1 ULB Avy eo ny olona tao amin'ilay tany naka an'i Joahaza zanaka lahin'i Josia, ka nanao azy mpanjaka teo amin'ny toeran'ny rainy tao Jerosalema. BSB BSB: Then the people of the land took Jehoahaz son of Josiah and made him king in Jerusalem in place of his father.
2 ULB Telo amby roa-polo taona Joahaza raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka telo volana tao Jerosalema izy. BSB BSB: Jehoahaz was twenty-three years old when he became king, and he reigned in Jerusalem three months.
3 ULB Nesorin'ny mpanjakan'i Egypta tao Jerosalema izy, ary ny tany nampadoaviny talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray. BSB BSB: And the king of Egypt dethroned him in Jerusalem and imposed on Judah a levy of a hundred talents of silver and a talent of gold.
4 ULB Nataon'ny mpanjakan'i Egypta ho mpanjaka nanerana ny Joda i Eliakima rahalahiny, ary nanova ny anarany ho Joiakima. Avy eo nalainy i Joahaza rahalahin'i Eliakima ary nentiny tany Egypta. BSB BSB: Then Neco king of Egypt made Eliakim brother of Jehoahaz king over Judah and Jerusalem, and he changed Eliakim’s name to Jehoiakim. But Neco took Eliakim’s brother Jehoahaz and carried him off to Egypt.
5 ULB Dimy amby roa-polo taona i Joiakima tamin'izy nanomboka nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamaniny izy. BSB BSB: Jehoiakim was twenty-five years old when he became king, and he reigned in Jerusalem eleven years. And he did evil in the sight of the LORD his God.
6 ULB Avy eo Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanafika azy sy namatotra azy tamin'ny rojo mba hitarihana azy ho any Babylona. BSB BSB: Then Nebuchadnezzar king of Babylon came up against Jehoiakim and bound him with bronze shackles to take him to Babylon.
7 ULB Nitondra ny sasany tamin'ireo zavatra tao an-tranon'i Yaveh ihany koa Nebokadnezara, ary nametraka ireo tany amin'ny lapany tany Babylona. BSB BSB: Nebuchadnezzar also took to Babylon some of the articles from the house of the LORD, and he put them in his temple in Babylon.
8 ULB Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Joiakima, ireo zavatra mahatsiravina izay nataony, sy izay hita nanohitra azy, dia indro, voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely ireny. Ary Joiakina, zanany lahy, no tonga mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: As for the rest of the acts of Jehoiakim, the abominations he committed, and all that was found against him, they are indeed written in the Book of the Kings of Israel and Judah. And his son Jehoiachin reigned in his place.
9 ULB Valo taona Joiakima tamin'izy nanomboka nanjaka; nanjaka telo volana sy folo andro tao Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. BSB BSB: Jehoiachin was eighteen years old when he became king, and he reigned in Jerusalem three months and ten days. And he did evil in the sight of the LORD.
10 ULB Tamin'ny lohataona, dia naniraka lehilahy i Nebokadnezara ary nitondra azy tany Babylona, niaraka tamin'ireo zavatra sarobidy avy tao an-tranon'i Yaveh, ary nanao an'i Zedekia, havany, ho mpanjaka nanerana an'i Joda sy Jerosalema. BSB BSB: In the spring, King Nebuchadnezzar summoned Jehoiachin and brought him to Babylon, along with the articles of value from the house of the LORD. And he made Jehoiachin’s relative Zedekiah king over Judah and Jerusalem.
11 ULB Iraika amby roa-polo taona Zedekia tamin'izy nanomboka nanjaka; nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. BSB BSB: Zedekiah was twenty-one years old when he became king, and he reigned in Jerusalem eleven years.
12 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamaniny izy. Ary tsy nanetry tena nanoloana an'i Jeremia mpaminany, izay niteny tamin'ny vavan'i Yaveh izy. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD his God and did not humble himself before Jeremiah the prophet, who spoke for the LORD.
13 ULB Zedekia ihany koa dia nikomy tamin'i Nebokadnezara, izay nampianiana azy tsy fivadihana taminy tamin'ny alalan'Andriamanitra. Kanefa zedekia nanenjana ny hatony ary nanamafy ny fony mba tsy hitodika amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: He also rebelled against King Nebuchadnezzar, who had made him swear by God. But Zedekiah stiffened his neck and hardened his heart against turning to the LORD, the God of Israel.
14 ULB Fanampin'izany, ireo mpitariky ny mpisorona sy ny vahoaka dia tsy nahatoky tanteraka, ary nanaraka ny fomba mahatsiravin'ireo firenena izy ireo. Nolotoin'izy ireo ny tranon'i Yaveh izay nohamasininy tany Jerosalema. BSB BSB: Furthermore, all the leaders of the priests and the people multiplied their unfaithful deeds, following all the abominations of the nations, and they defiled the house of the LORD, which He had consecrated in Jerusalem.
15 ULB Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, dia nandefa teny foana foana tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ireo mpitondra hafany, satria nanana fangoraham-po tamin'ny vahoakany sy tamin'ny toerana nipetrahany Izy. BSB BSB: Again and again the LORD, the God of their fathers, sent word to His people through His messengers because He had compassion on them and on His dwelling place.
16 ULB Kanefa naneso ireo mpitondra hafatr'Andriamanitra izy ireo, nanao tsinontsinona ny teniny, ary naniratsira ireo mpaminaniny, mandra-piharan'ny fahatezeran'i Yaveh tamin'ny vahoakany, ambara-paha tsy nisy fanampiana ho an'izany intsony. BSB BSB: But they mocked the messengers of God, despising His words and scoffing at His prophets, until the wrath of the LORD against His people was stirred up beyond remedy.
17 ULB Noho izany dia nentin'Andriamanitra teo amin'izy ireo ny mpanjakan'ireo Kaldeana, izay namono ny zatovolahin'izy ireo tamin'ny sabatra tany amin'ny trano fitoerana masina, ary tsy mba nanana fangoraham-po tamin'ireo zatovolahy na ireo virijiny, na ny olona antitra na ny fotsy volo. Natolotr'Andriamanitra teo an-tanany avokoa izy rehetra. BSB BSB: So He brought up against them the king of the Chaldeans, who put their young men to the sword in the sanctuary, sparing neither young men nor young women, neither elderly nor infirm. God gave them all into the hand of Nebuchadnezzar,
18 ULB Ireo fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na lehibe na kely, ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo haren'ny mpanjaka sy ireo manam-boninahiny— nentiny tany Babylona ireo rehetra ireo. BSB BSB: who carried off everything to Babylon—all the articles of the house of God, both large and small, and the treasures of the house of the LORD and of the king and his officials.
19 ULB Nodoran'izy ireo ny tranon'Andriamanitra, narodana ny mandan'i Jerosalema, nodorana ny lapany rehetra, ary nopotehina ireo zavatra tsara tarehy rehetra tao amin'izany. BSB BSB: Then the Chaldeans set fire to the house of God and broke down the wall of Jerusalem. They burned down all the palaces and destroyed every article of value.
20 ULB Nentin'ny mpanjaka tany Babylona ireo izay tsy tratran'ny sabatra. Lasa mpanompony sy an'ireo zanany lahy izy ireo mandra-panjakan'ny fanjakan'i Persia. BSB BSB: Those who escaped the sword were carried by Nebuchadnezzar into exile in Babylon, and they became servants to him and his sons until the kingdom of Persia came to power.
21 ULB Nitranga izany mba hahatanteraka ny tenin'i Yaveh tamin'ny vavan'i Jeremia, mandra-pankafizan'ny tany ny fitsaharany amin'ny Sabata. Nanara-maso ny Sabatany izy ireo raha rava sy haolo izany, mba hiaina fito-polo taona tahaka izany. BSB BSB: So the land enjoyed its Sabbath rest all the days of the desolation, until seventy years were completed, in fulfillment of the word of the LORD spoken through Jeremiah.
23 ULB "Izao no ambaran'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, no nanome ahy ny fanjakan'ny tany rehetra. Nandidy ahy Izy mba hanangana trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Na iza na iza eo aminareo avy amin'ny vahoakany rehetra, dia homba anareo anie Yaveh Andriamanitrareo. Aoka izy hiakatra any amin'ilay tany." BSB BSB: “This is what Cyrus king of Persia says: ‘The LORD, the God of heaven, who has given me all the kingdoms of the earth, has appointed me to build a house for Him at Jerusalem in Judah. Whoever among you belongs to His people, may the LORD his God be with him, and may he go up.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.