1 ULB Roa ambin'ny folo taona i Manase raha nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny dimy amby dimam-polo taona tany Jerosalema izy. BSB BSB: Manasseh was twelve years old when he became king, and he reigned in Jerusalem fifty-five years.
2 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ireo zavatra maharikorikon'ireo firenena izay efa nasoron'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD by following the abominations of the nations that the LORD had driven out before the Israelites.
3 ULB Fa nanangana indray ireo fitoerana avo izay noravan'i Hezekia rainy, ary nanangana ireo alitara ho an'ireo Bala izy, nanao ireo baon'Aseraha izy, ary niankohoka teo amin'ireo kintan'ny lanitra ary nanompo azy ireo. BSB BSB: For he rebuilt the high places that his father Hezekiah had torn down, and he raised up altars for the Baals and made Asherah poles. And he worshiped and served all the host of heaven.
4 ULB Nanorina alitara fanompoan-tsampy tao an-tranon'i Yaveh i Manase, na dia nandidy aza Yaveh hoe: "Any Jerosalema no itoeran'ny anarako mandrakizay." BSB BSB: Manasseh also built altars in the house of the LORD, of which the LORD had said, “My Name will remain in Jerusalem forever.”
5 ULB Nanamboatra alitara ho an'ireo kintan'ny lanitra rehetra teo amin'ny kianja roan'ny tranon'i Yaveh izy. BSB BSB: In both courtyards of the house of the LORD, he built altars to all the host of heaven.
6 ULB Nodorany tao an-dohasahan'i Ben-hinoma ireo zanany lahy. Nanao fanandroana sy sikidy izy; namaky fahitana izy; ary nandeha tany amin'ireo izay miresaka amin'ny maty sy ireo miresaka amin'ireo fanahy. Nanao zava-dratsy maro teo imason'i Yaveh izy ary niantsy ny fahatezeran'Andriamanitra. BSB BSB: He sacrificed his sons in the fire in the Valley of Ben-hinnom. He practiced sorcery, divination, and witchcraft, and consulted mediums and spiritists. He did great evil in the sight of the LORD, provoking Him to anger.
7 ULB Ny sary sokitr'i Aseraha izay namboariny, napetrany tao an-tranon'Andriamanitra izany. ny momban'io trano io no noresahan'Andriamanitra tamin'i Davida sy Solomona zanany lahy; izao no nolazainy: "Eto amin'ity trano ity sy any Jerosalema, izay efa nofidiko tamin'ny fokon'Israely rehetra, no hametrahako ny anarako mandrakizay. BSB BSB: Manasseh even took the carved image he had made and set it up in the house of God, of which God had said to David and his son Solomon, “In this temple and in Jerusalem, which I have chosen out of all the tribes of Israel, I will establish My Name forever.
8 ULB Tsy hafindrako amin'ny tany izay notendreko ho an'ny razamben'izy ireo intsony ny vahoakan'Israely, raha toa ka mitandrina izay rehetra nandidiko azy ireo, manaraka ny lalàna, fitsipika, ary ireo didy izay nomeko azy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo." BSB BSB: I will never again cause the feet of the Israelites to leave the land that I assigned to your fathers, if only they are careful to do all that I have commanded them through Moses—all the laws, statutes, and judgments.”
9 ULB Notarihan'i Manase hanao ratsy mihoatra lavitra noho ireo firenena izay efa naringan'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely i Joda sy ny mponina tao Jerosalem. BSB BSB: So Manasseh led the people of Judah and Jerusalem astray, so that they did greater evil than the nations that the LORD had destroyed before the Israelites.
10 ULB Niresaka tamin'i Manase sy tamin'ny olony i Yaveh, fa tsy niraharaha izy ireo. BSB BSB: And the LORD spoke to Manasseh and his people, but they did not listen.
12 ULB Raha tao anatin'ny fahoriana i Manase, dia nitalaho tamin'i Yaveh, Andriamaniny, ary nanetry fatratra ny tenany teo anatrehan'ny Andriamanitr'ireo razambeny. BSB BSB: And in his distress, Manasseh sought the favor of the LORD his God and earnestly humbled himself before the God of his fathers.
13 ULB Nivavaka taminy izy; ary Andriamanitra no nitalahoany, ka ren'Andriamanitra ny fitalahoany ary nentiny niverina ho any Jerosalema, tany amin'ny fanjakany izy. Ary dia fantatr'i Manase fa Yaveh no Andriamanitra. BSB BSB: And when he prayed to Him, the LORD received his plea and heard his petition. So He brought him back to Jerusalem and to his kingdom. Then Manasseh knew that the LORD is God.
14 ULB Taorian'izany, Manase dia nanamboatra manda ivelany teo amin'ny tanàn'i Davida, teo amin'ny ilany andrefan'i Gihona, tany an-dohasaha, teo amin'ny fidirana amin'ny Vavahadin-kazandrano. Nanodidina ny havoan'i Ofela izy ary nanangana ny manda ho tena avo. Nametraka mpifehy mahery fo teo amin'ny tanàna mimanda rehetran'i Joda izy. BSB BSB: After this, Manasseh rebuilt the outer wall of the City of David from west of Gihon in the valley to the entrance of the Fish Gate, and he brought it around the hill of Ophel and heightened it considerably. He also stationed military commanders in all the fortified cities of Judah.
15 ULB Nesoriny tsy ho ao an-tranon'i Yaveh ireo andriamanin-kafa, ny sampy, ary ireo alitara rehetra izay namboariny teny an-tendrombohitry ny tranon'i Yaveh sy tany Jerosalema, ary nariany tany ivelan'ny tanàna izany. BSB BSB: He removed the foreign gods and the idol from the house of the LORD, along with all the altars he had built on the temple mount and in Jerusalem, and he dumped them outside the city.
16 ULB Naoriny indray ny alitaran'i Yaveh ary nanolotra sorona ho fanati-pihombonana sy fanati-pisaorana teo izy; nandidy an'i Joda hanompo an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely izy. BSB BSB: Then he restored the altar of the LORD and sacrificed peace offerings and thank offerings on it, and he told Judah to serve the LORD, the God of Israel.
17 ULB Na izany aza, ny vahoaka dia mbola nanao sorona teo amin'ireo fitoerana avo ihany, nefa ho an'i Yaveh irery, izay Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: Nevertheless, the people still sacrificed at the high places, but only to the LORD their God.
18 ULB Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Manase, ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny, sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny taminy tamin'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, indro, voasoratra ao amin'ny asan'ireo mpanjakan'Israely izany. BSB BSB: As for the rest of the acts of Manasseh, along with his prayer to his God and the words of the seers who spoke to him in the name of the LORD, the God of Israel, they are indeed written in the Chronicles of the Kings of Israel.
19 ULB Ao anatin'izany ny tantaran'ny vavaka nataony, sy ny fihetseham-pon'Andriamanitra tamin'izany. Ao ihany koa ny fahotany sy ireo fahadisoany rehetra, ary ireo toerana izay nananganany ireo fitoerana avo sy nametrahany ireo baon'Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra, talohan'ny nanetreny ny tenany— voasoratra ao amin'ny Tantaran'ireo Mpahita izany. BSB BSB: His prayer and how God received his plea, as well as all his sin and unfaithfulness, and the sites where he built high places and set up Asherah poles and idols before he humbled himself, they are indeed written in the Records of the Seers.
20 ULB Ary nodimandry tany amin'ireo razambeny i Manase, ka nalevin'izy ireo tao an-tranony. Amona, zanany lahy, no tonga mpanjaka nandimby azy. BSB BSB: And Manasseh rested with his fathers and was buried at his palace. And his son Amon reigned in his place.
21 ULB Roa amby roapolo taona i Amona raha nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny roa taona tany Jerosalema izy. BSB BSB: Amon was twenty-two years old when he became king, and he reigned in Jerusalem two years.
22 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka izay efa nataon'i Manase, rainy. Nanao sorona ho an'ireo sarin-javatra voasokitra rehetra izay efa nataon'i Manase rainy i Amona, ary nanompo ireo izy. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD, as his father Manasseh had done. Amon served and sacrificed to all the idols that his father Manasseh had made,
23 ULB Tsy nanetry tena teo anatrehan'i Yaveh izy, tahaka izay efa nataon'i Manase rainy. Fa kosa, ity Amona ity ihany dia nanao fahadisoana betsaka kokoa. BSB BSB: but he did not humble himself before the LORD as his father Manasseh had done; instead, Amon increased his guilt.
24 ULB Nanao tetika hanohitra azy ireo mpanompony ary namono azy tao an-tranony ihany. BSB BSB: Then the servants of Amon conspired against him and killed him in his palace.
25 ULB Fa ny mponin'ny tany namono ireo rehetra izay nitetika hanohitra an'i Amona Mpanjaka, ary nataon'izy ireo ho mpanjaka nandimby azy i Josia, zanany lahy. BSB BSB: But the people of the land killed all those who had conspired against King Amon, and they made his son Josiah king in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.