1 ULB Taorian'ireo zavatra sy asam-pahatokiana ireo, dia tonga ary niditra tao Joda i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria. Nitoby hanafika ireo tanàna mimanda izy, izay nokasainy ho baboina. BSB BSB: After all these acts of faithfulness, Sennacherib king of Assyria came and invaded Judah. He laid siege to the fortified cities, intending to conquer them for himself.
2 ULB Rehefa hitan'i Hezekia fa efa tonga i Sankeriba ary izy nikasa hiady amin'i Jerosalema, BSB BSB: When Hezekiah saw that Sennacherib had come to make war against Jerusalem,
3 ULB dia nifampidinika tamin'ireo mpitariny sy ireo lehilahiny manam-pahefana izy ny hampiatoana ny ranon'ireo loharano izay teo ivelan'ny tanàna; dia nanampy azy hanao izany izy ireo. BSB BSB: he consulted with his leaders and mighty men about stopping up the waters of the springs outside the city, and they helped him carry it out.
4 ULB Olona maro no niangona sy nampiato ireo loharano rehetra sy ny rano mikoriana izay namakivaky ny afovoan'ny tany. Hoy izy ireo hoe: "Nahoana ny mpanjakan'i Asyria no tonga hitady rano be?" BSB BSB: Many people assembled and stopped up all the springs and the stream that flowed through the land. “Why should the kings of Assyria come and find plenty of water?” they said.
6 ULB Nametraka mpifehy miaramila teo amin'ny vahoaka izy. Nanangona azy ireo ho eo aminy teo amin'ny tany malalaka teo amin'ny vavahadin'ny tanàna izy ka niteny tamim-pampaherezana tamin'izy ireo. Hoy izy hoe: BSB BSB: Hezekiah appointed military commanders over the people and gathered the people in the square of the city gate. Then he encouraged them, saying,
7 ULB "Mahereza sy matanjaha. Aza matahotra na kivy nohon'ny mpanjakan'i Asyria sy ireo tafika rehetra miaraka aminy ianareo, fa misy olona momba antsika izay lehibe mihoatra noho ireo izay momba azy. BSB BSB: “Be strong and courageous! Do not be afraid or discouraged before the king of Assyria and the vast army with him, for there is a greater One with us than with him.
8 ULB Sandrin'ny nofo fotsiny no momba azy, fa i Yaveh, Andriamanitsika, kosa no momba antsika, mba hanampy antsika, sy hiady ny adintsika." Koa dia nampahery ny tenan'izy ireo tamin'ireo tenin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda ireo vahoaka. BSB BSB: With him is only the arm of flesh, but with us is the LORD our God to help us and to fight our battles.” So the people were strengthened by the words of Hezekiah king of Judah.
10 ULB "Izao no lazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona no hianteheranareo mba hiaretana ilay fahirano any Jerosalema? BSB BSB: “This is what Sennacherib king of Assyria says: What is the basis of your confidence, that you remain in Jerusalem under siege?
11 ULB Moa tsy mamitaka anareo ve Hezekia, mba hahatonga anareo ho fatin'ny mosary sy ny hetaheta, rehefa milaza aminareo izy hoe: 'Yaveh Andriamanitsika no hanavotra antsika eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria.'? BSB BSB: Is not Hezekiah misleading you to give you over to death by famine and thirst when he says, ‘The LORD our God will deliver us from the hand of the king of Assyria?’
12 ULB Moa ve tsy io Hezekia io ihany no nanaisotra ireo fitoerana avony sy ireo alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema hoe: 'Eo amin'ny alitara iray no tsy maintsy hanompoanareo, ary eo amin'izany no tsy maintsy handoranareo ny soronareo'? BSB BSB: Did not Hezekiah himself remove His high places and His altars and say to Judah and Jerusalem, ‘You must worship before one altar, and on it you shall burn sacrifices’?
13 ULB Fantatrareo ve izay efa nataoko sy ireo razambeko tamin'ireo vondron'olona rehetra avy amin'ireo tany hafa? Moa afaka namonjy ny tanin'izy ireo teo ambany fahefako tamin'ny fomba rehetra ve ireo andriamanitr'ireo vondron'olon'ny tany? BSB BSB: Do you not know what I and my fathers have done to all the peoples of the lands? Have the gods of these nations ever been able to deliver their land from my hand?
14 ULB Teo amin'ireo andriamanitr'ireo firenena rehetra izay naringan'ny razambeko ireo, moa nisy andriamanitra afaka ny namonjy ny vahoakany hiala teo an-tanako ve? Nahoana ny Andriamanitrareo no tokony hahavonjy anareo eo amin'ny fahefako? BSB BSB: Who among all the gods of these nations that my fathers devoted to destruction has been able to deliver his people from my hand? How then can your God deliver you from my hand?
15 ULB Koa aza avela handiso fanantenana sy hitaona anareo amin'ny alalan'izany i Hezekia. Aza mino azy, fa tsy nisy andriamanitry ny firenena na fanjakana afaka namonjy ny olony tsy ho eo an-tanako, na nanaisotra tsy ho eo an-tanan'ireo razambeko. Koa mainka fa ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tanako?" BSB BSB: So now, do not let Hezekiah deceive you, and do not let him mislead you like this. Do not believe him, for no god of any nation or kingdom has been able to deliver his people from my hand or from the hand of my fathers. How much less will your God deliver you from my hand!”
16 ULB Mbola niteny ratsy manohitra an'i Yaveh Andriamanitra sy manohitra an'i Hezekia mpanompony aza ireo mpanompon'i Sankeriba. BSB BSB: And the servants of Sennacherib spoke further against the LORD God and against His servant Hezekiah.
17 ULB Nanoratra taratasy ihany koa i Sankeriba mba hanesoana an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, ary niteny ratsy taminy. Hoy izy hoe: "Tahaka ireo andriamanitr'ireny firenen'ny tany ireny izay tsy nahavonjy ny olon'izy ireo teo an-tanako, ny Andriamanitr'i Hezekia ihany koa dia tsy hahavonjy ny olony hiala tsy ho eo an-tanako." BSB BSB: He also wrote letters mocking the LORD, the God of Israel, and saying against Him: “Just as the gods of the nations did not deliver their people from my hand, so the God of Hezekiah will not deliver His people from my hand.”
18 ULB Niantso mafy ny vahoakan'i Jerosalema izay tao amin'ny rindrina tamin'ny fitenin'ny jiosy izy ireo, hampitahorana sy hampihorohoroana azy ireo, mba hahafahan'izy ireo mambabo ilay tanàna. BSB BSB: Then the Assyrians called out loudly in Hebrew to the people of Jerusalem who were on the wall, to frighten and terrify them in order to capture the city.
19 ULB Niresaka momban'ilay Andriamanitr'i Jerosalema tahaka ny firesahan'izy ireo momba ireo andriamanitry ny olon'ny tany hafa firenena, izay asa-tanan'ny olona fotsiny ihany, izy ireo. BSB BSB: They spoke against the God of Jerusalem as they had spoken against the gods of the peoples of the earth—the work of human hands.
20 ULB Hezekia, mpanjaka, sy Isaia, mpaminany, dia nivavaka noho izany zavatra izany ka niantso mafy tany an-danitra izy. BSB BSB: In response, King Hezekiah and the prophet Isaiah son of Amoz cried out to heaven in prayer,
21 ULB Naniraka anjely i Yaveh, mba hamono ireo lehilahy mpiady, ireo mpifehy, ary ireo manam-pahefan'ny mpanjaka tao an-toby. Ka dia niverina tamin-kenatra tany an-taniny i Sankeriba. Rehefa nankany amin'ny tranon'ny andriamaniny izy, dia novonoin'ny sasany tamin'ireo zanany tamin'ny sabatra tany izy. BSB BSB: and the LORD sent an angel who annihilated every mighty man of valor and every leader and commander in the camp of the king of Assyria. So he withdrew to his own land in disgrace. And when he entered the temple of his god, some of his own sons struck him down with the sword.
22 ULB Tahaka izany no nanavotan'i Yaveh an'i Hezekia sy ireo mponin'i Jerosalema tamin'ny tanan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ary tamin'ny tanan'ireo hafa rehetra, ka nanome azy ireo fiadanana tamin'ny fomba rehetra. BSB BSB: So the LORD saved Hezekiah and the people of Jerusalem from the hands of King Sennacherib of Assyria and all others, and He gave them rest on every side.
23 ULB Maro ny nitondra fanatitra ho an'i Yaveh tany Jerosalema, sy fanomezana sarobidy ho an'i Hezekia mpanjakan'i Joda, mba hahatonga azy hisandratra teo imason'ireo firenena rehetra nanomboka tamin'izany fotoana izany. BSB BSB: Many brought offerings to Jerusalem for the LORD and valuable gifts for Hezekiah king of Judah, and from then on he was exalted in the eyes of all nations.
24 ULB Ary tamin'izany fotoana izany Hezekia dia narary efa ho faty. Nivavaka tamin'i Yaveh izy, izay niteny taminy ary nanome famantarana azy fa ho sitrana izy. BSB BSB: In those days Hezekiah became mortally ill. So he prayed to the LORD, who spoke to him and gave him a sign.
25 ULB Nefa Hezekia tsy mba namaly an'i Yaveh tamin'izay soa nomena azy, fa niavonavona ny fony. Ka dia tonga taminy, sy tamin'i Joda mbamin'i Jerosalema ny fahatezerana. BSB BSB: But because his heart was proud, Hezekiah did not repay the favor shown to him. Therefore wrath came upon him and upon Judah and Jerusalem.
26 ULB Na izany aza, dia nanetry tena tamin'ny avonavom-pony ihany Hezekia, izy sy ireo mponin'i Jerosalema, ka tsy tonga tamin'izy ireo ny hatezeran'i Yaveh nandritry ny andron'i Hezekia. BSB BSB: Then Hezekiah humbled the pride of his heart—he and the people of Jerusalem—so that the wrath of the LORD did not come upon them during the days of Hezekiah.
27 ULB Nanana harena marobe sy voninahitra tokoa i Hezekia. Nanao efi-trano fitehirizana ho an'ny volafotsy, volamena, vato sarobidy, sy ho an'ireo hanitra, ary koa ho an'ireo apinga sy ireo zava-manan-danja samy hafa karazana izy. BSB BSB: Hezekiah had very great riches and honor, and he made treasuries for his silver, gold, precious stones, spices, shields, and all kinds of valuable articles. 28 ULB Nanana trano fitehirizam-bokatra ho an'ny vary, divay vaovao, diloilo, ary trano fihinanam-bilona ho an'ireo biby fiompy karazany rehetra ihany koa izy. Nanana ondry aman'osy tao am-balany ihany koa izy. BSB BSB: He also made storehouses for the harvest of grain and new wine and oil, stalls for all kinds of livestock, and pens for the flocks.
29 ULB Fanampin'izany, nanao tanàna ho azy ihany koa izy ary nanana ondry aman'osy sy omby marobe, fa Andrimanitra nanome azy harena be indrindra. BSB BSB: He made cities for himself, and he acquired herds of sheep and cattle in abundance, for God gave him very great wealth.
31 ULB Na izany aza, ny amin'ny zavatra mahakasika ireo masoivohon'ireo andriandahin'i Babylona, izay nirahana hankany aminy mba hametra-panontaniana momba ireo izay nahafantatra, ny momban'ilay famantarana mahagaga izay efa natao teo amin'ny tany, dia nandao azy ho irery Andriamanitra, mba hitsapàna azy, ary hahafantarana izay rehetra tao am-pony. BSB BSB: And so when ambassadors of the rulers of Babylon were sent to him to inquire about the wonder that had happened in the land, God left him alone to test him, that He might know all that was in Hezekiah’s heart.
32 ULB Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Hezekia, ao anatin'izany ireo asa tsy fivadiam-panekeny, indro efa voasoratra ao amin'ny Fahitan'Isaia Mpaminany Zanaka Lahin'i Amosa ireo, sy ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely. BSB BSB: As for the rest of the acts of Hezekiah and his deeds of loving devotion, they are indeed written in the vision of the prophet Isaiah son of Amoz in the Book of the Kings of Judah and Israel.
33 ULB Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Hezekia, ka nalevin'izy ireo tany amin'ny havoana misy ireo fasan'ny taranak'i Davida izy. Nanome voninahitra azy tamin'ny fahafatesany ny Joda rehetra sy ny mponin'i Jerosalema. Ary Manase zanany lahy no tonga mpanjaka nandimby azy. BSB BSB: And Hezekiah rested with his fathers and was buried in the upper tombs of David’s descendants. All Judah and the people of Jerusalem paid him honor at his death. And his son Manasseh reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.