1 ULB Maniry aho mba ahafahanareo mamela ahy hanao fahadalana kely sasany. Fa tena mamela ahy tokoa ianareo! BSB BSB: I hope you will put up with a little of my foolishness, but you are already doing that.
3 ULB Fa matahotra aho fandrao, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny alalan'ny hafetseny, ny eritreritrareo dia mety hiala amin'ny fanoloran-tena amin-kitsim-po sy madio amin'i Kristy. BSB BSB: I am afraid, however, that just as Eve was deceived by the serpent’s cunning, your minds may be led astray from your simple and pure devotion to Christ.
4 ULB Fa eritrereto hoe misy olona iray tonga hitory Jesosy hafa noho ilay iray toriantsika. Na eritrereto hoe mandray Fanahy hafa noho izay raisinareo ianareo. Na eritrereto hoe mandray filazantsara hafa noho ilay iray izay noraisinareo ianareo. Mamela ireny zavatra ireny tsara ihany ianareo! BSB BSB: For if someone comes and proclaims a Jesus other than the One we proclaimed, or if you receive a different spirit than the One you received, or a different gospel than the one you accepted, you put up with it very easily.
5 ULB Satria mieritreritra aho fa tsy farany ambany noho ireo lazaina fa hoe apostoly ambony. BSB BSB: I consider myself in no way inferior to those “super-apostles.”
6 ULB Fa na dia tsy nizarana nandaha-teny aza aho, dia nizarana tamin'ny fahalalana. Tamin'ny fomba rehetra sy tamin'ireo zavatra rehetra dia nataonay ho fantatrareo izany. BSB BSB: Although I am not a polished speaker, I am certainly not lacking in knowledge. We have made this clear to you in every way possible.
7 ULB Moa nanota va aho tamin'ny fanetren-tenako mba hisandratanareo? Fa nitory ny filazantsaran' Andriamanitra maimaimpoana ho anareo aho. BSB BSB: Was it a sin for me to humble myself in order to exalt you, because I preached the gospel of God to you free of charge?
8 ULB Nandroba ireo fiangonana hafa aho tamin'ny alalan'ny fanekena fanohanana avy amin'izy ireo mba ahafahako manompo anareo. BSB BSB: I robbed other churches by accepting their support in order to serve you.
9 ULB Rehefa niaraka taminareo aho sy nila fanampiana, dia tsy nanavesatra na iza na iza. Fa ireo zavatra nilaiko dia nomen'ireo mpirahalahy izay tonga avy any Makedonia. Tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina ny tenako tsy ho enta-mavesatra aminareo aho, ary hanohy hanao izany. BSB BSB: And when I was with you and in need, I was not a burden to anyone; for the brothers who came from Macedonia supplied my needs. I have refrained from being a burden to you in any way, and I will continue to do so.
10 ULB Raha ato amiko ny fahamarinan'i Kristy, dia tsy hangina izany fireharehako izany any amin'ny faritr'i Akaia. BSB BSB: As surely as the truth of Christ is in me, this boasting of mine will not be silenced in the regions of Achaia.
11 ULB Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra mahalala. BSB BSB: Why? Because I do not love you? God knows I do!
12 ULB Ary ny zavatra ataoko dia mbola ho ataoko foana, mba mety ahafahako manala ny fitarainana nohon'ny fanakianana ahy sy ny fitarainana noho ireo izay tian'izy ireo hireharehana—fa izy ireo dia hita manao asa mitovy amin'izay ataonay. BSB BSB: But I will keep on doing what I am doing, in order to undercut those who want an opportunity to be regarded as our equals in the things of which they boast.
13 ULB Fa ny olona tahaka izany dia apostoly sandoka sy mpiasa mamitaka. Izy ireo dia manao sarintsarin'ny tenany tahaka ny apostolin'i Kristy. BSB BSB: For such men are false apostles, deceitful workers, masquerading as apostles of Christ.
14 ULB Ary izany dia tsy mahagaga, fa na ny satana aza maneho ny tenany tahaka ny anjelin'ny fahazavana. BSB BSB: And no wonder, for Satan himself masquerades as an angel of light.
15 ULB Tsy mahagaga intsony raha maneho ny tenan'izy ireo tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana ireo mpanompony. Ny anjaran'izy ireo dia izay mendrika ny asan'izy ireo. BSB BSB: It is not surprising, then, if his servants masquerade as servants of righteousness. Their end will correspond to their actions.
16 ULB Lazaiko indray hoe: "Aza avela hisy hieritreritra hoe adala aho. Fa raha manao izany ianareo, dia raiso tahaka ny adala aho ka mba hirehareha kely. BSB BSB: I repeat: Let no one take me for a fool. But if you do, then receive me as a fool, so that I too may boast a little.
17 ULB Izay lazaiko momba ity fahatokiana mirehareha ity dia tsy araka ny lazain'ny Tompo, fa miteny toy ny adala aho. BSB BSB: In this confident boasting of mine, I am not speaking as the Lord would, but as a fool.
18 ULB Fa efa maro ny olona no mirehareha araka ny nofo, dia hirehareha ihany koa aho. BSB BSB: Since many are boasting according to the flesh, I too will boast.
19 ULB Nanaiky am-pifaliana ireo adala ianareo. Dia hoe hendry ny tenanareo! BSB BSB: For you gladly put up with fools, since you are so wise.
20 ULB Fa mandefitra amin'ny olona ianareo raha manandevo anareo, mandany anareo, manararaotra anareo, mandray ny tenany ho ambony noho ianareo, na raha mamely tehamaina anareo izy. BSB BSB: In fact, you even put up with anyone who enslaves you or exploits you or takes advantage of you or exalts himself or strikes you in the face.
21 ULB Ho lazaiko amin'ny fahafaham-barakanay fa malemy loatra izahay tamin'ny fanaovana izany. Raha misy mirehareha— dia miresaka toy ny adala aho—Izaho ihany koa dia hirehareha. BSB BSB: To my shame I concede that we were too weak for that! Speaking as a fool, however, I can match what anyone else dares to boast about.
22 ULB Hebreo ve izy ireo? Izaho ihany koa. Isiraelita ve izy ireo? Izaho ihany koa. Taranak'i Abrahama ve izy ireo? Izaho ihany koa. BSB BSB: Are they Hebrews? So am I. Are they Israelites? So am I. Are they descendants of Abraham? So am I.
23 ULB Mpanompon'i Kristy ve izy ireo? (Miresaka toy ny olona very saina aho.) Mihoatra noho izany aho. Mbola niasa mafy nihoatra noho izany aza aho, tany am-ponja matetika, tamin'ny kapoka mihoatra ny fepetra, tamin'ny fiatrehana loza maro mahafaty. BSB BSB: Are they servants of Christ? (I am speaking as if I were out of my mind.) I am so much more: in harder labor, in more imprisonments, in worse beatings, in frequent danger of death.
24 ULB Avy amin'ny alalan'ireo Jiosy no nandraisako "kapoka efapolo latsaka iray" Indimy. BSB BSB: Five times I received from the Jews the forty lashes minus one.
25 ULB Intelo aho no nokapohina tamin'ny hazo. Indray aho no notoraham-bato. Intelo aho no vaky sambo. Nandany iray alina sy iray andro teny an-dranomasina aho. BSB BSB: Three times I was beaten with rods, once I was stoned, three times I was shipwrecked. I spent a night and a day in the open sea.
26 ULB Nandeha matetika aho, tamin'ny lozan'ny ony, tamin'ny lozan'ireo mpandroba, tamin'ny lozan'ny oloko manokana, tamin'ny lozan'ireo Jentilisa, tamin'ny loza tany amin'ny tanàna, tamin'ny loza tany an'efitra, tamin'ny loza tany an-dranomasina, tamin'ny loza avy amin'ireo rahalahy sandoka. BSB BSB: In my frequent journeys, I have been in danger from rivers and from bandits, in danger from my countrymen and from the Gentiles, in danger in the city and in the country, in danger on the sea and among false brothers,
27 ULB Efa tamin'ny asa mafy sy zava-tsarotra aho, tamin'ny alina tsy misy torimaso, tamin'ny hanoanana sy hetaheta, tamin'ny fifadin-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy fitanjahana. BSB BSB: in labor and toil and often without sleep, in hunger and thirst and often without food, in cold and exposure.
28 ULB Ankoatry ny zavatra hafa, misy tsindry isan'andro amiko nohon'ny fanahiako amin'ny fiangonana rehetra. BSB BSB: Apart from these external trials, I face daily the pressure of my concern for all the churches.
29 ULB Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no manafintohina, ka tsy mirehitra aho? BSB BSB: Who is weak, and I am not weak? Who is led into sin, and I do not burn with grief?
30 ULB Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia hirehareha momba izay maneho ireo fahalemeko. BSB BSB: If I must boast, I will boast of the things that show my weakness.
31 ULB Ilay Andriamanitra sy Rain'i Tompo Jesosy, ilay iray izay deraina mandrakizay, dia mahafantatra fa tsy mandainga aho! BSB BSB: The God and Father of the Lord Jesus, who is forever worthy of praise, knows that I am not lying.
32 ULB Tany Damaskosy, ny governora ambanin'i Areta mpanjaka dia niambina ny tanànan'i Damaskosy mba hisambotra ahy. BSB BSB: In Damascus, the governor under King Aretas secured the city of the Damascenes in order to arrest me.
33 ULB Fa nampidinina tamin'ny sobika teo amin'ny varavaran-kely iray teo amin'ny manda aho, ka dia nandositra ny tanany. BSB BSB: But I was lowered in a basket through a window in the wall and escaped his grasp.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.