1 ULB Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nivoaka ho any amin'ireo tanànan'i Joda ny vahoakan'Israely rehetra izay tany ka nanorotoro ireo andrim-bato sy nanapaka ireo baon'Aseraha, ary noravan'izy ireo ny fitoerana avo sy ireo alitara tao amin'i Joda sy Benjamina, sy tao Efraima ary Manase rehetra, mandra-paharavan'izy ireo azy rehetra. Dia niverina ny vahoakan'Israely rehetra, ny tsirairay tany amin'ny fananany sy ny tanànany avy. BSB BSB: When all this had ended, the Israelites in attendance went out to the cities of Judah and broke up the sacred pillars, chopped down the Asherah poles, and tore down the high places and altars throughout Judah and Benjamin, as well as in Ephraim and Manasseh, until they had utterly destroyed them all. Then all the Israelites returned to their cities, each to his own property.
2 ULB Notendren'i Hezekia ny fizaràn'ireo mpisorona sy ireo Levita voalamina araka ny fizaràn'izy ireo, ny lehilahy tsirairay notendrena tamin'ny asany, dia ireo mpisorona sy ireo Levita. Notendreny izy ireo mba hanao ny fanatitra dorana sy fanati-pihombonana, mba hanompo, mba hanolotra fisaorana, ary mba hidera eo amin'ireo vavahadin'ny tempolin'i Yaveh. BSB BSB: Hezekiah reestablished the divisions of the priests and Levites—each of them according to their duties as priests or Levites—for the burnt offerings and peace offerings, for ministry, for giving thanks, and for singing praises at the gates of the LORD’s dwelling.
3 ULB Notendreny ihany koa ny anjaran'ny mpanjaka ho an'ny fanatitra dorana avy amin'ireo fananany manokana, izany dia, ho an'ny fanatira dorana maraina sy fanatitra dorana hariva, ary ny fanatitra dorana ho amin'ny andro sabata, ireo volana vaovao, sy ny andro firavoravoana voatendry, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Yaveh. BSB BSB: The king contributed from his own possessions for the regular morning and evening burnt offerings and for the burnt offerings on the Sabbaths, New Moons, and appointed feasts, as written in the Law of the LORD.
4 ULB Ankoatra izay, nandidy ny vahoaka izay nipetraka tany Jerosalema mba hanome anjara ho an'ireo mpisorona sy ireo Levita izy, mba hahafahan'izy ireo mifantoka amin'ny fankatoavana ny lalàn'i Yaveh. BSB BSB: Moreover, he commanded the people living in Jerusalem to make a contribution for the priests and Levites so that they could devote themselves to the Law of the LORD.
5 ULB Vantany vao nalefa ny baiko, dia nomen'ny vahoakan'Israely tamin'ny fahalala-tanana ireo voaloham-bokatry ny vary, divay vaovao, diloilo, tantely, sy ny avy amin'ireo vokatra tany an-tsaha. Nentin'izy ireo ny ampahafolon'ny zavatra rehetra; izay tena be dia be. BSB BSB: As soon as the order went out, the Israelites generously provided the firstfruits of the grain, new wine, oil, and honey, and of all the produce of the field, and they brought in an abundance—a tithe of everything.
6 ULB Ny vahoakan'Israely sy Joda izay nonina tao amin'ireo tanànan'i Joda ihany koa dia nitondra ny ampahafolon'ny biby fiompy sy ondry, ary ny ampahafolon'ireo zava-masina izay natokana ho an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary nangonin'izy ireo ho antonta izany. BSB BSB: And the Israelites and Judahites who lived in the cities of Judah also brought a tithe of their herds and flocks and a tithe of the holy things consecrated to the LORD their God, and they laid them in large heaps.
7 ULB Tamin'ny volana fahatelo no nanombohan'izy ireo nanangona ny fandraisana anjarany ho antontany, ka nofaranan'izy ireo tamin'ny volana fahafito. BSB BSB: In the third month they began building up the heaps, and they finished in the seventh month.
8 ULB Rehefa tonga ary nijery ireo antontany i Hezekia sy ireo mpitarika, dia nisaotra an'i Yaveh sy ny Israely vahoakany izy ireo. BSB BSB: When Hezekiah and his officials came and viewed the heaps, they blessed the LORD and His people Israel.
9 ULB Avy eo Hezekia nanontany an'ireo mpisorona sy ireo Levita momba ireo antontany. BSB BSB: Then Hezekiah questioned the priests and Levites about the heaps,
10 ULB Azaria, mpisoronabe, avy amin'ny fokon'i Zadoka, namaly azy ary nanao hoe: "Satria ireo vahoaka nanomboka nitondra fanatitra tao an-tranon'i Yaveh, dia nihinana izahay ka voky, ary feno ambiny, satria efa notahian'i Yaveh ny vahoakany. Ireo zavatra be dia be eto ireo no ambiny." BSB BSB: and Azariah, the chief priest of the household of Zadok, answered him, “Since the people began to bring their contributions into the house of the LORD, we have had enough to eat, and there is plenty left over, because the LORD has blessed His people; this great abundance is what is left over.”
11 ULB Dia nandidy ny hanomanana trano fitehirizana ao an-tranon'i Yaveh i Hezekia, ka dia nomanin'izy ireo izany. BSB BSB: Then Hezekiah commanded them to prepare storerooms in the house of the LORD, and they did so.
12 ULB Avy eo nentin'izy ireo tamim-pahatokiana ilay fanatitra, ny ampahafolony sy ireo zavatra izay an'i Yaveh. Konania, ilay Levita, no mpitantana nisahana ireo, ary Simey, rahalahiny, no faharoa nanampy azy. BSB BSB: And they faithfully brought in the contributions, tithes, and dedicated gifts. Conaniah the Levite was the officer in charge of them, and his brother Shimei was second.
13 ULB Jehiela, Azazia, Nahata, Asahela, Jerimota, Jozabada, Eliala, Jismakia, Mahata, ary Benaia no mpitantana teo ambany fahefan'i Konania sy Simey rahalahiny, tamin'ny fanendren'i Hezekia, mpanjaka, sy Azaria, manam-boninahitra teo amin'ny tranon'Andriamanitra. BSB BSB: Jehiel, Azaziah, Nahath, Asahel, Jerimoth, Jozabad, Eliel, Ismachiah, Mahath, and Benaiah were overseers under the authority of Conaniah and his brother Shimei, by appointment of King Hezekiah and of Azariah the chief official of the house of God.
14 ULB Kore zanaka lahin'i Jimna ilay Levita, mpiandry varavarana teo atsinanan'ny vavahady, no teo amin'ny fanatitra an-tsitrapo ho an'Andriamanitra, nisahana ny fizaràna ireo fanatitra ho an'i Yaveh sy ireo fanatitra masina indrindra. BSB BSB: Kore son of Imnah the Levite, the keeper of the East Gate, was in charge of the freewill offerings given to God, distributing the contributions to the LORD and the consecrated gifts.
15 ULB Teo ambany fahefany no nisy an'i Edena, Miamina, Jesoa, Semaia, Amaria, ary Sekania, tao amin'ny tanànan'ireo mpisorona. Nofenoin'izy ireo fahatokiana ireo anjara fanompoana, mba hanomezana ireo fanatitra ireo ho an'ny rahalahin'izy ireo isam-pizaràna, dia ny manan-danja sy ny tsy manan-danja. BSB BSB: Under his authority, Eden, Miniamin, Jeshua, Shemaiah, Amariah, and Shecaniah faithfully distributed portions to their fellow priests in their cities, according to their divisions, old and young alike.
16 ULB Nomen'izy ireo ihany koa ireo lehilahy telo taona no miakatra, izay voatanisa tao amin'ny firaketana an-tsoratr'ireo razambeny izay niditra tao an-tranon'i Yaveh, araka izay notakian'ny fanao andavanandro, mba hanao ny asa tao amin'ireo anjara fanompoany sy fizaràn'izy ireo. BSB BSB: In addition, they distributed portions to the males registered by genealogy who were three years of age or older—to all who would enter the house of the LORD for their daily duties for service in the responsibilities of their divisions—
17 ULB Nozarain'izy ireo ho an'ny mpisorona araka ny firaketana an-tsoratr'ireo razambeny, ary toy izany koa ho an'ireo Levita roapolo taona no mihoatra, araka ny asa fanompoany sy fizaràn'izy ireo. BSB BSB: and to the priests enrolled according to their families in the genealogy, as well as to the Levites twenty years of age or older, according to their responsibilities and divisions.
18 ULB Tafiditra anatin'izany ny zanany madinika, ireo vadiny, ireo zanany lahy, ary ireo zanany vavy, manerana ny fiarahamonina manontolo, satria izy ireo dia nahatoky tamin'ny fitandremana ny tenan'izy ireo ho masina. BSB BSB: The genealogy included all the little ones, wives, sons, and daughters of the whole assembly. For they had faithfully consecrated themselves as holy.
19 ULB Ho an'ireo mpisorona, dia ireo taranak'i Arona, izay tany an-tsaha tany amin'ireo zana-bohitra tao an-tanànan'izy ireo, na tany amin'ny tanàna rehetra, dia nisy lehilahy notendrena tamin'ny anarana mba hanome anjara ho an'ireo lehilahy rehetra teo amin'ireo mpisorona, sy ho an'ireo rehetra izay voatanisa tao amin'ny firaketana an-tsoratr'ireo razambeny teo amin'ireo Levita. BSB BSB: As for the priests, the descendants of Aaron, who lived on the farmlands around each of their cities or in any other city, men were designated by name to distribute a portion to every male among the priests and to every Levite listed by the genealogies.
20 ULB Nataon'i Hezekia nanerana an'i Joda rehetra izany. Notanterahiny izay tsara, marina, ary mahatoky teo imason'i Yaveh, Andriamaniny. BSB BSB: So this is what Hezekiah did throughout Judah. He did what was good and upright and true before the LORD his God.
21 ULB Isaky ny tetikasa izay natombony tao amin'ny fanompoana tao an-tranon'Andriamanitra, ny lalàna, ary ireo didy, mba hitadiavana ny Andriamaniny, dia notanterahiny tamin'ny fony manontolo izany, ka nahomby izy. BSB BSB: He acted with all his heart in every work that he began in the service of the house of God, and in the law and the commandments, in order to seek his God. And so he prospered.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.