1 ULB Niantso ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany i Elisa mpaminany ka nanao taminy hoe: "Miankanjoa ho an'ny dia, ary raiso eo an-tananao ity tavoahangy kely misy diloilo ity ary mandehana any Ramota-gileada. BSB BSB: Now Elisha the prophet summoned one of the sons of the prophets and said to him, “Tuck your cloak under your belt, take this flask of oil, and go to Ramoth-gilead.
3 ULB Ary alaivo ny tavoahangy misy diloilo ka araraho eo ambonin'ny lohany ary lazao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Efa nosorako ho mpanjaka eo amin'Israely ianao.'" Avy eo dia sokafy ny varavarana, ka mandosira; dia aza mitaredretra." BSB BSB: Then take the flask of oil, pour it on his head, and declare, ‘This is what the LORD says: I anoint you king over Israel.’ Then open the door and run. Do not delay!”
4 ULB Ary nandeha tany Ramota-gileada, ilay tovolahy, mpaminany. BSB BSB: So the young prophet went to Ramoth-gilead,
5 ULB Nony tonga izy, indreo, nipetraka ny kapitenin'ny tafika. Ary hoy ilay mpaminany zatovo: "Nitondra hafatra ho anao aho, ry kapiteny." Jeho namaly hoe: "Ho an'iza aminay izany?" Ilay mpaminany zatovo namaly hoe: "Ho anao, ry kapiteny." BSB BSB: and when he arrived, the army commanders were sitting there. “I have a message for you, commander,” he said. “For which of us?” asked Jehu. “For you, commander,” he replied.
6 ULB Ka nitsangana i Jeho ary niditra tany an-trano, ary nararak'ilay mpaminany zatovo teo ambonin'ny lohany ny diloilo ka hoy izy tamin'i Jeho: "Izao no lazain'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Efa nanosotra anao ho mpanjaka teo amin'ny olon'i Yaveh, teo amin'Israely Aho. BSB BSB: So Jehu got up and went into the house, where the young prophet poured the oil on his head and declared, “This is what the LORD, the God of Israel, says: ‘I anoint you king over the LORD’s people Israel.
7 ULB Tsy maintsy vonoinao ny fianakavian'i Ahaba tomponao, mba hamaliako faty ny ràn'ireo mpaminany mpanompoko, sy ireo ràn'ireo mpanompon'i Yaveh rehetra, izay novonoin'ny tanan'i Jezebela. BSB BSB: And you are to strike down the house of your master Ahab, so that I may avenge the blood of My servants the prophets and the blood of all the servants of the LORD shed by the hand of Jezebel.
8 ULB Fa ho ringana ny fianakavian'i Ahaba manontolo, ary ho foanako eo amin'i Ahaba ny zanaka lahy rehetra, na andevo izany na olona afaka. BSB BSB: The whole house of Ahab will perish, and I will cut off from Ahab every male, both slave and free, in Israel.
9 ULB Ho ataoko tahaka ny ankohonan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata sy tahaka ny ankohonan'i Basa zanaka lahin'i Ahia ny ankohonan'i Ahaba. BSB BSB: I will make the house of Ahab like the houses of Jeroboam son of Nebat and Baasha son of Ahijah.
10 ULB Ireo amboa no hihinana an'i Jezebela ao Jezirela, ary tsy hisy olona handevina azy.'" Ary nosokafan'ilay mpaminany ny varavarana ka nandositra izy. BSB BSB: And on the plot of ground at Jezreel the dogs will devour Jezebel, and there will be no one to bury her.’” Then the young prophet opened the door and ran.
11 ULB Ary Jeho nivoaka teo amin'ireo mpanompon'ny tompony, ary nisy iray nanao taminy hoe: "Mandeha tsara ve ny zava-drehetra? Nahoana no nankao aminao iny olona marary saina iny? Jeho namaly azy ireo hoe: "Fantatrareo iny olona iny ary fantatrareo izay zavatra lazainy." BSB BSB: When Jehu went out to the servants of his master, they asked, “Is everything all right? Why did this madman come to you?” “You know his kind and their babble,” he replied.
12 ULB Hoy izy ireo: "Lainga izany. Lazao anay." Jeho namaly hoe: "Toy izany sy izany no nolazainy tamiko, ary hoy koa izy hoe: "Izao no lazain'Yaveh: Efa nanosotra anao ho mpanjaka teo amin'Israely Aho.'" BSB BSB: “That is a lie!” they said. “Tell us now!” So Jehu answered, “He talked to me about this and that, saying, ‘This is what the LORD says: I anoint you king over Israel.’”
13 ULB Ary dia samy nanala faingana ny akanjony ivelany izy ireo ka nametraka izany teo ambanin'i Jeho teny amin'ny farany ambonin'ny tohatra. Notsofin'izy ireo ny trompetra ary hoy izy ireo hoe: "Mpanjaka i Jeho." BSB BSB: Quickly, each man took his garment and put it under Jehu on the bare steps. Then they blew the ram’s horn and proclaimed, “Jehu is king!”
14 ULB Izany no fomba nikomian'i Jeho zanaka lahin'i Josafata zanak'i Nimsy hanohitra an'i Jorama. Ary Jorama mpanjaka efa niaro an'i Ramota-gileada, izy sy ny Israely rehetra, noho i Hazaela mpanjakan'i Syria, BSB BSB: Thus Jehu son of Jehoshaphat, the son of Nimshi, conspired against Joram. (Now Joram and all Israel had been defending Ramoth-gilead against Hazael king of Aram,
15 ULB kanefa niverina tany Jezirela i Jorama mpanjaka mba ho sitrana amin'ireo ratra izay nataon'ireo Syriana azy, rehefa niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Asyria izy. Hoy i Jeho tamin'ireo mpanompon'i Jorama: "Raha izany ny hevitrareo, dia aza avela hisy olona hitsoaka ary hivoaka ny tanàna, mba hilazana izao vaovao izao any Jezirela." BSB BSB: but King Joram had returned to Jezreel to recover from the wounds he had suffered at the hands of the Arameans in the battle against Hazael their king.) So Jehu said, “If you commanders wish to make me king, then do not let anyone escape from the city to go and tell it in Jezreel.”
16 ULB Ka nitaingina kalesy nankany Jezirela i Jeho; satria naka aina tany i Jorama. Ary nandeha nidina mba hihaona amin'i Jorama i Ahazia mpanjakan'i Joda. BSB BSB: Then Jehu got into his chariot and went to Jezreel, because Joram was laid up there. And Ahaziah king of Judah had gone down to see him.
17 ULB Nitsangana teo amin'ny tilikambon'i Jezirela ny mpitily, ary hitany nanatona avy lavitra ireo naman'i Jeho; hoy izy: "Mahatazana andian'olona manatona aho." Jorama nanao hoe: "Makà mpitaingin-tsoavaly iray, ary alefaso mba hitsena azy ireo izy; lazao izy mba hiteny hoe: 'Tonga mba hihavana ve ianareo?'" BSB BSB: Now the watchman standing on the tower in Jezreel saw Jehu’s troops approaching, and he called out, “I see a company of troops!” “Choose a rider,” Joram commanded. “Send him out to meet them and ask, ‘Have you come in peace?’”
18 ULB Ka nalefa mba hitsena azy ilay mpitaingin-tsoavaly; ary hoy izy: "Izao no lazain'ny mpanjaka: 'Tonga mba hihavana ve ianareo?'" Ary hoy i Jeho: "Mpifaninona moa ianao sy ny fihavanana? Mihodina ary manaraha ahy." Ary nilaza tamin'ny mpanjaka ilay mpitily hoe: "Nihaona tamin'izy ireo ilay mpitondra hafatra, kanefa tsy niverina izy." BSB BSB: So a horseman rode off to meet Jehu and said, “This is what the king asks: ‘Have you come in peace?’” “What do you know about peace?” Jehu replied. “Fall in behind me.” And the watchman reported, “The messenger reached them, but he is not coming back.”
19 ULB Ary nandefa mpitaingin-tsoavaly iray faharoa izy, izay nankeny amin'izy ireo ka nanao hoe: "Izao no lazain'ny mpanjaka: 'Tonga mba hihavana ve ianareo?'" Jeho namaly hoe: "Mpifaninona moa ianao sy ny fihavanana? Mivilia ary manaraha ahy." BSB BSB: So the king sent out a second horseman, who went to them and said, “This is what the king asks: ‘Have you come in peace?’” “What do you know about peace?” Jehu replied. “Fall in behind me.”
21 ULB Ka hoy i Jorama: "Homany ny kalesiko." Ary nomanin'izy ireo ny kalesiny, ary samy nitaingina ny kalesiny avy, i Jorama mpanjakan'Israely sy i Ahazia mpanjakan'i Joda, mba hihaona amin'i Jeho. Hitan'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Nabota ilay Jezirelita izy. BSB BSB: “Harness!” Joram shouted, and they harnessed his chariot. Then Joram king of Israel and Ahaziah king of Judah set out, each in his own chariot, and met Jehu on the property of Naboth the Jezreelite.
22 ULB Rehefa hitan'i Jorama i Jeho, dia hoy izy: "Tonga mba hihavana ve ianao, ry Jeho?" Izy namaly hoe: "Inona no fihavanana eo, raha mbola maro be koa ny fanompoan-tsampy amin'ny asa fivarotan-tena sy ny ody ratsin'i Jezebela reninao?" BSB BSB: When Joram saw Jehu, he asked, “Have you come in peace, Jehu?” “How can there be peace,” he replied, “as long as the idolatry and witchcraft of your mother Jezebel abound?”
23 ULB Ary navilin'i Jorama ny kalesiny ka nandositra izy ary niteny tamin'i Ahazia hoe: "Misy fitaka, ry Ahazia." BSB BSB: Joram turned around and fled, calling out to Ahaziah, “Treachery, Ahaziah!”
25 ULB Ary hoy i Jeho tamin'i Bidkara kapiteniny: "Alaivo izy ary atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota ilay Jezirelita. Tsarovy tamin'ny izaho sy ianao niaraka nitondra kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nametraka izany faminaniana izany hamelezana azy i Yaveh: BSB BSB: And Jehu said to Bidkar his officer, “Pick him up and throw him into the field of Naboth the Jezreelite. For remember that when you and I were riding together behind his father Ahab, the LORD lifted up this burden against him:
26 ULB Yaveh nanambara hoe—'Nahita ny ràn'i Nabota sy ny ràn'ireo zanany lahy Aho omaly—ary hampanonitra anao izany eto amin'ity saha ity tokoa Aho—hoy i Yaveh. Koa ankehitriny, alaivo izy ary atsipazo eo amin'io saha io, araka ny tenin'i Yaveh." BSB BSB: ‘As surely as I saw the blood of Naboth and the blood of his sons yesterday, declares the LORD, so will I repay you on this plot of ground, declares the LORD.’ Now then, according to the word of the LORD, pick him up and throw him on the plot of ground.”
27 ULB Rehefa nahita izany i Ahazia mpanjakan'i Joda, dia nandositra niakatra tany amin'ny lalana mankany Beta Hagana izy. Fa i Jeho nanaraka azy, ary nanao hoe: "Vonoy eo amin'ny kalesy ihany koa izy," ary notifirin'izy ireo teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo akaikin'i Jibleama izy. Nandositra tany Megido i Ahazia ka dia maty tany. BSB BSB: When King Ahaziah of Judah saw this, he fled up the road toward Beth-haggan. And Jehu pursued him, shouting, “Shoot him too!” So they shot Ahaziah in his chariot on the Ascent of Gur, near Ibleam, and he fled to Megiddo and died there.
28 ULB Nentin'ireo mpanompony tamin'ny kalesy nankany Jerosalema ny fatiny ary naleviny tao amin'ny fasany niaraka tamin'ireo razambeny tao an-tanànan'i Davida izy. BSB BSB: Then his servants carried him by chariot to Jerusalem and buried him with his fathers in his tomb in the City of David.
29 ULB Ary tamin'ny fahairaika ambin'ny folo taona nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba no nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Ahazia. BSB BSB: (In the eleventh year of Joram son of Ahab, Ahaziah had become king over Judah.)
30 ULB Rehefa tonga tao Jezirela i Jeho, dia ren'i Jezebela izany, ary nandoko ny masony, sy nibango ny volony, ary nitazana teo am-baravarankely izy. BSB BSB: Now when Jehu arrived in Jezreel, Jezebel heard of it. So she painted her eyes, adorned her head, and looked down from a window.
31 ULB Raha niditra ny vavahady i Jeho, dia hoy izy taminy hoe: "Tonga mba hihavana ve ianao, ry Zimry, mpamono ny tomponao?" BSB BSB: And as Jehu entered the gate, she asked, “Have you come in peace, O Zimri, murderer of your master?”
32 ULB Niandrandra teny am-baravarankely i Jeho ary hoy izy: "Iza no miandany amiko? Iza?" Avy eo dia nisy tandapa roa na telo nitazana. BSB BSB: He looked up at the window and called out, “Who is on my side? Who?” And two or three eunuchs looked down at him.
33 ULB Ka dia hoy i Jeho: "Alatsaho izy." Ka nalatsak'izy ireo i Jezebela, ary ny sasany tamin'ny ràny nipitipitika teny amin'ny rindrina sy ireo soavaly, ka nosihosen'i Jeho tamin'ny tongony izy. BSB BSB: “Throw her down!” yelled Jehu. So they threw her down, and her blood splattered on the wall and on the horses as they trampled her underfoot.
34 ULB Rehefa niditra tao amin'ny lapa i Jeho, dia nihinana sy nisotro izy. Ary hoy izy: "Jereo amin'izay ilay vehivavy voahozona ary aleveno izy, fa zanaka vavin'ny mpanjaka izy." BSB BSB: Then Jehu went in and ate and drank. “Take care of this cursed woman,” he said, “and bury her, for she was the daughter of a king.”
35 ULB Nandeha nandevina azy izy ireo, kanefa tsy nahita afa-tsy karandoha, sy tongotra, ary ny felatanany izy ireo. BSB BSB: But when they went out to bury her, they found nothing but her skull, her feet, and the palms of her hands.
36 ULB Ka niverina izy ireo ary niteny tamin'i Jeho. Hoy izy: "Izao ny tenin'i Yaveh izay noteneniny tamin'ny alalan'i Elia ilay Tisibita mpanompony, manao hoe: 'Ao amin'ny tany ao Jezirela no hihinanan'ireo amboa ny nofon'i Jezebela, BSB BSB: So they went back and told Jehu, who replied, “This is the word of the LORD, which He spoke through His servant Elijah the Tishbite: ‘On the plot of ground at Jezreel the dogs will devour the flesh of Jezebel.
37 ULB ary ny fatin'i Jezebela dia ho tahaka ny zezika eo amin'ny velaran'ny saha eo amin'ny tany ao Jezirela, mba tsy hisy olona afaka hiteny hoe: "Jezebela io.""' BSB BSB: And Jezebel’s body will lie like dung in the field on the plot of ground at Jezreel, so that no one can say: This is Jezebel.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.