1 ULB Ireo malalako, hatramin'ny nananantsika ireo teny fikasana dia aoka isika hanadio ny tenantsika amin'ny zava-drehetra izay mahatonga fahalotoana eo amin'ny vatana sy fanahintsika. Aoka isika hikatsaka ny fahamasinana amin'ny fatahorana an'Andriamanitra. BSB BSB: Therefore, beloved, since we have these promises, let us cleanse ourselves from everything that defiles body and spirit, perfecting holiness in the fear of God.
2 ULB Raiso izahay! Fa tsy nanao ratsy tamin'iza na iza. Tsy nandratra na nanararaotra na iza na iza izahay. BSB BSB: Make room for us in your hearts. We have wronged no one, we have corrupted no one, we have exploited no one.
3 ULB Tsy hanameloka anareo no hitenenako izao. Fa efa nolazaiko fa ato amponay ianareo, fa miara-maty ary miara-velona isika. BSB BSB: I do not say this to condemn you. I have said before that you so occupy our hearts that we live and die together with you.
4 ULB Manana fahatokisana lehibe anareo aho, ary mirehareha nohon'ny aminareo. Feno fampiononana aho. Mitobatobaka ny hafaliako na dia eo aza ny fampahoriana rehetra. BSB BSB: Great is my confidence in you; great is my pride in you; I am filled with encouragement; in all our troubles my joy overflows.
5 ULB Rehefa tonga tany Makedonia izahay, tsy hanam-pitsaharana ny tenanay. Noho izany, ory tamin'ny fomba rehetra izahay nohon'ny fifandirana tany ivelany, sy ny tahotra tao anaty. BSB BSB: For when we arrived in Macedonia, our bodies had no rest, but we were pressed from every direction—conflicts on the outside, fears within.
6 ULB Fa Andriamanitra, izay mpampahery ny kivy, nampahery anay tamin'ny fahatongavan'i Titosy. BSB BSB: But God, who comforts the downcast, comforted us by the arrival of Titus,
7 ULB Tsy tamin'ny alalan'ny fahatongavany fotsiny no hampaherezan'Andriamanitra antsika. Fa tamin'ny fampaherezana izay noraisin'i Titosy avy aminareo. Miteny antsika izy ny amin'ny haben'ny fitiavanareo, ny alahelonareo, ary ny fiahianareo ahy lalina. Ka hifaly mandrakizay aho. BSB BSB: and not only by his arrival, but also by the comfort he had received from you. He told us about your longing, your mourning, and your zeal for me, so that I rejoiced all the more.
8 ULB Na dia nampalahelo anareo aza ny taratasiko, dia tsy nampanenina ahy izany. Fa nanenina tamin'izany aho rehefa nahita fa nampalahelo anareo ny taratasiko. Fa nalahelo nandritra ny fotoana fohy ianareo. BSB BSB: Even if I caused you sorrow by my letter, I do not regret it. Although I did regret it—for I see that my letter caused you sorrow, but only for a short time—
9 ULB Ankehitriny dia faly aho, tsy hoe satria ory ianareo, fa satria ny alahelonareo no nitondra anareo ho amin'ny fibebahana. Ianareo dia niaina ny fahoriana ao amin'Andriamanitra, koa tsy nisy very ny nijalianareo ho anay. BSB BSB: yet now I rejoice, not because you were made sorrowful, but because your sorrow led you to repentance. For you felt the sorrow that God had intended, and so were not harmed in any way by us.
10 ULB Ny fahoriana ao amin'Andriamanitra dia mitondra amin'ny fibebahana ny mba hahatanteraka ny famonjena tsy misy fanenenana. Na izany aza, ny alahelon'izao tontolo izao, dia mitondra fahafatesana. BSB BSB: Godly sorrow brings repentance that leads to salvation without regret, but worldly sorrow brings death.
11 ULB Jereo ny vokatrin'ny halehiben'ny fikirizanareo tamin'ny fahoriana ao amin'Andriamanitra. Lehibe tokoa ny halehiben'ny fikirizana tao aminareo mba hanaporofoana fa tsy manan-tsiny ianareo. Lehibe tokoa ny halehiben'ny fahatezeranareo, ny tahotrareo, ny alahelonareo, ny zotom-ponareo, ary ny fanirianareo ahita ny fahamarinana izay tokony atao! Amin'ny zava-drehetra dia nanaporofo tamin'ny tenanareo ianareo mba tsy ho meloka amin'izany raharaha izany. BSB BSB: Consider what this godly sorrow has produced in you: what earnestness, what eagerness to clear yourselves, what indignation, what alarm, what longing, what zeal, what vindication! In every way you have proved yourselves to be innocent in this matter.
12 ULB Na dia nanoratra taminareo aza Aho, Izaho dia tsy nanoratra ho an'ireo mpanao ratsy, na ho an'ny iray izay miharitra ny ratsy. Nanoratra aho mba tokony hampahafantarana ny fahazotoanareo teo aminay eo anatrehan'Andriamanitra. BSB BSB: So even though I wrote to you, it was not on account of the one who did wrong or the one who was harmed, but rather that your earnestness on our behalf would be made clear to you in the sight of God.
13 ULB Tamin'ny alalan'izany no nampaherezana anay. Mihoatra nohon'ny fampaherezana izay efa anananay, nihoa-papana ny fifaliany nohon'ny fifalian'iTitosy, satria ny fanahiny dia velombelona noho ny aminareo rehetra. BSB BSB: On account of this, we are encouraged. In addition to our own encouragement, we were even more delighted by the joy of Titus. For his spirit has been refreshed by all of you.
14 ULB Raha toa ka nirehareha taminy ny momba anareo aho, dia tsy mba afa-baraka aho. Mifanohitra amin'izany, ireo zavatra rehetra izay noteneninay taminareo dia marina avokoa, ny fireharehanay momba anareo tamin'i Titosy dia voaporofo fa marina. BSB BSB: Indeed, I was not embarrassed by anything I had boasted to him about you. But just as everything we said to you was true, so our boasting to Titus has proved to be true as well.
15 ULB Ny fitiavany anareo dia lehibe kokoa, tahakan'ny nahatsiarovany ny fankatoavanareo rehetra, Endrey ny fandraisanareo azy tamin'ny tahotra sy hovitra. BSB BSB: And his affection for you is even greater when he remembers that you were all obedient as you welcomed him with fear and trembling.
16 ULB Faly aho satria manana fahatokiana tanteraka taminareo. BSB BSB: I rejoice that I can have complete confidence in you.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.