1 ULB Izaho dia tsy maintsy mirehareha, fa tsy misy na inona na inona azo avy amin'izany. Fa izaho dia hanohy ny amin'ireo fahitana sy ireo fanambarana avy amin'ny Tompo. BSB BSB: I must go on boasting. Although there is nothing to gain, I will go on to visions and revelations from the Lord.
2 ULB Mahafantatra lehilahy ao amin'i Kristy aho izay efatra ambin'ny folo taona lasa izay—na ao amin'ny tena na ivelan'ny tena, izaho tsy mahafantatra, Andriamanitra mahafantatra—nalaina niakatra tany amin'ny lanitra faha telo. BSB BSB: I know a man in Christ who fourteen years ago was caught up to the third heaven. Whether it was in the body or out of it I do not know, but God knows.
3 ULB Ary fantatro fa io lehilahy io—na ao amin'ny tena, na ivelan'ny tena, izaho tsy mahafantatra, Andriamanitra mahafantatra— BSB BSB: And I know that this man—whether in the body or out of it I do not know, but God knows—
4 ULB dia nalaina niakatra tao amin'ny paradisa ary nandre zavatra izay tena masina loatra amin'ny olona ny hilaza azy. BSB BSB: was caught up to Paradise. The things he heard were inexpressible, things that man is not permitted to tell.
5 ULB Amin'ny anaran'ny olona tahaka izany dia hirehareha aho. Fa amin'ny anaran'ny tenako dia tsy hirehareha aho, afa-tsy ny momba ireo fahalemeko. BSB BSB: I will boast about such a man, but I will not boast about myself, except in my weaknesses.
6 ULB Raha te hirehareha aho, dia tsy ho adala aho, fa te hilaza ny marina. Fa hifehy tena amin'ny fireharehana aho, mba tsy hisy na iza na iza hihevitra ahy ho ambony noho izay hita amiko na re avy amiko. BSB BSB: Even if I wanted to boast, I would not be a fool, because I would be speaking the truth. But I refrain, so no one will credit me with more than he sees in me or hears from me,
8 ULB Intelo aho no nitalaho tamin'ny Tompo ny momba izany, mba hanaisorany izany amiko. BSB BSB: Three times I pleaded with the Lord to take it away from me.
9 ULB Fa hoy izy tamiko hoe: "Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny hery dia natao ho lafatra ao amin'ny fahalemena." aleoko mirehareha bebe kokoa ny amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy ato amiko. BSB BSB: But He said to me, “My grace is sufficient for you, for My power is perfected in weakness.” Therefore I will boast all the more gladly in my weaknesses, so that the power of Christ may rest on me.
10 ULB Noho izany finaritra noho i Kristy ao amin'ny fahalemena, amin'ny fanevatevana, amin'ny korontana, amin'ny fanenjehana ary ao amin'ny fotoan-tsarotra aho. Fa na oviana na oviana malemy aho, dia matanjaka. BSB BSB: That is why, for the sake of Christ, I delight in weaknesses, in insults, in hardships, in persecutions, in difficulties. For when I am weak, then I am strong.
11 ULB Izaho dia lasa adala! Ianareo no nanery ahy amin'izany, fa izaho dia tokony noderainareo. Fa izaho dia tsy ambany noho ireo izay antsoina hoe apostoly ambony ireo mihintsy, na dia tsinontsinona aza aho. BSB BSB: I have become a fool, but you drove me to it. In fact, you should have commended me, since I am in no way inferior to those “super-apostles,” even though I am nothing.
12 ULB Ireo famantarana marina ny maha Apostoly dia notanterahina teo aminareo tamin'ny faharetana tanteraka, famantarana sy fahagagana ary asa mahery. BSB BSB: The marks of a true apostle—signs, wonders, and miracles—were performed among you with great perseverance.
13 ULB Fa ahoana ianareo no tsy dia manan-danja noho ireo fiangonana sasany, ankoatry ny tsy maha vesatra ahy ho anareo? Mamelà ahy noho izany fahadisoana izany! BSB BSB: In what way were you inferior to the other churches, except that I was not a burden to you? Forgive me this wrong!
14 ULB Indro! Vonona ho tonga fanintelony any aminareo aho. Tsy ho vesatra ho anareo aho, fa izaho dia tsy mila izay anareo. Ianareo no ilaiko. Fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an'ireo ray aman-dreny. Fa kosa, ireo ray aman-dreny no tokony hihary ho an'ireo zanaka. BSB BSB: See, I am ready to come to you a third time, and I will not be a burden, because I am not seeking your possessions, but you. For children should not have to save up for their parents, but parents for their children.
15 ULB Izaho dia ho faly tanteraka handany sy ho laniana ho an'ny fanahinareo. Raha mitia be anareo aho, dia hotiavina kely ve izaho? BSB BSB: And for the sake of your souls, I will most gladly spend my money and myself. If I love you more, will you love me less?
16 ULB Fa na dia toy izany aza, tsy nanavesatra anareo aho. Fa, satria aho fetsisetsy be, dia izaho ilay iray izay nahazo anareo tamin'ny fitaka. BSB BSB: Be that as it may, I was not a burden to you; but crafty as I am, I caught you by trickery.
17 ULB Moa ve nanararaotra anareo tamin'ny alalan'ny olona izay nalefako taminareo aho? BSB BSB: Did I exploit you by anyone I sent you?
18 ULB Naniraka faingana an'i Titosy ho any aminareo aho, ary nalefako niaraka taminy ireo rahalahy sasany. Moa ve nanararaotra anareo i Titosy? Moa ve tsy miray lalana isika? Moa ve tsy niray dia isika? BSB BSB: I urged Titus to visit you, and I sent our brother with him. Did Titus exploit you in any way? Did we not walk in the same Spirit and follow in the same footsteps?
19 ULB Moa ve mieritreritra ianareo fa nandritra izany fotoana rehetra izany dia niaro ny tenanay taminareo izahay? Eo anatrehan'Andriamanitra, no itenenanay tao amin'i Kristy ny zavatra rehetra mba ho fampaherezana anareo. BSB BSB: Have you been thinking all along that we were making a defense to you? We speak before God in Christ, and all of this, beloved, is to build you up.
20 ULB Fa matahotra aho fandrao rehefa tonga aho dia mety tsy hahita anareo araky ny fanantenako. Matahotra aho fandrao tsy ho hitanareo araky ny fanantenanareo. Matahotra aho fa sao dia mety hisy fifandirana, fialonana, firehetan'ny hatezerana, fikasana amin'ny fitiavan-tena, fifosana, fieboeboana, ary fikorontanana. BSB BSB: For I am afraid that when I come, I may not find you as I wish, and you may not find me as you wish. I fear that there may be quarreling, jealousy, rage, rivalry, slander, gossip, arrogance, and disorder.
21 ULB Matahotra aho fandrao rehefa miverina, dia hanetry ahy eo anatrehanareo ny Andriamanitro. Matahotra aho fandrao mety halahelo ny amin'ireo maro izay nanota teo aloha, ka mbola tsy nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana feno fanirian-dratsy izay nataon'izy ireo. BSB BSB: I am afraid that when I come again, my God will humble me before you, and I will be grieved over many who have sinned earlier and have not repented of their acts of impurity, sexual immorality, and debauchery.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.