2 ULB Dimy amby roapolo taona izy no nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran'ny reniny dia i Joadana, avy any Jerosalema. BSB BSB: He was twenty-five years old when he became king, and he reigned in Jerusalem twenty-nine years. His mother’s name was Jehoaddan; she was from Jerusalem.
3 ULB Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, fa tsy tahaka an'i Davida rainy. Izy dia nanao ny zavatra rehetra izay nataon'i Joasy, rainy. BSB BSB: And he did what was right in the eyes of the LORD, but not as his father David had done. He did everything as his father Joash had done.
4 ULB Saingy tsy nesorina ireo toerana avo. Nanohy nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ireo toerana avo ireo ny olona. BSB BSB: Nevertheless, the high places were not taken away, and the people continued sacrificing and burning incense on the high places.
5 ULB Ary raha vantany vao tafapetraka tsara ny fitondràny, dia novonoiny ireo mpanompo izay namono ny rainy, dia ny mpanjaka. BSB BSB: As soon as the kingdom was firmly in his grasp, Amaziah executed the servants who had murdered his father the king.
6 ULB Fa mbola tsy novonoiny ny zanak'ireo mpamono olona, fa nanao araka ny voasoratra tao amin'ny lalàna, tao amin'ny Ny Bokin'i Mosesy kosa izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh, nanao hoe: "Tsy tokony ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo zanany ireo ray, na ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo ray aman-dreniny ireo zanany. Fa ny olona tsirairay kosa dia tokony ho vonoina nohon'ny fahotany manokana." BSB BSB: Yet he did not put the sons of the murderers to death, but acted according to what is written in the Book of the Law of Moses, where the LORD commanded: “Fathers must not be put to death for their children, and children must not be put to death for their fathers; each is to die for his own sin.”
7 ULB Namono miaramila Edomita iray alina izy tao amin'ny Lohasahan-tsira izy; nalainy tany an'ady ihany koa i Sela, ary nantsoiny hoe: Joktela, izay fiantsoana azy mandraka ankehitriny. BSB BSB: Amaziah struck down 10,000 Edomites in the Valley of Salt. He took Sela in battle and called it Joktheel, which is its name to this very day.
8 ULB Ary nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza, zanaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely i Amazia nanao hoe: "Avia, andao isika hifanandrina any an'ady." BSB BSB: Then Amaziah sent messengers to the king of Israel Jehoash son of Jehoahaz, the son of Jehu. “Come, let us meet face to face,” he said.
9 ULB Saingy Joasy mpanjakan'Israely dia nandefa mpitondra hafatra hiverina tany amin'i Amazia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: "Ny tsilo izay tany Libanona dia nampitondra hafatra ho an'ny sedera tao Libanona, nanao hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy,' saingy nisy bibi-dia nandalo ary nanitsaka ilay tsilo. BSB BSB: But Jehoash king of Israel replied to Amaziah king of Judah: “A thistle in Lebanon sent a message to a cedar in Lebanon, saying, ‘Give your daughter to my son in marriage.’ Then a wild beast in Lebanon came along and trampled the thistle.
10 ULB Efa nanafika an'i Edoma tokoa ianao, efa nanandratra anao ny fonao. Mireharehà amin'ny fandresenao, saingy mijanòna ao an-trano, fa nahoana ianao no tokony hanakorontana sy handavo ny tenanao, dia ianao sy i Joda niaraka taminao?" BSB BSB: You have indeed defeated Edom, and your heart has become proud. Glory in that and stay at home. Why should you stir up trouble so that you fall—you and Judah with you?”
11 ULB Fa tsy nihaino i Amazia. Ka nanafika i Joasy mpanjakan'Israely ary nifanatri-tava tao Bety-semesy izy sy Amazia, mpanjakan'i Joda, izay an'i Joda. BSB BSB: But Amaziah would not listen, so Jehoash king of Israel advanced. He and King Amaziah of Judah faced each other at Beth-shemesh in Judah.
12 ULB Resin'Israely i Joda, ary nandositra nody ny lehilahy rehetra. BSB BSB: And Judah was routed before Israel, and every man fled to his home.
13 ULB Nosamborin'i Joasy mpanjakan'Israely tao Beti- semesy i Amazia mpanjakan'i Joda zanak'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia. Tonga tao Jerosalema izy ary nandrodana ny rindrina nanomboka teo amin'ny vavahadin'i Efraima hatrany amin'ny Vavahady Zorony, efajato hakiho ny halavirany. BSB BSB: There at Beth-shemesh, Jehoash king of Israel captured Amaziah king of Judah, the son of Joash, the son of Ahaziah. Then Jehoash went to Jerusalem and broke down the wall of Jerusalem from the Ephraim Gate to the Corner Gate—a section of four hundred cubits.
14 ULB Nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra, ireo zavatra rehetra hita tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo zavatra manan-danja rehetra tao amin'ny lapan'ny mpanjaka, niaraka tamin'ireo takalon'aina ihany koa, ary niverina tany Samaria izy. BSB BSB: He took all the gold and silver and all the articles found in the house of the LORD and in the treasuries of the royal palace, as well as some hostages. Then he returned to Samaria.
15 ULB Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joasy, izay rehetra nataony, ny fahefany, ary ny fomba niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Jehoash, along with his accomplishments, his might, and how he waged war against Amaziah king of Judah, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
16 ULB Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Joasy ary nalevina tany Samaria niaraka tamin'ireo mpanjakan'Israely, ary Jeroboama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby azy. BSB BSB: And Jehoash rested with his fathers and was buried in Samaria with the kings of Israel. And his son Jeroboam reigned in his place.
17 ULB Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'i Joda, dia niaina dimy ambin'ny folo taona taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'Israely. BSB BSB: Amaziah son of Joash king of Judah lived for fifteen years after the death of Jehoash son of Jehoahaz king of Israel.
18 ULB Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Amazia, moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Amaziah, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Judah?
19 ULB Nanao tetika hanoherana an'i Amazia tao Jerosalema izy ireo, ary nandositra tany Lakisy izy. Nandositra tany Lakisy izy, saingy nandefa lehilahy hanaraka azy tany Lakisy izy ireo ary namono azy tany. BSB BSB: And conspirators plotted against Amaziah in Jerusalem, and he fled to Lachish. But men were sent after him to Lachish, and they killed him there.
20 ULB Nentin'izy ireo niverina tamin'ny soavaly izy, ary nalevina niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanànan'i Davida. BSB BSB: They carried him back on horses and buried him in Jerusalem with his fathers in the City of David.
21 ULB Ny vahoakan'i Joda rehetra dia naka an'i Azaria, izay enina ambin'ny folo taona, ary nanao azy ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Amazia rainy. BSB BSB: Then all the people of Judah took Azariah, who was sixteen years old, and made him king in place of his father Amaziah.
22 ULB Azaria no nanorina indray an'i Elota ary namerina izany tao Joda, ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Amazia. BSB BSB: Azariah was the one who rebuilt Elath and restored it to Judah after King Amaziah rested with his fathers.
23 ULB Tamin'ny fahadimy ambin'ny folo taona naha-mpanjaka an'i Amazia, zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'i Joda, no nanombohan i Jeroboama zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely nanjaka tao Samaria; nanjaka nandritry ny iraika amby efapolo taona izy. BSB BSB: In the fifteenth year of the reign of Amaziah son of Joash over Judah, Jeroboam son of Jehoash became king of Israel, and he reigned in Samaria forty-one years.
24 ULB Nanao ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy niala tamin'ireo fahotana nataon'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nahatonga ny Israely hanota. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD and did not turn away from all the sins that Jeroboam son of Nebat had caused Israel to commit.
26 ULB Fa hitan'i Yaveh ny fijalian'Israely, izay tena nangidy tamin'ny tsirairay, na ny andevo na ny afaka, ary tsy nisy mpanavotra ny Israely. BSB BSB: For the LORD saw that the affliction of the Israelites, both slave and free, was very bitter. There was no one to help Israel,
27 ULB Ka niteny i Yaveh fa tsy hanimba ny anaran'Israely eo amin'ny ambany lanitra Izy, fa novonjeny tamin'ny alalan'ny tanan'i Jeroboama zanak'i Joasy kosa izy ireo. BSB BSB: and since the LORD had said that He would not blot out the name of Israel from under heaven, He saved them by the hand of Jeroboam son of Jehoash.
28 ULB Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Jeroboama, ireo rehetra izay nataony, ny fahefany, ny niadiany sy namerenany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'i Joda, ho an'Israely, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Jeroboam, along with all his accomplishments and might, and how he waged war and recovered both Damascus and Hamath for Israel from Judah, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
29 ULB Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jeroboama, niaraka tamin'ireo mpanjakan'Israely, ary i Zakaria zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. BSB BSB: And Jeroboam rested with his fathers, the kings of Israel. And his son Zechariah reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.