1 ULB Ary Elisa niresaka tamin-dravehivavy renin'ilay zaza izay novelominy. Hoy izy taminy: "Mitsangàna, ary mandehana miaraka amin'ny ankohonanao, ka mitoera na aiza na aiza azonao hitoerana any an-tany hafa, satria Yaveh efa niantso mosary ho tonga eto amin'ity tany ity mandritra ny fito taona." BSB BSB: Now Elisha had said to the woman whose son he had restored to life, “Arise, you and your household; go and live as a foreigner wherever you can. For the LORD has decreed that a seven-year famine will come to the land.”
2 ULB Ka dia nitsangana ravehivavy ary nankatò ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra. Nandeha niaraka tamin'ireo ankohonany izy ary nipetraka tany amin'ny tanin'ny Filistina fito taona. BSB BSB: So the woman had proceeded to do as the man of God had instructed. And she and her household lived as foreigners for seven years in the land of the Philistines.
3 ULB Ary ny faran'ny fito taona dia niverina avy tao amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy, dia nankany amin'ny mpanjaka izy mba hiangavy ny amin'ny tranony sy ny amin'ny taniny. BSB BSB: At the end of seven years, when the woman returned from the land of the Philistines, she went to the king to appeal for her house and her land.
4 ULB Ary ny mpanjaka niresaka tamin'i Gehazy mpanompon'ilay lehilahin'Andriamanitra, nanao hoe: "Mba lazao ahy re ireo zavatra lehibe rehetra izay nataon'i Elisa." BSB BSB: Now the king had been speaking to Gehazi, the servant of the man of God, saying, “Please relate to me all the great things Elisha has done.”
5 ULB Ka raha niteny tamin'ny mpanjaka ny fomba nameloman'i Elisa ilay zaza izay efa maty izy, dia tonga ilay vehivavy renin'ilay zaza novelominy mba hiangavy ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Hoy i Gehazy: "Ry mpanjaka, tompoko, ity ilay vehivavy, ary ity ny zanany lahy, izay novelomin'i Elisa." BSB BSB: And Gehazi was telling the king how Elisha had brought the dead back to life. Just then the woman whose son Elisha had revived came to appeal to the king for her house and her land. So Gehazi said, “My lord the king, this is the woman, and this is the son Elisha restored to life.”
6 ULB Rehefa nanontany an-dravehivavy momba ny zanany ny mpanjaka, dia nazavainy taminy izany. Ka nandidy manam-pahefana iray ho azy ny mpanjaka, nanao hoe: "Avereno aminy izay rehetra azy ary ny vokatry ny sahany rehetra hatramin'ny andro izay nandaozany ny tany ka hatramin'izao." BSB BSB: When the king asked the woman, she confirmed it. So the king appointed for her an officer, saying, “Restore all that was hers, along with all the proceeds of the field from the day that she left the country until now.”
7 ULB Nankany Damaskosy tany amin'izay nahararian'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria i Elisa. Nolazaina ny mpanjaka hoe: "Tonga eto ilay lehilahin'Andriamanitra." BSB BSB: Then Elisha came to Damascus while Ben-hadad king of Aram was sick, and the king was told, “The man of God has come here.”
8 ULB Hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: "Mitondrà fanomezana eny an-tananao ary mandehana mitsena ilay lehilahin'Andriamanitra, ary manontania an'i Yaveh amin'ny alalany, manao hoe: "Ho sitrana amin'izao aretina izao ve aho?"' BSB BSB: So the king said to Hazael, “Take a gift in your hand, go to meet the man of God, and inquire of the LORD through him, ‘Will I recover from this illness?’”
9 ULB Dia nandeha nitsena azy i Hazaela ary nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa isan-karazany avy tao Damaskosy, nentina rameva efapolo. Dia tonga i Hazaela ary nijoro teo anoloan'i Elisa ka nanao hoe: "Ny zanakao lahy Beni-hadada mpanjakan'i Syria no naniraka ahy ho aty aminao, manao hoe: 'Ho sitrana amin'izao aretina izao ve aho?"' BSB BSB: So Hazael went to meet Elisha, taking with him a gift of forty camel loads of every good thing from Damascus. And he went in and stood before him and said, “Your son Ben-hadad king of Aram has sent me to ask, ‘Will I recover from this illness?’”
10 ULB Hoy i Elisa taminy: "Mandehana, lazao i Beni-hadada hoe: 'Ho sitrana tokoa ianao', nefa i Yaveh efa nampiseho ahy fa ho faty tokoa izy." BSB BSB: Elisha answered, “Go and tell him, ‘You will surely recover.’ But the LORD has shown me that in fact he will die.”
11 ULB Dia nibanjina an'i Hazaela mandra-pahamenatra azy i Elisa, dia nitomany ilay lehilahin'Andriamanitra. BSB BSB: Elisha fixed his gaze steadily on him until Hazael became uncomfortable. Then the man of God began to weep.
12 ULB Nanontany i Hazaela hoe: "Nahoana ianao no mitomany, ry tompoko?" Namaly izy hoe: "Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin'ny vahoakan'Israely. Handoro ny fiarovana mafin'izy ireo ianao, ary hamono ny tovolahin'izy ireo amin'ny sabatra, handrasarasa ny zanaka madinik'izy ireo ianao, ary hanataka ny vehivavy bevohoka ao amin'izy ireo." BSB BSB: “Why is my lord weeping?” asked Hazael. “Because I know the evil you will do to the Israelites,” Elisha replied. “You will set fire to their fortresses, kill their young men with the sword, dash their little ones to pieces, and rip open their pregnant women.”
13 ULB Hazaela namaly hoe: "Iza moa ity mpanomponao, no hanao izany zavatra lehibe izany izy? Amboa fotsiny ihany izy." Namaly i Elisa hoe: "Efa nasehon'i Yaveh ahy fa ho lasa mpanjakan'i Syria ianao." BSB BSB: “But how could your servant, a mere dog, do such a monstrous thing?” said Hazael. And Elisha answered, “The LORD has shown me that you will be king over Aram.”
14 ULB Dia nandao an'i Elisa i Hazaela ary nankany amin'ny tompony, izay niteny taminy hoe: "Inona no nolazain'i Elisa taminao?" Namaly izy hoe: "Niteny tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao." BSB BSB: So Hazael left Elisha and went to his master, who asked him, “What did Elisha say to you?” And he replied, “He told me that you would surely recover.”
15 ULB Ary ny ampitso dia naka bodofotsy i Hazaela ary nanatsoboka izany tao anaty rano, ary namelatra izany teo amin'ny tavan'i Beni-hadada mba ho faty izy. Dia lasa mpanjaka nandimby ny toerany i Hazaela. BSB BSB: But the next day Hazael took a thick cloth, dipped it in water, and spread it over the king’s face. So Ben-hadad died, and Hazael reigned in his place.
16 ULB Tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Jehorama. Izy dia zanaka lahin'i Josafata mpanjakan'i Joda. BSB BSB: In the fifth year of the reign of Joram son of Ahab over Israel, Jehoram son of Jehoshaphat succeeded his father as king of Judah.
17 ULB Jehorama dia roa amby telopolo taona no nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritra ny valo taona tao Jerosalema izy. BSB BSB: Jehoram was thirty-two years old when he became king, and he reigned in Jerusalem eight years.
18 ULB Nandeha tamin'ireo lalan'ny mpanjakan'Israely i Jehorama, tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba; satria nanana ny zanaka vavin'i Ahaba ho vadiny izy, ka nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. BSB BSB: And Jehoram walked in the ways of the kings of Israel, just as the house of Ahab had done. For he married a daughter of Ahab and did evil in the sight of the LORD.
19 ULB Na dia izany aza, nohon'ny amin'i Davida mpanompony, dia tsy te-handrava an'i Joda i Yaveh, satria niteny taminy Izy fa hanome azy taranaka mandrakariva. BSB BSB: Yet for the sake of His servant David, the LORD was unwilling to destroy Judah, since He had promised to maintain a lamp for David and his descendants forever.
20 ULB Tamin'ny andron'i Jehorama, dia nikomy nanohitra ny tanan'i Joda i Edoma, ary nametraka mpanjaka ho an'ny tenany izy ireo. BSB BSB: In the days of Jehoram, Edom rebelled against the hand of Judah and appointed their own king.
21 ULB Avy eo dia niampita niaraka tamin'ireo mpifehiny sy ireo kalesiny rehetra i Jehorama. Dia nitsangana izy ny alina ka nanafika ary namely ireo Edomita, izay nanodidina azy sy ireo mpifehy ireo kalesy. Dia nandositra tany an-tranon'izy ireo ny tafik'i Jehorama. BSB BSB: So Jehoram crossed over to Zair with all his chariots. When the Edomites surrounded him and his chariot commanders, he rose up and attacked by night. His troops, however, fled to their homes.
22 ULB Ka nikomy nanohitra ny fitsipik'i Joda mandraka ankehitriny i Edoma. Nikomy ihany koa i Libna tamin'io fotoana io. BSB BSB: So to this day Edom has been in rebellion against the hand of Judah. Likewise, Libnah rebelled at the same time.
23 ULB Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jerohama, izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Jehoram, along with all his accomplishments, are they not written in the book of the Chronicles of the Kings of Judah?
24 ULB Maty ary nitsahatra niaraka tamin'ireo razany i Jehorama, ary nalevina niaraka tamin'ireo razany tao an-tanànan'i Davida. Dia i Ahazia zanany lahy no tonga mpanjaka nandimby toerany. BSB BSB: And Jehoram rested with his fathers and was buried with them in the City of David. And his son Ahaziah reigned in his place.
25 ULB Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Ahazia, zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda. BSB BSB: In the twelfth year of the reign of Joram son of Ahab over Israel, Ahaziah son of Jehoram became king of Judah.
27 ULB Ary nandeha tamin'ireo lalan'ny ankohonan'i Ahaba i Ahazia; nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba, satria i Ahazia dia vinanto lahy tamin'ny taranak'i Ahaba. BSB BSB: And Ahaziah walked in the ways of the house of Ahab and did evil in the sight of the LORD like the house of Ahab, for he was a son-in-law of the house of Ahab.
29 ULB Niverina i Jorama mpanjaka mba hotsaboina any Jezirela amin'ireo ratra izay nataon'ireo Syriana taminy tao Rama, rehefa niady tamin'i Hazaela mpanjaka izy. Ary i Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, nidina ho any Jezirela mba hijery an'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, satria naratra i Jorama. BSB BSB: So King Joram returned to Jezreel to recover from the wounds that the Arameans had inflicted on him at Ramah when he fought against Hazael king of Aram. Then Ahaziah son of Jehoram king of Judah went down to Jezreel to visit Joram son of Ahab, because Joram had been wounded.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.