1 ULB Tamin'ny taona fahatelo amby roapolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tany Samaria i Joahaza; fito ambin'ny folo taona izy no nanjaka. BSB BSB: In the twenty-third year of the reign of Joash son of Ahaziah over Judah, Jehoahaz son of Jehu became king of Israel, and he reigned in Samaria seventeen years.
2 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, izay nahatonga an'Israely hanota; ary tsy niala tamin'izany i Joahaz. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD and followed the sins that Jeroboam son of Nebat had caused Israel to commit; he did not turn away from them.
3 ULB Nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'i Yaveh, ary nanolotra azy ireo teny an-tanan'i Hazaela mpanjakan'i Syria hatrany Izy ary teny an-tanan'i Beni-Hadada zanaka lahin'i Hazaela. BSB BSB: So the anger of the LORD burned against Israel, and He delivered them continually into the hands of Hazael king of Aram and his son Ben-hadad.
4 ULB Ka dia niangavy an'i Yaveh i Joahaza, ary nihaino azy Izy satria hitany ny fampahoriana ny Israely, ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria azy ireo. BSB BSB: Then Jehoahaz sought the favor of the LORD, and the LORD listened to him because He saw the oppression that the king of Aram had inflicted on Israel.
5 ULB Ka nomen'i Yaveh mpamonjy ny Israely, ary nitsoaka avy tamin'ny tanan'ireo Syriana izy ireo, ary ny zanak'Israely nanomboka nitoetra tany amin'ireo fonenany arak'izay nananan'izy ireo tany aloha. BSB BSB: So the LORD gave Israel a deliverer, and they escaped the power of the Arameans. Then the people of Israel lived in their own homes as they had before.
6 ULB Na izany aza anefa, dia tsy niala tamin'ireo fahotan'ny ankohonan'i Jeroboama izy ireo, izay nahatonga ny Israely hanota, ary nanohy izany izy ireo, ary ny baon'Aseraha nijanona tany Samaria. BSB BSB: Nevertheless, they did not turn away from the sins that the house of Jeroboam had caused Israel to commit, but they continued to walk in them. The Asherah pole even remained standing in Samaria.
7 ULB Ka nandao an'i Joahaza ireo Syriana niaraka tamin'ny mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, ary miaramila an-tongotra iray alina fotsiny, fa ny mpanjakan'i Syria efa nandrava azy ireo, ary nanao azy ireo toy ny akofa amin'ny fotoam-pikosoham-bary. BSB BSB: Jehoahaz had no army left, except fifty horsemen, ten chariots, and ten thousand foot soldiers, because the king of Aram had destroyed them and made them like the dust at threshing.
8 ULB Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joahaza, sy izay nataony rehetra ary ny fahefany, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Jehoahaz, along with all his accomplishments and his might, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
9 ULB Ka nodimandry tany amin'ireo razany i Joahaza, ary nandevina azy tany Samaria izy ireo. Dia i Joasy zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: And Jehoahaz rested with his fathers and was buried in Samaria. And his son Jehoash reigned in his place.
10 ULB Tamin'ny taona fahafito amby telopolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy, ny fanjakan'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza dia nanomboka teo amin'Israely tany Samaria; enina ambin'ny folo taona no nanjakany. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. BSB BSB: In the thirty-seventh year of the reign of Joash over Judah, Jehoash son of Jehoahaz became king of Israel in Samaria, and he reigned sixteen years.
11 ULB Tsy mbola niala tamin'ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nampatonga an'Israely hanota, saingy tany amin'ireny no nandehanany. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD and did not turn away from all the sins that Jeroboam son of Nebat had caused Israel to commit, but he walked in them.
12 ULB Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joasy, sy izay nataony rehetra, ary ny heriny tamin'izay niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'ny Israely ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Jehoash, along with all his accomplishments and his might, including his war against Amaziah king of Judah, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
13 ULB Dia nodimandry tany amin'ireo razambeny i Joasy, ary i Jeroboama no nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany. Dia nalevina niaraka tamin'ireo mpanjaka tany Samaria i Joasy. BSB BSB: And Jehoash rested with his fathers, and Jeroboam succeeded him on the throne. Jehoash was buried in Samaria with the kings of Israel.
14 ULB Ary narary nohon'ny aretina iray izay nahafaty azy i Elisa taty aoriana, ka nidina tany aminy i Joasy mpanjakan'Israely ary nitomany teo aminy. Hoy izy hoe: "Ry raiko, ry raiko, ireo kalesin'ny Israely sy ny mpitaingin-tsoavaly no maka anao!" BSB BSB: When Elisha had fallen sick with the illness from which he would die, Jehoash king of Israel came down to him and wept over him, saying, “My father, my father, the chariots and horsemen of Israel!”
15 ULB Dia hoy i Elisa taminy: "Makà tsipìka ary zana-tsipìka maromaro" Ka dia naka tsipìka sy zana-tsipìka maromaro i Joasy. BSB BSB: Elisha told him, “Take a bow and some arrows.” So Jehoash took a bow and some arrows.
16 ULB Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Ataovy eo amin'ilay tsipìka ny tananao," Ka nataony teo amin'izany ny tanany. Avy eo napetrak'i Elisa teo amin'ny tanan'ny mpanjaka ny tanany. BSB BSB: Then Elisha said to the king of Israel, “Put your hand on the bow.” So the king put his hand on the bow, and Elisha put his hands on the king’s hands.
17 ULB Hoy i Elisa hoe: "Sokafy miantsinana ny varavarankely." Dia nosokafany izany. Dia hoy i Elisa hoe: "Tifiro", ka nitifitra izy. Dia hoy i Elisa: "Izany no zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh, zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria, fa hanafika ireo Syriana any Afeka ianao mandra-pahalevonao azy ireo." BSB BSB: “Open the east window,” said Elisha. So he opened it and Elisha said, “Shoot!” So he shot. And Elisha declared: “This is the LORD’s arrow of victory, the arrow of victory over Aram, for you shall strike the Arameans in Aphek until you have put an end to them.”
18 ULB Dia hoy i Elisa hoe: "Raiso ireo zana-tsipìka," ka noraisin'i Joasy ireo. Dia hoy izy tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Kapohy amin'ireny ny tany," ka nikapoka ny tany intelo izy, ary nijanona avy eo. BSB BSB: Then Elisha said, “Take the arrows!” So he took them, and Elisha said to the king of Israel, “Strike the ground!” So he struck the ground three times and stopped.
19 ULB Saingy tezitra taminy ilay lehilahin'Andriamanitra ka nanao hoe: "Tokony indimy na inenina no namelezanao ny tany. Avy eo dia tokony nanafika an'i Syria ianao mandra-paharinganao izany, nefa ankehitriny intelo ihany ianao no hanafika an'i Syria." BSB BSB: But the man of God was angry with him and said, “You should have struck the ground five or six times. Then you would have struck down Aram until you had put an end to it. But now you will strike down Aram only three times.”
20 ULB Avy eo dia maty i Elisa, ary nandevina azy izy ireo. Ary nisy andiana Moabita nanafika ny tany tamin'ny fiatombohan'ny taona. BSB BSB: And Elisha died and was buried. Now the Moabite raiders used to come into the land every spring.
21 ULB Raha nandevina ilay lehilahy izy ireo, dia nahita andiana Moabita iray izy, ka nanipy ilay vatana tao am-pasan'i Elisa. Raha vantany vao nahakasika ny taolan'i Elisa ny vatana mangatsiakan'ilay lehilahy, dia velona indray izy ary nitsangana. BSB BSB: Once, as the Israelites were burying a man, suddenly they saw a band of raiders, so they threw the man’s body into Elisha’s tomb. And as soon as his body touched the bones of Elisha, the man was revived and stood up on his feet.
22 ULB Nampahory ireo Israely tamin'ny andron'i Joahaza mpanjaka rehetra i Hazaela mpanjakan'i Syria. BSB BSB: And Hazael king of Aram oppressed Israel throughout the reign of Jehoahaz.
23 ULB Nefa namindra fo ny Israely i Yaveh, ka nangoraka azy ireo ary nihantra azy ireo, nohon'ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Ka tsy nandringana azy ireo i Yaveh, ary mbola tsy nandroaka azy ireo tamin'ny fanatrehany Izy. BSB BSB: But the LORD was gracious to Israel and had compassion on them, and He turned toward them because of His covenant with Abraham, Isaac, and Jacob. And to this day, the LORD has been unwilling to destroy them or cast them from His presence.
24 ULB Maty i Hazaela mpanjakan'i Syria, ka i Beni-hadada zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: When Hazael king of Aram died, his son Ben-hadad reigned in his place.
25 ULB Namerina ireo tanàna izay nalaina tamin'i Joahaza rainy tamin'ny ady tamin'i Beni-hadada zanak'i Hazaela i Joasy zanak'i Hazaela. Intelo i Joasy no nanafika azy, ary naka ireo ny tanànan'Israely ireo indray izy. BSB BSB: Then Jehoash son of Jehoahaz took back from Ben-hadad son of Hazael the cities that Hazael had taken in battle from his father Jehoahaz. Jehoash defeated Ben-hadad three times, and so recovered the cities of Israel.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.