masina aza izy." BSB BSB: who sets his heart on seeking God—the LORD, the God of his fathers—even if he is not cleansed according to the purification rules of the sanctuary.”
20 ULB Ka dia nihaino an'i Hezekiah i Yaveh ary nanasitrana ny vahoaka. BSB BSB: And the LORD heard Hezekiah and healed the people.
21 ULB Ny vahoakan'Israely izay tany Jerosalema dia nitandrina tamin-kafaliam-be ny firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira nandritry ny hafitoana. Ireo Levita sy ireo mpisorona dia nidera an'i Yaveh isan'andro isan'andro, nihira niaraka tamin'ny zava-maneno mafy ho an'i Yaveh. BSB BSB: The Israelites who were present in Jerusalem celebrated the Feast of Unleavened Bread for seven days with great joy, and the Levites and priests praised the LORD day after day, accompanied by loud instruments of praise to the LORD.
22 ULB Ary Hezekiah nampahery ireo Levita rehetra izay nahatakatra ny fanompoana an'i Yaveh. Koa dia nihinana tamim-piravoravoana nandritry ny hafitoana izy ireo, nanolotra ireo sorona ho fanati-pihombonana, ary nibebaka tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razam-ben'izy ireo. BSB BSB: And Hezekiah encouraged all the Levites who performed skillfully before the LORD. For seven days they ate their assigned portion, sacrificing peace offerings and giving thanks to the LORD, the God of their fathers.
23 ULB Ary ny fiangonana manontolo nanapa-kevitra ny hankalaza hafitoana hafa, ka nanao izany tamin-kafaliana izy ireo. BSB BSB: The whole assembly agreed to observe seven more days, so they observed seven days with joy.
24 ULB Ary Hezekia mpanjakan'i Joda nanome ombilahy arivo sy ondry fito arivo ho an'ny fiangonana ho fanatitra; ary ireo mpitarika nanome ombilahy arivo sy ondry aman'osy iray alina ho an'ny fiangonana. Mpisorona maro an'isa no nanamasina ny tenany. BSB BSB: For Hezekiah king of Judah contributed a thousand bulls and seven thousand sheep for the assembly, and the officials contributed a thousand bulls and ten thousand sheep for the assembly, and a great number of priests consecrated themselves.
25 ULB Ny fiangonan'i Joda rehetra, miaraka amin'ireo mpisorona sy ireo Levita, ary ny vahoaka rehetra izay niara-tonga avy tany Israely, ary ireo vahiny izay tonga avy tany amin'ny tanin'Israely sy ireo izay nipetraka tany Joda dia nifaly avokoa. BSB BSB: Then the whole assembly of Judah rejoiced along with the priests and Levites and the whole assembly that had come from Israel, including the foreigners who had come from Israel and those who lived in Judah.
26 ULB Ka dia nisy fifaliam-be tao Jerosalema, fa hatramin'ny fotoan'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely, dia tsy mbola nahitana tahaka izany tao Jerosalema. BSB BSB: So there was great rejoicing in Jerusalem, for nothing like this had happened there since the days of Solomon son of David king of Israel.
27 ULB Ary nitsangana sy nitso-drano ny vahoaka ireo mpisorona, sy ireo Levita. Re ny feon'izy ireo, ary ny vavak'izy ireo niakatra tany an-danitra, ilay fitoerana masina izay onenan'Andriamanitra. BSB BSB: Then the priests and the Levites stood to bless the people, and God heard their voice, and their prayer came into His holy dwelling place in heaven.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.