1 ULB Fantantsika fa raha rava ny fonenana eto an-tany izay itoerantsika, dia manana trano avy amin'Andriamanitra isika. Izany dia trano tsy nataon'ny tanan'olombelona, fa trano mandrakizay, any an-danitra. BSB BSB: For we know that if the earthly tent we live in is dismantled, we have a building from God, an eternal house in heaven, not built by human hands.
2 ULB Fa eto amin'ity trano-lay ity isika no misento, maniry mafy ny hitafy ny fonenatsika any an-danitra. BSB BSB: For in this tent we groan, longing to be clothed with our heavenly dwelling,
3 ULB Maniry mafy izany isika satria amin'ny fanaovantsika izany dia tsy ho hita mitanjaka isika. BSB BSB: because when we are clothed, we will not be found naked.
4 ULB Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity tokoa isika, dia misento, mavesatr'entana. Tsy te hitanjaka isika. Fa kosa, te hitafy isika, mba ho atelin'ny fiainana izay mety maty. BSB BSB: For while we are in this tent, we groan under our burdens, because we do not wish to be unclothed but clothed, so that our mortality may be swallowed up by life.
5 ULB Ilay Iray izay nanomana antsika ho amin'izany zavatra izany indrindra dia Andriamanitra, izay nanome antsika ny Fanahy ho fanambarana izay ho avy. BSB BSB: And it is God who has prepared us for this very purpose and has given us the Spirit as a pledge of what is to come.
6 ULB Noho izany dia mahatokia hatrany. Tongava saina fa rehefa ao an-trano amin'ny vatana isika, dia lavitra ny Tompo. BSB BSB: Therefore we are always confident, although we know that while we are at home in the body, we are away from the Lord.
7 ULB Fa mandeha amin'ny finoana isika, fa tsy amin'ny fahitana. BSB BSB: For we walk by faith, not by sight.
9 ULB Ka dia ataontsika tanjona izany, na any an-trano isika na lavitra izany, mba hahafinaritra Azy. BSB BSB: So we aspire to please Him, whether we are at home in this body or away from it.
10 ULB Fa isika rehetra dia tsy maintsy hiseho eo alohan'ny seza fitsaràn'i Kristy, mba mety ahazoan'ny tsirairay izay mifanaraka amin'ireo zava-bita tao amin'ny vatana, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy. BSB BSB: For we must all appear before the judgment seat of Christ, that each one may receive his due for the things done in the body, whether good or bad.
11 ULB Noho izany, ny fahafantarana ny tahotra ny Tompo, no handresentsika lahatra ny olona. Ny maha isika antsika dia hitan'Andriamanitra mazava. Antenaiko fa mazava amin'ny feon'ny fieritreretanareo ihany koa izany. BSB BSB: Therefore, since we know what it means to fear the Lord, we try to persuade men. What we are is clear to God, and I hope it is clear to your conscience as well.
12 ULB Tsy miezaka ny handresy lahatra anareo indray izahay mba hijery anay tahaka ny mahitsy fo. Fa kosa, manome antony ho anareo hirehareha nohon'ny aminay izahay, mba hanananareo valin-teny ho an'ireo izay mirehareha ny amin'ny endrika ivelany fa tsy ny amin'izay ao am-po. BSB BSB: We are not commending ourselves to you again. Instead, we are giving you an occasion to be proud of us, so that you can answer those who take pride in appearances rather than in the heart.
13 ULB Fa raha very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra izany; ary raha tonga saina tsara izahay, dia ho anareo izany. BSB BSB: If we are out of our mind, it is for God; if we are of sound mind, it is for you.
14 ULB Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria azonay antoka ny hoe: nisy olona iray maty ho an'ny rehetra, ary noho izany dia maty ny rehetra. BSB BSB: For Christ’s love compels us, because we are convinced that One died for all, therefore all died.
15 ULB Maty Izy ho an'ny rehetra, mba tsy ho velona ho an'ny tenan'izy ireo intsony ireo izay velona fa ho Azy izay maty ary natsangana nohon'ny ftiavana azy ireo. BSB BSB: And He died for all, that those who live should no longer live for themselves, but for Him who died for them and was raised again.
16 ULB Noho izany antony izany, manomboka izao dia tsy mitsara na iza na iza araka ny fomban'ny olombelona isika, na dia efa nijery an'i Kristy tahaka izany aza isika taloha. Fa ankehitriny isika dia tsy mitsara na iza na iza tahaka izany intsony. BSB BSB: So from now on we regard no one according to the flesh. Although we once regarded Christ in this way, we do so no longer.
17 ULB Noho izany, raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy. Efa lasa ireo zavatra taloha. Indreo, fa efa tonga vaovao izy ireo. BSB BSB: Therefore if anyone is in Christ, he is a new creation. The old has passed away. Behold, the new has come!
20 ULB Koa voatendry ho mpisolon-tenan'i Kristy izahay, toy ny hoe amin'ny alalanay no hanaovan'Andriamanitra ny fiantsoany. Miangavy anareo izahay, noho i Kristy: "Mihavàna amin'Andriamanitra!" BSB BSB: Therefore we are ambassadors for Christ, as though God were making His appeal through us. We implore you on behalf of Christ: Be reconciled to God.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.