1 ULB Tamin'ny taona fahafito amby roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Azaria zanak'i Amazia mpanjakan'i Joda. BSB BSB: In the twenty-seventh year of Jeroboam’s reign over Israel, Azariah son of Amaziah became king of Judah.
2 ULB Enina ambin'ny folo taona i Azaria no nanomboka nanjaka, ary nanjaka tao Jerosalema nandritra ny roa amby dimampolo taona izy. Jekolia no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy. BSB BSB: He was sixteen years old when he became king, and he reigned in Jerusalem fifty-two years. His mother’s name was Jecoliah; she was from Jerusalem.
3 ULB Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, araka izay nataon'i Amazia rainy. BSB BSB: And he did what was right in the eyes of the LORD, just as his father Amaziah had done.
4 ULB Na dia izany aza dia tsy mba nalàna ireo toerana avo. Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny olona. BSB BSB: Nevertheless, the high places were not taken away; the people continued sacrificing and burning incense there.
5 ULB Nampahory ny mpanjaka i Yaveh hany ka boka hatramin'ny andro nahafatesany izy ary nipetraka tao amina trano misara-toerana. Jotama, zanaka lahin'ny mpanjaka, no lohan'ny ankohonana ary nanapaka teo amin'ny vahoaka tao amin'ny tany. BSB BSB: And the LORD afflicted the king with leprosy until the day he died, so that he lived in a separate house while his son Jotham had charge of the palace and governed the people of the land.
6 ULB Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Azaria, sy izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Azariah, along with all his accomplishments, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Judah?
7 ULB Ka nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Azaria, nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Davida niaraka tamin'ireo razambeny izy. I Jotama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: And Azariah rested with his fathers and was buried near them in the City of David. And his son Jotham reigned in his place.
8 ULB Tamin'ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, dia i Zakaria zanak'i Jeroboama no nanjaka teo amin'Israely tany Samaria nandritra ny enim-bolana. BSB BSB: In the thirty-eighth year of Azariah’s reign over Judah, Zechariah son of Jeroboam became king of Israel, and he reigned in Samaria six months.
9 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'ireo razany. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD, as his fathers had done. He did not turn away from the sins that Jeroboam son of Nebat had caused Israel to commit.
10 ULB Nikononkonona hanohitra an'i Zakaria i Saloma zanak'i Jabesy, nanafika azy tany Ibleama, ary namono azy. Dia lasa mpanjaka nandimby ny toerany izy. BSB BSB: Then Shallum son of Jabesh conspired against Zechariah, struck him down and killed him in front of the people, and reigned in his place.
11 ULB Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Zakaria, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ireo. BSB BSB: As for the rest of the acts of Zechariah, they are indeed written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel.
12 ULB Izao no tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'i Jeho, manao hoe: "Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra mandimby ny taranakao." Dia nitranga izany. BSB BSB: So the word of the LORD spoken to Jehu was fulfilled: “Four generations of your sons will sit on the throne of Israel.”
13 ULB Nanomboka nanjaka i Saloma zanak'i Jabesy tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, ary nanjaka iray volana monja tao Samaria izy. BSB BSB: In the thirty-ninth year of Uzziah’s reign over Judah, Shallum son of Jabesh became king, and he reigned in Samaria one full month.
14 ULB Ary niakatra avy any Tirza ho any Samaria i Menahema zanak'i Gady. Tany no nanafihany an'i Saloma zanak'i Jabesy, tao Samaria. Nahafaty azy izy ka tonga mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: Then Menahem son of Gadi went up from Tirzah to Samaria, struck down and killed Shallum son of Jabesh, and reigned in his place.
15 ULB Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Saloma sy ny fikononkononana narafiny, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany. BSB BSB: As for the rest of the acts of Shallum, along with the conspiracy he led, they are indeed written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel.
16 ULB Dia nanafika an'i Tifsa sy ireo rehetra teo, sy ny sisin-tany nanodidina an'i Tirza i Menahema, satria tsy novohain'izy ireo ho azy ny tanàna. Ka notafihany izany, ary notatahany avokoa ireo vehivahy bevohoka tao amin'izany tanàna izany. BSB BSB: At that time Menahem, starting from Tirzah, attacked Tiphsah and everyone in its vicinity, because they would not open their gates. So he attacked Tiphsah and ripped open all the pregnant women.
17 ULB Tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'Israely i Menahema zanak'i Gady; nanjaka nandritra ny folo taona tao Samaria izy. BSB BSB: In the thirty-ninth year of Azariah’s reign over Judah, Menahem son of Gadi became king of Israel, and he reigned in Samaria ten years.
18 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Nandritra ny androm-piainany, dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy, izay nahatonga ny Israely nanota. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD, and throughout his reign he did not turn away from the sins that Jeroboam son of Nebat had caused Israel to commit.
20 ULB Nalain'i Menahema avy tamin'ny Israely tamin'ny alalan'ny fitakiana ny olona manan-karena tsirairay mba handoa sekely volafotsy dimampolo aminy mba homena ny mpanjakan'i Asyria io vola io. Ka nitodi-doha niverina ny mpanjakan'i Asyria ary tsy nitoetra tao amin'ny tany. BSB BSB: Menahem exacted this money from each of the wealthy men of Israel—fifty shekels of silver from each man—to give to the king of Assyria. So the king of Assyria withdrew and did not remain in the land.
21 ULB Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Menahema, sy ireo rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Menahem, along with all his accomplishments, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel?
22 ULB Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Menahema, ka Pekahia zanany no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: And Menahem rested with his fathers, and his son Pekahiah reigned in his place.
23 ULB Ary tamin'ny faha-dimampolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Pekahia zanak'i Menahema; nanjaka nandritra ny roa taona izy. BSB BSB: In the fiftieth year of Azariah’s reign over Judah, Pekahiah son of Menahem became king of Israel and reigned in Samaria two years.
24 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy mba nanary ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD and did not turn away from the sins that Jeroboam son of Nebat had caused Israel to commit.
25 ULB Nanana lefitra iray nantsoina hoe: Peka zanak'i Remalia i Pekahia, izay nikononkonona hanohitra azy. Niaraka tamin'ireo dimampolo lahin'i Gileada, dia namono an'i Pekahia sy Argoba ary Aria tany Samaria i Peka, tao amin'ny trano mimandan'ny lapan'ny mpanjaka. Novonoin'i Peka i Pekahia ary izy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: Then his officer, Pekah son of Remaliah, conspired against him along with Argob, Arieh, and fifty men of Gilead. And at the citadel of the king’s palace in Samaria, Pekah struck down and killed Pekahiah and reigned in his place.
26 ULB Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Pekahia, sy ireo rehetra nataony, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany. BSB BSB: As for the rest of the acts of Pekahiah, along with all his accomplishments, they are indeed written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel.
27 ULB Tamin'ny faharoa amby dimampolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanombohan'i Peka zanak'i Remalia nanjaka teo amin'Israely tao Samaria; nanjaka nandritra ny roapolo taona izy. BSB BSB: In the fifty-second year of Azariah’s reign over Judah, Pekah son of Remaliah became king of Israel, and he reigned in Samaria twenty years.
28 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD and did not turn away from the sins that Jeroboam son of Nebat had caused Israel to commit.
29 ULB Tamin'ny andron'i Peka mpanjakan'Israely, dia tonga ka naka an'Iona, Abela-beti-maka, Janoa, Kadesy, Hazora, Gileada, Galilia, ary ny tanin'i Naftaly rehetra i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Ary nitondra ny vahoaka nankany Asyria izy. BSB BSB: In the days of Pekah king of Israel, Tiglath-pileser king of Assyria came and captured Ijon, Abel-beth-maacah, Janoah, Kedesh, Hazor, Gilead, and Galilee, including all the land of Naphtali, and he took the people as captives to Assyria. 30 ULB Koa dia nandrafitra fikononkononana nanohitra an'i Peka zanak'i Remalia i Hosea zanak'i Ela. Nanafika azy izy ka nahafaty azy. Dia tonga mpanjaka nandimby ny toerany izy, tamin'ny faharoapolo taona nanjakan'i Jotama zanak'i Ozia. BSB BSB: Then Hoshea son of Elah led a conspiracy against Pekah son of Remaliah. In the twentieth year of Jotham son of Uzziah, Hoshea attacked Pekah, killed him, and reigned in his place.
31 ULB Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Peka, sy izay rehetra nataony, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany. BSB BSB: As for the rest of the acts of Pekah, along with all his accomplishments, they are indeed written in the Book of the Chronicles of the Kings of Israel.
32 ULB Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Jotama zanak'i Azaria, mpanjakan'i Joda. BSB BSB: In the second year of the reign of Pekah son of Remaliah over Israel, Jotham son of Uzziah became king of Judah.
33 ULB Dimy amby roapolo taona izy fony nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny enina ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Jerosa no anaran'ny reniny; zanaka vavin'i Zadoka izy. BSB BSB: He was twenty-five years old when he became king, and he reigned in Jerusalem sixteen years. His mother’s name was Jerusha daughter of Zadok.
34 ULB Nanao izay marina teo imason'i Yaveh i Jotama. Nanaraka ny ohatra rehetra izay nataon'i Azaria rainy izy. BSB BSB: And he did what was right in the eyes of the LORD, just as his father Uzziah had done.
35 ULB Kanefa, tsy mba nesorina ireo toerana avo. Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny vahoaka. Natsangan'i Jotama ny vavahady ambonin'i Yaveh. BSB BSB: Nevertheless, the high places were not taken away; the people continued sacrificing and burning incense there. Jotham rebuilt the Upper Gate of the house of the LORD.
36 ULB Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jotama, sy izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Jotham, along with his accomplishments, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Judah?
37 ULB Tamin'izany andro izany Yaveh dia nanomboka naniraka an'i Rezina mpanjakan'i Arama, sy Peka zanak'i Remalia, hanohitra an'i Joda. BSB BSB: (In those days the LORD began to send Rezin king of Aram and Pekah son of Remaliah against Judah.)
38 ULB Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jotama ary nalevina niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanànan'i Davida, razany. Ary i Ahaza, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: And Jotham rested with his fathers and was buried with them in the City of David his father. And his son Ahaz reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.