1 ULB Ary nanana taranaka fitopolo tany Samaria i Ahaba. Nanoratra taratasy i Jeho ka nandefa izany tany Samaria, ho an'ireo mpanapaka an'i Jezirela, tao anatin'izany ireo loholona sy ireo mpiambina ny taranak'i Ahaba, nilaza hoe: BSB BSB: Now Ahab had seventy sons in Samaria. So Jehu wrote letters and sent them to Samaria to the officials of Jezreel, to the elders, and to the guardians of the sons of Ahab, saying:
2 ULB "Eo aminareo ireo taranaky ny tomponareo, ary manana kalesy sy soavaly ary tanàna voaaro sy akanjo fiarovana ihany koa ianareo. Noho izany, raha vao tonga eo aminareo ity taratasy ity, BSB BSB: “When this letter arrives, since your master’s sons are with you and you have chariots and horses, a fortified city and weaponry,
3 ULB dia safidio izay tsara sy mendrika indrindra amin'ireo taranaky ny tomponareo ka apetraho ho eo amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ary miadia ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka tomponao." BSB BSB: select the best and most worthy son of your master, set him on his father’s throne, and fight for your master’s house.”
4 ULB Fa nihorohoro izy ireo ka nifampilaza hoe: "Indro, mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehan'i Jeho. Koa ahoana moa no hahajanonantsika?" BSB BSB: But they were terrified and reasoned, “If two kings could not stand against him, how can we?”
5 ULB Avy eo ilay lehilahy izay misahana ny lapa, sy ilay lehilahy nanapaka ny tanàna, sy ireo loholona ihany koa, ary ireo izay nitaiza ireo zaza, dia nandefa teny niverina tany amin'i Jeho, nilaza hoe: "Mpanomponao izahay. Hataonay izay rehetra handidianao anay, tsy hametraka olona ho mpanjaka izahay. Ataovy izay fantatrao fa mety eo imasonao." BSB BSB: So the palace administrator, the overseer of the city, the elders, and the guardians sent a message to Jehu: “We are your servants, and we will do whatever you say. We will not make anyone king. Do whatever is good in your sight.”
6 ULB Ary nanoratra taratasy fanindroany ho azy ireo i Jeho, nilaza hoe: "Raha miandany amiko ianareo, ary raha mihaino ny feoko ianareo, dia tsy maintsy tapahinareo ny lohan'ireo lehilahy taranaky ny tomponareo, ary mankanesa aty amiko aty Jezirela rahampitso amin'ny ora toy izao." Ankehitriny ireo taranaky ny mpanjaka, miisa fitopolo, dia niaraka tamin'ireo lehilahy manan-danja teo an-tanàna, izay nitaiza azy ireo. BSB BSB: Then Jehu wrote them a second letter and said: “If you are on my side, and if you will obey me, then bring the heads of your master’s sons to me at Jezreel by this time tomorrow.” Now the sons of the king, seventy in all, were being brought up by the leading men of the city.
7 ULB Ka rehefa tonga teo amin'izy ireo ilay taratasy, dia nalainy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka ka novonoiny, olona fitopolo, nataony tao anaty sobika ny lohan'izy ireo, ary nalefany tany amin'i Jeho tany Jezirela ireo. BSB BSB: And when the letter arrived, they took the sons of the king and slaughtered all seventy of them. They put their heads in baskets and sent them to Jehu at Jezreel.
8 ULB Nisy mpitondra hafatra tonga teo amin'i Jeho, nilaza hoe: "Efa nitondra ny lohan'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka izy ireo." Ka hoy izy: "Ataovy antontan-javatra roa ho eo amin'ny vavahady fidirana izy ireo mandra-maraina." BSB BSB: When the messenger arrived, he told Jehu, “They have brought the heads of the sons of the king.” And Jehu ordered, “Pile them in two heaps at the entrance of the gate until morning.”
9 ULB Ny maraina i Jeho dia nivoaka ka nitsangana, ary niteny tamin'ny vahoaka rehetra hoe: "Tsy manan-tsiny ianareo. Indro, nikomy tamin'ny tompoko aho ka namono azy, fa iza no namono ireto rehetra ireto? BSB BSB: The next morning, Jehu went out and stood before all the people and said, “You are innocent. It was I who conspired against my master and killed him. But who killed all these?
10 ULB Ankehitriny dia tokony ho tsapanareo tokoa fa tsy nisy tamin'ny tenin'i Yaveh, ny teny izay nolazainy mahakasika ny fianakavian'i Ahaba, hiraraka amin'ny tany, satria Yaveh no nanao araka izay nolazainy tamin'ny alalan'i Elia mpanompony." BSB BSB: Know, then, that not a word the LORD has spoken against the house of Ahab will fail, for the LORD has done what He promised through His servant Elijah.”
11 ULB Ka novonoin'i Jeho izay sisa tavela tamin'ny fianakavian'i Ahaba tany Jezirela, sy ireo lehilahy manan-danjany, ireo namany akaiky, ireo mpisorony, mandra-pahalany tamingana azy ireo. BSB BSB: So Jehu killed everyone in Jezreel who remained of the house of Ahab, as well as all his great men and close friends and priests, leaving him without a single survivor.
12 ULB Avy eo dia nitsangana i Jeho ka lasa; nankany Samaria izy. Ary raha vao tonga tao Bet-ekedan'ny mpiandry ondry izy, BSB BSB: Then Jehu set out toward Samaria. At Beth-eked of the Shepherds,
13 ULB dia nifanena tamin'ireo rahalahin'i Ahazia mpanjakan'i Joda. Hoy i Jeho tamin'izy ireo: "Iza ianareo?" Namaly izy ireo hoe: "Rahalahin'i Ahazia izahay, ary hidina mba hiarahaba ireo zanaky ny mpanjaka sy ireo zanak'i Jezebela Mpanjakavavy izahay." BSB BSB: Jehu met some relatives of Ahaziah king of Judah and asked, “Who are you?” “We are relatives of Ahaziah,” they answered, “and we have come down to greet the sons of the king and of the queen mother.”
14 ULB Hoy i Jeho tamin'ireo lehilahiny: "Ataovy sambo-belona izy ireo." Ka nataon'izy ireo sambo-belona izy ireo ary novonoiny tany amin'ny lavaka famorian-dranon'i Bet-ekda, ireo roa amby efapolo lahy. Tsy nisy navelany ho velona izy ireo. BSB BSB: Then Jehu ordered, “Take them alive.” So his men took them alive, then slaughtered them at the well of Beth-eked—forty-two men. He spared none of them.
15 ULB Rehefa niala teo i Jeho, dia nifanena tamin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba ary nanatona azy. Niarahaba azy i Jeho ka nilaza taminy hoe: "Miaraka amiko ve ny fonao, tahaka ny foko izay miaraka amin'ny anao?" Namaly i Jonadaba hoe: "Izany tokoa." Hoy i Jeho: "Raha izany tokoa no izy, dia atolory ahy ny tananao." Ka natolotr'i Jonadaba azy ny tanany, ary nampiakarin'i Jeho niaraka taminy teo amin'ny kalesiny i Jonadaba. BSB BSB: When he left there, he found Jehonadab son of Rechab, who was coming to meet him. Jehu greeted him and asked, “Is your heart as true to mine as my heart is to yours?” “It is!” Jehonadab replied. “If it is,” said Jehu, “give me your hand.” So he gave him his hand, and Jehu helped him into his chariot,
16 ULB Hoy i Jeho "Miaraha amiko ka jereo ny zotom-poko ho an'i Yaveh." Ka niara-nandeha taminy tao amin'ny kalesiny i Jonadaba. BSB BSB: saying, “Come with me and see my zeal for the LORD!” So he had him ride in his chariot.
17 ULB Raha tonga tany Samaria izy, dia novonoin'i Jeho avokoa ny taranak'i Ahaba izay sisa tavela tany Samaria, mandra-pandringanany ny fianakavian'i Ahaba mpanjaka, araka izay efa nolazaina tamin'izy ireo tany aloha tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh, izay nolazainy tamin'i Elia. BSB BSB: When Jehu came to Samaria, he struck down everyone belonging to Ahab who remained there, until he had destroyed them, according to the word that the LORD had spoken to Elijah.
18 ULB Ary nampivory ny olona rehetra niaraka i Jeho ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Ahaba dia nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa i Jeho kosa hanompo azy fatratra. BSB BSB: Then Jehu brought all the people together and said, “Ahab served Baal a little, but Jehu will serve him a lot.
19 ULB Ankehitriny ary antsoy ho eto amiko avokoa ireo mpaminan'i Bala rehetra, sy ireo mpanompo azy rehetra, ary ireo mpisorony rehetra. Aoka tsy hisy tavela, satria manana fanatitra lehibe hatolotra ho an'i Bala aho. Izay rehetra tsy tonga dia tsy ho velona." Fa nataon'i Jeho izany mba ho famitahana, tamin'ny fikasany hamono ireo mpanompon'i Bala. BSB BSB: Now, therefore, summon to me all the prophets of Baal, all his servants, and all his priests. See that no one is missing, for I have a great sacrifice for Baal. Whoever is missing will not live.” But Jehu was acting deceptively in order to destroy the servants of Baal.
20 ULB Hoy i Jeho: "Manokàna fotoana iray mba hanaovana fivoriana ho an'i Bala." Ka nambaran'izy ireo izany. BSB BSB: And Jehu commanded, “Proclaim a solemn assembly for Baal.” So they announced it.
21 ULB Ary naniraka manerana an'Israely rehetra sy ireo mpanompo an'i Bala rehetra i Jeho, mba tsy hisy olona tavela ka tsy tonga. Tonga tao amin'ny tempolin'i Bala izy ireo, ary feno na hatraiza na hatraiza. BSB BSB: Then Jehu sent word throughout Israel, and all the servants of Baal came; there was not a man who failed to show. They entered the temple of Baal, and it was filled from end to end.
22 ULB Nilaza tamin'ilay lehilahy mpitahiry ny akanjon'ny mpisorona i Jeho hoe: "Mamoaha akanjo ho an'ireo mpisoron'i Bala rehetra." Ka namoaka akanjo ho azy ireo ilay lehilahy. BSB BSB: And Jehu said to the keeper of the wardrobe, “Bring out garments for all the servants of Baal.” So he brought out garments for them.
23 ULB Ary lasa niaraka tamin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba ho ao an-tranon'i Bala i Jeho, ary hoy izy tamin'ireo mpanompon'i Bala: "Zahao, ary ataovy azo antoka fa tsy hisy avy amin'ny mpanompon'i Yaveh ny iray aminareo eto, fa mpanompon'i Bala ihany." BSB BSB: Next, Jehu and Jehonadab son of Rechab entered the temple of Baal, and Jehu said to the servants of Baal, “Look around to see that there are no servants of the LORD here among you—only servants of Baal.”
24 ULB Dia nandeha nanolotra sorona sy fanatitra dorana izy ireo. Ary nifidy lehilahy valopolo hitsangana eo ivelany i Jeho, ary hoy izy tamin'izy ireo: "Raha misy tafatsoaka amin'ireo lehilahy izay entiko eo an-tananareo, na iza na iza mamela izany olona izany handositra, dia ho esorina aminy ny ainy ho solon'ilay tafatsoaka." BSB BSB: And they went in to offer sacrifices and burnt offerings. Now Jehu had stationed eighty men outside and warned them, “If anyone allows one of the men I am delivering into your hands to escape, he will forfeit his life for theirs.”
25 ULB Ary vantany vao vitan'i Jeho ny fanolorana ny fanatitra dorana, dia hoy izy tamin'ilay mpiambina sy ireo kapiteny: "Midira ka vonoy izy ireo. Aza avela hisy ho tafavoaka." BSB BSB: When he had finished making the burnt offering, Jehu said to the guards and officers, “Go in and kill them. Do not let anyone out.” So the guards and officers put them to the sword, threw the bodies out, and went into the inner room of the temple of Baal.
26 ULB Ka novonoin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra ireo, ary ny mpiambina sy ireo kapiteny nanipy azy ireo tany ivelany ary niditra tao an'efitra anatin'ny tranon'i Bala. Notarihin'izy ireo nivoaka ny andry vato tao an-tranon'i Bala, ary nodoran'izy ireo izany. BSB BSB: They brought out the sacred pillar of the temple of Baal and burned it.
28 ULB Toy izany no nandravan'i Jeho ny fanompoana an'i Bala tany Israely. BSB BSB: Thus Jehu eradicated Baal from Israel,
29 ULB Kanefa tsy nandao ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata i Jeho, izay nampanotàny ny Israely_izay fanompona ny ombilahy kely volamena tany Betela sy Dana. BSB BSB: but he did not turn away from the sins that Jeroboam son of Nebat had caused Israel to commit—the worship of the golden calves at Bethel and Dan.
30 ULB Ka hoy i Yaveh tamin'i Jeho hoe: "Satria ianao nanao izay tsara tamin'ny fanatanterahana izay marina teo imasoko, ary nanao ny ankohonan'i Ahaba araka izay rehetra tato am-poko, ireo taranakao dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra." BSB BSB: Nevertheless, the LORD said to Jehu, “Because you have done well in carrying out what is right in My sight and have done to the house of Ahab all that was in My heart, four generations of your sons will sit on the throne of Israel.”
31 ULB Fa tsy niraraha izay handeha amin'ny lalàn'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tamin'ny fony manontolo i Jeho. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izy, izay nampanotàny ny Israely. BSB BSB: Yet Jehu was not careful to follow the instruction of the LORD, the God of Israel, with all his heart. He did not turn away from the sins that Jeroboam had caused Israel to commit.
33 ULB hatrany Jordana no ho miantsinanana, ny tanin'i Gileada rehetra, ny Gadita, ary ny Robenita, sy ny Manasita, avy any Aroera, izay avy eo amin'ny lohasahan'i Arnona, hatrany Gileada ka hatrany Basana. BSB BSB: from the Jordan eastward through all the land of Gilead (the region of Gad, Reuben, and Manasseh), and from Aroer by the Arnon Valley through Gilead to Bashan.
34 ULB Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jeho, sy izay rehetra nataony, sy ny fahefany rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Jehu, along with all his accomplishments and all his might, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
35 ULB Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jeho, ary nalevin'izy ireo tany Samaria izy. Ary i Joahaza zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy. BSB BSB: And Jehu rested with his fathers and was buried in Samaria, and his son Jehoahaz reigned in his place.
36 ULB Valo amby roapolo taona ny fotoana nanjakan'i Jeho teo amin'Israely tany Samaria. BSB BSB: So the duration of Jehu’s reign over Israel in Samaria was twenty-eight years.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.