1 ULB Paoly, apostoly iray an'i Kristy Jesosy tamin'ny sitrapon'Andriamanitra, sy Timoty rahalahintsika, ho an'ny fiangonan'Andriamanitra izay ao amin'ny Korinto, ary ho an'ireo mpino rehetra manerana ny faritry Akaia. BSB BSB: Paul, an apostle of Christ Jesus by the will of God, and Timothy our brother, To the church of God in Corinth, together with all the saints throughout Achaia:
2 ULB Ho aminareo anie ny fahasoavana ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Tompo Jesosy Kristy. BSB BSB: Grace and peace to you from God our Father and the Lord Jesus Christ.
3 ULB Ho deraina anie ny Andriamanitra sy Rain'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Izy no Rain'ny famindram-po rehetra sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra. BSB BSB: Blessed be the God and Father of our Lord Jesus Christ, the Father of compassion and the God of all comfort,
4 ULB Andriamanitra dia mampionona antsika amin'ny fahoriantsika rehetra, ka mba ahafahantsika mampionona ireo izay ao anaty fahoriana. Isika dia mampionona ireo hafa tahaka ny fampiononana izay nampiasan'Andriamanitra ampiononana antsika. BSB BSB: who comforts us in all our troubles, so that we can comfort those in any trouble with the comfort we ourselves have received from God.
5 ULB Fa tahaka ny hitomboan'ny fijalian'i Kristy nohon'ny aminay, no hitomboan'ny fampionona anay koa amin'ny alalan'i Kristy. BSB BSB: For just as the sufferings of Christ overflow to us, so also through Christ our comfort overflows.
6 ULB Fa raha nampahoriana izahay, izany dia ho an'ny fampiononana sy famonjena anareo. Ary raha nampiononona izahay, izany dia ho an'ny fampiononana anareo. Ny fampiononanareo dia mandaitra rehefa manam-paharetana hizara ireo fijaliana izay mitovy amin'ny fijalianay koa. BSB BSB: If we are afflicted, it is for your comfort and salvation; if we are comforted, it is for your comfort, which accomplishes in you patient endurance of the same sufferings we experience.
7 ULB Fa ny fahatokisanay momba anareo dia azo antoka, satria izahay dia mahafantatra fa ianareo koa dia mizara ireo fijaliana, ianareo koa dia mizara fampiononana. BSB BSB: And our hope for you is sure, because we know that just as you share in our sufferings, so also you will share in our comfort.
8 ULB Fa tsy tianay ianareo tsy ahafantatra, ry rahalahy, ny amin'ireo olana nanjo anay tany Asia. Izahay dia novesarina tanteraka mihoatran'izay tokony ho zakanay, betsaka loatra ka tsy nanantena ny hiaina ela intsony izahay. BSB BSB: We do not want you to be unaware, brothers, of the hardships we encountered in the province of Asia. We were under a burden far beyond our ability to endure, so that we despaired even of life.
9 ULB Teo aminay tokoa ny fanamelohana ho faty. Fa izany no nahatonga anay tsy hametraka ny tokinay eo amin'ny tenanay ihany, fa kosa amin'Andriamanitra izay mampitsangana ny maty. BSB BSB: Indeed, we felt we were under the sentence of death, in order that we would not trust in ourselves, but in God, who raises the dead.
10 ULB Nanavotra anay tamin'ny loza mahafaty tahaka izany Izy, ary mbola hanavotra indray. Izahay dia nametraka ny tokinay taminy fa mbola hanafaka anay indray Izy. BSB BSB: He has delivered us from such a deadly peril, and He will deliver us. In Him we have placed our hope that He will yet again deliver us,
11 ULB Izy dia hanao izany satria ianareo koa dia manampy anay amin'ny alalan'ny vavakareo. Ary maro avy eo no hanome fisaorana amin'ny anaranay noho ny tombom-pahasoavana nomena anay tamin'ny alalan'ireo vavaka ny maro. BSB BSB: as you help us by your prayers. Then many will give thanks on our behalf for the favor shown us in answer to their prayers.
12 ULB Izahay dia mirehareha amin'izao: fijoroana vavolombelona ny amin'ny feon'ny fieritreretanay. Fa tamin'ny fikasana madio sy fahatsoram-po izay avy amin'Andriamanitra izay nitondranay ny tenanay ao amin'izao tontolo izao. Izahay dia nahavita izany rehetra izany ary ny ankabeazany niaraka taminareo—tsy tamin'ny fahendren'izao tontolo izao, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra. BSB BSB: For this is our boast: Our conscience testifies that we have conducted ourselves in the world, and especially in relation to you, in the holiness and sincerity that are from God—not in worldly wisdom, but in the grace of God.
13 ULB Izahay dia tsy nanoratra zavatra tsy ho voavaky na ho azonareo. Izaho dia manantena fa, BSB BSB: For we do not write you anything that is beyond your ability to read and understand. And I hope that you will understand us completely,
14 ULB satria ianareo nahazo ny momba anay amin'ny ampahany, izahay dia ho anton'ny reharehanareo amin'ny andron'ny Tompontsika Jesosy, tahaka anareo ho antony hireharehanay. BSB BSB: as you have already understood us in part, that you may boast of us just as we will boast of you in the day of our Lord Jesus.
15 ULB Satria natoky ny momba izany aho, dia te ho any aminareo aloha, mba hahafahanareo mahazo tombony amin'ny fitsidihana roa. BSB BSB: Confident of this, I planned to visit you first, so that you might receive a double blessing.
16 ULB Niomana ny hitsidika anareo rehefa teny amin'ny lalako ho any Makedonia aho. Ary avy eo dia mbola naniry hitsidika anareo indray aho tamin'ny diako avy any Makedonia, ary ny mba hanateranareo ahy teny amin'ny lalako ho any Jodia ay eo. BSB BSB: I wanted to visit you on my way to Macedonia, and to return to you from Macedonia, and then to have you help me on my way to Judea.
17 ULB Rehefa nieritreritra toy izany aho, nisalasala ve aho? Nanomana ireo zavatra ireo araka ny nofo ve aho, mba itenenako "Eny, eny" sy "Tsia, tsia" amin'ny fotoana iray ihany? BSB BSB: When I planned this, did I do it carelessly? Or do I make my plans by human standards, so as to say “Yes, yes” and also “No, no”?
18 ULB Fa satria Andriamanitra dia mahatoky, isika dia tsy afaka ny hiteny na "Eny" na "Tsia." BSB BSB: But as surely as God is faithful, our message to you is not “Yes” and “No.”
19 ULB Fa ny Zanak'Andriamanitra, Jesosy Kristy, izay nitorian'i Sylvanosy, Timoty ary izaho taminareo, dia tsy "Eny" na "Tsia." fa Izy dia niteny foana hoe "Eny." BSB BSB: For the Son of God, Jesus Christ, who was proclaimed among you by me and Silvanus and Timothy, was not “Yes” and “No,” but in Him it has always been “Yes.”
20 ULB Satria ny fampanantenan'Andriamanitra rehetra dia "Eny" avokoa ao aminy. Ka amin'ny alalany koa isika dia hiteny hoe "Amena" ho an'ny voninahitr'Andriamanitra. BSB BSB: For all the promises of God are “Yes” in Christ. And so through Him, our “Amen” is spoken to the glory of God.
21 ULB Ary Andriamanitra izay manamafy anay aminareo ao amin'i Kristy, ary Izy no naniraka antsika. BSB BSB: Now it is God who establishes both us and you in Christ. He anointed us,
22 ULB Izy dia nanisy tombo-kase tamintsika ary nanome ny Fanahy ho ao am-pontsika ho antok'izay mbola ho omeny antsika ao aoriana. BSB BSB: placed His seal on us, and put His Spirit in our hearts as a pledge of what is to come.
23 ULB Fa niantso an'Andriamanitra aho, hijoro vavolombelona ho ahy izay antony tsy nahatongavako tao Korinto mba hamindrako fo aminareo. BSB BSB: I call God as my witness that it was in order to spare you that I did not return to Corinth.
24 ULB Izany dia tsy sanatria noho izahay miezaka ny mamehy izay tokony ho finoanareo. Fa kosa, izahay dia miara-miasa aminareo amin'ny fifalianareo, satria ianareo mijoro ao amin'ny finoanareo. BSB BSB: Not that we lord it over your faith, but we are fellow workers with you for your joy, because it is by faith that you stand firm.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.