1 ULB Nitandrina ny Paska ho an'i Yaveh tao Jerosalema i Josia, ary novonoin'izy ireo tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany ireo ondrin'ny Paska. BSB BSB: Then Josiah kept the Passover to the LORD in Jerusalem, and the Passover lamb was slaughtered on the fourteenth day of the first month.
2 ULB Napetrany teny amin'ny fitoerany ireo mpisorona ka nampahereziny tamin'ny asa fanompoana ny tranon'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: He appointed the priests to their duties and encouraged them in the service of the house of the LORD.
3 ULB Hoy izy tamin'ireo Levita izay nampianatra ny Israely rehetra sy izay voatokana ho an'i Yaveh hoe: "Apetraho ao amin'ny trano izay namboarin'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely ilay fiara masina. Aza lanjaina eny amin'ny sorokareo intsony izany. Ary derao Yaveh Andriamanitrareo, ary tompoy Israely vahoakany. BSB BSB: To the Levites who taught all Israel and were holy to the LORD, Josiah said: “Put the holy ark in the temple built by Solomon son of David king of Israel. It is not to be carried around on your shoulders. Now serve the LORD your God and His people Israel.
4 ULB Mifandamìna ianareo araka ny anaran'ny firazananareo sy ny fizaranareo, araka ireo toromarika nosoratan'i Davida, mpanjakan'Israely, sy ireo an'i Solomona, zanany lahy. BSB BSB: Prepare yourselves by families in your divisions, according to the instructions written by David king of Israel and Solomon his son.
5 ULB Mijoroa eny amin'ny fitoerana masina, raiso ny toeranareo sy ny fizaranareo ao amin'ny taranak'ireo rahalahinareo, ireo taranaky ny vahoaka, ary alaivo ny toeranareo sy ny fizaranareo ao amin'ny taranakin'ny razamben'ireo Levita. BSB BSB: Moreover, stand in the Holy Place by the divisions of the families of your kinsmen the lay people, and by the divisions of the families of the Levites.
6 ULB Vonoy ny ondrin'ny Paska, hamasino ny tenanareo, omano ho an'ireo rahalahinareo ny ondry, mba hatao araky ny tenin'i Yaveh izay nomena tamin'ny alalan'ny tanan'i Mosesy." BSB BSB: Slaughter the Passover lambs, consecrate yourselves, and make preparations for your fellow countrymen to carry out the word of the LORD given by Moses.”
7 ULB Nanome ondry telo alina ho an'ny vahoaka rehetra Josia ary zanak'osy tamin'ireo ondry aman'osy ho amin'ny fanatitry ny Paska ho an'ireo rehetra izay nanatrika. Nanome omby telo arivo ihany koa izy; ireo dia avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka. BSB BSB: From his own flocks and herds Josiah contributed 30,000 lambs and goats plus 3,000 bulls for the Passover offerings for all the people who were present.
8 ULB Ireo mpitariny dia nanome fanati-tsitrapo ho an'ny vahoaka, ireo mpisorona, ary ireo Levita. Hilkia, Zakaria, ary Jehiela, manam-boninahitra niandraikitra ny tranon'Andriamanitra, dia nanome zanaka biby fiompy 2. 600 sy omby telonjato ho fanatitry ny Paska ho an'ireo mpisorona. BSB BSB: His officials also contributed willingly to the people and priests and Levites. Hilkiah, Zechariah, and Jehiel, the chief officials of the house of God, gave the priests 2,600 Passover offerings and 300 bulls.
9 ULB Konania, sy Semahia ary Natanaela, rahalahiny, sy Hasabia, Jehiela, ary Jozabada, ireo lehiben'ireo Levita ihany koa, dia nanome biby fiompy kely dimy arivo sy omby diman-jato ho fanatitry ny Paska ho an'ireo Levita. BSB BSB: Additionally, Conaniah and his brothers Shemaiah and Nethanel, as well as Hashabiah, Jeiel, and Jozabad, officers of the Levites, contributed to the Levites 5,000 Passover offerings and 500 bulls.
10 ULB Koa dia vonona ny fanompoana, ary nipetraka teny amin'ny fitoerany ireo mpisorona, niaraka tamin'ireo Levita araka ny fizaran'izy ireo, ho valin'ny didin'ny mpanjaka. BSB BSB: So the service was prepared; the priests stood in their places and the Levites in their divisions according to the king’s command.
11 ULB Novonoin'izy ireo ny ondrin'ny Paska, ary nafafin'ireo mpisorona ny rà izay noraisin'izy ireo avy tamin'ny tanan'ireo Levita, ary ireo Levita nanala ny hoditr'ireo zanak'ondry. BSB BSB: And they slaughtered the Passover lambs, while the priests splattered the blood handed to them and the Levites skinned the animals.
12 ULB Nesorin'izy ireo ny fanatitra dorana, mba hizaràna ireo ho an'ireo fizaran'ny taranaky vahoaka, mba hanolorana ireo ho an'i Yaveh, araka ny voasoratra tao amin'ny Bokin'i Mosesy. Nataon'izy ireo toy izany koa ireo omby. BSB BSB: They set aside the burnt offerings to be given to the divisions of the families of the people to offer to the LORD, as it is written in the Book of Moses. And they did the same with the bulls.
13 ULB Natonon'izy ireo tamin'ny afo araka ny toromarika ireo zanak'ondrin'ny Paska. Raha ny amin'ireo fanatitra nohamasinina, dia nampangotrahan'izy ireo tao anaty vilany, vilanibe, sy fanendasana ireo, ary nolanjain'izy ireo faingana tany amin'ny vahoaka rehetra izany. BSB BSB: They roasted the Passover animals on the fire according to the regulation, and they boiled the other holy offerings in pots, kettles, and bowls and quickly brought them to all the people.
14 ULB Taorian'izany dia nanomana fanatitra ho an'ny tenan'izy ireo sy ho an'ireo mpisorona izy ireo, satria ireo mpisorona, taranak'i Arona, dia sahirana tamin'ny fanolorana ny fanatitra dorana sy ny sabora mandra-paha alin'ny andro, koa dia nanomana ireo fanatitra ho azy ireo sy ny mpisorona, taranak'i Arona, ireo Levita. BSB BSB: Afterward, they made preparations for themselves and for the priests, since the priests, the descendants of Aaron, were offering up burnt offerings and fat until nightfall. So the Levites made preparations for themselves and for the priests, the descendants of Aaron.
15 ULB Ireo mpihira, taranak'i Asafa, dia tao amin'ny toeran'izy ireo, araka ny torolalan'i Davida, Asafa, Hemana, ary Jedotona mpaminanin'ny mpanjaka, ary ireo mpiambina dia teny amin'ny vavahady rehetra. Tsy nahazo nandao ny toerany izy ireo, satria ireo Levita rahalahin'izy ireo dia nanao fanomanana ho azy ireo. BSB BSB: The singers, the descendants of Asaph, were at their stations according to the command of David, Asaph, Heman, and Jeduthun the king’s seer. And the gatekeepers at each gate did not need to leave their posts, because their fellow Levites made preparations for them.
16 ULB Noho izany, tamin'izany fotoana izany ny asa fanompoana an'i Yaveh rehetra dia notanterahina ho amin'ny fankalazana ny Paska sy hanolorana fanatitra dorana eo amin'ny alitaran'i Yaveh, araka ny nandidian'i Josia mpanjaka. BSB BSB: So on that day the entire service of the LORD was carried out for celebrating the Passover and offering burnt offerings on the altar of the LORD, according to the command of King Josiah.
17 ULB Ny vahoakan'Israely izay nanatrika dia nitandrina ny Paska tamin'izany fotoana izany, ary avy eo ny Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira nandritry ny fito andro. BSB BSB: The Israelites who were present also observed the Passover at that time, as well as the Feast of Unleavened Bread for seven days.
18 ULB Tsy mbola nisy fankalazana ny Paska toy izany tao Israely nanomboka tamin'ny andron'i Samoela mpaminany, ary tsy nisy mihitsy tamin'ireo mpanjakan'Israely hafa nankalaza ny Paska toy ny nataon'i Josia, niaraka tamin'ireo mpisorona, Levita, sy ny vahoakan'i Joda sy Israely rehetra izay nanatrika, ary ireo mponina tao Jerosalema. BSB BSB: No such Passover had been observed in Israel since the days of Samuel the prophet. None of the kings of Israel ever observed a Passover like the one that Josiah observed with the priests, the Levites, all Judah, the Israelites who were present, and the people of Jerusalem.
19 ULB Notandrovana izany Paska izany tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josia. BSB BSB: In the eighteenth year of Josiah’s reign, this Passover was observed.
21 ULB Saingy nandefa masoivoho tany aminy i Neko, nilaza hoe: "Inona no tokony hataoko anao, ry mpanjakan'i Joda? Tsy tonga hanohitra anao aho anio, fa hanohitra ny trano izay hiadiako. Nasain'Andriamanitra nandeha faingana aho, koa manindria fo amin'ny fanoherana an'Andriamanitra, izay momba ahy, raha tsy izany handringana anao Izy." BSB BSB: But Neco sent messengers to him, saying, “What is the issue between you and me, O king of Judah? I have not come against you today, but I am fighting another dynasty, and God has told me to hurry. So stop opposing God, who is with me, or He will destroy you!”
22 ULB Na izany aza, dia nandà ny handao azy Josia. Nody nanova tava izy mba hahafahany miady aminy. Tsy nihaino ireo tenin'i Neko izay avy amin'ny vavan'Andriamanitra izy; ka dia nandeha niady tany amin'ny Lohasahan'i Megido izy. BSB BSB: Josiah, however, did not turn away from him; instead, in order to engage him in battle, he disguised himself. He did not listen to Neco’s words from the mouth of God, but went to fight him on the Plain of Megiddo.
23 ULB Notifirin'ny mpandefa zana-tsipìka i Josia mpanjaka, ary hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony hoe: "Ento aho, fa tena maratra mafy." BSB BSB: There the archers shot King Josiah, who said to his servants, “Take me away, for I am badly wounded!”
24 ULB Ka dia navoakan'ireo mpanompony avy tao amin'ny kalesy izy, ary napetrany tao amin'ny fanampi-kalesiny. Nentin'izy ireo tany Jerosalema, izay nahafatesany izy. Nalevina tao amin'ny fasan'ireo razambeny izy. Nisaona an'i Josia ny Joda sy Jerosalema rehetra. BSB BSB: So his servants took him out of his chariot, put him in his second chariot, and brought him to Jerusalem, where he died. And Josiah was buried in the tomb of his fathers, and all Judah and Jerusalem mourned for him.
25 ULB Nanao hira fisaonana ho an'i Josia i Jeremia; ny mpihira lahy sy vavy rehetra dia misaona an'i Josia mandrak'ankehitriny. Ireo hira ireo dia tonga fomba tao Israely; indro, voasoratra ao amin'ny hira fisaonana ireo. BSB BSB: Then Jeremiah lamented over Josiah, and to this day all the male and female singers recite laments over Josiah. They established them as a statute for Israel, and indeed they are written in the Book of Laments.
26 ULB Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Josia, sy ireo asa tsara nataony tamin'ny fankatoavana izay voasoratra tao amin'ny lalàn'i Yaveh— BSB BSB: As for the rest of the acts of Josiah and his deeds of loving devotion according to what is written in the Law of the LORD—
27 ULB ary ireo asany, nanomboka tany am-piandohana hatramin'ny fiafarana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely. BSB BSB: his acts from beginning to end—they are indeed written in the Book of the Kings of Israel and Judah.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.