1 ULB Valo taona i Josia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny iraika amby telopolo taona tao Jerosalema izy. BSB BSB: Josiah was eight years old when he became king, and he reigned in Jerusalem thirty-one years.
2 ULB Nanao izay marina teo imason'i Yaveh, sy nandeha tamin'ny lalan'i Davida razambeny, ary tsy mba nivily niankavanana na niankavia izy. BSB BSB: And he did what was right in the eyes of the LORD and walked in the ways of his father David; he did not turn aside to the right or to the left.
3 ULB Ary tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola tanora izy, dia nanomboka nitady an'ilay Andriamanitr'i Davida, razambeny. Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, dia nanomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema avy teo amin'ny fitoerana avo izy, ny baon'Aseraha, sy ny sarin-javatra voasokitra ary ny sarin-javatra vita tamin'ny vy. BSB BSB: In the eighth year of his reign, while he was still young, Josiah began to seek the God of his father David, and in the twelfth year he began to cleanse Judah and Jerusalem of the high places, the Asherah poles, the carved idols, and the cast images.
4 ULB Noravan'ny vahoaka teo anatrehany ireo alitaran'i Bala; nokapainy ny alitaran'ny ditin-kazo manitra izay teo ambonin'ireo. Notorotoroiny ireo baon'Aseraha sy ireo sarin-javatra voasikotra, ary ireo sarin-javatra vita tamin'ny vy ambara-pahatonga ireny ho vovoka. Naparitany teo amin'ny fasan'ireo izay nanao sorona ho an'izany ny vovoka. BSB BSB: Then in his presence the altars of the Baals were torn down, and he cut to pieces the incense altars that were above them. He shattered the Asherah poles, the carved idols, and the cast images, crushed them to dust, and scattered them over the graves of those who had sacrificed to them.
5 ULB Nodorany teo amin'ny alitarany ny taolan'ireo mpisorony. Tahaka izany ny fomba, nanadiovany an'i Joda sy Jerosalema. BSB BSB: Then he burned the bones of the priests on their altars. So he cleansed Judah and Jerusalem.
6 ULB Nataony tahaka izany koa ireo tanànan'i Manase, Efraima, ary Simeona, ny lalana rehetra nankany Naftaly, sy teo amin'ireo faharavana izay nanodidina izany. BSB BSB: Josiah did the same in the cities of Manasseh, Ephraim, and Simeon, as far as Naphtali, and in the ruins around them.
7 ULB Noravàny ireo alitara, nopotehiny ho tonga vovoka ireo baon'Aseraha sy ireo sarin-javatra voasokitra, ary nokapainy ny alitaran'ny ditin-kazo manitra nanerana ny tanin'Israely rehetra; niverina tany Jerosalema izy avy eo. BSB BSB: He tore down the altars and Asherah poles, crushed the idols to powder, and cut to pieces all the incense altars throughout the land of Israel. Then he returned to Jerusalem.
8 ULB Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rehefa voadion'i Josia ny tany sy ny tempoly, dia naniraka an'i Safana zanaka lahin'i Azalia, Maseia, governoran'ny tanàna, ary i Joa zanaka lahin'i Joahaza mpitantsoratra izy, mba hanamboatra indray ny tranon'i Yaveh Andriamaniny. BSB BSB: Now in the eighteenth year of his reign, in order to cleanse the land and the temple, Josiah sent Shaphan son of Azaliah, Maaseiah the governor of the city, and Joah son of Joahaz, the recorder, to repair the house of the LORD his God. 9 ULB Nankany amin'i Hilkia, mpisoronabe izy ireo, ary nanankina taminy ny vola izay nentina tao amin'ny tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ireo Levita, sy ireo mpiandry varavarana avy tamin'i Manase sy Efraima, avy tamin'ireo sisa tamin'Israely rehetra, avy tamin'i Joda sy Benjamina rehetra, ary avy tamin'ireo mponin'i Jerosalema. BSB BSB: So they went to Hilkiah the high priest and gave him the money that had been brought into the house of God, which the Levites who guarded the doors had collected from the people of Manasseh and Ephraim, from all the remnant of Israel, from all Judah and Benjamin, and from the people of Jerusalem.
10 ULB Nankinin'izy ireo tamin'ireo lehilahy izay nanara-maso ny asa teo amin'ny tempolin'i Yaveh ny vola. Ireo lehilahy ireo no nanakarama ny mpiasa izay nanamboatra sy namerina ny tempoly tamin'ny laoniny. BSB BSB: They put it into the hands of those supervising the work in the house of the LORD, who in turn gave it to the workmen restoring and repairing the house of the LORD.
11 ULB Naloan'izy ireo tamin'ireo mpandrafitra sy ireo mpanangana izany mba hividianana vato voapaika sy hazo ho fandrefesana, ary hanamboarana andry ho an'ireo rafitra izay noravan'ireo mpanjakan'i Joda sasany. BSB BSB: They also gave money to the carpenters and builders to buy dressed stone, as well as timbers for couplings and beams for the buildings that the kings of Judah had allowed to deteriorate.
12 ULB Nanao ny asa tamim-pahatokiana ireo lehilahy. Ireo mpanara-masony dia Jahata sy Obadia, ireo Levita, avy amin'ny zanaka lahin'i Merary; ary Zakaria sy Mesolama, avy amin'ireo zanaka lahin'ireo Kehatita. Ireo levita hafa, izay mpitendry zava-maneno tena mahay rehetra, mpanoro akaiky ireo mpiasa. BSB BSB: And the men did the work faithfully. The Levites overseeing them were Jahath and Obadiah, descendants of Merari, and Zechariah and Meshullam, descendants of Kohath. Other Levites, all skilled with musical instruments,
13 ULB Ireo levita ireo dia nisahana ireo izay nitondra ny fitaovan'ny trano lehibe sy ireo lehilahy rehetra izay nanao ny asa samy hafa. Nisy ihany koa ireo Levita izay mpitan-tsoratra, mpandrindra, ary mpiandry vavahady. BSB BSB: were over the laborers and supervised all who did the work, task by task. Some of the Levites were secretaries, officers, and gatekeepers.
14 ULB Rehefa navoakan'izy ireo ny vola izay nentina tao an-tranon'i Yaveh, dia hitan'i Hilkia mpisorona ny bokin'ny lalàn'i Yaveh izay nomena tamin'ny alalan'i Mosesy. BSB BSB: While they were bringing out the money that had been taken into the house of the LORD, Hilkiah the priest found the Book of the Law of the LORD given by Moses.
15 ULB Hoy Hilkia tamin'i Safana mpanora-dalàna hoe: "Hitako tao an-tranon'i Yaveh ny bokin'ny lalàna." Nentin'i Hilkia tany amin'i Safana ilay boky. BSB BSB: And Hilkiah said to Shaphan the scribe, “I have found the Book of the Law in the house of the LORD!” And he gave it to Shaphan.
16 ULB Nentin'i Safana tany amin'ny mpanjaka ilay boky, sady nitatitra taminy ihany koa, nanao hoe: "Ireo mpanomponao dia manao ny zavatra rehetra izay nankinina tamin'izy ireo. BSB BSB: Then Shaphan brought the book to the king and reported, “Your servants are doing all that has been placed in their hands.
17 ULB Efa noraofin'izy ireo ny vola izay hita tao an-tranon'i Yaveh, ary nomeny teo an-tanan'ireo mpanara-maso sy ireo mpiasa izany." BSB BSB: They have paid out the money that was found in the house of the LORD and have put it into the hands of the supervisors and workers.”
18 ULB Nilaza tamin'ny mpanjaka i Safana mpanora-dalàna hoe: "Nomen'i Hilkia mpisorona boky aho." Ary novakian'i Safana tamin'ny mpanjaka izany. BSB BSB: Moreover, Shaphan the scribe told the king, “Hilkiah the priest has given me a book.” And Shaphan read it in the presence of the king.
19 ULB Ary rehefa ren'ny mpanjaka ireo tenin'ny lalàna, dia nandrotika ny akanjony izy. BSB BSB: When the king heard the words of the Law, he tore his clothes
20 ULB Ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia, Ahikama zanaka lahin'i Safana, Abdona zanaka lahin'i Mika, Safana mpanora-dalàna, ary Asaia, mpanompony manokana, nanao hoe: BSB BSB: and commanded Hilkiah, Ahikam son of Shaphan, Abdon son of Micah, Shaphan the scribe, and Asaiah the servant of the king: 21 ULB "Mandehana ary anontanio ho ahy ny sitrapon'i Yaveh, ary koa ho an'ireo izay tavela any Israely sy any Joda, nohon'ny tenin'ilay boky izay efa hita. Fa lehibe izany, dia ny fahatezeran'i Yaveh izay efa nilatsaka tamintsika. Lehibe izany, noho ireo razambentsika tsy nihaino ny voalazan'ny boky ny mba hankatoavana izay voasoratra rehetra tao amin'izany." BSB BSB: “Go and inquire of the LORD for me and for those remaining in Israel and Judah concerning the words in the book that has been found. For great is the wrath of the LORD that has been poured out on us because our fathers have not kept the word of the LORD by doing all that is written in this book.”
22 ULB Ary Hilkia, sy ireo izay nodidian'ny mpanjaka, dia nankany amin'i Holda mpaminany vavy, vadin'i Saloma zanaka lahin'i Tokehata zanaka lahin'i Hasra, mpitahiry akanjon'ny fisoronana (Nonina tao Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany izy), ary tamin'izany fomba izany no niresahan'izy ireo taminy. BSB BSB: So Hilkiah and those the king had designated went and spoke to Huldah the prophetess, the wife of Shallum son of Tokhath, the son of Hasrah, the keeper of the wardrobe. She lived in Jerusalem, in the Second District.
23 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: Lazao ilay lehilahy izay naniraka anareo taty amiko hoe: BSB BSB: And Huldah said to them, “This is what the LORD, the God of Israel, says: ‘Tell the man who sent you
24 ULB 'Izao no lazain'i Yaveh: Indro, eo am-pitondrana loza eto amin'ity toerana ity sy ireo mponiny Aho, ireo ozona rehetra izay efa voasoratra tao amin'ilay boky izay efa voavakin'izy ireo teo anatrehan'ny mpanjakan'i Joda. BSB BSB: that this is what the LORD says: I am about to bring calamity on this place and on its people, according to all the curses written in the book that has been read in the presence of the king of Judah,
25 ULB Satria efa nahafoy Ahy ary efa nandoro ny ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamani-kafa izy ireo, mba hiantsiana Ahy amin'ny fahatezerana tamin'ireo zavatra rehetra nataon'izy ireo—noho izany dia hiraraka amin'ity toerana ity ny fahatezerako, ary tsy ho faty izany.' BSB BSB: because they have forsaken Me and burned incense to other gods, that they might provoke Me to anger with all the works of their hands. My wrath will be poured out upon this place and will not be quenched.’
26 ULB Fa ho an'ny mpanjakan'i Joda, izay naniraka anareo mba hanontany an'i Yaveh izay tokony hataony, dia izao no ho lazainareo aminy: 'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely milaza izao: Ny amin'ny teny izay renao, BSB BSB: But as for the king of Judah, who sent you to inquire of the LORD, tell him that this is what the LORD, the God of Israel, says: ‘As for the words that you heard,
27 ULB satria ianao dia tso-po, sy nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra rehefa renao ny teniny hamely ity toerana ity sy ireo mponiny, ary satria ianao nanetry tena teo anatrehako ary nandrotika ny akanjonao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao ihany koa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh— BSB BSB: because your heart was tender and you humbled yourself before God when you heard His words against this place and against its people, and because you have humbled yourself before Me and have torn your clothes and wept before Me, I have heard you,’ declares the LORD.
28 ULB indro, hangoniko ho eo amin'ireo razambenao ianao. Ho voaangona ao amin'ny fasanao am-piadanana ianao, ary ny masonao dia tsy hahita ny loza izay ho entiko eto amin'ity toerana ity sy ireo mponiny.'" Nentin'ireo lehilahy tany amin'ny mpanjaka izany hafatra izany. BSB BSB: ‘Now I will indeed gather you to your fathers, and you will be gathered to your grave in peace. Your eyes will not see all the calamity that I will bring on this place and on its people.’” So they brought her answer back to the king.
29 ULB Avy eo ny mpanjaka naniraka mpitondra hafatra ka namory ny loholon'i Joda sy Jerosalema rehetra. BSB BSB: Then the king summoned all the elders of Judah and Jerusalem.
30 ULB Ary niakatra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, sy ireo lehilahin'i Joda rehetra ary ireo mponin'i Jerosalema, sy ireo mpisorona, ireo Levita, ary ny vahoaka rehetra, hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. Ary novakiany tamin'izy ireo ny teny rehetran'ny bokin'ny Fanekena izay hita tao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: And he went up to the house of the LORD with all the people of Judah and Jerusalem, as well as the priests and the Levites—all the people great and small—and in their hearing he read all the words of the Book of the Covenant that had been found in the house of the LORD.
31 ULB Nitsangana teo amin'ny fitoerany ny mpanjaka ary nanao fanekena teo anatrehan'i Yaveh, fa hanaraka an'i Yaveh, sy hitandrina ireo didiny, ireo fitsipiny, ary ireo lalàny, amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ireo tenin'ny fanekena izay voasoratra ao amin'izany boky izany. BSB BSB: So the king stood by the pillar and made a covenant before the LORD to follow the LORD and to keep His commandments, decrees, and statutes with all his heart and all his soul, and to carry out the words of the covenant that were written in this book.
32 ULB Niteny tamin'ny olona rehetra izay hita tao Jerosalema sy Benjamina izy mba hanaiky ilay fanekena. Tamin'ny fankatoavana no nanaovan'ny mponin'i Jerosalema ny faneken'Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. BSB BSB: Then he had everyone in Jerusalem and Benjamin take a stand in agreement to it. So all the people of Jerusalem carried out the covenant of God, the God of their fathers.
33 ULB Nesorin'i Josia teo amin'ny tany ireo zavatra fahvetavetana rehetra izay an'ny vahoakan'Israely. Nampanompoany an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo ny olona rehetra tany Israely. Fa tamin'ny androny rehetra, dia tsy nivily tamin'ny fanarahana an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambeny izy ireo. BSB BSB: And Josiah removed all the abominations from all the lands belonging to the Israelites, and he required everyone in Israel to serve the LORD their God. Throughout his reign they did not turn aside from following the LORD, the God of their fathers.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.